Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

FANOMEZANA avy amin’i Jehovah ny safidy malalaka. Tsy hisy hafa amin’ny fitaovana tsy misaina isika raha tsy nisy azy io. Misy zava-tsarotra entin’ny safidy malalaka koa anefa, satria tsy maintsy manapa-kevitra isika eo amin’ny fiainana.

Na dia madinika aza ny fanapahan-kevitra sasany dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika manontolo ny hafa, toy ny asa fidintsika, sy ny fidirana amin’ny fanambadiana. Misy fiantraikany eo amin’olon-kafa koa ny fanapahan-kevitra sasany. Misy fiantraikany lalina eo amin’ny zanany ny fanapahan-kevitra sasany raisin’ny ray aman-dreny. Ambonin’izany, dia hampamoahan’Andriamanitra noho ny fanapahan-kevitra maro noraisintsika isika.​—Romana 14:12.

Ilaina ny fanampiana

Tsy nahay nanao fanapahan-kevitra tsara ny olombelona; nitera-doza ny fanapahan-kevitra voalohany noraisiny. Nanapa-kevitra ny hihinana tamin’ilay voankazo tsy navelan’Andriamanitra nohanina i Eva. Voataonan’io safidy feno fitiavan-tenan’i Eva io ny vadiny, ka nandika ny lalàn’Andriamanitra koa. Fijaliana lehibe ho an’ny olombelona no vokatr’izany. Matetika anefa no mbola ny faniriana feno fitiavan-tena ihany, fa tsy ny toro lalana, no anorenan’ny olombelona ny fanapahan-keviny. (Genesisy 3:6-19; Jeremia 17:9) Tsapantsika matetika ny fetrantsika, rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra lehibe isika.

Tsy mahagaga raha miantehitra amin’ny zavatra ambony kokoa noho ny olombelona ny maro, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Milaza ny Baiboly fa nila nanapa-kevitra i Nebokadnezara, teo antenatenan’ny ady iray. Na dia mpanjaka aza izy dia ‘nanao sikidy’, ary nanontany ny fanahy. Hoy ny fitantarana: “Manetsiketsika ny zanatsipìka izy ary manontany amin’ny sampy sy mizaha amin’ny atin-kena.” (Ezekiela 21:26) Maro koa izao no manatona mpisikidy sy mpanandro na mitady fomba hafa mba hahazoana ny fanampian’ny fanahy. Mamitaka anefa izy ireny.​—Levitikosy 19:31.

Misy Olona iray azo ianteherana sy efa nanampy olona maro mba handray fanapahan-kevitra tsara. Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra. Nomeny ny Orima sy Tomima, ohatra, ny Isiraely, vahoakany fahiny. Toa zavatra fanaovana antsapaka masina izy io, ary natao rehefa nisy tarehin-javatra tena lehibe. Nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny valin’ireo fanontaniana, ary nanampy ny anti-panahy teo amin’ny Isiraely izany mba hahazo antoka fa nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fanapahan-keviny.​—Eksodosy 28:30; Levitikosy 8:8; Nomery 27:21.

Nila nandray fanapahan-kevitra koa, ohatra, i Gideona, raha hanaiky ilay tombontsoa lehibe hitarika ny miaramilan’ny Isiraely hiady tamin’ny Midianina na tsia. Nangataka famantarana mahagaga i Gideona mba hahazoany antoka fa hitahy azy i Jehovah. Nivavaka izy mba ho lena ny volon’ondry avela eny ivelany mandritra ny alina, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina. Ny ampitson’iny dia nangataka indray izy mba ho maina ny volon’ondry, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando. Notanterahin’i Jehovah tsara ilay famantarana nangatahin’i Gideona. Noho izany dia nanao fanapahan-kevitra tsara i Gideona, ary resy tanteraka ny fahavalon’ny Isiraely, noho ny fanampian’i Jehovah.​—Mpitsara 6:33-40; 7:21, 22.

Ary ankehitriny?

Mbola manampy ny mpanompony foana i Jehovah, rehefa mila manao fanapahan-kevitra lehibe izy ireo. Amin’ny fomba ahoana? Tokony hitady ‘famantarana momba ny volon’ondry’ avy amin’i Jehovah tahaka an’i Gideona ve isika mba hahitana ny fanapahan-kevitra horaisina? Nanontany tena ny mpivady iray raha tokony hifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa izy na tsia. Nanao “famantarana” izy ireo mba handraisany fanapahan-kevitra. Nieritreritra hivarotra ny tranony izy ireo, ka notombanany ny tokony ho vidiny. Koa raha lafo amin’ny fotoana nofaritany sy amin’ny vidiny noeritreretiny na maherin’izay ilay trano, dia hoheverin’izy ireo ho famantarana izany fa tian’Andriamanitra hifindra izy. Raha tsy lafo kosa ilay trano dia hanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy tian’Andriamanitra hifindra izy.

