Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mpanompon’i Jehovah nahatoky i Davida. Nahoana anefa izy no namela an’i Mikala vadiny hanana terafima na sampy, araka ny voalazan’ny 1 Samoela 19:12, 13?

Voalohany, dia andeha hojerentsika aloha ny zava-nitranga. Nanao zavatra avy hatrany i Mikala, rehefa reny fa nanao tetika hamonoana an’i Davida vadiny i Saoly Mpanjaka. Izao no lazain’ny Baiboly: “Mikala nampidina an’i Davida tamin’ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka. Ary nalain’i Mikala ny sampy [na terafima, izay azo inoana fa nitovy habe sy bika tamin-dehilahy], dia napetrany teo amin’ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.” Rehefa tonga hisambotra an’i Davida ireo irak’i Saoly, dia hoy i Mikala taminy: “Marary izy.” Nandany ny fotoanan’ireo fahavalo izany hafetsena izany, ary tafatsoaka soa aman-tsara i Davida.​—1 Samoela 19:11-16.

Ny zavatra hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany, dia toa manondro fa tsy tamin’ny fivavahana ihany no nampiasana ny terafima fahiny, fa teo amin’ny raharaha ara-pitsarana koa. Nanamarina ny zo ho tompon-dova izy io, tsy misy hafa amin’ny taratasy fanamarinam-pananana sy ny didim-pananana amin’ny andro ankehitriny. Toa nanana zo handova ny rafozany lahy nodimandry ny vinantolahy iray, tamin’ny toe-javatra sasany, raha nanana ny terafima. Izany angamba no nahatonga an’i Rahely haka ny sampy na ny terafiman-drainy, sy nahatonga ny rainy hitady mafy an’ireo terafima ireo. Tsy nahafantatra ny nataon-dRahely akory i Jakoba vadiny tamin’izay fotoana izay.​—Genesisy 31:14-34.

Nahazo ny Didy Folo ny Israelita rehefa tonga firenena, ka ny faharoa amin’izany didy izany dia mandrara mazava tsara ny fanaovana sampy. (Eksodosy 20:4, 5) Nanipy teny momba io lalàna io tamin’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany tatỳ aoriana. Hoy izy: “Ny miodina dia toy ny heloka amin’ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima.” (1 Samoela 15:23) Tsy azo inoana ho nampiasaina tamina raharaha momba ny lova àry ny terafima teo amin’ny Israely. Mbola nitohy ihany anefa io finoanoam-poana jiosy io tao amin’ny tokantrano israelita sasany. (Mpitsara 17:5, 6; 2 Mpanjaka 23:24) Ny nihazonan’i Mikala terafima dia toa manondro fa tsy tena tia an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy. Tsy nahafantatra ny fisian’ilay terafima i Davida, na koa izy nandefitra ny fisian’izany satria i Mikala zanak’i Saoly Mpanjaka.

Voalazan’ireto teny ireto ny fitiavan’i Davida an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo: “Lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.”​—1 Tantara 16:25, 26.

[Sary, pejy 29]

Mandrara ny fanaovana sampy toy ny terafima izay aseho eto, ny faharoa ao amin’ny Didy Folo

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky The Holy Land, Vol. II, 1859