Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2012

Fotoam-pifaliana ho An’ny Vahoakan’i Jehovah ny Fivoriambe

Fotoam-pifaliana ho An’ny Vahoakan’i Jehovah ny Fivoriambe

“Vorio ny vahoaka, dia ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny.”—DEOT. 31:12.

1, 2. Inona no hianarantsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

EFA hatramin’ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao fivoriambe iraisam-pirenena sy fivoriamben’ny vondrom-paritra. Maro amintsika no efa nanatrika an’ireny fivoriambe tena mahafinaritra ireny, ary angamba aza efa nanatrika azy ireny imbetsaka.

2 Nanao fivoriambe masina koa ny vahoakan’Andriamanitra, an’arivony taona lasa izay. Hiresaka momba azy ireny isika izao. Hodinihintsika avy eo hoe inona no itovizan’ireny fivoriambe ireny sy ny fivoriambe ataontsika ankehitriny. Ho hitantsika koa hoe nahoana no mahasoa antsika ny mamonjy fivoriambe.—Sal. 44:1; Rom. 15:4.

IREO FIVORIAMBE NIAVAKA FAHINY SY ANKEHITRINY

3. a) Inona no nitranga tamin’ilay fivoriambe voalohany resahin’ny Baiboly? b) Ahoana no fomba namoriana ny Israelita tamin’izany fotoana izany?

3 Teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny fivoriambe voalohany nataon’ny vahoakan’Andriamanitra, voalaza ao amin’ny Baiboly. Nivory teo izy ireo mba handray toromarika tamin’i Jehovah. Tena niavaka io fivoriambe io teo amin’ny tantaran’ny fivavahana marina. Naneho ny heriny tamin’ny Israelita i Jehovah tamin’izay, rehefa nanome azy ireo ny Lalàna. Azo antoka fa tsy nohadinoin’izy ireo mihitsy io andro io. (Eks. 19:2-9, 16-19; vakio ny Eksodosy 20:18; Deoteronomia 4:9, 10.) Nanomboka teo, dia lasa firenena manokana ho an’Andriamanitra ny Israelita. Nasain’i Jehovah nanao trompetra volafotsy roa i Mosesy, tsy ela taorian’izay, mba hiantsoana ny “vahoaka”, rehefa hivory “eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.” (Nom. 10:1-4) Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’ny vahoaka tamin’ireny fotoana ireny e!

4, 5. Inona no nampiavaka an’ireo fivoriambe nalamin’i Mosesy sy Josoa?

 4 Namory ny Israelita i Mosesy, rehefa nadiva ho tapitra ireo 40 taona nijanonan’izy ireo tany an-tany efitra. Fotoan-dehibe teo amin’ny tantaran’io firenena io tamin’izay. Efa kely sisa mantsy dia hiditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Tena nety àry ny nataon’i Mosesy nampahatsiahy azy ireo ny zava-drehetra nataon’i Jehovah sy izay mbola hataony ho azy ireo.—Deot. 29:1-15; 30:15-20; 31:30.

5 Tamin’io fivoriambe io koa angamba i Mosesy no nampahafantatra ny Israelita fa hanao fivoriambe tsy tapaka izy ireo, ary hampianarin’i Jehovah. Hanao ny Fetin’ny Trano Rantsankazo izy ireo isaky ny taona sabata, izany hoe isaky ny fito taona, ka hivory any amin’ny toerana fidin’i Jehovah ny lehilahy, sy ny vehivavy, ny ankizy, ary ny vahiny. Natao izany mba ‘hihainoany sy hianarany hatahotra an’i Jehovah, ary mba hanarahany an’izay rehetra voalazan’ny lalàna.’ (Vakio ny Deoteronomia 31:1, 10-12.) Vao nanomboka àry ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah, dia hita fa tian’i Jehovah hivory tsy tapaka izy ireo, mba hianatra ny teniny sy ny fikasany. Novorin’i Josoa ny Israelita tatỳ aoriana, rehefa azon’izy ireo ny Tany Nampanantenaina. Voahodidina firenena mpanompo sampy izy ireo tamin’izay, ka nataon’i Josoa ilay fivoriana mba hampaherezana azy ireo ka tsy hivadihany amin’i Jehovah. Nivoady ny vahoaka tamin’izay, fa hanompo an’i Jehovah foana.—Jos. 23:1, 2; 24:1, 15, 21-24.

6, 7. Inona ireo fivoriambe miavaka teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?

