Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2013

Malala-tanana sy Mahay Mandanjalanja i Jehovah

Malala-tanana sy Mahay Mandanjalanja i Jehovah

“Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.”—SAL. 145:9.

1, 2. Inona no ho azontsika hatao mandrakizay?

HOY ny anabavy atao hoe Monika: “Efa ho 35 taona izao izahay no nivady, ary mifankahafantatra tsara. Mbola misy zava-baovao foana anefa lasa fantatro momba ny vadiko, ary izy koa hoatr’izany amiko.” Be dia be koa ny mpivady sy mpinamana mahatsapa an’izany.

2 Mahafinaritra ny hoe miezaka hahafantatra kokoa ny mpianakavintsika sy ny namantsika. Mbola mahafinaritra kokoa anefa ny hoe miezaka hahafantatra an’i Jehovah, ilay namantsika akaiky indrindra. Marina fa tsy ho afaka hahalala ny zava-drehetra momba azy isika. Mbola ho afaka hianatra momba azy foana anefa isika mandrakizay, ka ho lasa tia kokoa ny toetrany.—Rom. 11:33; Mpito. 3:11.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Nanampy antsika ilay lahatsoratra teo aloha, mba ho tia ny toetran’i Jehovah hoe mora hatonina sy tsy manavakavaka. Handinika toetrany roa hafa tena mahafinaritra koa isika ato, dia ny hoe malala-tanana sy mahay mandanjalanja izy. Ho takatsika fa “tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.”—Sal. 145:9.

MALALA-TANANA I JEHOVAH

4. Inona no atao hoe malala-tanana?

4 Inona no atao hoe malala-tanana? Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Ny hoe malala-tanana àry dia tia manome, ary mahatsiaro ho sambatra na faly rehefa manao izany. Mahafoy fotoana sy hery ary fananana mba hanampiana ny hafa ny olona malala-tanana, sady faly erỳ manao izany. Tsy hoe rehefa manome zavatra lafo vidy be ny olona iray vao  atao hoe malala-tanana, fa rehefa manome amin’ny fony. (Vakio ny 2 Korintianina 9:7.) Tsy misy malala-tanana noho i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.

5. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe malala-tanana izy?

5 Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe malala-tanana izy? Manome izay ilain’ny olona rehetra izy, eny fa na dia ny olona mbola tsy manompo azy aza. “Tsara fanahy amin’ny rehetra” izy, satria “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Mat. 5:45) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza tamin’ny olona tsy mpino hoe: ‘Nanao soa Andriamanitra, ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.’ (Asa. 14:17) Malala-tanana amin’ny rehetra tokoa i Jehovah!—Lioka 6:35.

6, 7. a) Inona no tena mahafaly an’i Jehovah? b) Manomeza ohatra mampiseho fa mikarakara ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah.

6 Ny manome izay ilain’ny mpanompony tsy mivadika anefa no tena mahafaly an’i Jehovah. Hoy i Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sal. 37:25) Maro ny rahalahy sy anabavy nahatsapa hoe nokarakarain’i Jehovah toy izany.

7 Diniho ny nanjo an’i Nancy. Mpisava lalana izy ary mpandroso sakafo ao amin’ny hotely. Nila vola 66 dolara (150 000 ariary) izy, indray andro, mba handoavany hofan-trano, ary ny ampitson’iny ilay izy no tokony haloa. Hoy izy: “Tsy haiko hoe ahoana no hahitako an’ilay vola. Nivavaka momba an’ilay izy àry aho, dia nandeha niasa.” Manome falimpo na vola kely ho an’ny mpandroso sakafo ny olona matetika, rehefa misakafo any amin’ny hotely. Hoy i Nancy: “Tsy dia misy olona amin’io fotoana io matetika, ka tsy nanantena hahazo vola betsaka aho. Tsy nampoiziko anefa fa maromaro ny olona tonga tamin’io alina io. Rehefa avy niasa aho ka nanambatra ny vola azoko, dia gaga aho fa feno 66 dolara ilay izy!” Matoky i Nancy hoe malala-tanana i Jehovah, ka izay tena nilainy mihitsy no nomeny azy.—Mat. 6:33.

