Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andro ho An’ny Fileferana Ara-pivavahana”

“Andro ho An’ny Fileferana Ara-pivavahana”

“Andro ho An’ny Fileferana Ara-pivavahana”

NANITIKITIKA ny sain’ny ramatoa talen’ny sekoly iray, tany Polonina, ny dinika nifanaovany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanokana “Andro ho An’ny Fileferana Ara-pivavahana” tao amin’ny sekoly àry izy. Nanolo-kevitra izy mba hisy amin’ireo mpianatra Katolika, Bodista, sy Vavolombelon’i Jehovah, hirotsaka an-tsitrapo hanomana famelabelarana fohy, hampahafantarana amin’ny mpianatra ny finoany sy ny fanaony. Nirotsaka an-tsitrapo teo no ho eo ihany ny tanora Vavolombelon’i Jehovah telo mianadahy.

Tonga ilay andro ka i Malwina, 15 taona, no niteny voalohany. Izao no santionan’ny zavatra nolazainy: “Efa nahafantatra anay ny ankamaroanareo, talohan’ny nidiranay tato amin’ity sekoly ity, satria efa nitsidika tany an-tranonareo izahay. Mety hieritreritra ianareo hoe inona no antony anaovanay izany foana. Manao izany izahay satria manaraka ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanorina ny Kristianisma. Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny toerana rehetra nahitana olona i Jesosy. Ary nanao toy izany koa ireo apostoly sy ny Kristianina tany am-boalohany. Sedraina mafy ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro. Faly anefa izahay satria miadana ato amin’ny sekolintsika. Mandray anjara lehibe amin’izany ianareo rehetra. Misaotra betsaka anareo noho izany!”

Nilaza toy izao i Malwina, rehefa namarana ny teniny: “Misy antony hafa koa ahatongavanay any aminareo. Misahirana aminareo izahay. Lazain’ny Baiboly mantsy fa hisy fisehoan-javatra tena lehibe ho hitan’ny olombelona tsy ho ela. Koa mba asio fotoana hihainoana anay àry, rehefa mandondòna any aminareo izahay amin’ny manaraka. Tianay ny hiresaka aminareo ny fomba hahafahantsika hiara-miaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.”

Nandray fitenenana avy eo i Mateusz, 15 taona koa izy. Noresahiny tamin’ny mpanatrika fa efa hatramin’ny taona maro no nampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah fomba isan-karazany hampielezana ny vaovao tsara. Tamin’ny 1914, ohatra, dia mbola tsy nisy feo ny sarimihetsika. Nanao ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) anefa ny Vavolombelona tamin’izany fotoana izany, ary sarimihetsika sy sary diapositives nisy feo ilay izy.

Noresahin’i Mateusz ny nilana ny radio tamin’ny fizarana ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary nohazavainy koa fa mampiasa fandaharana hafakely amin’ny ordinatera ny Vavolombelona, dia ilay antsoina hoe MEPS (Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro). Nolazainy koa ny ezaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanampiana ny mpitsabo hahafantatra ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra. Hoy izy: “Dokotera poloney maro fanta-daza no nankasitraka ny toerana tananay, ary nanamafy fa mitombo isan-taona ny olona tsy Vavolombelona anaovana fandidiana tsy ampiasana ra.”

Nofaranany ny teniny tamin’ny firesahana momba ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ka hoy izy: “Te hitsidika ny Efitrano Fanjakananay ve ianareo? Tsy misy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra.” Izao no nolazainy momba ny efitrano fanaovana fivoriambe any Sosnowiec: “Tokony hijery an’io tranobe izay miasa tsara amin’ny ilana azy io ianareo. Maninona raha miara-mankany isika? Manana soso-kevitra izahay, ary hiresaka aminareo momba izany ny namanay Katarzyna.”

Nientanentana erỳ i Katarzyna, 15 taona, avy eo nilaza hoe: “Manasa anareo izahay ho tonga any Sosnowiec, hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hisy foto-kevitra momba ny tanora hodinihina ao.” Noresahiny koa ny fankalazana lehibe indrindra ho an’ny Kristianina, dia ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Nanentana ny mpihaino izy avy eo hoe: “Olona 14 tapitrisa no nanatrika io fankalazana io naneran-tany, tamin’ny taon-dasa. Maninona raha miaraka aminay amin’ny manaraka?”

Rehefa avy nanao ny famelabelarany i Malwina sy i Mateusz ary i Katarzyna, dia nomen’izy ireo ny mpampianatra ny boky Ny Vavolombelon’i Jehovah​—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay) sy kasety vidéo roa miresaka ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asany. * Nankasitraka izany ireo mpampianatra, ary nampanantena izy ireo fa hampiasa azy ireny amin’ny fianarana tantara ao an-tsekoly.

Namarana ilay fandaharana i Martyna, 12 taona, nanao ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Misaotra, Jehovah ô!” ‘Sahy tao amin’ny Andriamaniny’ ireo tanora Vavolombelona ireo, ka nanao fitoriana nahafinaritra. (1 Tesaloniana 2:2) Ohatra tsara dia tsara izany ho an’ny tanora Vavolombelona hatraiza hatraiza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 26]

Katarzyna mifidy ny andinin-teny hampiasainy mandritra ny famelabelarana

[Sary, pejy 26]

Malwina manomana ny famelabelarany, andro vitsivitsy talohan’ny nanaovany izany tany an-tsekoly