Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsapako fa Tia sy Miahy Ahy i Jehovah

Tsapako fa Tia sy Miahy Ahy i Jehovah

Tantaram-piainana

Tsapako fa Tia sy Miahy Ahy i Jehovah

NOTANTARAIN’I FAY KING

Tsara fanahy ny ray aman-dreniko, saingy nankahala ny fivavahana, toy ny olona maro. Matetika i Neny no nilaza hoe: “Tsy maintsy misy Andriamanitra, raha tsy izany dia iza no nanao ny voninkazo, ary iza no nanao ny hazo?” Tsy nandalina ny fivavahana anefa izy.

TAMIN’NY 1939 i Dada no maty, fony aho 11 taona. Nipetraka tany Stockport, any atsimo kelin’i Manchester, eto Angletera, izahay sy Neny. Efa naniry hahafantatra bebe kokoa ny Mpamorona ahy foana aho hatramin’izay, sady nanaja ny Baiboly, na dia tsy nahalala na inona na inona momba azy io aza. Nankany amin’ny Eglizy Anglikanina àry aho, mba hahitana izay fanazavana omeny.

Tsy nisy dikany firy tamiko ny fotoam-pivavahana tany. Ny tenin’i Jesosy tao amin’ny filazantsara kosa dia nampiaiky ahy fa tsy maintsy marina ny Baiboly. Mahagaga ahy ny tsy namakiako azy io tamin’ireny fotoana ireny. Nisy namanay nanome ahy “Testamenta Vaovao” tamin’ny fandikan-teny maoderina kokoa tatỳ aoriana. Tsy naka fotoana hamakiana azy io mihitsy anefa aho, na izany aza.

Tena nampisaintsaina ahy ny Adin’i Korea tamin’ny 1950. Nieritreritra aho hoe: Hitatra toy ny Ady Lehibe II ve izy io? Raha izany no mitranga, ahoana no hahafahako hanaraka ny didin’i Jesosy hoe ‘tiava ny fahavalonao’? Kanefa hijery fotsiny azy ireo manafika ny fireneko ve aho, fa tsy hanao na inona na inona? Toy ny hoe miala andraikitra aho raha manao izany. Nisafotofoto be ny eritreritro, kanefa nino aho fa tao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniako rehetra, na dia tsy fantatro aza hoe ahoana na aiza no hitadiavana izany.

Nitady ny fahamarinana tany Aostralia

Nifindra tany Aostralia izahay sy Neny tamin’ny 1954. Tany koa i Jean zokiko vavy no nipetraka. Nilaza izy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, fa nisy Vavolombelon’i Jehovah nasainy nitsidika ahy, satria fantany fa liana tamin’ny Baiboly sy nandeha niangona aho. Tiany ho fantatra koa ny hevitro momba azy ireo. “Tsy fantatro raha marina ny fanazavany”, hoy izy tamiko, “fa, fara faharatsiny, aloha manana fanazavana izy, fa tsy toy ny fivavahana hafa.”

Tena nahafinaritra i Bill sy Linda Schneider, ilay mpivady nitsidika ahy. Efa nananika ny fahafitopolo taonany izy mivady, ary Vavolombelona hatramin’ny taona maro. Niasa tao amin’ilay radio notantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Adélaïde izy ireo, ary lasa mpitory ny filazantsara manontolo andro, rehefa norarana ny asa fitoriana tany Aostralia, nandritra ny Ady Lehibe II. Mbola nanadihady fivavahana samy hafa ihany anefa aho, na dia efa nanampy ahy aza i Bill sy Linda.

Nisy mpiara-miasa tamiko nitondra ahy tany amin’ny fivoriana iray nalamin’ny pasitera Billy Graham. Nihaona tamin’ny mpitondra fivavahana iray ny sasany taminay avy eo, ary nanasa anay hametraka fanontaniana izy. Napetrako taminy ilay fanontaniana nanahiran-tsaina ahy, dia ilay hoe: “Ahoana no ahafahan’ny olona iray milaza fa Kristianina izy sady tia ny fahavalony, nefa izy mandeha mamono azy ireny any an’ady?” Nihorakoraka avy hatrany ny olona rehetra. Hita hoe nampieritreritra azy ireo koa ilay fanontaniana! Farany dia niteny ilay mpitondra fivavahana hoe: “Tsy fantatro ny valiny. Mbola eo am-pieritreretana momba izany aho.”

