Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Jona 2013

 TANTARAM-PIAINANA

Nahazo Fitahiana Be dia Be Aho Nankatò An’i Jehovah

Nahazo Fitahiana Be dia Be Aho Nankatò An’i Jehovah

“Misy lesona tsara be azontsika ianarana avy amin’i Noa”, hoy i Dada. “Nankatò an’i Jehovah izy ary tia ny vady aman-janany. Tsy maty izy mianakavy rehefa tonga ny Safodrano, satria nankao anaty sambofiara daholo.”

IZANY no anisan’ny tena ahatsiarovako an’i Dada. Olona tsotsotra izy ary niasa mafy. Tena tia rariny koa izy ka tonga dia liana rehefa nisy niresaka taminy an’izay lazain’ny Baiboly, tamin’ny 1953. Niezaka mafy izy nanomboka teo nampianatra anay zanany. Tsy te hiala tamin’ny fombafomban’ny Katolika kosa i Neny tamin’ny voalohany. Nampihatra an’izay nianarany tao amin’ny Baiboly ihany anefa izy tatỳ aoriana.

Sahirankirana izy mivady nampianatra Baiboly anay. I Neny moa tsy dia nahay namaky teny. I Dada indray niasa mafy tany an-tsaha nandritra ny ora maro. Reraka be izy indraindray, ka niady mafy tamin’ny torimaso nandritra ilay fianarana. Nisy vokany anefa ny ezaka nataony tatỳ aoriana. Nampianatra ny zandriko telo mianadahy aho, satria izaho no zokiny indrindra. Nilaza taminay foana, ohatra, i Dada fa tia ny vady aman-janany i Noa ary nankatò an’Andriamanitra. Tiako be io tantara io ka nampianariko ny zandriko. Nandeha nivory izahay tatỳ aoriana, tany Roseto degli Abruzzi, any Italia, eo amoron’ny Ranomasina Adriatika.

Sambany izahay sy Neny no mba nanatrika fivoriambe tamin’ny 1955. Tany Roma ilay izy ary namakivaky tendrombohitra izahay mba hankanesana tany. Vao 11 taona aho tamin’izay. Lasa tiako be ny nanatrika fivoriambe nanomboka teo.

Natao batisa aho tamin’ny 1956, ary nanompo manontolo andro taoriana kelin’izay. Lasa mpisava lalana manokana tany Latina aho, tamin’izaho 17 taona. Any atsimon’i Roma no misy azy io, ary 300 kilaometatra eo ho eo avy eo aminay. Mbola vao haingana no nisy io tanàna io, ka tsy dia niraharaha izay noeritreretin’ny mpiray tanàna ny olona nihaino anay. Faly erỳ izaho sy ilay namako nahapetraka boky sy gazety ara-baiboly be dia be. Nalahelo be ny tany aminay koa anefa aho satria mbola tanora loatra. Na izany aza, dia nataoko an-tsaina foana hoe i Jehovah no naniraka ahy ka vonona hankatò foana aho.

Tamin’ny mariazinay

Nasaina nankany Milan aho, tamin’ny 1963, mba hanampy tamin’ny fanomanana an’ilay fivoriambe  iraisam-pirenena hoe “Vaovao Tsara Mandrakizay.” Be dia be izahay no nanao asa an-tsitrapo nandritra an’ilay fivoriambe. Anisan’izany i Paolo Piccioli, tovolahy iray avy any Florence. Nanao lahateny tsara be momba ny mpitovo izy ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe. Nieritreritra aho hoe: ‘Tsy hanambady mihitsy angamba ity ranadahy ity!’ Nifanoratra anefa izahay taorian’izay, ary samy nahita hoe nitovy zavatra tiana. Nitovy, ohatra, ny tanjonay, samy tia an’i Jehovah izahay, ary te hankatò azy. Nivady àry izahay tamin’ny 1965.

NIHAONA TAMIN’NY MPITONDRA FIVAVAHANA

Folo taona aho no mpisava lalana maharitra tany Florence. Tsara erỳ ny nahita ny fitomboana tao amin’ny fiangonana, indrindra ny nahita ny tanora nandroso. Nahafinaritra be ny niaraka tamin-dry zareo. Indraindray izahay niresadresaka zavatra avy tao amin’ny Baiboly, fa indraindray niara-niala voly. Matetika i Paolo no nanao baolina niaraka tamin-dry zareo. Tiako be ny niaraka tamin’ny vadiko, nefa hitako koa hoe tena nila niaraka taminy ny tanora sy ny fianakaviana tao amin’ny fiangonana, ary nandray soa tamin’izany izy ireo.