6 Nisy fivoriambe miavaka koa teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Tamin’izy ireny no nampandrenesina hoe nisy niova ny fomba fiasan’ny fandaminana, na koa hoe nasiana fanitsiana ny fahazoantsika ny andinin-teny sasany. (Ohab. 4:18) Tamin’ny 1919 ny fivoriambe ngezabe voalohany nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, taorian’ny Ady Lehibe I. Tany Cedar Point, any Ohio, any Etazonia, no natao izy io, ary 7 000 teo ho eo ny mpanatrika. Nampandrenesina tamin’izay hoe hanao ezaka manokana mba hitoriana maneran-tany ny vahoakan’i Jehovah. Nisy fivoriambe iray hafa naharitra sivy andro indray tao amin’io toerana io, tamin’ny 1922. Nanao lahateny mafonja i Joseph Rutherford tamin’izay, ka nampirisika ny mpanatrika hoe: ‘Asehoy fa tsy mivadika sy tena vavolombelon’i Jehovah ianareo. Tohizo foana ny ady, mandra-paharava tanteraka an’i Babylona. Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Andro iray toa zato izao. Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no irahiny hampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.’ Tena nazoto nitory ireo mpanatrika taorian’izay, ary toy izany koa no nataon’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.

7 Niavaka koa ilay fivoriambe natao tany Columbus, any Ohio, tamin’ny 1931. Tamin’izay ny Mpianatra ny Baiboly no nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, ka nientam-po be ny mpanatrika! Tamin’ilay fivoriambe tany Washington, tamin’ny 1935, ny Rahalahy Rutherford no nampahafantatra hoe iza ny “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy, izay ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry.’ (Apok. 7:9-17) Tao anatin’ny Ady Lehibe II izao tontolo izao tamin’ny 1942. Tamin’ny fivoriambe iray tamin’io taona io anefa i Nathan Knorr no nanao ilay lahateny nampihetsi-po hoe: “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” Nohazavainy hoe iza ilay “bibidia mena midorehitra” resahin’ny Apokalypsy toko faha-17, ary nasehony fa mbola betsaka ny asa fitoriana mila atao aorian’ny ady.

Fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1950

8, 9. Nahoana no tena nampihetsi-po ny fivoriambe sasany?

8 Tena nahaliana ny lahateny iray nataon’ny Rahalahy Knorr tamin’ilay fivoriambe hoe “Firenena Falifaly”, natao tany Cleveland, any Ohio,  tamin’ny 1946. Ny lohatenin’ilay izy dia hoe “Ny Olana Amin’ny Fanitarana sy Fanatsarana ny Asantsika.” Nitantara ny fihetseham-pon’ny mpanatrika ny rahalahy iray teny ambony lampihazo nandritra ilay lahateny. Hoy izy: “Nahazo tombontsoa aho tamin’io takariva io, satria tao aorian’ny Rahalahy Knorr. Nirefodrefotra tsy nisy farany ny tehaka, rehefa avy niresaka momba ny asa fitoriana mbola tokony hatao izy, ary nanazava ny tetikasa fanitarana kasaina hatao, dia ny fanitarana ny trano fonenana sy ny trano fasiana milina tao amin’ny Betelan’i Brooklyn. Tsy hita tsara ny endriky ny olona, avy teny ambony lampihazo, kanefa tsapa tokoa hoe dibo-kafaliana ny rehetra.” Tena faly koa ny mpanatrika, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1950. Nivoaka mantsy Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Lasa anisan’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy io tatỳ aoriana, izay namerina ny anaran’Andriamanitra.—Jer. 16:21.

9 Nampihetsi-po koa ireo fivoriambe nalamina tany amin’ireo firenena avy nisy fanenjehana na fandrarana. Nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina i Adolf Hitler fahiny, ary nivoady fa hamongotra azy ireo. Nisy Vavolombelona 107 000 anefa nanao fivoriambe tao Nuremberg tamin’ny 1955. Io kianja io anefa no kianja nampiasain’ny miaramilan’i Hitler rehefa nanao matso. Tena faly ny mpanatrika an’ilay fivoriambe, ka maro no latsa-dranomaso! Toy izany koa ny tany Polonina tamin’ny 1989. Nisy fivoriambe telo hoe “Fitiavam-pivavahana” natao tany, ka nisy mpanatrika 166 518. Avy tany amin’ny Firaisana Sovietika, sy Tsekoslovakia, ary firenena hafa tany Eoropa Atsinanana ny maro tamin’izy ireo. Sambany ny sasany tamin’izy ireo vao nanatrika fivoriana nisy olona mihoatra ny 15 na 20! Alao sary an-tsaina koa ny fifalian’ireo nanatrika an’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, natao tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny 1993. Nisy 7 402 no natao batisa. Mbola tsy nisy batisa betsaka toy izany hatramin’izay!—Isaia 60:22; Hag. 2:7.

