Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2013

Avelao Hamolavola Anao i Jehovah, ka Ekeo ny Fananarany

Avelao Hamolavola Anao i Jehovah, ka Ekeo ny Fananarany

“Ny torohevitrao no hitarihanao ahy, ary homenao voninahitra aho avy eo.”—SAL. 73:24.

1, 2. a) Inona no mila ataontsika raha te hifandray akaiky amin’i Jehovah isika? b) Inona no soa horaisintsika raha mandinika ny tantaran’ ny olona novolavolain’i Jehovah fahiny isika?

TENA natoky an’Andriamanitra ny mpanao salamo ka nilaza hoe: “Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.” (Sal. 73:28) Nahoana izy no niteny an’izany? Kivy be izy taloha satria hitany hoe miadana be ny ratsy fanahy. Nitaraina izy hoe: ‘Very maina ny nanadiovako ny foko, sy ny nanasako ny tanako ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.’ (Sal. 73:2, 3, 13, 21) Nankao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” anefa izy, ka izany no nanampy azy hanitsy ny toe-tsainy sy hifandray amin’Andriamanitra foana. (Sal. 73:16-18) Hitany tamin’izany fa tena ilaina ny miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra sy manaiky torohevitra ary mampihatra an’izany, raha te hifandray amin’i Jehovah foana.—Sal. 73:24.

2 Te hifandray akaiky amin’Andriamanitra koa isika, ka mila manaiky ny toroheviny na ny fananarany. Izany mantsy no fomba amolavolany antsika mba hahatonga antsika ho tiany. Namindra fo tamin’ny olona sy ny firenena sasany Andriamanitra fahiny, ka nananatra azy ireny mba hahitana raha hanaiky hovolavolainy izy ireo. Nosoratana ao amin’ny Baiboly ny nataon’izy ireny, mba “ho fianarantsika” sy “ho fampitandremana ho antsika” amin’izao andro farany izao. (Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Hahafantatra tsara ny toetran’i Jehovah isika raha mandinika an’ireny tantara ireny. Ho haintsika koa hoe inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny handray soa amin’ny zavatra ataon’i Jehovah mba hamolavolana antsika.

 AHOANA NO AMPIASAN’ILAY MPANEFY TANIMANGA NY FAHEFANY?

3. Ahoana no ilazana ny fahefan’i Jehovah ao amin’ny Isaia 64:8 sy Jeremia 18:1-6? (Jereo ny sary eo amin’ny fiandohan’ny lahatsoratra.)

3 Manana fahefana amin’ny olombelona sy ny firenena i Jehovah. Misy sarin-teny momba izany ao amin’ny Isaia 64:8, hoe: ‘Ianao no Rainay Jehovah ô. Tanimanga izahay, ary ianao no Mpanefy anay. Asan’ny tananao avokoa izahay.’ Manana fahefana feno amin’ny tanimanga ny mpanefy tanimanga, ka afaka manamboatra izay tiany amin’ilay izy. Tsy manana fahefana kosa ilay tanimanga. Hoatr’izany koa Andriamanitra sy ny olona. Tsy afaka mibaiko an’Andriamanitra ny olona, toy ny tanimanga izay tsy afaka manao na inona na inona eo an-tanan’ny mpanefy azy.—Vakio ny Jeremia 18:1-6.

4. Teren’i Jehovah hanaiky hovolavolainy ve ny olona na ny firenena? Hazavao.

4 Hita tamin’ny nataon’i Jehovah tamin’ny Israely fahiny fa afaka mamolavola ny olona izy, toy ny ataon’ny mpanefy tanimanga. Misy tsy mampitovy azy amin’ny mpanefy tanimanga anefa. Izay tian’ny mpanefy tanimanga hatao amin’ilay vongan-tanimanga no ataony. Tsy hoatr’izany kosa i Jehovah. Manome safidy ny olona na ny firenena izy, fa tsy hoe ny sasany volavolainy ho tsara ary ny sasany ataony ratsy. Tsy hoe manao didy jadona izy ka lasa tsy afaka misafidy ny olona. Afaka misafidy kosa izy ireo hoe hanaiky hovolavolain’i Jehovah sa tsia.—Vakio ny Jeremia 18:7-10.

5. Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa misy olona tsy mety hovolavolainy?

