Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanompo Mahafoy Tena

Mpanompo Mahafoy Tena

Tantaram-piainana

Mpanompo Mahafoy Tena

NOTANTARAIN’I DON RENDELL

Dimy taona monja aho fony maty i Neny, tamin’ny 1927. Nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainako anefa ny finoany. Ahoana no netezan’izany?

MPIKAMBANA nafana fo tao amin’ny Eglizin’i Angletera i Neny fony izy nanambady, talohan’ny Ady Lehibe I. Miaramila i Dada. Nipoaka ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914 ary nanohitra i Neny rehefa nataon’ny presbyterany fiantsoana miaramila ny polipitrany. Ahoana hoy ilay mpitondra fivavahana? “Mandehana mody fa aza miditra amin’izany!” Tsy nahafa-po an’i Neny izany.

Mafy indrindra ny ady tamin’ny 1917, raha nandeha nijery ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) i Neny. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Niala tamin’ny eglizy nisy azy avy hatrany àry izy, ka niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah taloha. Niara-nivory tamin’ny fiangonana tao Yeovil izy. Io no tanàn-dehibe akaiky indrindra an’i Coker Andrefana, tanànanay ao anatin’ny faritanin’i Somerset eto Angletera.

Tsy ela dia nanambara ny finoany vaovao tamin’ireo zandriny telo vavy i Neny. Nilaza tamiko ny mpikambana tranainy tao amin’ny fiangonana Yeovil fa nazoto erỳ i Neny sy Millie rahavaviny nitety ny faritaninay nidadasika, tany ambanivohitra. Nandeha bisikileta izy ireo ary nizara ireo boky Fianarana ny Soratra Masina. Nampalahelo anefa fa voan’ny tioberkilaozy i Neny, ka voatana teo am-pandriana nandritra ireo 18 volana farany niainany. Mbola tsy nisy fanafany mantsy io aretina io tamin’izany fotoana izany.

Nahafoy tena

Niara-nipetraka taminay i Nenitoa Millie tamin’izany fotoana izany, ary nikarakara an’i Neny rehefa narary izy, sady nikarakara anay sy i Joan anabaviko izay fito taona. Nanolo-tena hikarakara anay mianadahy avy hatrany i Nenitoa Millie, rehefa maty i Neny. Faly i Dada fa afaka tamin’io andraikitra io, ka navelany hiara-mipetraka taminay foana i Nenitoa Millie.

Nanjary tia an’ilay Nenitoanay izahay ary faly fa hiara-mipetraka taminay izy. Nahoana anefa izy no nanao izany? Nolazainy taminay, taona maro tatỳ aoriana, fa adidiny ny manohy ny fampianarana Baiboly efa natombok’i Neny taminay sy i Joan. Fantany mantsy fa tsy hanao izany mihitsy i Dada noho izy tsy liana tamin’ny fivavahana.

Fantatray koa tatỳ aoriana fa nanapa-kevitra samirery i Nenitoa Millie fa tsy hanambady mihitsy mba hikarakarana anay tsara. Fahafoizan-tena re izany! Manana antony maro ankasitrahana azy tanteraka izahay sy i Joan. Tadidinay daholo ireo zavatra nampianarin’i Nenitoa Millie anay sy ny ohatra faran’izay tsara nomeny.

Fotoana nanapahana hevitra

Nianatra tao amin’ny sekoly anglikanina teo an-tanànanay izahay sy i Joan. Hentitra tsara i Nenitoa rehefa niresaka tamin’ny tale momba ny fampianarana fivavahana anay. Nody izahay mianadahy rehefa nankany am-piangonana ny ankizy. Rehefa tonga tao an-tsekoly ny presbytera mba hampianatra fivavahana dia nitokana izahay, ary nomena andinin-teny ara-baiboly hatao tsianjery. Tena nahasoa ahy izany satria tsy hadinoko intsony mihitsy ireny andinin-teny ireny.

Tsy nianatra intsony aho rehefa 14 taona, ka nianatra nanao fromazy tao amin’ny orinasa iray tao an-tanàna, nandritra ny efa-taona. Nianatra nitendry piano koa aho, ary nanjary fialam-boliko ny dihy sy mozika. Mbola tsy nanosika ahy hanao zavatra ny fahamarinana ara-baiboly, na dia efa namaka tao am-poko aza. Nanasa ahy hiara-mamonjy fivoriambe taminy àry ny Vavolombelona iray efa zokiolona indray andro. Tany Swindon, 110 kilaometatra teo ho eo avy teo aminay, no natao ilay izy, tamin’ny Martsa 1940. Nanao ny lahateny ho an’ny besinimaro i Albert Schroeder, mpikarakara ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Grande-Bretagne tamin’izany fotoana izany. Tena nanova ny fiainako tokoa iny fivoriambe iny.