Nitohy ihany ny fianarako Baiboly niaraka tamin’i Bill sy Linda nandritra izany fotoana izany, ary natao batisa aho tamin’ny Septambra 1958. Naniry hanaraka ny ohatr’izy ireo aho, ka nirotsaka ho mpisava lalana maharitra na mpitory ny filazantsara manontolo andro, ny volana Aogositra, tamin’ny taona nanaraka. Nasaina hanatevin-daharana ny mpisava lalana manokana aho, valo volana tatỳ aoriana. Faly erỳ aho nandre fa nandroso tsara koa ny fianaran’i Jean rahavaviko, ka natao batisa izy!

Fahafahana hanitatra ny fanompoana

Nanompo niaraka tamin’ny fiangonana iray tao Sydney aho, ary nitarika fampianarana Baiboly maromaro. Nihaona tamin’ny mpitondra fivavahan’ny Eglizy Anglikanina iray aho indray andro. Nanontaniako azy izay lazain’ny eglizy momba ny faran’izao tontolo izao. Efa nisotro ronono izy, ary efa 50 taona, hono, no nampianarany ny foto-pampianaran’ny eglizy. Koa gaga àry aho rehefa namaly izy hoe: “Mila maka fotoana hanaovana fikarohana momba izany aho, satria tsy mahafantatra tsara ny Baiboly toy ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Taoriana kelin’izay, dia nasaina hanompo tany Pakistan izay vonona hanao izany. Nanao fangatahana aho, nefa tsy fantatro akory hoe tsy raisina ny vehivavy tsy manambady, fa ny lehilahy tsy manambady sy ny mpivady ihany no halefa. Toa nalefa tany amin’ny foibentsika any Brooklyn ihany anefa ny fangatahako, satria naharay taratasy aho tsy ela taorian’izay. Voalaza tao fa mila mpitory ny any Bombay (Mumbai ankehitriny), any Inde, raha maniry ho any aho. Tamin’ny 1962 izany no nitranga. Nanaiky aho ary nipetraka herintaona sy tapany tany Bombay, talohan’ny nifindrako tany Allahabad.

Nianatra teny hindi aho taoriana kelin’izay. Mora hay ihany io fiteny karàna io, satria arakaraka ny fomba fanoratana ny teny ihany ny fanononana azy. Kivy anefa aho matetika, rehefa nasain’ny olona niteny anglisy, fa tsy navelany hiezaka hianatra ny fiteniny! Nisy zava-tsarotra nahaliana anefa tao amin’io firenena io, ary nahafinaritra ny fiarahana tamin’ireo Vavolombelona avy tany Aostralia.

Naniry hanambady aho fony tanora kokoa. Lasa variana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa aho rehefa natao batisa, ka tsy tao an-tsaiko intsony izany. Nanjary naniry hanambady indray anefa aho tatỳ aoriana. Mazava ho azy fa tsy te handao ilay toerana nanendrena ahy aho. Nataoko antom-bavaka tamin’i Jehovah àry ilay izy, ary tsy noeritreretiko intsony avy eo.

Fitahiana tsy nampoizina

Niandraikitra ny asa tany amin’ny sampan’i Inde i Edwin Skinner, tamin’izany fotoana izany. Nanatrika ny kilasy fahavalon’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy sy ny anadahy nahatoky maro tamin’ny 1946, anisan’izany i Harold King sy Stanley Jones, izay voatendry nankany Chine. * Nogadraina nitokana i Harold sy Stanley tamin’ny 1958, noho izy ireo nitory tany Shanghaï. Rehefa nafahana i Harold tamin’ny 1963, dia nanoratra tany aminy i Edwin. Namaly ny taratasiny i Harold, rehefa avy tany Etazonia sy Grande-Bretagne, ka tafaverina tany Hong Kong. Nolazainy tamin’i Edwin fa naniry hanambady izy, ary nivavaka momba izany tany am-ponja. Nanontaniany koa i Edwin raha nahafantatra Vavolombelona iray mifanentana aminy, mba ho vadiny.

