Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay “Manavaka ny Tsara sy ny Ratsy” ve Ianao?

Mahay “Manavaka ny Tsara sy ny Ratsy” ve Ianao?

Mahay “Manavaka ny Tsara sy ny Ratsy” ve Ianao?

“Mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.”​—EFESIANA 5:10.

1. Inona no mahatonga ny fiainana hahavery hevitra amin’izao andro izao, ary nahoana?

“JEHOVAH ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Tena mihatra amintsika amin’izao andro izao io hevi-dehibe nambaran’i Jeremia io. Nahoana? Satria miaina amin’ny “andro mahory” isika, araka ny nolazain’ny Baiboly mialoha. (2 Timoty 3:1) Isan’andro isika dia miatrika toe-javatra mahavery hevitra, izay mitaky fanapahan-kevitra avy amintsika. Na kely na lehibe ireny fanapahan-kevitra ireny, dia mety hisy vokany lalina eo amin’izay hahasoa antsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy.

2. Inona avy no safidy mety hoheverina ho tsy dia manao ahoana, kanefa ahoana no fahitan’ny Kristianina vita fanoloran-tena azy ireny?

2 Misy safidy maro ataontsika eo amin’ny fiainana andavanandro, azo heverina ho mahazatra na tsy dia manao ahoana. Isan’andro, ohatra, dia tsy maintsy mifidy izay akanjo hanaovantsika isika, ny sakafo hohanintsika sy ny olona ho hitantsika ary ny toy izany. Saika mandeha ho azy izany, tsy mila eritreretina ela. Kanefa, tsy dia manao ahoana tokoa ve ireo safidy ireo? Tena zava-dehibe ho antsika Kristianina vita fanoloran-tena ny safidy ataontsika mahakasika ny akanjo, ny fisehoana ivelany, ny zavatra hanintsika sy sotrointsika, ny teny lazaintsika, ary ny fitondran-tenantsika. Tokony hampiseho foana izy ireny fa mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Avo Indrindra, isika. Mampahatsiahy antsika toy izao ny tenin’ny apostoly Paoly: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.”​—1 Korintiana 10:31; Kolosiana 4:6; 1 Timoty 2:9, 10.

3. Safidy inona avy no tena lehibe tokoa?

3 Misy safidy mbola lehibe kokoa noho izany aza. Tena misy vokany lalina sy maharitra eo amin’ny fiainana, ohatra, ny fanapahan-kevitra hanambady na hijanona ho mpitovo. Azo antoka fa tsy raharaha maivana ny mifidy vady mifanentana izay ho namana mandritra ny androm-piainana. * (Ohabolana 18:22) Ireo namana sy olona fidintsika iarahana any am-pianarana, na any am-piasana, na rehefa miala voly, dia manan-kery lehibe mihitsy eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy sy izay hahasoa antsika mandrakizay.​—Romana 13:13, 14; Efesiana 5:3, 4.

4. a) Fahaizana inona no faran’izay hahasoa antsika? b) Fanontaniana inona avy no ilaina hodinihina?

4 Noho izany rehetra izany, dia azo antoka fa mahasoa antsika ny fahaizana hanavaka ny tsara sy ny ratsy, na izay toa tsara sy tena tsara. “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly. (Ohabolana 14:12) Mety hanontany àry isika hoe: ‘Ahoana no hahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy? Aiza no hahitantsika tari-dalana mba hanaovana fanapahan-kevitra? Inona no nataon’ny olona fahiny sy ankehitriny tamin’io lafiny io, ary inona no vokany?’

‘Ny filozofia sy ny famitahana foana’ eo amin’ity tontolo ity

5. Tontolo nanao ahoana no nisy ny Kristianina tany am-boalohany?

5 Niaina teo amin’ny tontolo iray vonton’ny fitsipika sy ny filamatra nandrianin’ny Grika sy ny Romanina, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Teo ny fomba fiaina romanina mampiadana sy be haitraitra notsiriritin’ny maro. Teo koa ireo olona avara-pianarana, izay tsy vitan’ny hoe taitaitra tamin’ny filozofian’i Platon sy Aristote, fa tamin’ireo firehan-kevitra vaovao, toy ny an’ny Epikoreanina sy ny Stoika koa. Fony tany Atena ny apostoly Paoly tamin’ny diany misionera faharoa, dia nifanandrina tamin’ny filozofa epikoreanina sy stoika, izay nihevi-tena ho ambony noho “io mpibedibedy io”, izany hoe i Paoly.​—Asan’ny Apostoly 17:18.

