Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Manampy ny Sinoa any Meksika

Misy Manampy ny Sinoa any Meksika

Misy Manampy ny Sinoa any Meksika

“HISY folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Tanteraka maneran-tany io faminaniana mahafinaritra io ankehitriny. Toy ny hoe mihazona ny sisin-damban’ny Israelita ara-panahy tokoa ny olona “avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra”, mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Tena mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahatanterahan’io faminaniana io. Maro aminy àry no mianatra teny vahiny, mba handraisana anjara amin’ny fitoriana maneran-tany.

Izany koa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Misy 30 000 eo ho eo ny olona miteny sinoa any, ary 15 tamin’izy ireo no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 2003, tany Mexico. Hitan’ny Vavolombelona any Meksika àry, fa mety ho betsaka ny olona miteny sinoa te hianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Nampianarina fomba fitory tsotra amin’ny teny mandarin ireo Vavolombelona meksikanina, mba ho maro kokoa no ho afaka hitory amin’ny olona miteny sinoa. Naharitra telo volana ilay fianarana, ary Vavolombelona 25 no nianatra azy io. Nanatrika ny fizarana diplaoma, ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny fikambanan’ny olona miteny mandarin any Mexico. Hita avy amin’izany fa zava-dehibe amin’ireo olona miteny sinoa ny fisian’ilay fianarana. Nahazo vatsim-pianarana avy tamin’ny sekoly sinoa iray teo an-toerana ny telo tamin’ireo mpianatra, mba handehanany any ivelany hanatsarany ny fahaizany teny sinoa.

Tonga dia nampiharin’ireo mpianatra ny zavatra avy nianarany. Nandeha nitory tamin’ny teny sinoa tany amin’ny toerana be orinasa tany Mexico avy hatrany izy ireo, rehefa avy nianatra fehezanteny tsotsotra. Nanomboka nampianatra Baiboly olona 21 ireo mpianatra mazoto. Ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, amin’ny teny pinyin, na teny sinoa soratana amin’ny abidy romanina, no tena nampiasain’izy ireo.

Vao nanomboka nianatra teny sinoa ireo Vavolombelona ireo, nefa ahoana no nahafahany nampianatra Baiboly? Tsy nahay afa-tsy hoe: “Qing Du [Vakio, aza fady]” aloha izy ireo, sady nanondro ny fehintsoratra, ary avy eo ny fanontaniana. Rehefa avy namaky sy namaly tamin’ny teny sinoa ilay olona, dia miteny ireo mpitory hoe: “Shei shei [Misaotra]”, ary “Hen Hao [Tena tsara].”

Anisan’ireo nianatra Baiboly ny ramatoa iray Kristianina anarana. Tian’ilay Vavolombelona ho fantatra raha tena azon’ilay ramatoa ny zavatra nianarany, rehefa nianatra intelo izy ireo. Nentiny niaraka taminy àry ny rahalahy sinoa iray. Nanontany ilay rahalahy raha manana fanontaniana ilay ramatoa. Namaly izy hoe: “Tsy maintsy mahay milomano ve aho vao azo atao batisa?”

Tsy ela dia nisy Fianarana Boky nalamina, ka 9 ny olona miteny sinoa tonga nanatrika azy io, tamin’ny antsalany, ary 23 ny Vavolombelona meksikanina. Anisan’ny nanatrika azy io ny dokotera sinoa iray, izay nomen’ny marariny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ny teny espaniola. Tsy nahay teny espaniola anefa izy, ka nisy olona nandika fehezanteny vitsivitsy ho azy. Rehefa fantany fa gazety ara-baiboly ireo, dia nanontaniany ilay marary raha afaka hitondra gazety amin’ny teny sinoa ho azy. Nanateran’ilay anabavy izy, ary nanao fandaharana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika, ka nandefa olona nitsidika azy. Nanana Baiboly mantsy ny renin’io dokotera io tany Chine, ary nahafinaritra an’ilay dokotera ny namaky an’ilay izy. Rehefa nanapa-kevitra ny ho any Meksika izy, dia nampirisika azy hamaky Baiboly foana ny reniny. Nivavaka àry izy mba hisy olona hanampy azy hianatra bebe kokoa momba ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Hoy izy: “Nihaino ny vavaka nataoko Andriamanitra!”

Nisy fianakaviana sinoa iray koa nanatrika ilay fianarana boky. Nanofa ny tranon’ny vehivavy meksikanina iray nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nanatrika an’ilay fianarana Baiboly ilay fianakaviana, na dia zara raha nahazo teny espaniola aza. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanontany an’ilay Vavolombelona nampianatra Baiboly izy ireo, raha misy amin’ny teny sinoa ireo boky sy gazety. Nianatra Baiboly tamin’ny teny sinoa izy ireo tsy ela taorian’izay, ary nilaza fa te hitory tamin’ny mpiray tanindrazana taminy sy hanolo-tena ho an’i Jehovah.

Marina fa sarotra ianarana ny teny sinoa. Hita avy amin’ireo fitantarana ireo anefa fa manampy i Jehovah. Olona mampiasa fiteny isan-karazany àry, anisan’izany ny teny sinoa, no mianatra ny sitrapony any Meksika, toy ny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany.

[Sary, pejy 17]

Fianarana teny sinoa any Mexico

[Sary, pejy 18]

Vavolombelona meksikanina mampianatra Baiboly amin’ny teny sinoa

[Sary, pejy 18]

Fitoriana isan-trano amin’ny teny sinoa any Mexico