Amboarina ny ankamaroan’ny fanambadiana any Inde, ary matetika no nasaina nanao izany i Edwin, nefa nanda foana izy. Noho izany, dia nomeny an’i Ruth McKay, vadin’i Homer mpiandraikitra mpitety faritany, ilay taratasin’i Harold. Nanoratra tamiko àry i Ruth, ary nilaza fa mitady vady ny misionera iray efa tao amin’ny fahamarinana hatramin’ny taona maro. Nanontaniany aho raha te hifanoratra taminy. Tsy nolazainy tamiko hoe iza io anadahy io, na ahoana sy ahoana ny momba azy.

Tsy nisy nahalala hoe nivavaka mba hahita vady aho, afa-tsy i Jehovah, mazava ho azy. Noho izany, dia tsy nety nanaiky aho tamin’ny voalohany. Rehefa nieritreritra tsara anefa aho, dia niaiky fa matetika no tsy araka ny ampoizintsika ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Namaly ny taratasin’i Ruth àry aho, ary nilaza fa afaka manoratra indray ilay anadahy, raha ekeny hoe tsy voatery ho raikitra avy hatrany ny fanambadianay. Nosoratan’i Harold King ho ahy ny taratasiny faharoa.

Niseho tamin’ny gazety maromaro ny sary sy ny tantaran’i Harold, taorian’ny nanafahana azy avy tamin’ny fonjan’i Chine. Nanjary nalaza eran’izao tontolo izao izy nanomboka tamin’izay, nefa ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra no tena nampiaiky volana ahy. Nifanoratra àry izahay nandritra ny dimy volana, ary nankany Hong Kong aho avy eo. Nivady izahay ny 5 Oktobra 1965.

Samy te hanambady sy hanohy ny fanompoana manontolo andro izahay, ary vao mainka nahatsiaro ho nila namana, rehefa nandroso taona. Hitako fa tena tsara fanahy sy nihevitra ny hafa i Harold, rehefa nifandray tamin’ny olona sy niatrika ireo olana nitranga teo amin’ny fanompoanay. Noho izany, dia nitombo ny fitiavako azy, ary nihalalina koa ny fanajako azy. Naharitra 27 taona ny fanambadianay, ary tena sambatra tokoa izahay, sady nahazo fitahiana maro avy tamin’i Jehovah.

Mazoto miasa ny Sinoa, ary tena mahafinaritra ahy izy ireo. Ny teny kantôney, fitenim-paritra sinoa, no ampiasaina any Hong Kong. Betsaka kokoa noho ny amin’ny teny mandarin ny fiovaovam-peo amin’io fiteny io, hany ka sarotra be ny mianatra azy. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera, tao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay sy Harold, raha vao vita ny mariazinay. Nanompo tany amin’ny faritra samihafa tany Hong Kong izahay avy eo, ary tena faly tokoa. Narary mafy anefa aho tamin’ny 1976.

Niatrika olana ara-pahasalamana

Very ra be aho nandritra ny volana vitsivitsy, ary nihena be ny isan’ny selan-drako. Nila fandidiana aho, nefa tsy nety nanao izany tsy nisy fampidiran-dra ny dokotera tao amin’ny hopitaly. Mety ho faty noho ny fahaverezan-dra be loatra, hono, aho raha tsy ampidiran-dra. Nanandrana nampiova hevitra ahy ireo mpitsabo mpanampy indray andro, raha mbola niresaka momba ahy ny dokotera. Nolazain’izy ireo fa tsy manana zo hamoy ny aiko tsy amin’ny antony toy izany aho. Tokony hanao fandidiana 12 izy ireo tamin’izay andro izay, ary fanalana zaza ny 10. Voamariko anefa fa tsy nisy nisakana an’ireo vehivavy bevohoka tsy hamono an-janany mihitsy.

