Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aprily 2013

 TANTARAM-PIAINANA

Nanompo Manontolo Andro Tany Akaikin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra

Nanompo Manontolo Andro Tany Akaikin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra

Niteny tamin’ny namanay iray mpanompo manontolo andro izahay hoe: “Mora aminao ny manao ny asan’ny mpisava lalana, satria samy ao amin’ny fahamarinana ny ray aman-dreninao, ka manohana anao.” Hoy anefa izy: “Mitovy ihany ny Raintsika ka!” Nandraisanay lesona lehibe io teniny io, dia ny hoe: I Jehovah no Raintsika rehetra, ary mikarakara sy mampahery ny mpanompony rehetra izy. Hitanay teo amin’ny fiainanay fa marina izany!

 MPAMBOLY sy mpiompy tany Ostrobotnie Avaratra, eto Failandy ny fianakavianay, ary folo mianadahy izahay no mpiray tam-po. Mbola kely izahay tamin’ny Ady Lehibe II. Tany amin’ny an-jatony kilaometatra avy teo amin’ny nisy anay no nisy ady, kanefa tena nisy vokany taminay izany. Nianjeran’ny baomba, ohatra, tao Oulu sy Kalajoki, tanàna teo akaikinay, indray alina, ka nahita hazavana menamena be izahay. Nasain’i Dada sy Neny niafina koa izahay, raha vao nahatazana fiaramanidina nandalo. Tamin’ireny fotoana ireny i Tauno, zokinay lahimatoa, no niresaka taminay momba ny tany paradisa hanjakan’ny rariny, ka tena nanohina ny fonay izany.

Tamin’izy 14 taona i Tauno no nahalala ny fahamarinana, rehefa namaky ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy nety hanao miaramila izy rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II, ka nogadraina. Nampijalina mafy izy tany, kanefa vao mainka izy tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah, ary nazoto nitory rehefa nafahana. Nandrisika anay ny ohatra tsara navelany mba hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanàna teo akaikinay. Nanatrika fivoriambe koa izahay, na dia nila niezaka be aza mba hanangom-bola hatao saran-dalana. Namboly tongolo izahay, nioty voaroy, ary nanjaitra ny akanjon’ireo mpiara-monina taminay mba hahazoana vola. Be dia be ny asanay tao amin’ny toeram-pambolena, ka matetika izahay no nifandimby fa tsy niara-nanatrika fivoriambe.

Ankavia miankavanana: Matti (Dada), Tauno, Saimi, Maria Emilia (Neny), Väinö (zazakely), Aili, ary Annikki, tamin’ny 1935

Nihanitombo ny fitiavanay an’i Jehovah rehefa nianatra ny marina momba azy sy ny fikasany izahay. Nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah àry izahay mirahavavy, ary niara-natao batisa tamin’ny 1947. (I Annikki 15 taona, ary Aili 17 taona.) Natao batisa tamin’io taona io koa i Saimi zokinay vavy. Nampianarinay Baiboly koa i Linnea zokinay vavy, izay efa nanambady, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah koa izy sy ny fianakaviany. Rehefa vita batisa izahay mirahavavy, dia nataonay tanjona ny hanao mpisava lalana, ka nanao mpisava lalana mpanampy tsindraindray izahay.

NANOMPO MANONTOLO ANDRO IZAHAY

Ankavia miankavanana: Eeva Kallio, Saimi Mattila-Syrjälä, Aili, Annikki, ary Saara Noponen, tamin’ny 1949

Nifindra tany Kemi, tanàna any avaratra izahay tamin’ny 1955. Te hanompo manontolo andro izahay, nefa niasa tontolo andro. Natahotra mantsy izahay hoe tsy hahavelon-tena raha hahena ny asanay, ka aleo aloha manangom-bola. Tamin’izay izahay no niresaka tamin’ilay rahavavy mpisava lalana voaresaka terỳ aloha. Hitanay tamin’ny teniny fa tsy miankina amin’ny fananana na ny fanampian’ny fianakaviana no ahafahana manompo manontolo andro, fa miankina amin’ny fatokisana an’i Jehovah.

Ankavia miankavanana: Annikki, Aili, ary Eeva Kallio, hamonjy fivoriambe any Kuopio, tamin’ny 1952

Efa nahangona vola hivelomana roa volana izahay tamin’izay. Nameno fangatahana àry izahay ny Mey 1957 mba ho mpisava lalana roa volana any Pello, any Laponie, izay eo ambony kelin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Mbola natahotra ihany anefa izahay. Tsy voakitika anefa ilay vola nangoninay, rehefa tapitra ny roa volana, ka nangataka hanao mpisava lalana roa volana fanampiny indray izahay. Mbola tsy nihetsika ihany anefa ilay volanay roa volana  tatỳ aoriana, ka natoky amin’izay izahay hoe hikarakara anay i Jehovah. Efa 50 taona izao izahay no mpisava lalana, nefa mbola ao foana ilay vola. Rehefa misaintsaina ny lasa izahay, dia mahatsapa hoe nitantana anay i Jehovah ary manome toky anay hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anareo aho.’—Isaia 41:13.

