Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?

Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?

Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?

NANANA tombontsoam-panompoana ve ianao taloha? Mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy angamba ianao tamin’izay, na mpanompo manontolo andro. Azo antoka fa nahafaly sy nahafa-po anao izany, nefa tsy maintsy nafoinao.

Tsy maintsy nanao izany ianao, angamba noho ny andraikitra ara-pianakaviana, na ny fahanterana, na ny tsy fahasalamana. Tsy hoe diso ianao raha izany no izy. (1 Tim. 5:8) Diniho, ohatra, i Filipo, velona tamin’ny taonjato voalohany. Misionera izy, nefa nanorim-ponenana tao Kaisaria, tatỳ aoriana, mba hikarakarana ny fianakaviany. (Asa. 21:8, 9) Rehefa antitra koa i Davida, mpanjakan’ny Israely, dia nasainy nandimby azy i Solomona zanany. (1 Mpanj. 1:1, 32-35) Samy mbola nankasitrahan’i Jehovah anefa na i Filipo na i Davida, ary mbola tsara laza hatramin’izao.

Mety ho nesorina taminao koa anefa ny tombontsoa nanananao noho ny zavatra nataonao, na noho ny olana ara-pianakaviana. (1 Tim. 3:2, 4, 10, 12) Mety ho tsy neken’ny sainao mihitsy aza hoe nesorina taminao ilay izy, ka mbola sosotra ianao hatramin’izao.

Afaka miezaka ny hahazo tombontsoam-panompoana indray ianao

Tsy misy azo atao intsony ve raha nafoinao ny tombontsoam-panompoanao? Tsy voatery ho izany foana. Ianao mihitsy anefa no tokony haniry ny hiezaka mba hahazo an’ilay izy indray. (1 Tim. 3:1) Nahoana? Eritrereto izao: Inona no nahatonga anao haniry hanokan-tena ho an’i Jehovah? Satria tianao izy sy ny mpanompony. Asehonao koa io fitiavanao io raha miezaka hahazo tombontsoa indray ianao. Amin’izay i Jehovah dia hampiasa ny traikefa nanananao taloha sy taorian’ny namoizanao an’ilay tombontsoam-panompoana.

Nisy fotoana nanesorana tamin’ny Israelita ny tombontsoany, ary ara-drariny ilay izy. Tadidio anefa ny toky nomen’i Jehovah azy ireo tamin’izay. Hoy ny Baiboly: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho. Taranak’i Jakoba ianareo, ka tsy ho fongotra.” (Mal. 3:6) Tian’i Jehovah ny Israelita, ary mbola te hampiasa azy ireo izy. Mbola te hampiasa anao koa i Jehovah. Inona àry izao no azonao atao? Miezaha hanatanjaka ny finoanao, dieny mbola tsy manana andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana ianao. Tsy miankina amin’ny fahaizanao mantsy no hahazoanao andraikitra, fa amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah.

Tsy maintsy ‘mitady an’i Jehovah sy ny heriny’ ianao, raha tianao “hatanjaka” ny finoanao. (1 Kor. 16:13; Sal. 105:4) Anisan’ny hanampy anao ny vavaka avy amin’ny fo. Lazao amin’i Jehovah ny manjo anao ary angataho ny fanahiny masina. Ho akaiky kokoa azy ianao amin’izay, ary tsy ho kivy. (Sal. 62:8; Fil. 4:6, 13) Hatanjaka koa ny finoanao raha hatsarainao ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho sarotra taminao teo aloha ny nianatra samirery tsy tapaka, na ny nianatra niaraka tamin’ny fianakavianao. Hanam-potoana kokoa hanaovana izany anefa ianao izao, satria vitsy kokoa ny andraikitrao.

Mbola solontenan’i Jehovah ianao satria Vavolombelony. (Isaia 43:10-12) Voninahitra lehibe indrindra ho antsika izany hoe anisan’ny “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” izany. (1 Kor. 3:9) Tena hihamatanjaka ny finoanao sy ny an’ny mpiara-manompo aminao, raha manompo bebe kokoa ianao.

Ahoana no tokony hiatrehanao an’ilay toe-javatra?

Mety ho menatra ianao na hanenina, raha nisy tombontsoam-panompoana nafoinao. Mety hitady hanamarin-tena koa ianao. Ahoana anefa raha misy rahalahy manana andraikitra mihaino izay lazainao, nefa milaza ihany izy ireo fa tokony hesorina aminao ny andraikitrao? Mety ho sosotra be amin’izy ireo ianao, ka tsy te hiezaka hahazo andraikitra intsony. Tsy handray lesona avy amin’izay mitranga mihitsy anefa ianao, raha izany no izy. Inona àry no azonao atao? Diniho izay nitranga tamin’i Joba sy Manase ary Josefa.

Nisolo tena ny olona teo anatrehan’i Jehovah i Joba, ary anti-panahy sady mpitsara teo amin’ny fiaraha-monina. (Joba 1:5; 29:7-17, 21-25) Very tampoka anefa ny fananany, maty daholo ny zanany, ary narary izy. Lasa tsy nohajain’ny olona intsony koa izy. Hoy i Joba: “Mihomehy ahy ireo tanora kokoa noho izaho.”—Joba 30:1.

Nihevi-tena ho tsy manan-tsiny mihitsy i Joba, ka nanamarin-tena teo anatrehan’Andriamanitra. (Joba 13:15) Vonona ny hiandry an’i Jehovah anefa izy, ka notahina noho izany. Nianarany fa nila fanitsiana izy, indrindra fa noho ny fihetsiny tamin’izy nandalo fitsapana. (Joba 40:6-8; 42:3, 6) Nanetry tena izy, ka nahazo fitahiana tondraka avy tamin’Andriamanitra, tatỳ aoriana.—Joba 42:10-13.