8. Inona no fanomezana miavaka indrindra nomen’i Jehovah ny olona?

8 Ny sorom-panavotana no fanomezana miavaka indrindra nomen’i Jehovah, ary afaka mandray soa avy amin’izy io ny rehetra. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Ny olona rehetra no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘izao tontolo izao.’ Ho afaka handray soa avy amin’io fanomezan’i Jehovah io àry izay rehetra mifidy ny hanaiky azy io. Ho afaka hiaina mandrakizay mihitsy aza izay mino an’i Jesosy. (Jaona 10:10)  Izany no porofo lehibe indrindra hoe malala-tanana i Jehovah.

MIEZAHA HALALA-TANANA TOA AN’I JEHOVAH

Nampirisihina halala-tanana toa an’i Jehovah ny Israelita (Fehintsoratra 9)

9. Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika halala-tanana toa an’i Jehovah?

 9 Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika halala-tanana toa an’i Jehovah? “Manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika” i Jehovah, ka tokony ho “vonon-kizara” amin’ny hafa koa isika mba ho faly izy ireo. (1 Tim. 6:17-19) Faly isika manome zavatra ho an’ny namantsika sy ny mpianakavintsika, ary faly koa isika manampy an’izay sahirana. (Vakio ny Deoteronomia 15:7.) Inona no hanampy antsika hitadidy hoe mila malala-tanana isika? Izao no ataon’ny Kristianina sasany: Isaky ny misy manome zavatra izy ireo, dia mitady fomba hanomezana zavatra ho an’olon-kafa. Ohatra tsara ny rahalahy sy anabavy maro satria malala-tanana.

10. Inona no fomba tsara indrindra azontsika ampisehoana fa malala-tanana isika?

10 Inona no fomba tsara indrindra azontsika ampisehoana fa malala-tanana isika? Tokony hasehontsika amin’ny tenintsika sy ny ataontsika izany. Azontsika atao, ohatra, ny mampahery ny hafa ary mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanampiana azy ireo. (Gal. 6:10) Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Vonona hisahirana hanampy ny hafa ve aho, ary vonona hihaino azy rehefa misy mampanahy azy? Ary ahoana no ataoko rehefa misy olona mangataka fanampiana amiko, na manontany raha azony irahina hanao zavatra aho? Manaiky ve aho raha mbola azoko atao? Oviana aho no farany nanao teny fiderana tamin’ny mpianakaviko na ny mpiara-manompo?’ Hifandray akaiky amin’i Jehovah sy ny namantsika isika, raha “zatra manome.”—Lioka 6:38; Ohab. 19:17.

11. Inona no azontsika omena an’i Jehovah?

  11 Malala-tanana koa isika raha manome ho an’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.” (Ohab. 3:9) Anisan’ireo “zava-tsarobidy” ireo ny fotoana sy ny hery ary ny fananana. Azontsika ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah ireo. Na ny ankizy aza afaka mianatra manome ho an’i Jehovah. Hoy i Jason: “Ny zanakay no asainay mandrotsaka ny vola ao anaty boaty, rehefa manao fanomezana izahay any amin’ny Efitrano Fanjakana. Faly erỳ ry zareo satria manome zavatra ho an’i Jehovah, hono, izy amin’izay.” Raha tia manome ho an’i Jehovah ny ankizy dieny mbola kely, dia ho hoatr’izany foana izy rehefa lehibe.—Ohab. 22:6.

