Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Handova ny Tany ny Malemy Fanahy

Handova ny Tany ny Malemy Fanahy

Handova ny Tany ny Malemy Fanahy

“Azoko sary an-tsaina fa hohavaozina ny natiora, ary hisy firindrana indray eo amin’ny zavaboary. ... Tsy rahampitso anefa izany no hitranga, fa mbola any aoriana be any, rehefa hisy lanitra vaovao sy tany vaovao.”—Jean-Marie Pelt, Frantsay manam-pahaizana momba ny tontolo iainana.

MARO no maniry ny hiovan’ny tany ho paradisa, satria kivy noho ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny olana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy hoe nofinofin’ny olona ankehitriny fotsiny anefa izany Paradisa an-tany izany, fa fampanantenana efa voarakitra hatry ny ela ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny andinin-teny be mpahafantatra ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Handova ny tany ny malemy fanahy’, sy hoe: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 5:5; 6:10, Fandikan-teny Protestanta) Vitsy anefa ankehitriny no mino fa ho lasa paradisa honenan’ny olona malemy fanahy ny tany. Maro amin’ireo olona milaza ho Kristianina no tsy manantena izany intsony.

Hazavain’ny gazety Ny Fiainana (frantsay) ny antony tsy inoan’ny olona intsony hoe hisy ny paradisa, na eto an-tany izany na any an-danitra. Ireo ao amin’ny Eglizy Katolika no tena resahiny. Izao no lazainy: “Anisan’ny fampianarana lehibe tao amin’ny Katolika ny paradisa, nandritra ny 1 900 taona fara fahakeliny. Tsy resahina intsony anefa izany ankehitriny mandritra ny toriteny alahady, sy ny fianarana teolojia na katesizy, ary ireo [fiofanana hafa].” Misy milaza fa tototra “mistery sy hevitra misafotofoto” ilay teny hoe paradisa, ka toy ny hoe rakotry ny “zavona matevina.” Minia tsy manonona io teny io ny mpitory teny sasany, noho izy io “mahatonga ny saina hieritreritra be loatra fahasambarana eto an-tany.”

“Hevitra mitovy foana no ao an-tsain’ny olona, raha vao paradisa no resahina”, hoy i Frédéric Lenoir, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina sady nandinika manokana momba ny fivavahana. Miombon-kevitra aminy i Jean Delumeau, izay mino fa tsy ho tanteraka ara-bakiteny ireo fampanantenan’ny Baiboly mahakasika ny paradisa. Hoy io mpahay tantara io: “Raha anontaniana ny Kristianina hoe: ‘Inona ihany izany ny Paradisa?’, dia hamaly foana izy ireo hoe: Ho tafaraka sy ho sambatra daholo isika indray andro any, noho ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.”

Mbola natao ho antsika amin’izao andro izao àry ve ilay fampanantenana paradisa an-tany? Hanao ahoana marina ny hoavin’ity tany onenantsika ity? Manjavozavo ve ny hoavy sa azo fantarina tsara? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Emma Lee/Life File/Getty Images