Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) AOGOSITRA 2006

“Andao Ampitahaina Ireo Andininy”

“Andao Ampitahaina Ireo Andininy”

NAHITA bokikely tao anaty fiarandalamby mankany New York ny lehilahy iray. Voalazan’izy io fa ‘mety maty ny fanahin’ny olona.’ Mpitondra fivavahana ilay lehilahy ary nahaliana azy ilay izy, ka nanomboka namaky izy. Gaga izy, satria nino tanteraka hatramin’izay fa tsy mety maty ny fanahy. Mbola tsy fantany izay nanoratra an’ilay bokikely, nefa hitany fa nitombina sy araka ny Baiboly ny porofo tao, ary tsara hodinihina ilay fanazavana.

George Storrs io mpitondra fivavahana io, ary tamin’ny 1837 izany no nitranga. Tamin’io taona io koa i Charles Darwin no nanomboka nanoratra ireo hevitra iorenan’ilay fampianarana hoe avy amin’ny biby ny olona. Mbola tia nivavaka sy nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona tamin’izany, ary betsaka no namaky Baiboly sy nanaiky fa manana fahefana izy io.

Fantatr’i Storrs tatỳ aoriana fa i Henry Grew avy any Philadelphie, any Pennsylvanie, no nanoratra an’ilay bokikely. Tena nino i Grew fa ‘ao amin’ny Baiboly ihany no misy ny fanazavana tsara indrindra momba ny Baiboly.’ Nianatra Baiboly izy sy ireo namany, mba hampifanarahana ny fiainany sy ny ataony amin’ny torohevitr’izy io. Nampiharihary fahamarinana kanto avy ao amin’ny Soratra Masina ny fianaran’izy ireo.

Nandrisika an’i Storrs hamakafaka izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy ilay bokikelin’i Grew, ary niara-nandinika izany tamin’ny mpitondra fivavahana namany izy. Tapa-kevitra hampahafantatra ny fahamarinana sarobidy hitany tao amin’ny Baiboly izy, rehefa avy nandalina izany nandritra ny dimy taona. Nanao toriteny iray àry izy indray alahady, tamin’ny 1842. Tsapany anefa fa nila nanao toriteny vitsivitsy fanampiny izy, mba hampahazava tsara an’ilay foto-kevitra. Niisa enina tamin’ny farany ny toriteny nataony mba hanazavana fa mety maty ny fanahy, ary navoakany tao amin’ny boky Toriteny Enina (anglisy) izany. Nampitaha andininy maro tao amin’ny Baiboly i Storrs, mba hampisehoana io fahamarinana kanto io, izay takon’ireo hevitra manala baraka an’Andriamanitra, nampianarin’ny Kristianisma Anarana.

Milaza ve ny Baiboly hoe tsy mety maty ny fanahy?

Milaza ny Baiboly fa tsy ho faty intsony ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy, raha tsy mivadika. Izany no ho valisoan’izy ireo. (1 Korintianina 15:50-56) Nieritreritra i Storrs fa raha valisoan’ny tsy mivadika ny tsy fahafatesana, dia tsy mampino ny hoe tsy ho faty ny fanahin’ny mpanao ratsy. Tsy nanombantombana anefa izy fa nikaroka tao amin’ny Baiboly. Nodinihiny ny Matio 10:28, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy), manao hoe: “Matahora an’izay mahavita mandringana ny fanahy sy ny vatana any amin’ny helo.” Mety ho ringana àry ny fanahy. Nodinihin’i Storrs koa ny Ezekiela 18:4 manao hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (MJ) Niharihary ny hakanton’ilay fahamarinana, rehefa  nodinihina ny Baiboly manontolo. Hoy i Storrs: “Misy andininy maro tsy azon’ny olona mino ny fanahy tsy mety maty. Lasa mazava sy mahafinaritra, ary misy heviny sy manan-kery anefa izy ireny, raha marina ny fiheverako [hoe mety maty ny fanahy].”

