Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohero ny Fiheveran-diso!

Tohero ny Fiheveran-diso!

Tohero ny Fiheveran-diso!

NITSIDIKA an’i Joba i Elifaza sy Bildada ary Zofara namany, rehefa nidonam-pahoriana izy. Tonga hitsapa alahelo sy hampionona azy izy ireo. (Joba 2:11) I Elifaza no to teny indrindra, ary angamba ny zokiny indrindra tamin’izy telo lahy. Izy no niteny voalohany, ary izy koa no nanan-javatra betsaka indrindra holazaina. Inona no fomba fihevitra hita taratra tamin’ny lahateny telo nataony?

Nahatsiaro ny zava-nahagaga iray hitany i Elifaza, ka niteny hoe: “Nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; nisy fanginana, dia nandre feo aho.” (Joba 4:15, 16) Inona io fanahy nanan-kery teo amin’ny fomba fisainan’i Elifaza io? Azo antoka fa tsy anjely marin’i Jehovah izy io, rehefa jerena ny fanakianana nataon’i Elifaza taorian’izay. (Joba 4:17, 18) Fanahy ratsy izy io. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho nibedy an’i Elifaza sy ny namany roa lahy i Jehovah noho izy ireo nandainga. (Joba 42:7) Demonia tokoa no nanome saina an’i Elifaza. Hita taratra tamin’ny teniny, fa tsy nifanaraka tamin’ny an’Andriamanitra ny fomba fisainany.

Inona avy no hevitra nambaran’i Elifaza? Nahoana isika no tena mila mitandrina mba tsy hanana fiheveran-diso? Ary inona no azontsika atao mba hanoherana izany?

‘Tsy matoky ireo mpanompony izy’

Nilaza i Elifaza tamin’ireo lahateny telo nataony, fa faran’izay sarotra ampifalina Andriamanitra, ka tsy misy mahafa-po azy izay ataon’ny mpanompony. Hoy i Elifaza tamin’i Joba: “Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra [na ahitany tsiny].” (Joba 4:18) Nanontany izy avy eo hoe: “Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina hianao?” (Joba 22:3) Niray hevitra taminy koa i Bildada satria nilaza hoe: “Ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imason[’Andriamanitra].”—Joba 25:5.

Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanaiky izany fomba fihevitra izany. Mety hahatonga antsika hieritreritra mantsy izany fa mitaky be loatra amintsika Andriamanitra. Manimba ny fifandraisantsika aminy izany. Raha izany koa no fisainantsika, mety hanao ahoana moa isika rehefa mahazo famaizana? Mety ho ‘sosotra amin’i Jehovah’ ny fontsika, ka ho tezitra aminy isika, fa tsy hanetry tena ka hanaiky hahitsy. (Ohabolana 19:3) Tena hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah izany!

“Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona?”

Eo koa ilay fiheverana hoe tsy misy ilan’Andriamanitra azy ny olona. Izao no fanontanian’i Elifaza tamin’ny lahateniny fahatelo: “Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona? ... Sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?” (Joba 22:2a, 3b) Te hilaza i Elifaza fa tsy misy ilan’Andriamanitra azy ny olona. Toy izany koa ny tenin’i Bildada nanao hoe: “Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?” (Joba 25:4) Toa te hilaza izy ireo hoe ahoana moa no hahatonga an’i Joba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, nefa izy olombelona mety maty ihany?

Misy olona mijaly ankehitriny, satria mihevi-tena ho tsy misy ilana azy. Ny fomba nitaizana azy sy ny adim-piainana angamba no nahatonga izany, na noho ilay olona nankahalaina satria hafa foko. Faly manambany olona koa anefa i Satana sy ny demoniany. Manjary mora mamoy fo ny olona, raha vitan’i Satana sy ny demoniany ny mampiaiky azy fa tsy misy mahafa-po an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny zavatra ataony. Mety ho voatarika hiala amin’ilay Andriamanitra velona mihitsy ny olona toy izany, rehefa mandeha ny fotoana.—Hebreo 2:1; 3:12.

Tsy mahavita zavatra firy isika rehefa mihantitra sy marary. Mety ho tena kely ny fanompoana vitantsika ankehitriny, raha ampitahaina amin’ny nataontsika fony isika mbola tanora sy salama ary natanjaka kokoa. Tena ilaina ny mitadidy hoe tian’i Satana sy ny demoniany ny hieritreretantsika fa tsy mahafa-po an’Andriamanitra izay vitantsika! Tsy maintsy toherintsika izany fomba fihevitra izany.

Ahoana no hatao mba tsy hiheveran-tena ho tsy misy ilana azy?

Nilaza toy izao i Joba, na dia nampijalin’i Satana Devoly aza: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho!” (Joba 27:5) Hita eo fa tia an’Andriamanitra i Joba, ka tapa-kevitra tanteraka ny tsy hivadika aminy na inon-kidona na inon-kihatra. Ary tsy nisy nampiova hevitra azy. Tena manampy ny olona mba tsy hihevi-tena ho tsy misy ilana azy izany. Tsy maintsy ianarantsika sy azontsika tsara hoe manao ahoana ny fitiavan’Andriamanitra, ary mila miezaka hankasitraka izany amin’ny fontsika isika. Mila mampitombo ny fitiavantsika azy koa isika. Hanampy antsika amin’izany ny fianarana tsy tapaka ny Teniny, ny vavaka ary ny fisaintsainana izay ianarantsika.

