Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JONA 2013

Ry Anti-panahy, Miezaha Hamelombelona ny “Reraka”

Ry Anti-panahy, Miezaha Hamelombelona ny “Reraka”

Misy anti-panahy hitsidika an’i Angela, * anabavy mpitovo 30 taona mahery kely. Somary mitaintaina izy hoe: ‘Inona re izao no holazain-dry zareo e?’ Efa imbetsabetsaka ihany aloha izy izay no tsy nivory e! Reraka be mantsy izy satria miasa tontolo andro mikarakara be antitra. Tsy vitan’izay fa manahy ny amin’ny reniny tsy salama koa izy.

Mila ampaherezina i Angela fa ‘reraka’ na kivy. (Jer. 31:25) Raha ianao no hitsidika azy, inona ny fiomanana hataonao mba hahafahanao hamelombelona azy?

ERITRERETO NY MOMBAMOMBA AN’ILAY OLONA

Reraka isika indraindray noho ny asantsika na ny zavatra samihafa mila ataontsika eo amin’ny fanompoana. Hoatr’izany no nahazo an’i Daniela mpaminany. Nahazo fahitana izy, indray mandeha, ary tsy azony mihitsy ny dikan’ilay izy ka nahatsiaro ho “reraka be” izy. (Dan. 8:27) Nandefa ny anjely Gabriela àry i Jehovah mba hanampy azy hahazo ny hevitr’ilay izy. Nanome toky azy koa ilay anjely hoe nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataony ary “tena tiana” izy. (Dan. 9:21-23) Nahay nifidy teny hampaherezana azy koa ny anjely iray hafa tatỳ aoriana.—Dan. 10:19.

Eritrereto mialoha ny mombamomba an’ilay olona, alohan’ny hitsidihana azy

Afaka manao an’izany koa ianao rehefa hitsidika olona reraka na kivy. Eritrereto mialoha ny mombamomba azy. Ohatra hoe inona no manahirana azy, nahoana izany no mahakivy azy, ary inona avy ny toetra tsarany. Hoy i Richard, izay efa 20 taona mahery no anti-panahy:  “Mieritreritra ny toetra tsaran’ilay olona aho, ary mandinika ny zava-manahirana azy alohan’ny hitsidihako azy. Lasa mora kokoa amiko amin’izay ny mahita teny mampahery mifanentana tsara amin’izay ilainy.” Raha anti-panahy roa ianareo no hitsidika an’ilay olona, nahoana raha miara-mandinika ny mombamomba azy?

ATAOVY IZAY TSY HAHASADAIKATRA AZY

Ekenao angamba fa mahasadaikatra indraindray ny miresaka ny ao am-ponao amin’olona. Mety tsy ho sahy hiresaka an’izay ao am-pony, ohatra, ny mpiara-manompo rehefa mitsidika azy ianao. Ahoana àry no hataonao? Afaka mitsikitsiky tsara aminy ianao ary manome toky azy mba hampahazo aina tsara azy. Anti-panahy nandritra ny 40 taona mahery i Michael. Matetika izy no milaza an’izao, rehefa tonga any amin’ilay olona tsidihiny: “Izao mitsidika mpiara-manompo izao no tombontsoa tsara indrindra anananay anti-panahy. Afaka mahafantatra tsara anareo izahay amin’izao. Efa tsy andriko mihitsy ny hitsidika anareo androany.”

Azonao atomboka amin’ny vavaka ilay fitsidihana. Nivavaka ho an’ny mpiara-manompo taminy, ohatra, ny apostoly Paoly, ka nolazainy fa manam-pinoana sy be fitiavana ary miaritra izy ireo. (1 Tes. 1:2, 3) Ho vonona hifampiresaka tsara ianao sy ilay olona tsidihinao, raha resahinao amin’ny vavaka ny toetra tsarany. Hampahery azy koa izany. Hoy i Ray, anti-panahy mahay: “Manadino ny zavatra tsara vitantsika isika indraindray. Velombelona erỳ anefa isika rehefa misy mampahatsiahy ilay izy.”

