Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nitady An’Andriamanitra Aho’

‘Nitady An’Andriamanitra Aho’

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

‘Nitady An’Andriamanitra Aho’

“MIALÀ aminy hianareo, ry oloko.” Izany no antso nataon’ny anjely iray ren’ny apostoly Jaona, tamin’ny taonjato voalohany. Olona tso-po an-tapitrisa amin’izao andro izao no nanaiky an’io antso io ka nandositra avy tao amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra. (Apokalypsy 18:1-4) Anisan’ireny olona ireny i Wilner avy any Haïti. Mitantara ny zavatra niainany izy.

“Teraka tamin’ny 1956 teto amin’ny tanàna kelin’i Saint-Marc, eto Haïti aho. Katolika nafana fo ny fianakaviako. Eritrereto ny hafalian’izy ireo rehefa voafidy niaraka tamin’ny olona roa teto an-tanànanay aho mba hianatra tany amin’ny sekoly fiofanana ho pretra tany Saint-Michel de l’Atalaye, eto Haïti. Nalefa tany Stavelot, any Belzika, izahay tamin’ny 1980, mba hahazo fampiofanana hafa. Nianatra tany amin’ny oniversite katolika koa izahay tany.

Tiako be tamin’ny voalohany ny ho lasa mompera. Nangataka ahy hijanona kely taorian’ny sakafo, ilay mompera niandraikitra ny antokona mpianatra nisy ahy, indray andro, fa nisy zavatra holazainy amiko, hono. Eritrereto ny hatairako rehefa nilaza tamiko nivantana izy fa te hanao firaisana tamiko! Nandà ny fangatahany aho ary tena diso fanantenana tanteraka. Nanoratra tany amin’ny fianakaviako momba ilay zava-nitranga aho ary niala tao amin’ilay sekoly, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, na dia tsy tian’izy ireo aza izany. Nahita trano aho, ary nianatra zavatra hafa.

Tsy natoky ny Eglizy Katolika intsony aho nony tafaverina teto Saint-Marc. Mbola te hitady an’Andriamanitra anefa aho, saingy tsy hitako izay natao. Nivavaka tany amin’ny Advantista sy ny Ebenezera ary ny Mormon aho. Tsy hitako izay fivavahana tena harahina.

Tadidiko avy eo fa mpamaky ny Baibolin’i Crampon aho fony nianatra tany amin’ny sekoly fiofanana ho pretra tany Belzika. Hitako tao fa manana anarana Andriamanitra. Niantso an’io anarana io àry aho rehefa nivavaka mafy tamin’Andriamanitra mba hanampiany ahy hahita ny fivavahana marina.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nifindra trano teo amin’ny tanànanay, fotoana fohy taorian’izay. Milamina sy manaja olona ary mihaja izy ireo. Nanaitra ahy ny fomba fiainany. Nanasa ahy hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy fanao isan-taona, ny iray tamin’izy ireo, indray andro. Tena tiako be ilay fivoriana ary nanaiky ny hianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona aho. Niaiky aho, tao anatin’ny enim-bolana teo ho eo, fa nahita ny tena fomba hitadiavana an’Andriamanitra. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa tamin’ny 20 Novambra 1988.”

Nanao fanompoana manontolo andro i Wilner, tatỳ aoriana. Anti-panahy izy izao, ary faly miara-manompo amin’ny vadiny sy ny zanany roa.

[Sary, pejy 9]

Namaky Baiboly i Wilner, ka nahita fa Jehovah no anaran’Andriamanitra