Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava “Tari-dalana Tsara”

Mitadiava “Tari-dalana Tsara”

Mitadiava “Tari-dalana Tsara”

Azo ampitahaina amin’ny dia an-dranomasina ny fiainana. Tsy tena manampy antsika hiatrika an’io dia lavitra io anefa ny fahendren’olombelona. Maro no vaky sambo rehefa tratran’ny onjam-piainana. (Sal. 107:23, 27) Nahoana no tena mety ny hampitahana ny fiainana amin’ny dia an-dranomasina?

Sarotra ny nanao dia an-dranomasina fahiny, ka nilana traikefa. Matetika no tantsambo efa za-draharaha, toy ny mpitondra sambo, no nampiofana an’ireo tsy mahay. (Asa. 27:9-11) Tena ilaina ny asan’ny mpitondra sambo ka matetika no ataon’ny mpanao hoso-doko ngezabe ny sarin’izy io, raha oharina amin’ny tantsambo hafa. Nianatra momba ny kintana, ny fitsokan’ny rivotra, ary ny zavatra hafa hamantarana lalana ny tantsambo alohan’ny hanao dia an-dranomasina. Tena “mahay” ny tantsambo sasany, hoy ny Baiboly.—Ezek. 27:8.

Sarotra toy ny dia an-dranomasina fahiny ny fiainantsika ankehitriny, satria maro ny olana. Inona no hanampy antsika hiatrika azy ireny?

AHOANA NO HAHAZOANA “TARI-DALANA TSARA”?

Diniho ity tenin’ny Baiboly ity: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany, ary ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara.” (Ohab. 1:5, 6) Ny teny hebreo nadika hoe “tari-dalana tsara” dia misy ifandraisany amin’ny asan’ny kapitenin-tsambo fahiny. Tafiditra amin’izany ny fahaizana mitarika na mitondra ny sambo ho any amin’ny lalana tokony halehany.

Hahay hitondra ny fiainantsika koa isika, raha miezaka mafy hahazo “tari-dalana tsara.” Mila manana “fahendrena” sy ‘fahaiza-mahataka-javatra’ isika ary ‘fahaiza-mandalina.’ (Ohab. 1:2-6; 2:1-9) Tena ilaintsika koa anefa ny mitady ny tari-dalan’Andriamanitra, satria na ny ratsy fanahy aza mahay mitady “tari-dalana” mba hanaovan-dratsy.—Ohab. 12:5.

Tena mila mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra àry isika. Raha manao izany isika, dia hahalala tsara momba an’i Jehovah, sy momba an’ilay nanahaka azy tanteraka, dia i Jesosy Kristy. (Jaona 14:9) Mahazo torohevitra feno fahendrena koa isika any am-pivoriana. Azontsika atao koa ny miana-javatra avy amin’ny hafa, anisan’izany ny ray aman-drenintsika.—Ohab. 23:22.

ILAINA NY MIERITRERITRA MIALOHA

Rehefa ao anaty onja mahery, na rehefa ao anatin’ny olana isika no tena mila “tari-dalana tsara.” Raha misalasala isika ka tsy fantatsika izay tokony hatao, dia mety tsy hahavita na inona na inona isika, ka ho loza ny vokany.—Jak. 1:5, 6.

Mahaliana fa ampiasaina amin’ny ady koa ilay hoe “tari-dalana tsara.” Hoy ny Baiboly: “Tari-dalana tsara [na “fahaizana manao tetikady”, Baiboly Anglisy Nohavaozina] no ilainao ho amin’ny ady, ary ahazoana famonjena ny fananana mpanolo-tsaina maro.”—Ohab. 20:18; 24:6.

Mieritreritra mialoha izay loza mety hitranga ny mpahay tetikady rehefa manomana ady. Toy izany koa fa mila mieritreritra mialoha izay loza ara-panahy mety hanjo antsika isika. (Ohab. 22:3) Mety hila hanapa-kevitra, ohatra, ianao raha hanaiky asa vaovao iray na tsia. Mazava ho azy fa hodinihinao mialoha ny ho karamanao, sy ny fotoana laninao handehanana miasa, ary ny tsipiriany hafa. Misy zavatra mila eritreretinao koa anefa: Mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ve ilay asa? Inona no mety ho vokatry ny ora iasanao amin’ny fanompoanao an’i Jehovah?—Lioka 14:28-30.

Vavolombelon’i Jehovah i Loretta, ary nanana asa tsara izy tao amin’ny orinasa iray mpanao sakafo. Notolorana toerana ambony kokoa anefa izy, rehefa hafindra toerana ilay orinasa. Hoy ireo mpampiasa azy: “Tsy hahita hoatran’io intsony ianao. Efa hitanay fa misy Efitrano Fanjakana any amin’io toerana io.” Naniry hanatsotra ny fiainany anefa i Loretta mba hanompoana bebe kokoa. Hitany fa tsy ho afaka hanao tsara an’ireo asa ara-panahy izy, raha manaiky an’ilay asa. Nametra-pialana àry izy, na dia nilaza aza ny mpampiasa azy fa izy no tian’izy ireo hotazonina indrindra, amin’ny mpiasany rehetra. Efa 20 taona teo ho eo izao i Loretta no mpisava lalana maharitra. Miaiky izy fa nandray soa be dia be izy, rehefa nanao fanapahan-kevitra nifanaraka tamin’ny “tari-dalana tsara”, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nihatsara ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ary faly izy fa afaka nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana.

Mila “tari-dalana tsara” koa ny fianakaviana. Asa maharitra ny fitaizana, ary misy vokany eo amin’ny hoavin’ilay fianakaviana manontolo ny safidy ataon’ny ray aman-dreny eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. (Ohab. 22:6) Mila mieritreritra, ohatra, ny ray aman-dreny hoe: ‘Hita eo amin’ny resaka ataonay sy ny ohatra avelanay ve hoe mampianatra ny zanakay hifandray tsara amin’i Jehovah izahay, satria izany no hanampy azy ireo hiatrika ny fiainany any aoriana? Asehonay amin’ny fomba fiainanay ve fa te hanampy ny zanakay hianina amin’ny fiainana tsotra sy hifantoka amin’ny fanompoana izahay?’—1 Tim. 6:6-10, 18, 19.

Mikatsaka harena na toerana ambony ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy izany anefa no hamaritana hoe mahomby ny olona iray, na tsia. Nahatakatra izany i Solomona, ka nilaza hoe: “Ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra, satria natahotra Azy.” (Mpito. 8:12) Fahendrena àry ny mitady “tari-dalana tsara” mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.—2 Tim. 3:16, 17.

[Sary, pejy 30]

Atao ngezabe noho ny sarin’ny tantsambo hafa ny an’ny mpitondra sambo, mba hampisehoana fa tena ilaina ny asan’izy io

[Sary nahazoan-dalana]

Su concessione del Ministero per i Beni e le Attività Culturali. It is forbidden to reproduce or duplicate this image in any way or by any means.