MAHAY MANDANJALANJA I JEHOVAH

12. Inona no atao hoe mahay mandanjalanja?

12 Manana toetra mahafinaritra hafa koa i Jehovah, dia ny hoe mahay mandanjalanja. Inona no atao hoe mahay mandanjalanja? Midika koa hoe “mandefitra” ilay teny grika nadika hoe “mahay mandanjalanja” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (Tit. 3:1, 2) Ny olona mahay mandanjalanja dia tsy manizingizina hoe tsy maintsy arahina amin’ny an-tsipiriany foana ny fitsipika na lalàna. Tsy hentitra be loatra koa izy na masiaka. Miezaka hahatakatra ny toe-javatra misy ny hafa izy, ary malemy fanahy. Vonona hihaino izy, ka milefitra ary avelany hanao izay tiany ny hafa, raha mbola azo atao. Mety hanova ny zavatra tiany koa izy indraindray mba hifanaraka amin’izay irin’ny hafa.

13, 14. a) Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mahay mandanjalanja izy? b) Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’i Lota, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mahay mandanjalanja izy? Mihevitra ny fihetseham-pon’ny mpanompony izy, ary matetika no manome fahafaham-po ny fanirian’izy ireo. Diniho, ohatra, ny nataony tamin’i Lota. Nasainy nandositra tany an-tendrombohitra i Lota, rehefa handringana an’i Sodoma sy Gomora izy. Tsy hay anefa izay antony, fa niangavy an’i Jehovah i Lota mba handositra any an-toeran-kafa. Mba eritrereto ange e! Ny toromarika efa nomen’i Jehovah mihitsy no nangatahin’i Lota mba hovany.—Vakio ny Genesisy 19:17-20.

14 Mety hisy hiteny hoe: ‘Mba tsy ampy finoana koa i Lota sady tsy nankatò. I Jehovah ange afaka niaro azy na taiza izy na taiza e! Tsy nisy tokony ho natahorany mihitsy.’ Natahotra ihany anefa i Lota. Fantatr’i Jehovah hoe izay no tsapany, ka tsy nohamaivaniny izany. Nilefitra àry izy. Navelany handositra tany amin’ny tanàna hafa i Lota, na dia saika horavany koa aza io tanàna io. (Vakio ny Genesisy 19:21, 22.) Hita amin’izany hoe tsy hentitra loatra i Jehovah, fa mahay mandanjalanja ary vonona hilefitra.

15, 16. Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no ahitana hoe mahay mandanjalanja i Jehovah? (Jereo ny sary eo amin’ny fiandohan’ny lahatsoratra.)

15 Hita hoe mahay mandanjalanja koa i Jehovah, raha jerena ny Lalàn’i Mosesy. Raha nahantra, ohatra, ny Israelita iray ka tsy afaka nanome zanak’ondry na osy hatao fanatitra, dia afaka nanome domohina roa na voromailala roa izy. Ahoana anefa raha mbola tsy takatry ny volany na dia voromailala roa aza? Navelan’i Jehovah hanome lafarinina kely izy. Tsy lafarinina tsotra anefa fa “lafarinina tsara toto”, ilay fampiasa rehefa mandray vahiny manan-kaja. (Gen. 18:6) Nahoana izany no mahaliana antsika?—Vakio ny Levitikosy 5:7, 11.

16 Eritrereto hoe Israelita ianao ary mahantra be. Iny ianao fa tonga ao amin’ny tranolay, mitondra an’ilay lafarinina kelinao hatao fanatitra. Hitanao anefa hoe biby no entin’ireo Israelita manam-bola kokoa noho ianao. Mety ho menamenatra ianao satria hoatran’ny hoe tsy misy dikany ilay lafarinina kelinao. Tsaroanao anefa avy eo fa sarobidy be amin’i Jehovah  ilay izy. Nahoana? Satria lafarinina tena tsara no takin’i Jehovah aminao. Toy ny milaza aminao i Jehovah hoe: ‘Fantatro fa tsy afaka manome betsaka hoatran’ny olon-kafa ianao, nefa fantatro koa fa ny tsara indrindra avy aminao no omenao ahy.’ Hita amin’izany fa tena mahay mandanjalanja i Jehovah. Mihevitra ny toe-javatra misy ny mpanompony izy, ary mitadidy hoe voafetra ny mety ho vitan’izy ireo.—Sal. 103:14.

