Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2013

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Tenanao sy ny Olon-kafa

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Tenanao sy ny Olon-kafa

“Hitako fa marina daholo ny didinao.”—SAL. 119:128.

1. Nahoana isika no tokony hino tanteraka ny Tenin’Andriamanitra?

REHEFA hanapa-kevitra ny anti-panahy hoe mahafeno fepetra ho mpitory ve ny mpianatra Baiboly iray, dia mieritreritra izy ireo hoe: ‘Mino ve ilay olona fa Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahiny ny Baiboly?’ * Tokony ho azo antoka hoe mino ny Tenin’Andriamanitra ilay olona, ary tokony ho toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Nahoana? Satria mila mino ny Tenin’Andriamanitra isika sady mahay mampiasa azy io, raha te hanampy ny olona hahalala an’i Jehovah sy hahazo ny famonjena.

2. Nahoana isika no tokony hifikitra foana amin’ny fahamarinana?

2 Nasongadin’ny apostoly Paoly hoe zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Timoty: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.” Ireo fahamarinana ara-baiboly nandrisika an’i Timoty hino ny vaovao tsara no tian’i Paoly horesahina tamin’ilay hoe “zavatra.” Ireny fahamarinana ireny koa no nandrisika antsika hino ny vaovao tsara, ary ‘mampahahendry antsika ho amin’ny famonjena.’ (2 Tim. 3:14, 15) Matetika isika no mampiasa an’ireo tenin’i Paoly ao amin’ny andinin-teny manaraka, mba hampisehoana hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Misy zavatra hafa azo ianarana koa anefa ao amin’io andininy io. (Vakio ny 2 Timoty 3:16.) Handinika azy io amin’ny an-tsipiriany isika, mba hanampy antsika hatoky kokoa hoe “marina” ny fampianaran’i Jehovah rehetra.—Sal. 119:128.

“MAHASOA MBA HAMPIANARANA”

3-5. a) Inona no vokatr’ilay lahateny nataon’i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nahoana? b) Nahoana ny olona maro tao Tesalonika no nanaiky ny fahamarinana? d) Inona no tena mampiaiky ny olona amin’ny fitoriana ataontsika?

3 Hoy i Jesosy tamin’ny firenen’Israely: ‘Haniraka mpaminany  sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso ho any aminareo aho.’ (Mat. 23:34) Iza ireo olona nirahiny ireo? Tsy iza fa ny mpianany, izay efa nampianariny hampiasa ny Soratra Masina eny amin’ny fanompoana. Anisan’ny “mpampianatra ampahibemaso”, ohatra, ny apostoly Petera. Nanao lahateny teo anatrehan’ny vahoaka tao Jerosalema izy, tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nanonona andinin-teny maro tao amin’ny Soratra Hebreo. ‘Voatsindrona ny fon’ny olona’ rehefa nandre ny fanazavany. Nibebaka noho ny fahotany izy ireo, ary nangata-pamelana tamin’Andriamanitra. Nisy telo arivo teo ho eo no lasa Kristianina tamin’izay.—Asa. 2:37-41.

4 Anisan’ireo mpampianatra ampahibemaso koa ny apostoly Paoly, izay nitory tany amin’ny toerana lavitra an’i Jerosalema. Nitory tany Tesalonika, tanàna any Makedonia, ohatra, izy. Niresaka tamin’ny olona nivavaka tao amin’ny synagoga izy tany, ary “nandresy lahatra azy ireo niorina tamin’ny Soratra Masina” nandritra ny Sabata telo. “Nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.” Inona no vokatr’izany? ‘Tonga mpino ny Jiosy sasany’, ary toy izany koa ny Grika maro be.—Asa. 17:1-4.

5 Miaiky ny fahaizantsika mampiasa Baiboly koa ny olona ankehitriny. Namaky andinin-teny tamin’ny lehilahy iray nitoriany ny anabavy iray tany Soisa, ka nanontany ilay lehilahy hoe: “Fa inona no fivavahanareo?” Namaly ilay anabavy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Nilaza indray ilay lehilahy avy eo fa tsy tokony ho nanontany an’izany izy. Hoy izy: “Iza ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah moa no ho tonga atỳ amiko hamaky Baiboly?”

6, 7. a) Inona no azo atao mba hampiasana tsara ny Baiboly rehefa mampianatra ny fiangonana? b) Nahoana isika no tena mila mampiasa ny Soratra Masina rehefa mampianatra Baiboly any an-trano?