Efa 50 taona izao izahay no mpisava lalana, nefa mbola ao foana ilay vola nangoninay

Kaisu Reikko sy Aili eny amin’ny fanompoana

Nanontany anay ny mpiandraikitra ny faritra tamin’ny 1958, raha tianay ny hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana any Sodankylä, izay ao amin’ny faritr’i Laponie ihany. Rahavavy iray ihany no Vavolombelona tany tamin’izany. Hafakely ny fomba nahitan’izy io ny fahamarinana. Nandeha nitsidika an’i Helsinki renivohitr’i Failandy ny kilasy nianaran’ny zanany lahy, indray mandeha. Nandeha nitety tanàna izy ireo tany, ary ilay zanany lahy no tany amin’ny farany aoriana. Nomen’ny rahavavy be taona iray Tilikambo Fiambenana izy tamin’izay, sady noteneniny hoe: ‘Omeo ny reninao ity.’ Namaky an’ilay izy tokoa ny reniny, ary niaiky avy hatrany hoe nahita ny fahamarinana.

Nisy orinasa iray nisy masinin-kazo tao amin’ilay tanàna. Tao amin’ny efitra iray ambonin’izy io izahay no nipetraka, ary tao no nataonay ny fivoriana. Vitsy kely izahay ny mpanatrika: Izahay mirahavavy sy ilay rahavavy tao amin’ilay tanàna, ary ny zanany vavy. Niara-namaky an’ireo zavatra tokony hianarana fotsiny no nataonay. Nisy lehilahy iray tonga tatỳ aoriana mba hiasa tao amin’ilay orinasa. Efa nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nivory niaraka taminay izy sy ny fianakaviany, ary natao batisa izy mivady. Izy io no lasa nitarika ny fivoriana. Nanomboka nivory koa ny lehilahy sasany tao amin’ilay orinasa, ary nanaiky ny fahamarinana. Nandroso be ilay antoko-mpitory nisy anay, ka tsy ela dia lasa fiangonana.

NY ZAVA-TSAROTRA NATREHINAY

Nanao dia lavitra izahay rehefa nitory, ary sarotra izany indraindray. Nandeha an-tongotra izahay rehefa vanin-taona mafana, nandeha bisikileta, ary nandeha lakana mihitsy aza. Tena nanampy be anay ny bisikileta, satria nandeha bisikileta izahay rehefa hamonjy fivoriambe na hitsidika ny ray aman-dreninay, izay tany amin’ny an-jatony kilaometatra. Nandeha bisy vao mangiran-dratsy kosa izahay rehefa ririnina, ary avy eo nandeha an-tongotra nitory isan-trano tao anaty lanezy. Nifindra tamin’ny tanàna hafa izahay, rehefa vita ny tanàna iray. Natevina anefa ny lanezy ka tsy hita ny lalana indraindray. Dian-tsarety tarihin-tsoavaly matetika no narahinay, kanefa raha mbola nirotsaka ny lanezy taorian’ny  fandalovan’izy ireo, dia tsy hita indray ny lalana. Rehefa nanomboka indray ny lohataona, dia nanomboka nihanalemy ny lanezy ka sarotra nandehanana.

Izahay mirahavavy manao fanompoana amin’ny ririnina

Nianatra nanao akanjo mafana tsara izahay, rehefa ririnina. Nanao ba lava matevina izahay, ary nanao ba kiraro roa na telo sosona, sady nanao baoty lava be. Mbola tafiditry ny lanezy anefa ny baotinay matetika. Rehefa tonga eo amin’ny trano iray àry izahay, dia nanala ny baotinay ary nanintsana ny lanezy tao anatiny. Mando koa ny morontongotry ny pardesia nanaovanay, satria nikasokasoka tamin’ny lanezy. Nivaingana ilay izy, rehefa nihanangatsiaka ny andro. Nilaza ny vehivavy iray hoe: “Tena manam-pinoana mihitsy ianareo, matoa manolo-tena hivoaka amin’izao andro ratsy be izao.” Nandeha an-tongotra 11 kilaometatra mahery izahay vao tonga tao amin’ny tranon’io vehivavy io.

Matetika izahay no natory tany an-tranon’olona, satria lavitra ny lalana. Nitady toerana hatoriana izahay rehefa nanomboka hariva ny andro. Tsotsotra ny tranon’ny olona, kanefa tsara fanahy sy tia mandray vahiny izy ireo. Tsy trano hatoriana fotsiny no nomeny anay fa sakafo koa. Hoditra serfa matetika no natorianay, ary indraindray aza hoditra orsa. Tsara kosa ny fandriananay indraindray. Nisy ramatoa tao amin’ny tranobe iray, ohatra, nampandroso anay. Nentiny tany amin’ny efitra fandraisam-bahininy ambony rihana izahay, ary nisy fandriana tsara tarehy tao. Lambam-pandriana fotsy vita tamin’ny dantelina no nandrakotra azy, ary madio be vao avy nopasohina ilay izy. Imbetsaka izahay no nidinidinika momba ny Baiboly tamin’ny tompon-trano, hatramin’ny alina be. Nisy mpivady nampiantrano anay, indray mandeha, ary tao amin’ny efitra iray izahay rehetra no natory. Izy mivady terỳ amin’ny ilan’ilay efitra, ary izahay mirahavavy teny amin’ny ilany. Nifandimby nametraka fanontaniana momba ny Baiboly izy mivady, ka tamin’ny mangiran-dratsy vao vita ny resakay.