5 Ahoana anefa no ataon’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, rehefa miziriziry tsy mety hovolavolainy ny olona? Ahoana no ampiasany ny fahefany? Eritrereto indray ny ataon’ny mpanefy tanimanga rehefa tsy mety tafavoakany araka ny itiavany azy ilay tanimanga. Ovany zavatra hafa indray ilay izy, na ariany fotsiny. Rehefa tsy azo atao na inona na inona ilay tanimanga, dia matetika no fahadisoan’ilay nanefy azy izany. Tsy mba mety diso kosa ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe. (Deot. 32:4) Raha tsy mety hovolavolainy ny olona iray, dia ilay olona foana no diso, fa tsy izy. Ahoana àry no ataon’i Jehovah rehefa mamolavola olona iray izy, nefa tsy manaiky ilay olona? Ovany indray ny fomba amolavolany azy, arakaraka izay ataon’ilay olona. Handray soa ilay olona amin’izay raha mankatò. Toy izany ny Kristianina voahosotra izay antsoina hoe “fanaky ny famindram-po.” Lasa ‘zavatra hohajaina’ izy ireo satria manaiky hovolavolaina. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny olona miziriziry tsy mankatò. Ho lasa “fanaky ny fahatezerana” izy ireo ary “mendrika haringana.”—Rom. 9:19-23.

6, 7. Ahoana no nataon’i Davida sy Saoly rehefa nomen’i Jehovah torohevitra izy ireo?

 6 Mananatra na manome torohevitra antsika i Jehovah, ary izany no fomba iray amolavolany antsika. Diniho, ohatra, izay nataony tamin’i Saoly sy Davida, mpanjaka roa voalohany teo amin’ny Israely. Nijangajanga tamin’i Batseba i Davida, ka nisy vokany ratsy tamin’i Davida sy tamin’ny hafa izany. Nanarin’i Jehovah mafy izy na dia hoe mpanjaka aza. Naniraka an’i Natana mpaminany i Jehovah mba hiteny azy. (2 Sam. 12:1-12) Ahoana no nataon’i Davida? Nanenina tongotra aman-tanana izy ary nibebaka. Namindra fo taminy àry Jehovah.—Vakio ny 2 Samoela 12:13.

 7 Tsy mba toy izany kosa i Saoly, izay mpanjaka teo alohan’i Davida. Nandidy azy tamin’ny alalan’i Samoela i Jehovah hoe tokony haringana ny Amalekita rehetra sy ny bibiny rehetra. Tsy nankatò anefa izy. Tsy naringany i Agaga Mpanjaka sy ny biby tsara indrindra. Noho izy te hahazo voninahitra no nahatonga azy hanao izany. (1 Sam. 15:1-3, 7-9, 12) Nanarin’i  Jehovah àry izy. Tokony hoe navelany hamolavola azy i Jehovah ka nanaiky hahitsy izy. Tsy niraharaha ny torohevitra nomena azy anefa izy fa mbola nanamarin-tena ihany. Nitady fialan-tsiny izy hoe mety ihany ny nataony satria azo atao fanatitra ny biby nalainy. Nohamaivaniny koa ny torohevitra nomen’i Samoela azy. Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka àry i Saoly, ary tsy nifandray tsara tamin’Andriamanitra intsony.—Vakio ny 1 Samoela 15:13-15, 20-23.

Nohamaivanin’i Saoly ny torohevitra nomena azy sady tsy noraharahainy. Tsy nety novolavolaina izy. (Fehintsoratra 7)

Nanenina mafy i Davida ary nanaiky torohevitra. Navelany hamolavola azy i Jehovah. Ary ianao? (Fehintsoratra 6)

TSY MIANGATRA I JEHOVAH

8. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’ny firenen’Israely?

8 Nisy firenena koa nomen’i Jehovah safidy hoe hanaiky hovolavolainy sa tsia. Anisan’izany ny firenen’Israely. Nanafaka azy ireo tsy ho andevo tany Ejipta i Jehovah, ary nanao fifanekena tamin’izy ireo tamin’ny 1513 T.K. Lasa vahoakany manokana àry izy ireo ary novolavolainy. Mbola nanao ratsy ihany anefa izy ireo, ary nivavaka tamin’ny andriamanitry ny firenena nanodidina mihitsy aza. Imbetsaka i Jehovah no nandefa mpaminany mba hahatonga saina azy ireo, nefa tsy nihaino izy ireo. (Jer. 35:12-15) Tsy maintsy nofaizina mafy àry izy ireo satria tsy nety niova. Lasa toy ny fanaka mendrika ny haringana izy ireo. Noravan’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, ary noravan’ny Babylonianina ny fanjakan’ireo foko roa tany atsimo. Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Tsy handray soa mihitsy isika, raha tsy mety miova rehefa volavolain’i Jehovah.