10. Inona ny fivoriambe tena tsaroanao, ary nahoana?

10 Tsaroanao hoe tena niavaka koa angamba ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sasany, na ny fivoriambe iraisam-pirenena natrehinao. Tadidinao ve ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany natrehinao, na ny fivoriambe nanaovana batisa anao? Fotoan-dehibe teo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah ireny, ka aza hadinoina mihitsy.—Sal. 42:4.

FOTOAM-PIFALIANA FOANA NY FIVORIAMBE

11. Inona avy ny fety nasain’i Jehovah natao isan-taona?

11 Nandidy ny Israelita i Jehovah mba hivory intelo isan-taona tany Jerosalema, mba hankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, sy ny Fetin’ireo Herinandro (nantsoina hoe Pentekosta tatỳ aoriana), ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Hoy i Jehovah momba an’ireo: “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminareo no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ilay tena Tompo.” (Eks. 23:14-17; Deot. 16:16) Maro ny lehilahy nahatakatra fa tena mitondra soa ara-panahy ireny fety ireny, ka nentiny nanatrika azy ireny ny ankohonany manontolo.—1 Sam. 1:1-7; Lioka 2:41, 42.

12, 13. Inona ny ezaka nataon’ny Israelita maro mba hamonjena an’ireo fety fanao isan-taona?

 12 Inona no tsy maintsy nataon’ny fianakaviana israelita mba hamonjena an’ireny fety ireny? Eritrereto i Josefa sy Maria, izay nipetraka tao Nazareta. Tsy maintsy nandeha 100 kilaometatra teo ho eo ry zareo vao tonga tany Jerosalema! Hafiriana no eritreretinao hahavitana izany, raha mandeha an-tongotra ianao ary miaraka amin’ny ankizy? Hitantsika amin’ny tantaran’i Jesosy tamin’ny mbola kely, fa mety hiaraka amin’ny havana aman-tsakaiza koa ny Israelita rehefa nanao an’io dia io. Alao sary an-tsaina ange izany olona maro be izany miara-manao dia e! Tsy maintsy niara-nikarakara sakafo koa ry zareo teny an-dalana, ary nitady toerana hatoriana tany amin’ny tanàna tsy fantatra. Na izany aza, dia tsy nisy natahorana loatra tamin’izany, ka afaka nivezivezy araka izay tiany i Jesosy, na dia vao 12 taona aza. Azo antoka fa tsy nanadino an’ireny fotoana ireny mihitsy ny Israelita, indrindra fa ny ankizy.—Lioka 2:44-46.

13 Olona avy any amin’ny firenena maro no tonga namonjy an’ireny fety ireny, tatỳ aoriana, satria niparitaka tany amin’ny firenena maro ny Israelita. Hita, ohatra, izany tamin’ny Pentekosta taona 33. Nisy Jiosy sy olon-kafa nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy, tonga avy any Italia, Libya, Kreta, Azia Minora, ary Mezopotamia. Hita hoe tena nankasitraka an’ireny fandaharana ara-panahy ireny izy ireo.—Asa. 2:5-11; 20:16.

14. Inona no soa azon’ny Israelita rehefa nanatrika an’ireo fety fanao isan-taona?

14 Ny lafiny ara-panahy no zava-dehibe indrindra tamin’ireny fivoriambe ireny, ho an’ireo Israelita tsy nivadika. Tsy andrin’izy ireo ny hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo olona an’arivony tia an’i Jehovah. Inona no tsapan’ireo nanatrika an’ireny fotoan-dehibe ireny? Hitantsika ao amin’ny toromarika nomen’i Jehovah momba ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny valiny. Hoy izy: “Hifaly mandritra ny fety ianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny Levita mbamin’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ao an-tanànanao. Fito andro no hankalazanao ny fety ho an’i Jehovah Andriamanitrao any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah, satria hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao, ka hotahiny ny vokatrao rehetra sy izay rehetra ataon’ny tananao, ka dia hifaly tokoa ianao.”—Deot. 16:14, 15; vakio ny Matio 5:3.

NAHOANA NO TOKONY HO ZAVA-DEHIBE AMINTSIKA NY FIVORIAMBEN’NY VONDROM-PARITRA?

15, 16. Inona ny ezaka tsy maintsy nataonao mba hanatrehana fivoriambe? Nahoana no tsy very maina izany ezaka izany?