Nanana mpianatra Baiboly be dia be izahay, ary mbola faly foana aho rehefa mahatsiaro azy ireny. Anisan’ny nampiako i Adriana, ary noresahiny tamin’ny fianakaviana roa hafa koa ny zavatra nianarany. Nandamina fihaonana tamin’ny mompera iray izy ireo, mba hiresaka aminay. Eveka telo anefa no tonga. Niresaka momba ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty, ohatra, izahay. Takatr’ireo olona nampianarinay hoe nifanipaka ny fampianaran’ireo eveka, rehefa nampitahain’izy ireo tamin’izay nampianarinay tao amin’ny Baiboly. Nisy 15 tamin’ireo fianakaviana ireo no lasa Vavolombelon’i Jehovah vokatr’izany.

Tsy dia hoatr’izany intsony aloha ny fomba fitorintsika amin’izao e! Tena nahay niresaka tamin’ny mompera anefa i Paolo, ary imbetsaka izy no tafaresaka tamin’izy ireny. Indray mandeha izy niresaka tamin’ireny teo anatrehan’olona be dia be. Efa nifanarahan’ireo mompera hoe asaina manontany zavatra hamandrihana anay ny olona. Nivadika anefa ny rasa. Nisy nanontany mantsy hoe mety amin’ny fiangonana ve ny midikiditra amin’ny politika, toy ny efa fanaony hatry ny ela be. Tsy nahita havaly ireo mompera. Tapaka tampoka ny jiro ka najanona ilay fivoriana. Fantatray, tatỳ aoriana, fa hay efa nifanarahan-dry zareo ilay hoe tapahina ny jiro, raha sanatria tsy metimety amin-dry zareo ny fandehan’ny resaka.

KARAZANA FANOMPOANA HAFA

Nasaina hanao ny asan’ny faritra izahay, folo taona taorian’ny fanambadianay. Sarotra taminay  ny nanapa-kevitra, satria tsara asa be i Paolo. Nivavaka sy nieritreritra tsara anefa izahay ka nanaiky ihany. Nahafinaritra anay ny niaraka tamin’ireo fianakaviana nampiantrano anay. Matetika izahay no niara-nianatra tamin’ny hariva, dia avy eo i Paolo nanampy ny ankizy tamin’ny devoarany, indrindra raha matematika ilay izy. Tia namaky boky koa i Paolo. Faly erỳ izy nitantara ny zavatra nahaliana sy nampahery azy tamin’izay novakiny. Nandeha nitory tany amin’izay mbola tsy nisy Vavolombelona kosa izahay matetika rehefa alatsinainy. Nisy lahateny avy eo ny takariva, ka nasainay hanatrika an’izany ny olona nitorianay.

Nahafinaritra be anay ny niaraka tamin’ny tanora. Matetika i Paolo no nanao baolina niaraka tamin-dry zareo

Roa taona monja izahay no nanao ny asan’ny faritra dia nasaina nanompo tao amin’ny Betela any Roma. Notendrena hikarakara ny raharaha ara-pitsarana i Paolo, fa izaho kosa tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Gazety. Sahirana ihany izahay tamin’ilay fiovana, nefa vonona hankatò foana. Nitarina tsikelikely ny sampana tamin’izany, ary nihamaro be ny mpiara-manompo teto Italia, ka faly erỳ izahay. Tamin’izany koa no nekena ho ara-dalàna ny fivavahantsika eto Italia. Nahafinaritra be anay ny nanompo tao amin’ny Betela.

Tena tian’i Paolo ny asany tao amin’ny Betela

Nisy raharaha ara-pitsarana nalaza be teto Italia tamin’ny 1982 tany ho any. Nendrikendrehina ho namono ny zanany vavy ny mpivady iray Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy navelany hampidiran-dra ny zanany. Aretina tao amin’ny ra anefa no nahafaty an’ilay ankizy. Be dia be no voan’io aretina io, tatỳ amin’ny faritr’i Mediterane. Nanampy an’ireo mpisolovava niaro an’ilay mpivady ny rahalahy sy anabavy sasany tao amin’ny Betela. Nisy trakta sy Mifohaza! manokana navoaka teto Italia, ka izany no nanampy ny olona hahatakatra tsara an’izay lazain’ny Baiboly momba ny ra. Matetika i Paolo tamin’izany no niasa tsy an-kiato nandritra ny adiny 16. Izaho koa nanao izay vitako mba hanohanana azy.