Nafotaka ny Ady Lehibe II. Tsy tokony hampiasa tsara ny fiainako ve aho izany? Tapa-kevitra ny hiverina tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Yeovil aho. Noresahina tamin’ny fivoriana natrehiko voalohany fa hatomboka ny fitoriana eny an-dalana. Nanolo-tena hanao io asa io aho na dia tsy ampy aza ny fahalalako. Gaga be sady naneso ahy ireo nilaza fa namako rehefa nandalo!

Natao batisa tany Bristol aho, tamin’ny Jona 1940. Tsy tapitra akory ny iray volana dia nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho, izany hoe mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Faly erỳ aho rehefa natao batisa koa ny anabaviko, fotoana fohy taorian’izay!

Mpisava lalana nandritra ny ady

Voantso ho miaramila aho, herintaona taorian’ny nanombohan’ny ady. Tsy maintsy notsaraina tany Bristol aho, satria nisoratra anarana tao Yeovil fa tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay sy i John Wynn tany Cinderford, any Gloucestershire, ary avy eo tany Haverfordwest sy Carmarthen, any Pays de Galles. * Nampidirina tany amin’ny fonjan’i Swansea aho rehefa avy notsaraina tany Carmarthen, sady nasaina nandoa lamandy 25 livre sterling. Vola be izany tamin’izany andro izany ary tsy voaloako, ka niampy telo volana indray ny saziko.

Nanontaniana toy izao aho, rehefa notsaraina fanintelony: “Tsy fantatrao angaha fa milaza ny Baiboly hoe: ‘Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’?” Namaly aho hoe: “Fantatro ka, saingy izao no tohin’io andinin-teny io hoe: ‘Ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’ Izany indrindra izao no ataoko.” (Matio 22:21) Nahazo taratasy aho herinandro vitsivitsy taorian’izay, nilaza fa tsy voatery hanao raharaha miaramila aho.

Nantsoina ho anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Londres aho ny voalohandohan’ny taona 1945. Ny ririnina taorian’izay dia nitsidika an’i Londres i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, sy i Milton Henschel, mpitan-tsorany. Nisy rahalahy tanora valo avy tatỳ Grande-Bretagne nasaina hanatrika ny kilasy fahavalon’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, mba hiofana ho misionera. Anisan’izy ireo aho.

Fanendrena ho misionera

Nandao ny seranana kelin’i Cornouailles izahay tamin’ny 23 May 1946, ary nitaingina sambo liberty (anisan’ireo sambo maro be namboarina nandritra ny ady). Vavolombelon’i Jehovah ny Kapiteny Collins, lehiben’ny seranana, ary nampaneno anjombona izy rehefa niainga izahay. Mazava ho azy fa sady faly izahay no nalahelo rehefa dify ny moron-tsirak’i Angletera. Be ny tafio-drivotra tamin’izay, ka faran’izay sarotra ny famakivakiana ny Atlantika. Tonga soa aman-tsara tany Etazonia ihany anefa izahay rehefa afaka 13 andro.

Tsy hohadinoinay mihitsy ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe Firenena Falifaly, naharitra valo andro, natrehinay tany Cleveland, any Ohio. Nanomboka tamin’ny 4 ka hatramin’ny 11 Aogositra 1946 izy io. Valo alina ny solontena, ka anisan’izany ireo 302 avy tamin’ny firenena 32. Tamin’izay no navoaka ny gazety Mifohaza! * sy ilay boky fianarana Baiboly hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, ary nozaraina tamin’ireo mpanatrika dibo-kafaliana.

Nahazo diplaoman’i Gileada izahay tamin’ny 1947, ary voatendry hankany Ejipta izahay sy i Bill Copson. Talohan’ny nandehananay anefa dia nampiofana ahy tsara teo amin’ny asa birao i Richard Abrahamson, tany amin’ny Betelan’i Brooklyn. Tonga tany Aleksandria izahay ary tsy ela dia zatra ny fomba fiaina tany Moyen-Orient aho. Sarotra anefa ny nianatra teny arabo, ka tsy maintsy nampiasa karatra fitoriana tamin’ny fiteny efatra aho.