15 Tena modely ho antsika ankehitriny ireo fivoriambe nataon’ny Israelita! Marina fa maro ny fiovana nitranga, kanefa tsy niova ireo lafiny lehibe amin’ny fivoriambe. Nila nanao ezaka be ny Israelita rehefa namonjy fivoriambe, ary mbola mila manao izany koa ny maro amintsika ankehitriny. Tsy very maina anefa izany fa andraisan-tsoa be! Mbola zava-dehibe toy ny taloha ihany ny fivoriambe ankehitriny. Mandray fahalalana isika any, ary manampy antsika izany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah. Mandrisika antsika hampihatra izay ianarantsika koa ny fivoriambe, ary manampy antsika hisoroka olana. Manampy antsika koa izy io mba hanalavitra an’ireo zavatra manavesatra, fa hifantoka amin’ireo zavatra mamelombelona antsika.—Sal. 122:1-4.

Korea Atsimo

16 Nitondra fifaliana foana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hatramin’izay. Izao no voalaza tao amin’ny tatitra momba ny fivoriambe iray tamin’ny 1946: ‘Tena nahafinaritra ny nahita an’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony niaraka tao amin’ny toerana iray. Tena nahafaly ny nihaino azy ireo niara-niredona hira fiderana ho an’i Jehovah, narahin’ireo mpitendry zavamaneno maro be.’ Izao koa no voalazan’ilay tatitra: “Maro be no nanao asa an-tsitrapo tany amin’ireo sampan-draharaha rehetra, ary tena faly izy ireo nanampy ny mpiara-manompo taminy.” Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao rehefa nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, na  fivoriambe iraisam-pirenena?—Sal. 110:3; Isaia 42:10-12.

17. Inona no fanovana natao tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra?

17 Nisy fanovana natao tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, rehefa nandeha ny fotoana. Mbola tsaroan’ny rahalahy sy anabavy sasany hoe nisy fivoriambe naharitra valo andro taloha. Nisy fandaharana ny maraina, ny tolakandro, ary na dia tamin’ny hariva aza. Anisan’ny fandaharana koa ny fanompoana teny amin’ny saha. Nanomboka tamin’ny sivy maraina ny fivoriambe indraindray, ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny sivy alina! Niasa mafy ny mpiasa an-tsitrapo nikarakara sakafo maraina, sakafo antoandro, ary sakafo hariva ho an’ny mpanatrika. Fohy kokoa izao ny fandaharana, ary samy manomana sakafo mialoha ny mpanatrika, mba hahafahany mifantoka kokoa amin’ny sakafo ara-panahy omena any amin’ny fivoriambe.

Mozambika

18, 19. Inona no tena mahafinaritra anao amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary nahoana?

18 Tena tsy andrintsika ny fandaharana sasany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary efa hatramin’ny ela izy ireny no nampiavaka ny fivoriambe. Mahazo ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ isika any, satria mahazo lahateny sy boky vaovao, izay manampy antsika hahatakatra kokoa an’ireo faminaniana sy fampianarana ao amin’ny Baiboly. (Mat. 24:45) Matetika no azontsika ampiasaina ireny boky ireny, mba hanampiana ny olona tso-po hahatakatra ny fahamarinana. Tena mahaliana koa ireo tantara ara-baiboly. Mampirisika antsika izy ireny, na ankizy na olon-dehibe, mba handinika ny antony anompoantsika an’i Jehovah, sy hanalavirana ny toe-tsain’ity tontolo ity. Manampy antsika rehetra koa ny lahatenin’ny batisa mba handinika an’izay ataontsika loha laharana. Faly koa isika mahita an’ireo olona atao batisa, izay mampiseho hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah.

19 Efa hatramin’ny ela tokoa ny fivoriambe no anisan’ny fivavahana amin’i Jehovah. Manampy ny vahoakan’i Jehovah izy io, mba ho falifaly sy hanompo bebe kokoa, ary tsy hivadika na dia misy olana aza. Afaka mahazo namana vaovao koa isika any amin’ireny fivoriambe ireny, ary mahatsapa fa tena mahafinaritra ny hoe anisan’ny fianakaviamben’ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany. Fomba lehibe ampiasain’i Jehovah koa ny fivoriambe mba hitahiana sy hikarakarana ny vahoakany. Aoka àry isika tsirairay handamina ny fiainantsika, mba hahafahantsika hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra rehetra, ary tsy hanapaka na dia tapak’andro aza!—Ohab. 10:22.