Tsy lafo àry ilay trano. Midika ve izany fa tsy tian’Andriamanitra hifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa io mpivady io? Tsy fahendrena ny hamaritana tsotra izao izay tian’i Jehovah hatao na tsia amin’ny mpanompony. Tsy afaka milaza isika hoe tsy misalovana mihitsy i Jehovah ankehitriny, mba hampisehoana ny sitrapony amintsika. (Isaia 59:1) Tsy tokony hanantena azy hisalovana anefa isika, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, ka toy ny hamela an’Andriamanitra hanapa-kevitra ho antsika. Na i Gideona aza dia tsy niandry famantarana mahagaga avy tamin’i Jehovah foana rehefa nandray fanapahan-kevitra teo amin’ny fiainany!

Milaza anefa ny Baiboly fa afaka mahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra isika. Milaza mialoha ny androntsika toy izao izy io: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Tokony ho azontsika antoka fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sady ahitana taratry ny fahendreny ambony ny fanapahan-kevitra raisintsika, manoloana ny safidy goavana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana ny teniny sy ny famelana azy io ho ‘fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny làlantsika.’ (Salamo 119:105; Ohabolana 2:1-6) Ilaintsika, araka izany, ny mizatra mandray fahalalana tsara momba ny Baiboly. (Kolosiana 1:9, 10) Tsy maintsy mikaroka amim-pitandremana ny toro lalana rehetra mifandray amin’ilay raharaha isika, alohan’ny hanapahana hevitra. Manampy antsika ‘hamantatra izay zavatra tsara indrindra’ izany fikarohana izany.​—Filipiana 1:9, 10.

Tokony hivavaka amin’i Jehovah koa isika sady hatoky fa hihaino antsika izy. Mampionona tokoa ny manazava amin’ilay Andriamanitra fitiavana ny fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisintsika sy ny zavatra hafa eritreretintsika! Afaka mangataka tari-dalana isika avy eo mba handraisana fanapahan-kevitra tsara. Matetika ny fanahy masina no mampahatsiahy ny fitsipika ara-baiboly tafiditra amin’izany, na manampy antsika hahazo tsaratsara kokoa ny andinin-teny mifandray amin’ilay tarehin-javatra misy antsika.​—Jakoba 1:5, 6.

Nomen’i Jehovah olona matotra ao amin’ny fiangonana koa isika, mba hiresahana ny fanapahan-kevitsika. (Efesiana 4:11, 12) Rehefa miresaka amin’olona anefa isika dia tsy tokony hanao toy ny sasany izay manatona olona samy hafa ambara-pahitany olona milaza izay tiany ho re. Arahiny ny torohevitr’izany olona izany avy eo. Tokony hitadidy tsara ny ohatra fampitandremana momba an-dRehoboama isika. Nahazo torohevitra tsara avy tamin’ireo zokiolona niara-niasa tamin-drainy izy rehefa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe. Naleony anefa nanaraka ny torohevitr’ireo tanora namany. Fanapahan-kevitra ratsy no noraisiny, noho ny fanarahany ny torohevitr’ireo namany, hany ka nafoiny ny ampahany lehibe tamin’ny fanjakany.​—1 Mpanjaka 12:1-17.

Manatòna ireo efa nahita fiainana sy manana fahalalana tsara momba ny tenin’Andriamanitra ary manaja fatratra ny toro lalana marina, rehefa mila torohevitra. (Ohabolana 1:5; 11:14; 13:20) Makà fotoana hisaintsainana ny toro lalana tafiditra amin’izany sy ireo fanazavana azonao tamin’ny fikarohana. Rehefa takatrao ny fomba fihevitry ny Baiboly dia mety handray fanapahan-kevitra tsara ianao.​—Filipiana 4:6, 7.

Ny fanapahan-kevitra raisintsika

Misy fanapahan-kevitra mora raisina. Fantatry ny apostoly fa tsy maintsy manohy mitory momba an’i Jesosy izy ireo rehefa nodidiana tsy hitory. Nilaza avy hatrany tamin’ny Synedriona ny fanapahan-keviny hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona àry izy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:28, 29) Mila fandinihana bebe kokoa ny fanapahan-kevitra hafa satria tsy miresaka mivantana ilay raharaha ny Baiboly. Hanazava amintsika ny fanapahan-kevitra tokony horaisina anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Milaza izay tian’Andriamanitra sy tsy tiany, ohatra, ny Baiboly, na dia tsy nisy ireo karazana fialam-boly hita ankehitriny aza tamin’ny andron’i Jesosy. Noho izany, dia ratsy ny fanapahan-kevitry ny Kristianina iray, raha manao fialam-boly manindrahindra herisetra, na fahalotoam-pitondran-tena, na fikomiana, izy.​—Salamo 97:10; Jaona 3:19-21; Galatiana 5:19-23; Efesiana 5:3-5.