Nijanona tany nandritra ny fito taona i Bill Copson. Izaho kosa tsy afaka nanavao ny visa-ko rehefa tapitra ny herintaona, ka tsy maintsy nandao an’i Ejipta. Iny taona voalohany tamin’ny fanompoan’ny misionera iny no tsaroako fa tena namokatra indrindra, teo amin’ny fiainako. Afaka nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 20 aho isan-kerinandro, ary mbola mazoto midera an’i Jehovah ankehitriny ny sasany tamin’ireo nianatra ny fahamarinana tamin’izany fotoana izany. Notendrena hankany Chypre aho rehefa avy tany Ejipta.

Tany Chypre, dia tany Isiraely

Nanomboka nianatra teny grika aho, ary nihanahay ny tenim-paritra teo an-toerana. Notendrena hiandraikitra ny asa tany Chypre aho rehefa nafindra tany Gresy i Anthony Sideris, fotoana fohy taorian’izay. Ny biraon’ny sampana tany Chypre koa no niandraikitra ny asa tany Israely tamin’izany fotoana izany. Afaka nitsidika ireo Vavolombelona vitsivitsy tany Israely izahay sy ireo rahalahy hafa indraindray.

Nanao fivoriambe tao amin’ny hotely iray tany Haifa izahay, fony aho nitsidika voalohany an’i Israely, ary nisy mpanatrika 50 na 60. Natambatray izay nitovy fiaviana ka natao tamin’ny fiteny enina ny fandaharana! Indray mandeha aho, tao Jerosalema, dia nampiseho filma navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao lahateny ho an’ny besinimaro koa aho, ary nanao tatitra tsara momba azy io ny gazety iray tamin’ny teny anglisy.

Zato teo ho eo ny Vavolombelona tany Chypre tamin’izany fotoana izany, ary tsy maintsy niady mafy izy ireo mba hiarovana ny finoany. Nanapaka ny fivoriambenay ny mpirotaka notarihin’ny pretran’ny Eglizy Ortodoksa Grika, ary sambany aho vao voatora-bato rehefa nitory teny ambanivohitra. Tsy maintsy nianatra nitsoaka haingana aho! Nanatanjaka ny finoana ny fahatongavan’ny misionera maro kokoa tany amin’ilay nosy, nandritra izany fanoherana nahery vaika izany. Tonga nanampy ahy tany Famagouste i Dennis sy Mavis Matthews ary i Joan Hulley sy Beryl Heywood. Nankany Limassol kosa i Tom sy Mary Goulden ary Nina Constanti, izay avy any Chypre fa teraka tany Londres. Nafindra tany Chypre koa i Bill Copson tamin’io fotoana io, ary tonga nanampy azy i Bert sy Beryl Vaisey tatỳ aoriana.

Niaina nifanaraka tamin’ny zava-nisy

Narary aho tamin’ny faramparan’ny taona 1957, ka tsy afaka nanohy ny asa misionera. Na dia nalahelo aza aho dia niverina tatỳ Angletera mba hitsabo tena ary nanao ny asan’ny mpisava lalana foana hatramin’ny 1960. Nandray ahy tsara ny anabaviko sy ny vadiny. Niova anefa ny toe-javatra ka lasa tena sarotra tamin’i Joan. Nikarakara ny vadiny sy ny zanany vavy mantsy izy, nandritra ireo 17 taona tsy naha-teo ahy, no sady nikarakara tamim-pitiavana an’i Dada sy Nenitoa Millie, izay samy efa nihantitra sy tsy dia salama loatra tamin’izay. Tsapako fa tokony hahafoy tena toa an’i Nenitoa Millie aho, ka nijanona nipetraka niaraka tamin’ny anabaviko mandra-pahafatin’i Nenitoa sy Dada.

Toa ho mora erỳ ny nijanona tatỳ Angletera. Tsapako anefa fa tokony hiverina tany amin’ny toerana nanendrena ahy aho rehefa avy niala sasatra kelikely. Tsy efa lany vola be nampiofanana ahy ve ny fandaminan’i Jehovah? Niverina tany Chypre àry aho tamin’ny 1972 mba hanao ny asan’ny mpisava lalana indray.

Tonga i Nathan Knorr mba hanomana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izay hatao ny taona nanaraka. Rehefa hitany fa niverina aho dia nanolotra ahy ho mpiandraikitra ny faritra tao amin’ilay nosy iray manontolo izy. Efa-taona no nananako izany tombontsoa lehibe izany. Nampahatahotra ahy anefa io asa io satria tsy maintsy niteny grika foana aho.