6. a) Nalaim-panahy hanao inona ny Kristianina sasany tany am-boalohany? b) Inona no fampitandremana nomen’i Paoly?

6 Tsy mahagaga àry raha nisy Kristianina sasany voasinton’ny fanao sy fomba fiaina tia sehoseho nananan’ireo olona nanodidina azy ireo. (2 Timoty 4:10) Toa nankafy tombontsoa maro ireo olona anisan’ilay tontolo, ary toa nampiseho fahendrena ny safidy nataony. Toa nisy zava-tsoa natolotr’ilay tontolo, dia zavatra izay tsy hita teo amin’ny fiainan’ny Kristianina vita fanoloran-tena. Nampitandrina anefa ny apostoly Paoly hoe: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kolosiana 2:8) Nahoana i Paoly no nilaza izany?

7. Manao ahoana no tena vidin’ny fahendren’ity tontolo ity?

7 Nampitandrina toy izany i Paoly satria tsapany fa tena nisy loza niafina tao ambadiky ny fisainan’ireo olona voasinton’ilay tontolo. Misy antony matoa izy nampiasa ilay teny hoe ‘filozofia sy famitahana foana.’ Midika ara-bakiteny hoe “fitiavana sy fikatsahana fahendrena” ny teny hoe ‘filozofia.’ Mety hahasoa izany, raha izay fotsiny no raisina. Mampirisika hikatsaka ny tena fahalalana sy tena fahendrena ny Baiboly, indrindra fa ny bokin’ny Ohabolana. (Ohabolana 1:1-7; 3:13-18) Nampiarahin’i Paoly anefa ny ‘filozofia’ sy ny “famitahana foana.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia zava-poana sy fitaka no fahitan’i Paoly ilay fahendrena natolotr’ity tontolo ity. Toy ny balaonina feno rivotra, izay toa mafy ny fijery azy, nefa poaka aty. Azo antoka fa ho herim-po very maina, na hampidi-doza mihitsy, raha zavatra poaka aty toy ‘ny filozofia sy ny famitahana foana’ eo amin’ity tontolo ity, no iorenan’ny safidin’ny tena ny amin’izay tsara sy ratsy.

Ireo milaza “ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy”

8. a) Any amin’iza ny olona no mitady torohevitra? b) Karazana torohevitra manao ahoana no omena?

8 Tsy niova firy ny toe-javatra ankehitriny. Saika ahitana manam-pahaizana manokana avokoa rehefa mety ho lafin-javatra ataon’ny olombelona, ary maro be ireny manam-pahaizana ireny. Eo ny mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Eo koa ireo mpanoratra an-gazety, ireo milaza fa mahay fitsaboana manokana, ireo mpanandro, ireo ipetrahan-javatra, mbamin’ny hafa. Samy vonona hanome torohevitra ireo mba hahazoam-bola. Karazana torohevitra manao ahoana anefa no omeny? Matetika no ailika ny fitondran-tena takin’ny Baiboly ka soloana amin’ilay antsoina hoe fitondran-tena vaovao. Ohatra, rehefa tsy nety nanoratra ny “fanambadian’ny samy lehilahy, na ny samy vehivavy” ny fanjakana, dia hoy ilay gazety lehibe indrindra any Kanada hoe Gilaoby sy Taratasy (anglisy): “Amin’izao taona 2000 izao, dia mahatsikaiky raha tsy avela hanatanteraka ny fanirian’ny fony ny olon-droa mifankatia sy mifanaiky satria fotsiny hoe samy lehilahy na samy vehivavy izy ireo.” Malaza ankehitriny ny hoe malala-tsaina sy ny hoe tsy mitsara ny hafa. Heverina fa azo iadian-kevitra ny zava-drehetra; tsy misy intsony ny tena tsara sy tena ratsy.​—Salamo 10:3, 4.