Indraindray dia samy mety ny fanapahan-kevitra roa samy hafa. Tombontsoa sady afaka mitondra fitahiana lehibe ny manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Na dia tapa-kevitra ny tsy hanao izany aza ny olona iray, dia afaka manao asa tsara izy ao amin’ny fiangonana misy azy. Mety hilaintsika indraindray ny handray fanapahan-kevitra manome fahafahana antsika hampiseho ny halalin’ny fifikirantsika amin’i Jehovah, na ny zavatra ataontsika eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana. Avelan’i Jehovah hampiasa ny safidy malalaka isika amin’izay, mba hanehoantsika izay ao am-pontsika.

Misy fiantraikany eo amin’ny hafa mazàna ny fanapahan-kevitra raisintsika. Faly, ohatra, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony. Midika, ohatra, izany fa afaka mifidy ny hihinana na tsia ireo sakafo tsy nadio teo ambanin’ny Lalàna izy ireo. Nampirisihina hihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa anefa izy ireo raha hanararaotra io fahalalahana io. Mihatra amin’ny fanapahan-kevitra maro raisintsika ny tenin’i Paoly momba ilay raharaha: “Aza manao izay hahatafintohina.” (1 Korintiana 10:32) Mety hanampy antsika hamaritra ny fanapahan-kevitra tokony horaisina ny faniriana tsy hanafintohina ny hafa. Didy faharoa lehibe indrindra tokoa ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.​—Matio 22:36, 39.

Ny vokatry ny fanapahan-kevitra raisintsika

Mitondra vokatra tsara amin’ny farany ny fanapahan-kevitra natao tamin’ny feon’ny fieritreretana madio sy niorina tamin’ny toro lalan’ny Baiboly. Mety hila sorona kely izany amin’ny voalohany. Voakapoka aloha ny apostoly vao nafahana, rehefa nilaza tamin’ny Synedriona ny fanapahan-keviny hanohy hitory momba an’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 5:40) Notandindomin-doza ny ain’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, rehefa nanapa-kevitra ny tsy hiankohoka teo anoloan’ilay sariolona volamena namboarin’i Nebokadnezara izy ireo. Vonona ny ho faty noho ny fanapahan-kevitra noraisiny izy ireo. Fantatr’izy ireo anefa fa nankasitrahan’Andriamanitra sy notahiny izy ireo.​—Daniela 3:16-19.

Tsy tokony hihevitra isika hoe tsy nety ny fanapahan-kevitra noraisintsika tamim-pitandremana, raha mahita olana isika, atỳ aoriana. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitsika ny “fotoana sy ny sampona”, na dia tsara fikasa aza isika rehefa nandray izany. (Mpitoriteny 9:11) Avelan’Andriamanitra hisy indraindray ny fijaliana mba hijereny ny haben’ny fitiavantsika azy. Tsy maintsy nitolona tamin’ny anjely nandritra ny alina i Jakoba vao nahazo fitahiana. (Genesisy 32:25-27) Mety hitolona amin’ny fijaliana koa isika, na dia manao zavatra tsara aza. Hanampy antsika hiaritra anefa Andriamanitra raha mifanaraka amin’ny sitrapony ny fanapahan-kevitra noraisintsika, ary hitahy antsika izy amin’ny farany.​—2 Korintiana 4:7.

Koa aza miantehitra amin’ny fahendrenao àry rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe. Tadiavo ny toro lalan’ny Baiboly tafiditra amin’ilay izy. Resaho amin’i Jehovah ilay raharaha. Miresaha amin’ny Kristianina matotra rehefa mety izany, ary mahereza. Ampiasao amim-pahaiza-mandray andraikitra ny safidy malalaka nomen’Andriamanitra anao. Mandraisa fanapahan-kevitra tsara ary asehoy amin’i Jehovah fa mahitsy aminy ny fonao.

[Sary, pejy 28]

Fantaro izay lazain’ny Baiboly, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe

[Sary, pejy 28, 29]

Resaho amin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisinao

[Sary, pejy 30]

Afaka miresaka amin’ny Kristianina matotra momba ilay fanapahan-kevitra lehibe ianao