AMPIASAO NY BAIBOLY MBA HAMPAHEREZANA AZY

Nampita “fanomezana ara-panahy” tamin’ny mpiara-manompo taminy i Paoly. (Rom. 1:11) Afaka manao an’izany koa ianao, ka mampiasa ny Soratra Masina mba hampaherezana ny olona tsidihinao, eny fa na dia andinin-teny iray monja aza. Mety  ho kivy be, ohatra, ny rahalahy iray ka mahatsapa ho tsy misy ilana azy, toa an’ilay mpanao salamo izay nilaza fa nifintina “toy ny siny hoditra azon’ny setroka” izy. (Sal. 119:83, 176) Azonao hazavaina aminy aloha ny dikan’izany. Omeo toky izy avy eo fa izy aza “tsy mba manadino” ny didin’Andriamanitra mihitsy.

Ahoana indray raha anabavy tsy dia mazoto manompo na tsy mivory intsony no tsidihinao? Afaka mampiasa an’ilay fanoharana momba ny vola drakma very ianao. (Lioka 15:8-10) Nanao rojo vita tamin’ny vola madinika volafotsy natao nitohitohy ny olona taloha, ary mety ho avy tamina rojo sarobidy toy izany ilay drakma very. Mety hanampy an’ilay anabavy io fanoharana io hahatakatra fa anisan’ireo olona sarobidy eo anivon’ny fiangonana izy. Asongadino avy eo fa tena tia azy i Jehovah, satria anisan’ny ondrikeliny izy.

Matetika koa no tia milaza ny heviny momba ny andinin-teny ny mpiara-manompo. Aza mibodo resaka àry! Rehefa avy mamaky andinin-teny iray momba azy ianao, dia lazao izay teny fototra ao amin’ilay andininy ary avelao izy hilaza ny heviny momba an’ilay izy. Raha mamaky ny Salamo 23:3, ohatra, ianao dia anontanio izy hoe: “Inona avy ny zavatra efa nataon’i Jehovah mba ‘hamelombelomana’ anao?” ‘Hifampahery’ tsara ianareo raha manao izany ianao.—Rom. 1:12.

Matetika no tia milaza ny heviny momba ny andinin-teny ny mpiara-manompo

Afaka miresaka tantaran’olona ao amin’ny Baiboly nanana olana mitovy aminy koa ianao, mba hampaherezana azy. Raha kivy be, ohatra, ilay olona dia afaka mitantara ny nanjo an’i Hana na i Epafrodito ianao. Nisy fotoana izy ireo kivy be nefa mbola sarobidy tamin’Andriamanitra foana. (1 Sam. 1:9-11, 20; Fil. 2:25-30) Mbola misy tantara maro azonao ampiasaina ao amin’ny Baiboly.

ASEHOY HOE MIAHY AZY FOANA IANAO

Afaka miahy ny mpiara-manompo foana ianao, na dia aorian’ilay fitsidihana aza. (Asa. 15:36) Afaka mifanao fotoana mba hiara-manompo aminy, ohatra, ianao rehefa mamaramparana an’ilay fitsidihana. Azonao anontaniana koa izy atỳ aoriana raha nandaitra ny torohevitra nomenao azy. Izany no ataon’i Bernard, anti-panahy mahay, rehefa mihaona amin’ny olona notsidihiny vao haingana izy. Raha manao an’izany ianao, dia ho fantatrao hoe inona no mbola azo anampiana an’ilay olona.

Vao mainka ilain’ny mpiara-manompo amin’izao ny mahatsapa hoe tiana izy, ary misy miahy azy sy mahatakatra ny fihetseham-pony. (1 Tes. 5:11) Tsara àry raha mieritreritra mialoha an’izay manjo azy ianao, vao mandeha mitsidika azy. Resaho amin’ny vavaka izany. Mifidiana andinin-teny mety tsara. Hahita teny mety tsara hampaherezana ny “reraka” ianao amin’izay.

^ feh. 2 Novana ireo anarana.