Ahoana kosa ny momba ny andinin-teny toy ny Joda 7? Izao no voalaza ao: “Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny, izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana, ka nanaraka ny filan’ny nofony hafahafa. Aseho ho ohatra ireo tanàna ireo, izay nijaly noho ny fanasaziana tamin’ny afo maharitra mandrakizay.” (MJ) Mety hanatsoaka hevitra ny olona sasany mamaky an’io andininy io, fa ampijalina mandrakizay ao amin’ny afo ny fanahin’ny olona naringana tao Sodoma sy Gomora. “Andao ampitahaina ireo andininy”, hoy i Storrs. Avy eo izy dia nanonona ny 2 Petera 2:5, 6, manao hoe: “Tsy niahotra koa Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro an’i Noa, ... fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra. Nomelohin’Andriamanitra sy noringaniny ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona, ka napetrany ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra atỳ aoriana.” (MJ) Lasa lavenona tokoa i Sodoma sy Gomora, izany hoe ringana mandrakizay niaraka tamin’ny mponina tao aminy.

Hoy i Storrs: “Mampahazava ny bokin’i Joda ny tenin’i Petera. Asehon’ny bokin’i Petera sy Joda mazava tsara, fa tena tsy mankasitraka ny mpanota Andriamanitra. ... Ilay didim-pitsarana nampiharina tamin’i Sodoma sy Gomora dia ‘ohatra’ na fananarana na fampitandremana, izay mitoetra maharitra na ‘mandrakizay’ ho an’ny rehetra, mandra-pifaran’ity tontolo ity.” Ny vokatr’ilay afo nandringana an’i Sodoma sy Gomora àry no nolazain’i Joda fa maharitra mandrakizay. Izany dia tsy manova mihitsy ilay fahamarinana hoe mety maty ny fanahy.

Tsy hoe izay andininy nanohana ny heviny ihany no nampiasain’i Storrs ary tsy noraharahainy ny hafa. Nodinihiny koa ny teny manodidina ny andininy tsirairay, sy ny hevitra ankapobe resahin’ny Baiboly. Raha nisy andininy toa nifanohitra, dia nijery andininy hafa izy, mba hahazoana fanazavana marina.

Ny fomba nianaran’i Russell ny Soratra Masina

Anisan’ireo lasa mpiara-miasa tamin’i George Storrs ny tovolahy iray antsoina hoe Charles Russell. Nandamina fiaraha-mianatra ny Baiboly tany Pittsburgh, any Pennsylvanie, i Russell. Nivoaka tao amin’ny gazety Mpandinika Baiboly (anglisy), tamin’ny 1876, ny iray tamin’ny lahatsoratra ara-baiboly voalohany nosoratany. I Storrs no mpampanonta an’io gazety io. Niaiky i Russell fa nanampy azy ireo olona nianatra Baiboly talohany. Nanjary mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) izy, tatỳ aoriana, ka tena nankasitraka an’i Storrs, noho ny fanampiany azy tamin’ny teniny sy tamin’izay nosoratany.

Nandamina kilasy fianarana Baiboly i C. Russell tamin’izy 18 taona, ary nanome modely fianarana Baiboly. Toy izao no nanaovan’izy ireo an’izany, hoy i A. Macmillan, mpiara-mianatra Baiboly taminy: “Misy mametraka fanontaniana, ary resahin’ny rehetra eo iny. Mijery ny andininy rehetra momba izany izy ireo, ka rehefa afa-po fa mifanaraka tsara ireo andininy, dia milaza ny fanatsoahan-keviny, ary manoratra izany.”

Niaiky i Russell fa rehefa dinihina ny Baiboly manontolo, dia tsy maintsy misy hafatra iray ao. Mifanaraka amin’ny zava-drehetra voalaza ao izany hafatra izany, sy amin’ny toetran’ilay Andriamanitra nampanoratra azy. Nino i Russell fa tokony hohazavaina amin’ny alalan’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly izay andininy sarotra azo.

