Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fampianarana Hanampy Anao Hahomby?

Inona no Fampianarana Hanampy Anao Hahomby?

Inona no Fampianarana Hanampy Anao Hahomby?

EFA nahatsiaro ho tototry ny zava-manahirana ve ianao, ka toy ny hoe nilentika tao anaty honahona? Eritrereto ny ho fijalianao raha sanatria tsy nahomby ny vahaolana hitanao! Tsy misy olona mahavaha ny olana rehetra misy, na afaka mandray fanapahan-kevitra tsara foana. Izany no ilana ny fianarana. Aiza àry ianao no hahita fampianarana hanampy anao hiatrika olana?

Maro ny tanora sy olon-dehibe manizingizina fa tena ilaina ny fianarana any an-tsekoly. Misy aza manam-pahaizana milaza fa “tsy hahita asa [tsara] mihitsy ny olona tsy nahazo diplaoman’ny oniversite.” Tsy afaka manome fahafaham-po amin’izay rehetra ilain’ny olona anefa ny vola. Mahatonga anao ho ray, reny, vady, na namana be fitiavana ve, ohatra, ny fianarana ambony? Misy mantsy olona manam-pahaizana nefa manjary ratsy toetra, tsy sambatra ny fianakaviany, na mamono tena mihitsy izy amin’ny farany.

Misy indray miantehitra amin’ny fivavahana mba hahazoana tari-dalana na fampianarana. Diso fanantenana anefa izy ireo, satria tsy nanampy azy hiatrika olana izany. Iray amin’izany i Emilia, * avy any Meksika. Hoy izy: “Tsy nifanaraka intsony izahay mivady, 15 taona lasa izay. Niady lava izahay. Tsy hitako izay fomba hisakanana azy tsy hisotro toaka. Matetika aho no voatery namela irery ny zanakay, izay mbola kely tamin’izany, mba hitadiavana ny vadiko. Kivy tanteraka aho. Imbetsaka aho no nankany am-piangonana mba hitady fanampiana. Nampiasa Baiboly ihany ry zareo tany indraindray, nefa tsy nahare torohevitra momba izay nanjo ahy mihitsy aho, na mba nisy olona nanoro ahy izay tokony hataoko. Tsy nahafa-po ahy ny nipetraka vetivety sy namerimberina vavaka, tao am-piangonana.” Mety ho diso fanantenana koa ny hafa, rehefa mahita fa tsy fakan-tahaka velively ny fomba fiainan’ireo mpitondra fivavahana ao aminy. Maro àry no tsy matoky intsony fa afaka manabe azy ny fivavahana, na mampianatra azy ny fomba hahitana fahombiazana.

Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Inona no fampianarana ilaiko mba hahombiazako eo amin’ny fiainana?’ Afaka mamaly an’io fanontaniana lehibe io ve ny Kristianisma marina? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anarana.