Fotoana nisian’ny loza

Niara-nipetraka izahay sy i Paul Andreou tao amin’ny tanànan’i Karakoumi, any atsinanan’i Kyrenia, any amin’ny moron-tsiraka avaratr’i Chypre. Vavolombelona avy tany Chypre izy, ary niteny grika. Tany Nicosie, any atsimon’ireo Tendrombohitra Kyrenia, ny biraon’ny sampan’i Chypre. Mbola tany Nicosie aho tamin’ny voalohandohan’ny Jolay 1974, rehefa naongana ny prezidà Makarios, ary hitako ny nirehetan’ny lapany. Rehefa tsy natahorana intsony ny nivezivezy dia niverina haingana tany Kyrenia aho, satria tany izahay no nanomana fivoriamben’ny faritra iray. Reko nipoaka tany an-tseranana ny baomba voalohany, roa andro taorian’izay, ary hitako fa feno helikoptera nitondra miaramila mpanani-bohitra, avy tany Torkia, ny habakabaka.

Koa satria Anglisy aho, dia nentin’ny miaramila tiorka tany ivelan’i Nicosie mba hoadinadinin’ny mpiasan’ny Firenena Mikambana, izay nifandray tamin’ny biraon’ny sampana. Natahotra aho avy eo, satria tsy maintsy namakivaky ny toerana manelanelana ireo tafika roa fahavalo, ary nandingandingana ireo tari-by ho an’ny telefaonina sy ho an’ny herinaratra, mandra-pahatongako teny amin’ireo trano aolo. Faly erỳ aho fa tsy azo notapahina ny fifandraisako tamin’i Jehovah Andriamanitra! Nanampy ahy hizaka ilay fotoana nampahory indrindra teo amin’ny fiainako ny vavaka.

Very avokoa ny fananako rehetra, nefa faly aho satria voaro tao amin’ny biraon’ny sampana. Tsy naharitra ela anefa izany. Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia efa nifehy ny ampahatelon’ny faritra avaratr’ilay nosy ny miaramila mpanani-bohitra. Voatery niala tao amin’ny Betela izahay ka nankany Limassol. Nisy rahalahy 300 tra-boina tany, ary maro tamin’izy ireo no namoy ny tranony. Faly aho satria afaka niara-niasa tamin’ny komity nikarakara azy ireo.

Fanendrena niovaova

Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nankany Gresy aho mba hanatevin-daharana ny fianakavian’ny Betela tany Atena, tamin’ny Janoary 1981. Niverina tany Chypre indray anefa aho rehefa nadiva hifarana iny taona iny ary voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. “Fampiononana ahy” i Kontoyiorgis sy Maro vadiny. Tany Londres izy ireo fa nasaina nankany Chypre, tany niaviany.—Kolosiana 4:11.

Nahazo taratasy avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana aho tamin’ny 1984, rehefa hifarana ny fitsidihan’i Theodore Jaracz, mpiandraikitra mpitety sampana. Izao fotsiny no voalaza tao: “Tianay ny hiarahanao amin’ny Rahalahy Jaracz any Gresy, rehefa vita ny fitsidihany.” Tsy voalaza ny antony. Rehefa tonga tany Gresy anefa izahay dia nisy taratasy hafa avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana indray novakin’ny Komitin’ny Sampana. Voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampan’i Gresy aho.

Nirongatra ny fivadiham-pinoana tany Gresy tamin’io fotoana io. Maro koa no voampanga ho nandika lalàna satria nitaona olona hanaraka ny finoany. Nisy mpanompon’i Jehovah nosamborina sy nentina teny amin’ny fitsarana isan’andro. Tena nahafinaritra ny nifanerasera tamina rahalahy sy anabavy niaritra fisedrana sy tsy nivadika! Nentina teny amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny raharaha nahakasika azy ireo tatỳ aoriana. Tena nahafa-po ny didim-pitsarana ka nisy vokany tsara teo amin’ny fitoriana tany Gresy. *

Fony aho tany Gresy dia nanatrika ireo fivoriambe tsy hay hadinoina tany Atena, Tesalonika, ary tany amin’ireo nosy Rodo sy Kreta, aho. Efa-taona nahafaly sy nahitam-bokatra izany. Mbola nisy fiovana indray anefa, dia ny fiverenana tany Chypre tamin’ny 1988.

Tany Chypre dia niverina tany Gresy

Nahazo trano vaovao ho an’ny sampana ny rahalahy tany Chypre fony aho tsy teo. Tany Nissou, kilaometatra vitsivitsy avy eo Nicosie no nisy azy io. Nanao ny lahateny fitokanana i Carey Barber, avy tamin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Efa nilamindamina kokoa ilay nosy tamin’izay, ary faly aho fa tafaverina. Tsy naharitra ela anefa izany.

Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanorenana Betela vaovao tany Gresy, kilaometatra vitsivitsy tany avaratr’i Atena. Sady nahay teny grika aho no nahay teny anglisy, ka nasaina niverina tany Gresy tamin’ny taona 1990, mba handika teny ho an’ireo mpanompo iraisam-pirenena. Mbola tsaroako fa vanin-taona nafana tamin’izay ary faly erỳ aho tonga teo amin’ilay toeram-panorenana isaky ny tamin’ny enina maraina, ka nandray ireo rahalahy sy anabavy grika an-jato nanolo-tena hiara-miasa tamin’ny mpanao fanorenana! Tsy hohadinoiko mihitsy ny fifaliana sy ny zotom-pon’izy ireo.

Nanandrana ny hiditra tao amin’ilay toeram-panorenana ny pretra ortodoksa grika mba hanelingelina ny asanay. Nihaino ny vavakay foana anefa i Jehovah ka voaro izahay. Niasa tao amin’ilay toeram-panorenana foana aho hatramin’ny fitokanana ilay Betela vaovao tamin’ny 13 Aprily 1991.

Nanampy ny anabavy malalako aho

Niverina tatỳ Angletera mba hiala sasatra aho, herintaona taorian’izay, ary niara-nipetraka tamin’ny anabaviko sy ny vadiny. Nampalahelo fa nihetsika indroa ny aretim-pon’ny zaodahiko tamin’izay fotoana izay ka maty izy. Tsy sasatry ny nampahery ahy i Joan fony aho nanao ny fanompoan’ny misionera. Saika isan-kerinandro izy no nanoratra taratasy fampaherezana ho ahy. Mahasoa ny misionera tokoa ny fifandraisana toy izany! Maty vady izy tamin’izay, ary tsy dia salama loatra sy nila fanampiana. Inona no tokony hataoko?

Nisy havanay maty vady sady narary efa ho faty niara-nivory tamin’i Thelma zanakavavin’i Joan. Efa sahirana nikarakara an’io vehivavy nahatoky io ry Thelma mivady. Rehefa avy nivavaka mafy àry aho, dia nanapa-kevitra fa hijanona mba hanampy tamin’ny fikarakarana an’i Joan. Tsy mora tamiko ilay fiovana, nefa nahazo tombontsoa ho anti-panahy eto Pen Mill, iray amin’ireo fiangonana roa eto Yeovil aho.

Miantso ahy amin’ny telefaonina, na manoratra ho ahy matetika ireo rahalahy niara-nanompo tamiko tany ivelany ary tena mankasitraka izany aho. Fantatro fa handefasan’izy ireo saran-dalana avy hatrany aho raha vao milaza aminy fa te hiverina any Gresy na any Chypre. Efa 80 taona anefa aho izao ary sady tsy mahita tsara no tsy salama toy ny taloha. Sorena ny tena rehefa tsy mavitrika toy ny fahiny, nefa nahatonga ahy hanana fahazarana mahasoa maro ny fanompoako tao amin’ny Betela. Mamaky ny andinin-teny ho an’ny andro foana, ohatra, aho alohan’ny sakafo maraina. Nianatra ny hifanaraka tamin’olona sy ny ho tia azy ireo koa aho. Izany no fomba hahombiazana amin’ny fanompoan’ny misionera.

Rehefa eritreretiko ireo 60 taona niderako an’i Jehovah ireo dia fantatro fa ny fanompoana manontolo andro no fiarovana lehibe indrindra, sy ahazoana fianarana tsara indrindra. Afaka milaza izao tenin’i Davida tamin’i Jehovah izao amin’ny foko manontolo aho: “Fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.”—Salamo 59:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1997 ny tantaram-piainan’i John Wynn, “Safononoky ny Fankasitrahana ny Foko”, pejy faha-25-28.

^ feh. 23 Fampiononana (frantsay) taloha.

^ feh. 41 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1998, pejy faha-20-21 sy ny 1 Septambra 1993, pejy faha-27-31; ny Mifohaza! 8 Janoary 1998, pejy faha-21-22 ary ny 8 Aprily 1997, pejy faha-26-27.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

GRESY

Atena

CHYPRE

Nicosie

Kyrenia

Famagouste

Limassol

[Sary, pejy 21]

Neny tamin’ny 1915

[Sary, pejy 22]

Izaho (fahefatra avy eo ankavia) sy ny rahalahy hafa tao amin’ny kilasy fahavalon’i Gileada, teo ambony tafon’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny 1946

[Sary, pejy 23]

Niaraka tamin’i Nenitoa Millie taorian’ny niverenako voalohany tatỳ Angletera