17. Fanompoana manao ahoana no ankasitrahan’i Jehovah?

 17 Mampahery ny mahalala hoe mahay mandanjalanja i Jehovah, ka mankasitraka ny fanompoana ataontsika amin’ny fo manontolo. (Kol. 3:23) Hoy i Constance, anabavy be taona any Italia: “Ny miresaka momba ny Mpamorona no zavatra mahafinaritra ahy indrindra. Izany no mahatonga ahy hitory sy hampianatra Baiboly foana. Malahelo aho indraindray hoe tsy mahavita be satria tsy salama. Fantatr’i Jehovah anefa hoe voafetra ihany ny azoko atao, ary fantatro fa tia ahy izy sady mankasitraka izay vitako.”

MAHAIZA MANDANJALANJA TOA AN’I JEHOVAH

18. Inona no zavatra iray azon’ny ray aman-dreny atao, mba hanahafana an’i Jehovah?

18 Inona no hanampy antsika hahay handanjalanja toa an’i Jehovah? Eritrereto indray ny nataony tamin’i Lota. Nanana fahefana i Jehovah, nefa tsara fanahy izy ary nihaino rehefa nilaza izay tao am-pony i Lota. Navelany ho any amin’ilay toerana tiany haleha i Lota avy eo. Ahoana àry no hanahafanao an’i Jehovah, raha ray ianao na reny? Azonao henoina tsara, ohatra, ny zanakao rehefa milaza izay tadiaviny izy. Azonao avela hanao izay tiany koa izy, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany. Milaza Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2007 fa tsara raha mifanakalo hevitra amin’ny zanany ny ray aman-dreny, rehefa hametraka fitsipika ao an-trano. Mety hoferanao, ohatra, ny ora fodian’ny zanakao, ary manan-jo hanao izany ianao. Tsara anefa raha avelanao hilaza ny heviny momba an’ilay ora tianao hodiany izy. Afaka manova an’ilay ora nolazainao ianao avy eo, raha mbola mety izany. Ho azon’ny ankizy kokoa ny anton’ireo fitsipika apetrakao, ary ho vonona hankatò izy, raha miezaka hahafantatra ny heviny momba an’ilay izy aloha ianao.

19. Inona no azon’ny anti-panahy atao, raha mahay mandanjalanja toa an’i Jehovah izy ireo?

19 Tokony hiezaka hahay handanjalanja toa an’i Jehovah koa ny anti-panahy, ka tsy hitaky be loatra amin’ny mpiara-manompo. Tadidio fa sarobidy tamin’i Jehovah na dia ny fanatitra natolotry ny Israelita nahantra aza. Ahoana kosa ny amin’ny rahalahy sy anabavy sasany ankehitriny? Misy amin’izy ireo mety hoe marary na efa be taona, ka tsy dia mahavita be amin’ny fanompoana intsony. Kivy izy ireo vokatr’izany. Afaka manome toky azy ireo ny anti-panahy hoe tian’i Jehovah izy ireo satria manome ny tsara indrindra.—Mar. 12:41-44.

20. Tsy midika ho inona ny hoe mahay mandanjalanja? Hazavao.

20 Mila mahay mandanjalanja àry isika. Izany anefa tsy midika hoe hampihena ny fanompoantsika isika, satria fotsiny hoe te ho ‘tsara fanahy amin’ny tenantsika.’ (Mat. 16:22) Tsy mety ny hoe zara raha manao fanompoana, nefa afaka manao be ihany. Mila ‘miezaka mafy’ kosa isika, mba hampandroso ny asan’ilay Fanjakana. (Lioka 13:24) Manao izay tsara indrindra vitantsika àry isika, nefa koa mitadidy hoe tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika i Jehovah. Azo antoka fa ho faly izy raha omentsika ny tsara indrindra. Mahafinaritra erỳ ny manana Andriamanitra mahay mankasitraka sy mahay mandanjalanja toy izany! Tsy izay ihany anefa no toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah. Mbola misy toetrany roa hafa hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Sal. 73:28.

“Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.”—Ohab. 3:9 (Fehintsoratra 11)

“Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo.”—Kol. 3:23 (Fehintsoratra 17)