George Storrs, Henry Grew, Charles Russell, A. Macmillan, anisan’ny mpianatra ny Baiboly nampitaha andinin-teny mba hampahazava azy

Fanao efa voaresaka ao amin’ny Baiboly

Tsy i Russell na Storrs na Grew anefa no voalohany nampiasa andininy tao amin’ny Baiboly mba hanazavana andininy hafa. I Jesosy Kristy, ilay nanorina ny Fivavahana Kristianina, no nanao izany voalohany. Nampiasa andininy maro izy, mba hanazavana ny tena hevitry ny andininy iray. Nokianin’ny Fariseo, ohatra, ny mpianany rehefa nioty salohim-barimbazaha tamin’ny Sabata. Nampiasa ny fitantarana ao amin’ny  1 Samoela 21:6 i Jesosy, mba hampisehoana tamin’ny Fariseo ny fomba tokony hampiharana ny lalàna momba ny Sabata. Fantatr’ireo mpitondra fivavahana ireo io tantara io, izay milaza fa nihinana ny mofo aseho i Davida sy ny olony. Avy eo i Jesosy dia niresaka momba ilay Lalàna, izay nilaza fa ny mpisorona taranak’i Arona ihany no afaka mihinana ny mofo aseho. (Eksodosy 29:32, 33; Levitikosy 24:9) Navela nihinana an’ilay mofo anefa i Davida. Nanonona ireto teny avy ao amin’ny bokin’i Hosea ireto i Jesosy, mba hamaranana ilay porofo mampiaiky nomeny: “Raha mba azonareo mantsy ny hevitry ny hoe: ‘Famindram-po no tiako fa tsy sorona’, dia tsy ho nomelohinareo izay tsy meloka.” (Matio 12:1-8) Ohatra faran’izay tsara tokoa izany ny amin’ny fampitahana andininy iray amin’ny andininy hafa, mba hahalalana ny tena heviny!

Noporofoin’ny apostoly Paoly tamin’ny andinin-teny ny fampianarany

Nanao toy izany koa ny mpianatr’i Jesosy rehefa nanazava andinin-teny. Rehefa nampianatra ny olona tao Tesalonika ny apostoly Paoly, dia ‘niezaka nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina. Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.’ (Asan’ny Apostoly 17:2, 3) Rehefa nanoratra ireo taratasy nampanoratin’Andriamanitra azy koa i Paoly, dia andininy tao amin’ny Baiboly no nanazavany andininy hafa. Nanonona andininy maro izy, ohatra, rehefa nanoratra ho an’ny Hebreo, mba hanaporofoana fa aloky ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna.—Hebreo 10:1-18.

Nanaraka fotsiny izany modely nomen’ny Kristianina voalohany izany ireo olona tso-po nianatra Baiboly, tamin’ny taonjato faha-19 sy teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Mbola hita foana ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ny fampitahana andininy toy izany. (2 Tesalonianina 2:15) Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mamakafaka andinin-teny.

Jereo ny teny manodidina

Ahoana no anahafantsika ny modely nomen’i Jesosy sy ny mpianany nahatoky, rehefa mamaky Baiboly isika? Mila mandinika ny teny manodidina an’ilay andininy vakintsika aloha isika. Manampy antsika hahatakatra ny hevitr’ilay andininy izany. Amin’ny fomba ahoana? Andao, ohatra, horaisintsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 16:28, manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy ho faty mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany.” Mety hisy hihevitra fa tsy tanteraka ireo teny ireo, satria maty talohan’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra daholo ny mpianatr’i Jesosy nilazany izany. Izao mihitsy aza no lazain’ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy) momba io andininy io: “Tsy tanteraka ilay faminaniana, ary hitan’ny Kristianina tatỳ aoriana, fa mila hazavaina hoe an’ohatra ilay izy.”

Manampy antsika hahazo ny tena hevitr’ilay andininy anefa ny teny manodidina sy ny fitantarana mifanandrify aminy, ao amin’ny bokin’i Marka sy Lioka. Inona no voalaza avy hatrany aorian’ny Matio 16:28? Hoy i Matio: “Enina andro taorian’izay, dia nentin’i Jesosy niaraka taminy i Petera, mbamin’i Jakoba sy Jaona rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Ary niova tarehy teo anatrehan’ireo izy.” (Matio 17:1, 2) I Marka sy Lioka koa dia nampifandray ilay tenin’i Jesosy momba ilay Fanjakana, tamin’ny fitantarana momba ny fiovan-tarehy. (Marka 9:1-8; Lioka 9:27-36) Ilay fiovan-tarehy, izany hoe ilay fisehoan’i Jesosy tamim-boninahitra teo anatrehan’ireo apostoly telo, dia nampiseho ny fahatongavany tao amin’ny Fanjakany. Nanamarina izany i Petera, rehefa nijoro ho vavolombelon’ilay fiovan’i Jesosy tarehy, ka niresaka momba “ny hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—2 Petera 1:16-18.