9. Inona matetika no ataon’ny olona heverina ho manan-kaja eo amin’ny fiaraha-monina?

9 Rehefa manao fanapahan-kevitra kosa ny hafa, dia ireo tafita ara-tsosialy sy ara-bola, izany hoe ny mpanan-karena sy ny olo-malaza, no ataony modely. Na dia heverina ho manan-kaja aza ny mpanan-karena sy ny olo-malaza ankehitriny, dia matetika no an-tendro-molotra fotsiny ny azy izany hoe fanaovana ny marina sy fitokisana izany. Mba hahazoana fahefana sy vola, dia maro no tsy enjehin’ny eritreriny velively rehefa tsy miraharaha lalàna sy manitsakitsaka ny fitsipi-pitondran-tena. Mba hahazoana laza sy ho tian’olona, dia tsy mampaninona ny sasany ny manilika ireo toetra tsara sy fitsipika mahazatra, ka aleony fitondran-tena hafahafa sy manafintohina. Ny vokany dia fiaraha-monina tsy mieritreritra afa-tsy ny hahazo vola sy milefitra loatra, izay manana teny filamatra hoe: “Azo atao ny zava-drehetra.” Mahagaga àry ve raha sahiran-tsaina sy very hevitra ny olona mahakasika ny atao hoe tsara sy ratsy?​—Lioka 6:39.

10. Ahoana no maha marina ny tenin’i Isaia momba ny tsara sy ny ratsy?

10 Hitantsika manodidina antsika ny voka-dratsin’ny fanapahan-kevitra ratsy niorina tamin’ny tari-dalana misy lesoka: fanambadiana sy fianakaviana rava, fidorohana zava-mahadomelina sy fisotroana tafahoatra, andian-jiolahim-boto mahery setra, fijangajangana, aretina azo avy amin’ny firaisana, raha tsy hanonona afa-tsy ireo vitsivitsy ireo aza isika. Ahoana tokoa moa no anantenantsika zavatra hafa noho izany, kanefa ny olona manary ny fitsipika na famantarana ny tsara sy ny ratsy rehetra? (Romana 1:28-32) Izany indrindra no nambaran’ny mpaminany Isaia hoe: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy! Lozan’izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!”​—Isaia 5:20, 21.

11. Nahoana no tsy fahendrena ny miantehitra amin’ny tena rehefa mamaritra izay tsara sy ratsy?

11 Ny nampamoahan’Andriamanitra ireo Jiosy fahiny ‘nanao azy ho hendry’ ireo dia vao mainka mampiseho fa zava-dehibe ny tsy hianteherantsika amin’ny tenantsika rehefa mamaritra izay tsara sy ratsy. Olona maro ankehitriny no manohana ilay hevitra hoe “araho fotsiny izay lazain’ny fonao” na “ataovy izay heverinao fa mety.” Fahendrena ve izany? Tsia, raha jerena ny Baiboly izay milaza mazava hoe: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9) Hiantehitra amin’olona mpamitaka sy mampidi-doza ve ianao mba hitari-dalana anao rehefa manao fanapahan-kevitra? Azo antoka fa tsia. Tsy isalasalana aza fa ny mifanohitra amin’ny lazain’izany olona izany mihitsy no hataonao. Izany no ampahatsiahivan’ny Baiboly antsika hoe: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.”​—Ohabolana 3:5-7; 28:26.

Mianatra izay ankasitrahan’Andriamanitra

12. Nahoana no ilaintsika hofantarina ny “sitrapon’Andriamanitra”?

12 Koa inona àry no tokony hataontsika satria tsy tokony hiantehitra amin’ny fahendren’ity tontolo ity na amin’ny tenantsika isika mba hamaritana izay tsara sy ratsy? Mariho ity torohevitra mazava nomen’ny apostoly Paoly ity: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2) Nahoana no ilaintsika hofantarina ny sitrapon’Andriamanitra? Manome antony mivantana nefa mahery i Jehovah ao amin’ny Baiboly, manao hoe: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55:9) Tsy asaina miantehitra amin’izay fahaizantsika mitsara zavatra na amin’izay tiantsika isika, fa ampirisihina kosa hoe: ‘Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo.’​—Efesiana 5:10.