Milaza, ohatra, ny Jaona 3:16 hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana.” Tena tia ny olombelona i Jehovah, ary manaporofo izany ny fomba nitondrany ny olona hatramin’izay. Manjary mankasitraka an’i Jehovah sy mihatia azy isika, rehefa misaintsaina ny zava-nitranga taloha. Amin’izay isika dia hahatohitra ny fiheveran-diso, ary tsy hihevi-tena ho tsy misy ilana azy.

Diniho ny toetra nasehon’i Jehovah tamin’i Abrahama, rehefa handrava an’i Sodoma sy Gomora izy. Nanontany azy imbalo momba ny didim-pitsarany i Abrahama. Tsy sosotra mihitsy anefa i Jehovah na tezitra taminy, fa nanome toky sy nampahery azy kosa. (Genesisy 18:22-33) Rehefa namonjy an’i Lota sy ny fianakaviany avy tao Sodoma i Jehovah tatỳ aoriana, dia nangataka taminy i Lota mba handositra teo amin’ny tanàna teo akaiky, fa tsy tany an-tendrombohitra. Namaly i Jehovah hoe: “Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.” (Genesisy 19:18-22) Sarotra ampifalina sy tsy maneho fitiavana ary mpanao didy jadona ve i Jehovah, rehefa jerena ireo tantara ireo? Tsia. Miharihary eo ny tena toetrany. Mpanjaka be fitiavana, tsara fanahy, ary mamindra fo izy, sady mahay mangoraka.

Hita tamin’ny fiainan’ny Israelita fahiny toa an’i Arona sy Davida ary Manase, fa tsy marina ny hoe mpitsingoloka fahadisoana Andriamanitra, na koa hoe tsy misy olona afaka mampifaly azy. Nanao fahadisoana lehibe telo i Arona. Nanao an’ilay ombilahikely volamena izy, nanakiana an’i Mosesy niaraka tamin’i Miriama anabaviny, ary tsy nanamasina na nanome voninahitra an’Andriamanitra tao Meriba. Nahita toetra tsara tao aminy anefa i Jehovah, ka mbola namela azy ho mpisoronabe mandra-pahafatiny.—Eksodosy 32:3, 4; Nomery 12:1, 2; 20:9-13.

Nanao fahotana lehibe koa i Davida Mpanjaka. Nijangajanga izy, namorona tetika hamonoana lehilahy tsy nanan-tsiny, ary nanao fanisam-bahoaka tsy ara-dalàna. Hitan’i Jehovah anefa fa nibebaka izy. Notanterahiny àry ilay fifanekena nataony taminy ny amin’ilay Fanjakana, ka navelany ho mpanjaka foana izy mandra-pahafatiny.—2 Samoela 12:9; 1 Tantara 21:1-7.

I Manase mpanjakan’i Joda indray nanangana alitara ho an’i Bala, nandoro ny zanany ho sorona, nampirisika ny olona hifandray tamin’ny fanahy ratsy, ary nanao alitara ho an’andriamani-diso teo an-tokotanin’ny tempoly. Nibebaka tamim-pahatsorana anefa izy, ka namela ny helony i Jehovah, ary nampody azy avy tany amin’ny fahababoana sy namela azy hanjaka indray. (2 Tantara 33:1-13) Ho nanao ireo rehetra ireo ve Andriamanitra, raha toa ka tsy misy afaka mampifaly azy ny olona? Tsy izany mihitsy!

Ilay mpanendrikendrika no tena meloka

I Satana no tena manana ireo toetra ratsy anendrikendrehany an’i Jehovah ireo, ary tsy tokony hahagaga antsika izany. Masiaka be i Satana ary sarotra ampifalina. Tena miharihary izany rehefa jerena ny fivavahan-diso fahiny, izay nitaky ny hanaovana sorona zaza. Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy ireo Israelita nivadi-pinoana. Zavatra tsy tonga tao an-tsain’i Jehovah akory anefa izany.—Jeremia 7:31.

I Satana fa tsy i Jehovah no mpitsingoloka fahadisoana. Milaza ny Apokalypsy 12:10 fa i Satana no “mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!” Izao kosa anefa no lazain’ny mpanao salamo, momba an’i Jehovah: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka.”—Salamo 130:3, 4.

Tsy hisy intsony ny fiheveran-diso

Azo antoka fa tena faly tokoa ireo anjely, rehefa noroahina avy tany an-danitra i Satana Devoly sy ny demoniany! (Apokalypsy 12:7-9) Tsy afaka nanakantsakana ny asan’ireo anjelin’i Jehovah tany an-danitra intsony izy ireo taorian’izay.—Daniela 10:13.

Tsy ho ela dia hifaly koa ny mponin’ny tany. Hisy anjely hidina mantsy avy any an-danitra, hitondra ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe. Hofatorany i Satana sy ny demoniany, ary hatsipiny ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, izany hoe tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony. (Apokalypsy 20:1-3) Ho maivamaivana erỳ isika amin’izay!

Tsy maintsy mitandrina anefa isika ankehitriny mba tsy hanana fiheveran-diso. Raha misy hevi-diso tonga ao an-tsaintsika, na mihevi-tena ho tsy misy ilana azy isika, dia mila manohitra an’izany ary mifantoka amin’ny fitiavan’i Jehovah. Amin’izay dia ‘hiambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’—Filipianina 4:6, 7.

[Sary, pejy 26]

Niady mafy i Joba, mba tsy hihevi-tena ho tsy misy ilana azy

[Sary, pejy 28]

Nahatsapa i Lota fa Mpanjaka mahay mangoraka i Jehovah