NIOVA INDRAY NY FIAINANAY

Nisy zavatra tsy nampoizinay indray rehefa nivady 20 taona izahay. Mahimahina aho hoe bevohoka, ka nilazako i Paolo. Izaho amin’io efa 41 taona, ary i Paolo 49 taona. Izao no nosoratany tao amin’ny diariny tamin’io andro io: “Vavaka: Raha marina izany, dia mba ampio izahay hanompo manontolo andro foana, tsy hanao tsirambina ny fifandraisanay aminao, ary hahay hitaiza sy ho modely ho an’ny zanakay. Ampio koa aho hampihatra an’izay nolazaiko teny amin’ny lampihazo nandritra izay 30 taona lasa izay, eny fa na dia ny iray isan-jaton’izany fotsiny aza.” Hitako hoe namaly ny vavaka nataony sy nataoko i Jehovah.

Niova be ny fiainanay rehefa teraka i Ilaria. Kivy ihany aloha izahay indraindray e! Tsapanay mihitsy  aza ilay lazain’ny Ohabolana 24:10 hoe ‘rehefa kivy ianao amin’ny andro mahory, dia kely ny herinao.’ Nifanohana foana anefa izahay, satria fantatray fa tena ilaina ny mifampahery.

Matetika i Ilaria no miteny hoe faly be izy fa revo tamin’ny fanompoana manontolo andro izahay ray aman-dreniny. Mbola tsy nahatsiaro ho nailikilika mihitsy izy ary nahatsapa hoe tena tianay. Izaho no nikarakara azy nandritra ny andro. Niara-nilalao taminy sy nanampy azy tamin’ny devoarany kosa i Paolo rehefa tonga tamin’ny hariva, na dia mbola nisy asa tokony hovitainy aza. Niari-tory hatramin’ny roa na telo maraina izy avy eo namita ny asany. Matetika i Ilaria no nilaza hoe: “I Dada no tena namako.”

Nila nametraka fitsipika sy nampihatra tsara an’ilay izy izahay, mba hanampiana an’i Ilaria hanompo an’i Jehovah foana. Tsy maintsy hentitra koa izahay indraindray. Niara-nilalao tamin’ny namany, ohatra, izy indray andro, ary nanao zavatra tsy nety tamin’ilay ankizy. Nohazavainay avy tao amin’ny Baiboly hoe nahoana izy no tsy tokony hanao an’izany. Nasainay niala tsiny tamin’ilay namany teo imasonay koa izy.

Nilaza i Ilaria fa noho izahay tia nanompo no nahatonga azy ho tia fanompoana koa. Efa manambady izy izao, ary vao mainka tsapany hoe tena zava-dehibe ny mankatò an’i Jehovah sy manaraka ny tari-dalany.

NANKATÒ FOANA NA DIA TAO ANATIN’NY FAHORIANA AZA

Fantatr’i Paolo tamin’ny 2008 hoe voan’ny kansera izy. Hoatran’ny ho sitrana ny fijery azy tamin’ny voalohany. Izy aza no tena nampahery ahy. Nitady dokotera faran’izay mahay izahay. Nivavaka ela be koa izahay telo mianaka mba hanampian’i Jehovah anay hiatrika ny hoavy. Nalahelo anefa aho fa hitako nihareraka ihany i Paolo, na dia natanjaka be sy navitribitrika erỳ aza taloha. Maty izy tamin’ny 2010, ary mafy be tamiko izany. Lasa matanja-tsaina anefa aho rehefa mieritreritra ny zavatra niarahanay natao nandritra ny 45 taona. Nanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah izahay, ary fantatro hoe tsy hohadinoiny mihitsy izany. Tsy andriko erỳ izay hahitana an’i Paolo mitsangana amin’ny maty, araka ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29.

“Mbola hoatran’ny tamin’ny mbola kely ihany aho, satria mbola tia ny tantaran’i Noa foana. Tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah foana aho”

Mbola hoatran’ny tamin’ny mbola kely ihany aho, satria mbola tia ny tantaran’i Noa foana. Tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah foana aho na inona na inona asainy hataoko. Tsy misy dikany ny olana mahazo ahy sy ny zavatra nafoiko ary ny fahoriana nianjady tamiko, raha oharina amin’ny fitahiana ampanantenain’Andriamanitra. Hitako teo amin’ny fiainako fa tsy very maina mihitsy ny fankatoavana an’i Jehovah.