13. Ahoana no anantitranteran’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:3 fa ilaina ny mahafantatra izay ankasitrahan’Andriamanitra?

13 Nantitranterin’i Jesosy Kristy izany rehefa nilaza izy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Lalina dia lalina ny hevitry ny teny grika tany am-boalohany nadika hoe “mahafantatra.” Araka ny Diksioneran’i Vine (anglisy), izy io dia “manondro fifandraisana eo amin’ilay olona mahafantatra sy ilay zavatra fantarina; sarobidy na zava-dehibe amin’ilay olona ny zavatra fantany hany ka sarobidy toy izany koa ilay fifandraisana.” Raha mifandray amin’olona iray ny tena, dia tsy ampy fotsiny ny mahafantatra hoe iza izy, na hoe iza no anarany. Ilaina koa ny mahafantatra izay tiany sy tsy tiany, ireo zavatra andrianiny sy ny fitsipiny, ary manaja azy ireny.​—1 Jaona 2:3; 4:8.

Aoka isika hizatra hanavaka ny tsara sy ny ratsy

14. Inona no nolazain’i Paoly fa tena mampiavaka ny zaza-bodo ara-panahy sy ny olona matotra?

14 Ahoana àry no ahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy? Mamaly izany ny tenin’i Paoly ho an’ireo Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany. Hoy ny nosoratany: “Izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” Eto i Paoly dia mampifanohitra ny “ronono” amin’ny “ventin-kanina.” Nolazalazainy tao amin’ilay andininy teo aloha fa ny “ronono” dia ny “abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra”, ary ny “ventin-kanina” dia natao ho an’ny “efa lehibe”, na matotra, izay ‘manana ny saina zatra mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.’​—Hebreo 5:12-14.

15. Nahoana no ilaina ny ezaka mafy mba hahazoana fahalalana marina an’Andriamanitra?

15 Voalohany indrindra, dia tsy maintsy ezahintsika mafy ho azo tsara ireo zavatra takin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Tsy lisitra lava be milaza ireo zavatra azontsika atao na tsy azontsika atao akory no tadiavintsika. Tsy toy izany ny Baiboly. Nanazava kosa i Paoly hoe: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Tsy maintsy mampiasa ny saintsika isika mba handraisan-tsoa amin’izany fampianarana sy fananarana ary fifehezana izany. Mitaky ezaka izany, nefa mendrika izany ny vokatra azo, dia ny hoe: ‘Ho tanteraka, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.’​—Ohabolana 2:3-6.

16. Inona no dikan’ny hoe ‘manana saina zatra’?

16 Araka ny voalazan’i Paoly, dia ‘manana saina zatra mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy’ ny olona matotra. Io no votoatin’ilay foto-kevitra. Ilay teny hoe ‘manana saina zatra’ dia midika ara-bakiteny hoe “manana taovam-pahatsapana nozarina nampiasaina (toy ny mpanao fanatanjahan-tena).” (Dikan-teny Isan’andalan’ny Fanjakana, anglisy) Toy ny mpanao fanatanjahan-tena za-draharaha iray, dia tsy manary baolina ny mpilalao baolina kitra mahay na dia mihazakazaka mafy sy mamitapitaka ny mpifanandrina aminy aza izy, noho ny fahaizany mijijy baolina. Gaga mihitsy ny olona mahita ny hafainganany mifehy ilay baolina. Voafehiny tanteraka ny rantsambatany amin’ny fotoana rehetra, ary saika tonga dia fantany hoe inona no fihetsika tsy maintsy ataony mba hampidirana ilay baolina any anaty harato. Fa nahoana? Noho ny fanazaran-tena henjana sy ny fanaovana ady baolina kitra tsy tapaka.