NAHAFINARITRA NY FANOMPOANA

Toerana mahafinaritra i Laponie, ary miovaova arakaraka ny vanin-taona ny hakantony. Mbola nahafinaritra anay kokoa anefa ireo olona tia an’i Jehovah hitanay tany. Nitory tamin’ny trano kely maromaro fitobian’ny mpikapa hazo izahay tany. Lehilahy ranjanana be dia be no tao amin’ny trano iray indraindray, rehefa niditra izahay mirahavavy kely. Nandray tsara ny hafatra nentinay izy ireo, ary faly nandray boky sy gazety.

Maro ny zavatra nahafinaritra teny amin’ny fanompoana. Nilaozan’ny bisy izahay, indray andro, satria nihoatra dimy minitra ny famantaranandro tao amin’ilay fiandrasana bisy. Nanapa-kevitra àry izahay fa handeha bisy hafa mankany amin’ny tanàna hafa. Mbola tsy nitory tao amin’io tanàna io mihitsy izahay, nefa nilaza ilay vehivavy tao amin’ny trano voalohany nitorianay hoe: “Efa niandry anareo mihitsy aho!” Ny rahavavin’izy io no efa nampianarinay Baiboly, ary nanafatra an’io rahavaviny io izy mba hiangavy anay hitsidika azy tamin’io andro io mihitsy. Tsy voarainay anefa ilay hafatra. Nampianarinay  Baiboly àry izy, ary nampianarinay koa ireo havany, izay nipetraka teo akaiky teo. Nisy 12 teo ho eo izy ireo no indray nianatra, tsy ela taorian’izay. Maro tamin’io fianakaviana io no lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Nafindra tany amin’ny fiangonana tany Kuusamo, eo ambanin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra, izahay tamin’ny 1965. Mbola any izahay hatramin’izao. Mpitory vitsivitsy monja izahay tamin’izany, ary sarotra ny nitory. Mpivavaka be mantsy ny olona, sady tsy tia Vavolombelon’i Jehovah. Nisy olona maro koa anefa nanaja ny Baiboly, ka nisy zavatra niombonana azo nanombohana resaka. Niezaka nifankahalala tsikelikely tamin’ny mponina tao izahay, ka lasa mora kokoa ny nanomboka fampianarana Baiboly, rehefa afaka roa taona teo ho eo.

MBOLA MAZOTO MANOMPO IZAHAY

Ny sasany amin’ny olona nampianarinay

Tsy dia matanjaka intsony izahay izao, ka tsy mahavita mijanona ela eny amin’ny fanompoana. Mbola manompo foana anefa izahay, saiky isan’andro. Lasa mora kokoa aminay ny mitory amin’ilay faritaninay midadasika be izao. Nampirisihin’ny zanak’i Tauno hianatra hitondra fiara mantsy i Aili, ka nahazo fahazoan-dalana mitondra fiara izy tamin’ny 1987, tamin’izy 56 taona. Tsy izay ihany fa mipetraka ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray naorina vao haingana izahay izao.

Tena mahafaly anay ny mahita ny fitomboana. Mbola vitsy kely ny mpitory tatỳ amin’ny faritra avaratr’i Failandy, tamin’izahay vao nanomboka ny fanompoana manontolo andro. Misy fiangonana maromaro anefa izao atỳ. Misy olona manatona anay foana matetika rehefa fivoriambe, ka manontany anay hoe tadidinay ve izy. Matetika izy ireo no milaza fa nampianatra tao an-tranony izahay, tamin’izy mbola kely. Namoa ireo voan’ny fahamarinana nambolenay taona maro lasa izay!—1 Kor. 3:6.

Tianay ny manompo na dia avy aza ny orana

Feno 50 taona ny naha mpisava lalana manokana anay, tamin’ny 2008. Misaotra an’i Jehovah izahay mirahavavy fa afaka nifampahery foana, ka nahavita nanohy an’io asa sarobidy io. Tsotra foana ny fiainanay, nefa tsy ory na inona na inona mihitsy izahay. (Sal. 23:1) Hitanay hoe tsy tokony ho natahotra mihitsy izahay tamin’ny voalohany! Nampahery anay mantsy i Jehovah nandritra izay taona maro izay, araka ny fampanantenany ao amin’ny Isaia 41:10 hoe: “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”