6 Inona no azontsika atao mba hampiasana bebe kokoa ny Baiboly rehefa mampianatra? Raha mampianatra ny fiangonana avy eny amin’ny lampihazo ianao, dia mampiasà andinin-teny voafaritra tsara. Aza mamerina fotsiny an’izay voalazan’ilay andinin-teny amin’ny fomba fiteninao, na mamaky an’ilay izy amin’ny taratasy na fitaovana elektronika. Sokafy kosa ny Baiboly ary vakio ao amin’izy io ilay andinin-teny. Ampirisiho koa ny mpanatrika hanaraka ao amin’ny Baiboliny. Makà koa fotoana hanazavana ny fomba ampiharana an’ilay izy, mba hanampiana ny mpanatrika hifandray kokoa amin’i Jehovah. Aza manao fanoharana sarotra na mitantara zavatra natao hampihomehezana fotsiny, fa ampiasao ny fotoana mba hanazavana ny Tenin’Andriamanitra.

7 Tena ilaina koa ny mamaky Baiboly rehefa mampianatra Baiboly any an-trano. Ampirisiho ny mpianatra hamaky an’ireo andinin-teny voatonona ao amin’ilay boky, rehefa manomana. Ampio izy hahazo ny hevitry ny Soratra Masina. Amin’ny fomba ahoana anefa? Aza manao fanazavana lava be fa ampirisiho izy hilaza ny heviny. Tsy isika no tokony hilaza amin’ilay olona izay tokony hinoany sy tokony hataony. Afaka mametraka fanontaniana voahevitra tsara kosa isika, mba hanampiana azy hanatsoaka hevitra marina. *

‘MAHASOA MBA HANANARANA’

8. Inona no ady mafy nataon’i Paoly?

8 Mieritreritra isika matetika hoe ny anti-panahy no natao ‘hananatra.’ Milaza tokoa ny Baiboly fa andraikitr’izy ireo ny ‘mananatra ny olona zatra manota.’ (1 Tim. 5:20; Tit. 1:13) Tena ilaintsika koa anefa ny mananatra ny tenantsika. Eritrereto i Paoly. Kristianina fakan-tahaka izy, ary nanana feon’ny fieritreretana madio. (2 Tim. 1:3) Na izany aza, dia nanoratra izy hoe: “Ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota.” Handinika ny teny manodidina an’ireo teny ireo isika, mba hahitana hoe inona no ady mafy tsy maintsy nataon’i Paoly mba  handresena ny fahalemeny.—Vakio ny Romanina 7:21-25.

9, 10. a) Mety ho inona avy ny fahalemen’i Paoly? b) Inona no nataon’i Paoly mba handresena ny fahalemeny?

9 Inona avy ny fahalemena tsy maintsy noresen’i Paoly? Tsy nilaza mazava i Paoly hoe inona ilay izy. Nanoratra tamin’i Timoty anefa izy hoe “mpanambany olona” izy taloha. (1 Tim. 1:13) Nampijaly mafy an’ireo Kristianina koa izy, talohan’izy lasa Kristianina. Niaiky izy hoe ‘tezitra mafy dia mafy tamin’izy ireny izy.’ (Asa. 26:11) Efa nianatra nifehy ny fahatezerany izy tatỳ aoriana, kanefa na izany aza dia mbola sarotra taminy ihany indraindray ny nifehy ny fihetseham-pony sy ny zavatra nolazainy. (Asa. 15:36-39) Inona no nanampy azy?

10 Nolazain’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina hoe inona no nataony mba hananarana ny tenany. (Vakio ny 1 Korintianina 9:26, 27.) Nanao zavatra hentitra izy mba handresena ny fahalemeny. Azo inoana fa nitady torohevitra tao amin’ny Soratra Masina izy momba an’ilay fahalemeny. Nitalaho tamin’i Jehovah izy avy eo mba hanampy azy hampihatra an’ilay izy, ary niezaka mafy hanatsara ny toetrany. * Mahasoa antsika ny ohatra navelany, satria miady amin’ny fahalementsika koa isika.

11. Ahoana no ahitantsika raha mbola mandeha amin’ny fahamarinana isika na tsia?

11 Tsy tokony ho afa-po amin’ny tenantsika isika, ka hieritreritra hoe efa mety daholo ny toetrantsika sy ny fitondran-tenantsika. Tokony ‘handini-tena foana’ isika, mba hahitana raha mbola mandeha amin’ny fahamarinana isika na tsia. (2 Kor. 13:5) Rehefa mamaky ny Kolosianina 3:5-10 na andinin-teny mitovy amin’izany, ohatra, isika, dia afaka misaintsaina hoe: ‘Miezaka mafy ve aho mba hamono an’ireo fironan-dratsy ao amiko, sa ve aho manomboka tia an’ireo zavatra tsy tian’i Jehovah? Rehefa mampiasa Internet na mijery tele aho, ahoana no ataoko rehefa misy sary vetaveta mipoitra? Vao mainka ve aho mijery an’ilay izy, sa miala teo?’ Tena ilaina ny misaintsaina toy izany, ka mieritreritra ny fomba hampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Hanampy antsika izany mba “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana.”—1 Tes. 5:6-8.