17. Amin’ny heviny ahoana isika no tokony ho toy ny mpanao fanatanjahan-tena?

17 Tsy maintsy manao fanazaran-tena toy ny mpanao fanatanjahan-tena koa isika, amin’ny heviny ara-panahy, raha tiantsika ho azo antoka fa tsara foana ny fanapahan-kevitra sy ny safidy ataontsika. Tsy maintsy haintsika tsara ny mifehy ny vavahadin-tsaintsika sy ny rantsambatantsika amin’ny fotoana rehetra. (Matio 5:29, 30; Kolosiana 3:5-10) Fehezinao ve, ohatra, ny masonao mba tsy hijery fahalotoam-pitondran-tena, na ny sofinao mba tsy hihaino mozika na teny maloto? Marina fa misy manodidina antsika ny zavatra maloto toy izany. Kanefa miankina amintsika indray raha avelantsika hamaka ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika izany na tsia. Azontsika tahafina ilay mpanao salamo nanao hoe: “Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny mivadika, tsy hikambana amiko izany. ... Tsy mba hijanona eo anoloan’ny masoko izay milaza lainga.”​—Salamo 101:3, 7.

Zaro ampiasaina tsara ny sainao

18. Inona no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “nampiasaina tsara” ao amin’ny fanazavan’i Paoly momba ny fanazarana ny saina?

18 Tadidio fa rehefa ‘ampiasaina tsara’ ny saintsika dia ho zatra hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe isaky ny miatrika fanapahan-kevitra isika, dia tokony hianatra hampiasa ny saintsika mba hamantarana ny fitsipika ara-baiboly tafiditra sy ny fomba ampiharana azy ireny. Ataovy ho fahazarana ny manao fikarohana ao amin’ireo boky sy gazety ara-baiboly omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” (Matio 24:45) Mazava ho azy fa azontsika atao ny mitady ny fanampian’ny Kristianina matotra. Amin’ny farany anefa, dia hitondra valisoa tondraka ilay fiezahantsika manokana hianatra ny Tenin’Andriamanitra, mbamin’ny vavaka amin’i Jehovah mba hahazoana ny tari-dalany sy ny fanahiny.​—Efesiana 3:14-19.

19. Inona avy no fitahiana azontsika raha zarintsika tsikelikely ny saintsika?

19 Matoa isika manazatra tsikelikely ny saintsika, dia mba hahatonga antsika “tsy ho zaza intsony ... ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.” (Efesiana 4:14) Rehefa fantatsika sy azontsika tsara kosa izay zavatra ankasitrahan’Andriamanitra, dia afaka manao fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena miorina amin’izany isika, na lehibe na kely ilay fanapahan-kevitra. Hahasoa antsika sy hampahery ny mpiara-manompo amintsika ary indrindra indrindra, hampifaly ilay Raintsika any an-danitra, izany fanapahan-kevitra izany. (Ohabolana 27:11) Fitahiana sy fiarovana tokoa re izany amin’izao fotoan-tsarotra izao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nanao lisitr’ireo zavatra mampihenjana indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona, ny Pr. Thomas Holmes sy Richard Rahe. Maherin’ny 40 izy ireo, ka mitana ny laharana telo voalohany ny fahafatesan’ny vady sy ny fisaraham-panambadiana ary ny fisarahan-toerana. Any amin’ny laharana fahafito ny fanambadiana.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no fahaizana ilaina mba hanaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena?

• Nahoana no tsy fahendrena ny mitodika any amin’ny olona ambony na miantehitra amin’ny fiheverantsika manokana rehefa manapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy?

• Nahoana no tokony ho azontsika antoka izay ankasitrahan’Andriamanitra rehefa manao fanapahan-kevitra isika, ary ahoana no ahafahantsika manao izany?

• Inona no dikan’ny hoe manazatra ny saintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Zava-poana ny hanantenana tari-dalana avy amin’ny mpanan-karena sy olo-malaza

[Sary, pejy 10]

Toy ny mpanao fanatanjahan-tena iray, dia tsy maintsy haintsika tsara ny mifehy ny vavahadin-tsaintsika sy ny rantsambatantsika