Mampiasa ny Baiboly ve ianao mba hahazoana ny hevitra raketiny?

Ahoana raha misy andininy mbola tsy azonao, na dia efa nodinihinao aza ny teny manodidina? Mety hanampy anao ny fampitahana ilay izy amin’ny andininy hafa, sy ny fitadidiana ny hevitra ankapobe resahin’ny Baiboly. Misy fanampiana tena tsara ho amin’izany ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy amin’ny fiteny 57 izao io Baiboly io, na manontolo na ampahany. Misy fanondroana andininy hafa eo afovoan’ny pejy tsirairay  ao amin’io Baiboly io, amin’ny ankamaroan’ny fiteny namoahana azy. Hahita fanondroana andininy hafa 125 000 mahery koa ianao ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, izay efa misy amin’ireo fiteny be mpampiasa. Izao no voalaza ao amin’ny “Teny Fampidirana” an’io Baiboly io: “Rehefa ampitahaina tsara ireo andininy hafa voatondro ary dinihina ireo fanamarihana ambany pejy, dia ho hita miharihary fa mifanaraka tanteraka ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, eny, boky iray ihany avy amin’Andriamanitra.”

Haka ohatra isika, mba hahitana fa tena manampy antsika hahazo ny hevitry ny andininy iray ny fanondroana andininy hafa. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Abrama, na Abrahama. Eritrereto ity fanontaniana ity: Iza no nitarika an’i Abrama sy ny fianakaviany, rehefa niala tao Ora izy ireo? Hoy ny Genesisy 11:31: “Tera nitondra an’i Abrama zanany sy Lota ... ary Saray vinantoni-vavy ... dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.” Mety hisy hihevitra fa i Tera rain’i Abrama no nitarika azy ireo, raha io andininy io fotsiny no vakina. Misy fanondroana andininy hafa 11 mifandray amin’io andininy io anefa, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny Asan’ny Apostoly 7:2 no andininy farany tondroiny. Miresaka an’ilay fananarana nataon’i Stefana ho an’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany izy io. Hoy izy: “Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezopotamia, raha mbola tsy nanorim-ponenana tany Harana. Ary hoy Andriamanitra taminy: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.’ ” (Asan’ny Apostoly 7:2, 3) Diso ve i Stefana teo, fa ny nialan’i Abrama tao Harana no tiany holazaina? Tsy izany velively, satria anisan’ny teny avy amin’ny fanahin’Andriamanitra io.—Genesisy 12:1-3.

Nahoana àry ny Genesisy 11:31 no milaza hoe “Tera nitondra an’i Abrama zanany” sy ny mpianakaviny niala tao Ora? Mbola i Tera no lohan’ny fianakaviana. Nanaiky hiaraka tamin’i Abrama izy, ka izay no antony ilazana fa izy no nitondra an’ilay fianakaviana nankany Harana. Azontsika sary an-tsaina hoe inona marina no nitranga, rehefa ampitahaina sy ampifanarahina ireo andininy roa ireo. Nandresy lahatra tamim-panajana an-drainy i Abrama mba hiala tao Ora, araka ny didin’Andriamanitra.

Rehefa mamaky Baiboly àry isika dia tokony hijery ireo teny manodidina sy ny hevitra ankapobe resahiny. Ampirisihina ny Kristianina hoe: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy. Ary lazainay koa izany zavatra izany, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona anefa, fa amin’ny teny ampianarin’ny fanahy, satria teny araka ny fanahy no anazavanay zavatra araka ny fanahy.” (1 Korintianina 2:11-13) Tsy maintsy mitalaho fanampiana amin’i Jehovah tokoa isika, mba hahazoantsika ny hevitry ny Teniny. Tokony hiezaka koa isika mba ‘hanazava zavatra araka ny fanahy amin’ny alalan’ny teny araka ny fanahy.’ Midika izany fa mila mandinika ny teny manodidina ny andininy vakintsika isika, sy mijery ny andininy hafa mifandray aminy. Enga anie isika hahita foana an’ireo fahamarinana sarobidy sy miavaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fianarana azy io.