Nanoratra taratasy àry i Harold, mba hanalana andraikitra ny hopitaly raha sanatria maty aho. Nanaiky hanao ilay fandidiana ihany ny dokotera tamin’izay. Nalefa tany amin’ny efitrano fandidiana aho, ary niomana hotoranina. Rehefa hanomboka mihitsy anefa ilay fandidiana, dia tsy nety nanao ny asany ilay mpanao fanatoranana, ka nalefan’ny hopitaly nody aho.

Nankany amin’ny dokotera hafa mitsabo aretim-behivavy àry izahay. Hitany fa tena ratsy ny fahasalamako, koa nanaiky hanao ilay fandidiana tamin’ny vidiny mirary izy, raha toa ka tsy lazainay na amin’iza na iza ny sarany. Nahomby ilay fandidiana, ary tsy nampiasa ra mihitsy izy. Tena niharihary taminay sy Harold ny fitiavan’i Jehovah sy ny fiahiany tamin’io fotoana io.

Narary efa ho faty i Harold tamin’ny 1992. Nifindra tany amin’ny biraon’ny sampana izahay, ary nokarakaraina tamim-pitiavana. Nahavita ny fanompoany teto an-tany ny vady malalako tamin’ny 1993, teo amin’ny faha-81 taonany.

Niverina teto Angletera

Nahafaly ahy ny hoe anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Hong Kong, nefa tsapako fa nihasarotra ny niaritra ny hafanana sy ny hamandoana. Tamin’izay dia nisy taratasy tsy nampoizina tonga avy tany amin’ny foibe any Brooklyn. Nanontaniana aho tao amin’izy io raha te hifindra any amin’ny sampana iray afaka mikarakara kokoa ny fahasalamako. Niverina teto Angletera aho tamin’ny taona 2000, ary miaraka amin’ny mpianakavin’ny Betela eto Londres. Fanehoam-pitiavana re izany! Noraisina tsara aho, ary mahafinaritra be ahy ny asa isan-karazany asaina ataoko, anisan’izany ny fikarakarana ny fitahirizam-bokin’ny Betela sy ireo boky 2 000 ao aminy.

Miaraka amin’ny fiangonana miteny sinoa eto Londres koa aho, ary hitako fa nisy fiovana teto. Avy any Chine mantsy ny ankamaroan’ny olona tonga eto ankehitriny, fa vitsy ny avy any Hong Kong. Miteny mandarin izy ireo, ary zava-tsarotra hafa ho an’ny mpitory izany. Araka ny tatitra voaray, dia maro amin’ireo olona avy any Chine sy tonga manohy fianarana eto, no mianatra Baiboly. Mazoto mianatra sy mankasitraka ny fahamarinana ianarany ao amin’ny Baiboly izy ireo, ka mahafinaritra ny manampy azy.

Rehefa irery ao amin’ilay efitranoko vaovao aho, dia matetika no misaintsaina ny fiainana sambatra ananako, ary mahatalanjona ahy foana ny fitiavan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny. Hita taratra eo amin’ny zava-drehetra mifandray amin’ny fikasany io toetrany io, ary miharihary fa miahy ny mpanompony isam-batan’olona izy. Tena velom-pankasitrahana tokoa aho, noho ny fiahiany ahy amim-pitiavana.​—1 Petera 5:6, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Novambra 1963, pejy 661-666, sy 1 Aprily 1966, pejy 212-224, ny tantaram-piainan’ireo misionera roa ireo.

[Sary, pejy 24]

Nanompo tany Inde

[Sary, pejy 25]

I Harold King tamin’ny 1963, sy rehefa nanompo tany Chine nandritra ireo taona 1950

[Sary, pejy 26]

Ny mariazinay tany Hong Kong tamin’ny 5 Oktobra 1965

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’ny Betelita any Hong Kong. Eo afovoany ry Liang, ary eo amin’ny ankavanana ry Gannaway