9, 10. Ahoana no nataon’ny olona tao Ninive rehefa nampitandrina azy ireo i Jehovah?

9 Nomen’i Jehovah safidy koa ny mponina  tao Ninive, renivohitr’i Asyria, raha hanaiky ny fampitandremany izy ireo na tsia. Hoy i Jehovah tamin’i Jona: “Mandehana mankany Ninive, ilay tanàna lehibe, ary ambarao ny fanamelohana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.” Mendrika ny haringana tanteraka i Ninive.—Jona 1:1, 2; 3:1-4.

10 Ahoana no nataon’ny olona tao Ninive rehefa nilaza an’ilay fampitandremana i Jona? “Nino an’Andriamanitra” izy ireo, ka “nanao antso avo hoe hisy fifadian-kanina. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.” Na ny mpanjakan’izy ireo aza “nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany”, ka “nanaisotra ny akanjom-boninahiny ary nitafy lamba gony, sady nipetraka tamin’ny lavenona.” Nanaiky hovolavolain’i Jehovah ny olona tao Ninive ka nibebaka. Tsy noringanin’i Jehovah indray àry izy ireo.—Jona 3:5-10.

11. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, raha jerena ny zavatra nataony tamin’ny Israelita sy ny mponin’i Ninive?

11 Marina fa firenena nofidin’i Jehovah ny Israelita. Izany anefa tsy midika hoe tsy nanafay azy ireo mihitsy izy. Tsy nanao fifanekena tamin’ny olona tao Ninive kosa i Jehovah. Nampitandrina azy ireo ihany anefa izy, ary namindra fo tamin’izy ireo rehefa nanaiky hovolavolainy izy ireo. Hita hoe “tsy miangatra amin’iza na iza” tokoa i Jehovah Andriamanitsika!—Deot. 10:17.

MAHAY MANDANJALANJA SY VONONA HILEFITRA I JEHOVAH

12, 13. a) Nahoana i Jehovah no manova ny zavatra kasainy hatao amin’ny olona volavolainy, arakaraka izay ataon’ilay olona? b) Nahoana no lazaina hoe ‘nanenina’ i Jehovah tamin’i Saoly, ary ‘nanenina’ koa izy tamin’ny mponina tao Ninive?

12 Hita hoe mahay mandanjalanja sy vonona hilefitra i Jehovah, rehefa mamolavola antsika. Misy fotoana izy efa manapa-kevitra ny hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny olona iray, nefa miova hevitra indray arakaraka izay ataon’ilay olona. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa ‘tena nanenina i Jehovah noho ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjaka.’ (1 Sam. 15:11) Hoy koa ny Jona 3:10, rehefa nibebaka ny olona tao Ninive ka niova: “Nanenenan’Andriamanitra ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.”

13 Ilay teny hebreo nadika hoe ‘manenina’, dia midika hoe miova hevitra na manova izay kasaina hatao. Niova hevitra, ohatra, i Jehovah satria nifidy an’i Saoly ho mpanjaka izy nefa avy eo nanda azy indray. Tsy hoe tsy nahay nifidy izy tamin’izy nifidy an’i Saoly. I Saoly kosa no lasa tsy nanam-pinoana ka tsy nankatò. Nanenina tamin’ny loza saika hampihariny tamin’ny olona tao Ninive koa Andriamanitra, izany hoe nanova ny zavatra nokasainy hatao tamin’izy ireo. Mampahery tokoa ny mahalala fa mahay mandanjalanja sy vonona hilefitra ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe. Tsara fanahy sy mamindra fo izy, ary vonona ny hanova ny zavatra kasainy hatao raha miova ilay olona nanao diso.

EKEO FOANA NY FANANARAN’I JEHOVAH

14. a) Inona no ampiasain’i Jehovah ankehitriny mba hamolavolana antsika? b) Inona no tokony hataontsika rehefa mamolavola antsika Andriamanitra?

14 Mamolavola antsika koa i Jehovah ankehitriny. Amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fandaminany no tena anaovany an’izany. (2 Tim. 3:16, 17) Tokony hanaiky ny torohevitra na ny fananarana omeny amin’ny alalan’ireo isika, na inona izany na inona. Tokony hanao an’izany foana isika, na efa ela aza isika no natao batisa, ary na be dia be aza ny tombontsoam-panompoana efa azontsika. Manaiky hovolavolain’i Jehovah isika raha manao izany, ka ho toy ny fanaka mendri-kaja.