Fahadisoana nataonao ve no nahatonga anao hamoy tombontsoam-panompoana? Mety hieritreritra àry ianao hoe tena hamela sy hanadino ny helokao tokoa ve i Jehovah sy ireo rahalahy, sa tsia. Diniho izay nitranga tamin’i Manase, mpanjakan’ny Joda. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.” (2 Mpanj. 21:6) Mpanjaka tsy nivadika anefa izy tamin’ny fotoana nahafatesany. Fa inona no nitranga?

Nanaiky famaizana i Manase. Rehefa tsy niraharaha fampitandremana izy, dia nasain’i Jehovah nanafika azy ny Asyrianina. Nasian’izy ireo gadra vy izy ary nataony sesitany tany Babylona. “Niezaka nampitony an’i Jehovah Andriamaniny [izy tany], ka nanetry tena tokoa teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razany. Ary tsy nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra izy.” Tena nibebaka i Manase ary niova. Voavela àry ny helony.—2 Tant. 33:12, 13.

Matetika no tsy tonga dia miverina aminao daholo ny tombontsoa nanananao taloha. Mety hahazo tombontsoa sasany anefa ianao rehefa mandeha ny fotoana. Raha ekenao izy ireny sady ataonao amin’ny fo, dia hahazo andraikitra bebe kokoa ianao. Tsy voatery handeha araka ny nieritreretanao azy foana anefa ny zava-drehetra. Handray soa kosa ianao, raha manam-paharetana sy vonona hankatò.

Diniho ny ohatr’i Josefa, zanak’i Jakoba. Namidin’ny rahalahiny ho andevo izy, tamin’izy 17 taona, ary tsy rariny ilay izy. (Gen. 37:2, 26-28) Azo antoka fa tsy nampoiziny mihitsy hoe hahavita an’izany ny rahalahiny. Vonona hiatrika ny fiainana foana anefa izy. Notahin’i Jehovah izy ka ‘nahazo andraikitra tao an-tranon’ilay tompony.’ (Gen. 39:2) Nogadraina indray anefa izy avy eo. Tsy nivadika mihitsy izy ka nomba azy i Jehovah. Nahazo andraikitra tao am-ponja àry izy tatỳ aoriana.—Gen. 39:21-23.

Tsy fantatr’i Josefa hoe nisy nahatsara azy ny fijanonany ela tany am-ponja. Niezaka fotsiny izy mba hanao ny tsara foana. Afaka nampiasa azy àry i Jehovah, mba hitsimbinana ny ain’ny razamben’ilay Taranaka nampanantenaina. (Gen. 3:15; 45:5-8) Marina fa tsy hisy amintsika hanantena ny homen’i Jehovah andraikitra lehibe toy ny an’i Josefa. Asehon’io fitantarana io anefa fa i Jehovah no mahatonga ny mpanompony hahazo andraikitra. Tahafo àry i Josefa ka avelao i Jehovah hampiasa anao.

Mandraisa fianarana avy amin’ny zava-tsarotra niainanao

Samy nandalo toe-javatra nampalahelo na i Joba na i Manase na i Josefa. Samy nandray fianarana sarobidy anefa izy telo ireo, satria nanaiky an’izay navelan’i Jehovah hitranga. Inona koa no azonao ianarana avy amin’izay nahazo anao?

Fantaro izay zavatra mety ho tian’i Jehovah hampianarina anao. Tena kivy i Joba ka tsy nihevitra afa-tsy ny tenany, ary nanadino ny raharaha lehibe sasany. Nahitsin’i Jehovah tamim-pitiavana anefa izy, ka lasa nahay nandanjalanja indray, ary niaiky hoe ‘efa niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko.’ (Joba 42:3) Raha malahelo be ianao noho ny tombontsoa nafoinao, dia “aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.” (Rom. 12:3) Misy zavatra tian’i Jehovah hanitsiana anao angamba, fa mbola tsy azonao tsara fotsiny.

Ekeo ny famaizana. Nieritreritra angamba i Manase tamin’ny voalohany fa mafy loatra ny famaizana azony. Nekeny anefa izany ka nibebaka izy ary niova. Na inona na inona koa tsapanao rehefa nahazo an’ilay famaizana, dia ‘manetre tena eo anatrehan’i Jehovah, dia hanandratra anao izy.’—Jak. 4:10; 1 Pet. 5:6.

Manàna faharetana ary ekeo izay mitranga. Mety ho mora tamin’i Josefa ny hankahala ny rahalahiny sy hamaly faty. Tsy izany anefa no nataony, fa nandinika tsara izy ary namindra fo. (Gen. 50:15-21) Raha diso fanantenana àry ianao, dia manàna faharetana ary ekeo ny fampiofanan’i Jehovah.

Namoy tombontsoam-panompoana ve ianao? Avelao i Jehovah hanome anao tombontsoa indray amin’ny hoavy. Hatanjaho ny finoanao. Fehezo ny fihetseham-ponao, ka manàna faharetana sy fanetren-tena. Raiso an-tanan-droa izay andraikitra omena anao. Matokia fa “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny i Jehovah.”—Sal. 84:11.

[Teny notsongaina, pejy 30]

Hatanjaho ny finoanao ka manaova vavaka avy amin’ny fo

[Sary, pejy 31]

Tena hihamatanjaka ny finoanao, raha manompo bebe kokoa ianao

[Sary, pejy 32]

Avelao i Jehovah hanome anao tombontsoa indray amin’ny hoavy