‘MAHASOA MBA HANITSIANA IZAY DISO’

12, 13. a) Inona no dikan’ny hoe ‘manitsy izay diso’, ary ahoana no anahafantsika an’i Jesosy amin’io lafiny io? b) Inona no tsy tokony hataontsika rehefa ‘manitsy’ olona?

12 Ilay teny grika nadika hoe ‘manitsy izay diso’ dia midika hoe “manova ho tsara, manitsy, mamerina amin’ny laoniny.” Mety hanitsy ny fomba fihevitry ny olona isika indraindray, rehefa diso ny fandraisan’izy ireo ny zavatra nolazaintsika na nataontsika. Izany, ohatra, no nataon’i Jesosy rehefa nitaraina ireo mpitondra fivavahana jiosy hoe tsara fanahy tamin’ny “mpamory hetra sy ny mpanota” izy. Nanitsy ny fomba fihevitr’izy ireo i Jesosy. Hoy izy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary. Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’ ” (Mat. 9:11-13) Nanam-paharetana sy tsara fanahy i Jesosy nanazava ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny olona rehetra. Vokatr’izany, dia nanjary fantatr’ireo olona nanetry tena hoe “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy” i Jehovah, ary “ tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.” (Eks. 34:6) Maro no lasa nino ny vaovao tsara vokatr’izany.

13 Tokony hanahaka an’i Jesosy isika rehefa manampy olona. Mety hasiaka fiteny ny olona iray, rehefa manampy olona nanao zavatra tsy nety. Ny hoe ‘manitsy izay diso’ voalazan’ny 2 Timoty 3:16 anefa, dia tsy midika hoe mahazo masiaka isika rehefa manitsy olona. Tsy manome alalana antsika hibedibedy olona ny Soratra Masina. Toy ny “fanindron’ny sabatra” ny teny masiaka, ka mandratra fo fotsiny, fa tsy mitondra soa mihitsy.—Ohab. 12:18.

14-16. a) Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny hafa, rehefa misy zavatra tsy mety ka mila ‘ahitsy’? b) Nahoana ny ray aman-dreny no mila mampiasa ny Soratra Masina rehefa ‘manitsy’ ny zanany?

 14 Inona no hanampy antsika mba hanam-paharetana sy ho tsara fanahy, rehefa misy zavatra tsy mety ka mila ‘ahitsy’? Aoka hatao hoe mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ny mpivady iray, satria miady lava izy ireo. Inona no tokony hataon’ilay anti-panahy? Tsy hiandany amin’ny andaniny na amin’ny ankilany izy, fa hampiasa ny toro lalan’ny Baiboly mba hampisaintsainana azy mivady. Azo resahina, ohatra, ny toro lalana ao amin’ny toko faha-3 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Mety hanampy azy mivady izany mba hahita hoe inona no torohevitra mbola tokony hampihariny bebe kokoa. Afaka manontany azy ireo ilay anti-panahy any aoriana, raha efa nihanilamina ny olana teo amin’izy ireo. Mbola afaka manome fanampiana bebe kokoa izy amin’izay raha ilaina.

 15 Ary ahoana indray no azon’ny ray aman-dreny atao rehefa ‘manitsy’ ny zanany, mba hahatonga azy ireo hifandray amin’i Jehovah foana? Aoka hatao hoe nahazo namana vaovao ny zanakao vavy, ary miahiahy ianao hoe naman-dratsy ilay izy. Fantaro aloha hoe hoatran’ny ahoana ilay namany. Ary raha hitanao hoe tena misy mampiahiahy, dia teneno ny zanakao. Misy hevitra tsara azonao ampiasaina ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Manokàna koa fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny zanakao. Diniho hoe manao ahoana ny toe-tsainy rehefa manompo izy, na rehefa miara-miala voly amin’ny fianakaviana. Raha manam-paharetana sy tsara fanahy ianao, dia ho tsapan’ny zanakao hoe tia azy sy miahy azy. Hanohina ny fony izany, ka hanaraka ny torohevitrao izy ary hisoroka loza.

Manampy ny zanany mba hisoroka olana ny ray aman-dreny, raha tsara fanahy sy mampiasa ny Baiboly rehefa ‘manitsy’ ny zanany (Jereo ny fehintsoratra faha-15)

16 Afaka manampy olon-kafa koa isika, raha manam-paharetana sy tsara fanahy. Anisan’izany ny olona manahy momba ny fahasalamany, ireo kivy satria very asa, ary ireo sahiran-tsaina noho ny fampianarana sasany ao amin’ny  Baiboly. Betsaka tokoa ny soa raisintsika vahoakan’i Jehovah, rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra isika mba “hanitsiana izay diso.”

‘MAHASOA MBA HANAFAIZANA ARAKA NY FAHAMARINANA’

17. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny anatra na ny famaizana omena antsika?