15, 16. a) Mety hanao ahoana ny fihetseham-pontsika raha anarina isika ka mamoy tombontsoam-panompoana? Manomeza ohatra. b) Inona no hanampy antsika tsy ho kivy raha anarina isika?

 15 Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mananatra antsika? Lazainy izay zavatra takiny amintsika, ary ahitsiny ny fomba fisainantsika. Mety hila famaizana anefa isika indraindray, satria nanao zavatra tsy nety. Mety hamoy tombontsoam-panompoana mihitsy aza isika. Izany no nanjo an’i Dennis *, izay anti-panahy taloha. Tsy nahay nanapa-kevitra tamin’ny resaka asa izy, ka nomena fananarana. Nanao ahoana ny fihetseham-pony rehefa nampandrenesina hoe tsy anti-panahy intsony izy? “Nahatsiaro ho tsy nisy nilana azy intsony aho”, hoy izy. “Nanana tombontsoa be dia be aho nandritra izay 30 taona lasa izay. Efa mpisava lalana maharitra aho, nanompo tany amin’ny Betela, mpanampy amin’ny fanompoana, dia avy eo lasa anti-panahy. Vao avy nanao lahateny tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra koa aho, ary sambany aho no nanao izany. Foana tao anatin’ny indray mipy maso anefa izany. Sady menatra aho no nahatsiaro ho afa-baraka. Tsy vitan’izay fa nieritreritra aho hoe tsy misy ilana ahy intsony ao amin’ny fandaminana.”

16 Tsy maintsy nanitsy ny zavatra tsy nety nataony i Dennis. Inona anefa no nanampy azy tsy ho kivy? Nianatra Baiboly foana izy, ary nandeha nanompo sy nivory tsy tapaka. Hoy izy: “Nanampy be ahy koa ny mpiara-manompo, ary tena nampahery ahy ny namaky ny boky sy gazetintsika. Hoatran’ny hoe taratasy nosoratana ho valin’ny vavaka nataoko ilay lahatsoratra hoe ‘Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?’, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2009. Tiako be mihitsy ilay hoe: ‘Miezaha hanatanjaka ny finoanao, dieny mbola tsy manana andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana ianao.’ ” Nahasoa an’i Dennis ilay fanitsiana, satria hoy izy taona maromaro tatỳ aoriana: “Notahin’i Jehovah aho ka lasa mpanampy amin’ny fanompoana indray.”

17. Nahoana no mahasoa ny olona nanota ny fandroahana? Manomeza ohatra.

17 Anisan’ny fomba ananaran’i Jehovah koa ny fandroahana. Sady manampy an’ilay nanota hiova izany, no miaro ny fiangonana tsy ho voataona hanaraka ny nataony. (1 Kor. 5:6, 7, 11) Voaroaka efa ho 16 taona i Robert. Nanaraka tsara ny toromariky ny Baiboly ny ray aman-dreniny sy ny iray tam-po aminy, ka tsy niarakaraka taminy mihitsy na niarahaba azy akory. Efa taona maromaro izao i Robert no voaray indray, ary efa mifandray tsara amin’i Jehovah izy. Nilaza izy fa ny zavatra nataon’ny fianakaviany no tena nahatonga azy hiverina amin’i Jehovah sy ny vahoakany, na dia efa ela aza izy no voaroaka. Hoy izy: “Raha nifandray tamiko ny fianakaviako, na dia kely fotsiny aza, na nanontanintany ahy hoe manao ahoana aho, dia efa ampy ahy izany, ka tsy ho naniry hiverina tamin’i Jehovah aho.”

18. Ahoana no tokony hataontsika rehefa mamolavola antsika i Jehovah?

18 Mety tsy hila famaizana hoatr’izany isika. Mila mieritreritra anefa isika hoe karazana tanimanga hoatran’ny ahoana isika rehefa volavolain’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe. Hanaiky hovolavolainy ve isika sa tsia? Ahoana no hataontsika rehefa anariny? Hanao hoatran’i Davida ve isika sa hanao hoatran’i Saoly? I Jehovah no Raintsika, ka aza hadinoina mihitsy fa ‘izay tiany no anariny, tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.’ “Aza mandà ny fifehezan’i Jehovah” àry, ary “aza mankahala ny anatra omeny.”—Ohab. 3:11, 12.

^ feh. 15 Novana ireo anarana.