17 “Tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory. Avy eo anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nampiofanina tamin’ny alalan’izany. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.” (Heb. 12:11) Miaiky ny ankamaroan’ny Kristianina notezaina tao amin’ny fahamarinana, fa nanampy azy ireo ny anatra na ny famaizan’ny ray aman-dreniny. Manampy antsika handeha foana amin’ny lalan’ny fiainana koa ny anatra na famaizana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny anti-panahy.—Ohab. 4:13.

18, 19. a) Nahoana no tena ilaina ny manaraka ny Ohabolana 18:13, rehefa mananatra na manome famaizana? b) Inona matetika no vokany raha malemy fanahy sy be fitiavana ny anti-panahy, rehefa manitsy olona nanota?

18 Ahoana anefa no ahitana vokatra tsara, raha isika no mananatra na manome famaizana? Nilaza i Jehovah fa tokony hanao izany “araka ny fahamarinana” isika. (2 Tim. 3:16) Tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly àry isika, rehefa mananatra na manafay. Anisan’izany ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 18:13 hoe: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Rehefa misy olona voalaza fa nanao fahotana lehibe àry, dia mila mamotopototra tsara aloha ny anti-panahy, mba hahafantarana ny zava-misy rehetra. (Deot. 13:14) Amin’izay ihany izy ireo vao ho afaka hananatra na hanafay “araka ny fahamarinana.”

19 Mampirisika ny anti-panahy koa ny Tenin’Andriamanitra mba “halemy paika” na halemy fanahy, rehefa manitsy olona. (Vakio ny 2 Timoty 2:24-26.) Marina fa mety ho nanala baraka an’i Jehovah ny olona iray, na nampijaly olona tsy manan-tsiny ny zavatra nataony. Tsy hanampy azy anefa ilay anti-panahy, raha tezitra rehefa manome torohevitra. Mety hahavita handrisika an’ilay olona hibebaka kosa izy, raha miezaka ho tsara fanahy toa an’i Jehovah.—Rom. 2:4.

20. Inona no toro lalana tokony hampiharin’ny ray aman-dreny rehefa mananatra ny zanany?

20 Tsy maintsy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly ny ray aman-dreny, rehefa mitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Tsy tokony hihaino feon-dakolosy tokana ny raim-pianakaviana, fa hanadihady tsara aloha, vao hanasazy ny zanany. Tsy tokony hahitana herisetra vokatry ny hatezerana be koa ny tokantrano kristianina. ‘Be fitiavana sy mamindra fo’ i Jehovah, ary tokony hiezaka hanahaka azy ny ray aman-dreny rehefa mananatra na manafay ny zanany.—Jak. 5:11.

FANOMEZANA SAROBIDY AVY AMIN’I JEHOVAH NY BAIBOLY

21, 22. Inona no teny mahalaza ny fihetseham-ponao momba ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny Salamo 119:97-104?

21 Nohazavain’ny mpanompon’Andriamanitra iray fahiny hoe nahoana izy no tena tia ny lalàn’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 119:97-104.) Nilaza izy fa nanjary hendry sy mahira-tsaina izy, rehefa nianatra azy io. Nisakana azy tsy hanao fahadisoana izay mety hampahory ny hafa koa ny fanarahany ny torohevitra ao amin’izy io. Nahafinaritra sy nahafa-po azy ny nianatra ny Soratra Masina. Nitondra soa be dia be ho azy ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, ka tapa-kevitra izy hoe hankatò an’i Jehovah foana.

22 Sarobidy aminao koa ve “ny Soratra Masina iray manontolo”? Hanampy anao izy io mba hatoky fa hotanterahin’i Jehovah ny fikasany. Hiaro anao mba tsy ho zatra manota koa ny torohevitra omen’i Jehovah ao amin’izy io, ary tena ilainao izany satria mitarika ho amin’ny fahafatesana ny fahazarana manota. Azonao ampiasaina koa izy io, mba hanampiana olona handeha amin’ny lalan’ny fiainana sy tsy hiala amin’izany. Aoka àry isika hampiasa tsara “ny Soratra Masina iray manontolo”, eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah, ilay Andriamanitra hendry sy be fitiavana.

^ feh. 1 Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 79.

^ feh. 7 Rehefa nampianatra i Jesosy, dia matetika izy no nanontany hoe “ahoana ny hevitrareo?”, ary niandry ny valiny izy avy eo.—Mat. 18:12; 21:28; 22:42.

^ feh. 10 Imbetsaka i Paoly ao amin’ireo taratasy nosoratany, no mampirisika antsika hiady amin’ny fahalementsika. (Rom. 6:12; Gal. 5:16-18) Azo inoana fa nampihatra ny torohevitra nomeny koa izy.—Rom. 2:21.