Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola sa Aina?

Vola sa Aina?

Vola sa Aina?

Angamba ianao efa nandre hoe nisy jiolahy nanambana basy olona sady nitaky hoe “Vola sa Aina?” Amin’izao andro izao, izany fitakiana izany dia hita koa eo amin’ny zavatra hafa izay mamely antsika rehetra, indrindra fa ireo mipetraka any amin’ny tany manankarena. Tsy jiolahy anefa eto no mitaky, fa ilay fanantitranteran’ny fiaraha-monina foana hoe tena zava-dehibe ny vola sy ny fanambinana ara-nofo.

NITERAKA adihevitra sy fanahiana vaovao maro izany fanantitranterana izany. Inona avy no zavatra tsy maintsy afoy ho tambin’ny fikatsahana vola sy zavatra ara-nofo? Afaka hianina amin’ny fananana kely kokoa ve isika? “Ny tena fiainana” indray ve no ataon’ny olona sorona mba hikatsahana harena? Mahasambatra ve ny vola?

Adalam-bola

Ny fitiavam-bola dia misongona izay mety ho faniriana sy fihetseham-po mibahana ao an-tsain’ny olombelona​—na ara-dalàna izy ireny na tsia. Tsy sahala amin’ny faniriana hanao firaisana na hihinan-kanina anefa ny fanirian’ny olona adalam-bola, fa faniriana mety tsy ho lefy sy tsy hisy farany. Toa tsy mampitony azy io ny fahanterana. Amin’ny toe-javatra maro, dia vao mainka aza mety ho tia vola kokoa sy ho be fanahiana kokoa momba ny vola sy izay azo vidina aminy, ny olona iray mandroso taona.

Toa mirongatra ny fitiavam-bola tafahoatra. Nilaza toy izao ny mpilalao tao amin’ny horonan-tsary malaza iray: “Ahazoana tombony ny fitiavam-bola. Mahasoa ny fitiavam-bola.” Na dia maro aza no miresaka ny amin’ireo taona 1980 ho Vanim-potoan’ny Fitiavam-bola Tafahoatra, dia asehon’izay nitranga taloha sy taorian’io vanim-potoana io fa tsy niova firy ny fihetsiky ny olombelona manoloana ny vola, rehefa nandeha ireo taona.

Ny vaovao angamba dia hoe maro be ny olona mahita fomba ahazoany eo no ho eo izay zavatra iriny. Toa mandany ny ankabetsahan’ny heriny hamokarana sy hahazoana zavatra bebe kokoa hatrany, ny ankamaroan’ny olona eo amin’izao tontolo izao, amin’ny ankamaroan’ny fotoana. Manaiky angamba ianao fa manjary marisika dia marisika​—ary matetika mahita fomba tsy noeritreretina mihitsy​—ny olona ankehitriny mba hananana fananana ara-nofo sy handaniana vola.

Nahatonga ny olona ho sambatra kokoa ve anefa izany? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia nanoratra toy izao i Solomona mpanjaka hendry sy mpanefohefo, 3 000 taona lasa izay: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.” (Mpitoriteny 5:9) Mitovy amin’izany ny fanatsoahan-kevitry ny siansa maoderina momba ny fiaraha-monina.

Vola sy fahasambarana

Anisan’ireo zavatra mahagaga indrindra amin’ny fihetsiky ny olombelona ny hoe, tsy voatery hitombo arakaraka ny vola sy ny fananana voangony, ny fahafaham-po sy ny fahasambarana azony. Mpikaroka maro no mahita fa raha vao tonga amin’ny fetra iray ny harenan’ny olona iray, dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany ara-nofo ny fahatsapany fahafaham-po sy fahasambarana.

Koa mahatonga ny maro hanontany tena toy izao àry ny fikatsahana tsy voafehy ny fananana ara-nofo sy ny vola: ‘Toa ankafizinay izay zava-baovao vidinay, nefa rehefa dinihina ny zava-drehetra, nahoana no tsy mitondra fahafaham-po be kokoa ireny fahafinaretana ireny?’

Hoy ilay mpanoratra hoe Jonathan Freedman ao amin’ny bokiny Olona Sambatra (anglisy): “Raha vao manana fidiram-bola kely fotsiny ianao, dia tsy midika ho inona loatra intsony ny habetsahan’ny vola raha ny amin’ny fahazoana fahasambarana. Raha vao tafavoaka kely avy amin’ny fahantrana fotsiny ny olona, dia faran’izay kely ny fifandraisana misy eo amin’ny fidiram-bola sy ny fahasambarana.” Maro no manjary mahatakatra fa ny tena mahasambatra ny olona iray dia ireo zavatra ara-panahy ananany sy ny asa misy heviny eo amin’ny fiainany ary ny fitsipi-pitondran-tena andrianiny. Zava-dehibe koa ny fifandraisana tsara amin’ny hafa sy ny tsy fisian’ny fifandonana sy faneriterena izay mety hisakana antsika tsy hankafy izay ananantsika.

Hitan’ny maro fa fototry ny ankamaroan’ny olana ara-tsosialy ankehitriny, ny fanandramana mampiasa ny harena mba handaminana olana ao anatin’ny olona ao. Lazain’ny manam-pahaizana sasany momba ny fiaraha-monina fa tsy faly sy tsy mijery afa-tsy lafy ratsin’ny fiainana ny ankapoben’olona. Voamarik’izy ireo koa fa mihamitombo ny olona any amin’ny tany manankarena manatona manam-pahaizana amin’ny fitsaboana manokana, na mitodika any amin’ny mpanolo-tsaina sy sekta ary antokona mpanasitrana, mba hampisy heviny ny fiainany sy mba hananany fiadanan-tsaina. Porofo izany fa tsy mahatonga ny fiainana hisy heviny kokoa ny fananana ara-nofo.

Hery sy fetran’ny vola

Ekena aloha fa manan-kery ny vola. Mahavidy trano tsara tarehy sy fitafiana mihaja ary entana tsara sy lafo vidy, izy io. Mahavidy fanindrahindrana na fanekena izay rehetra tian’ny tena hatao na fandokafana koa izy io, ary ahazoana namana sasantsasany tsy maharitra izay vonon-kanampy mihitsy aza izy io. Hatreo ihany anefa ny herin’ny vola. Tsy mahavidy izay zavatra tena ilaintsika ny vola, dia ny fitiavan’ny tena namana iray sy ny fiadanan-tsaina ary ny fampiononana kely amim-pahatsorana amin’ny ora farany ahavelomana. Ary ho an’ireo mankamamy ny fifandraisany amin’ny Mpamorona dia tsy mahavidy ny fankasitrahan’Andriamanitra ny vola.

I Solomona Mpanjaka, izay nanana ny zava-tsoa rehetra azon’ny vola novidina tamin’ny androny, dia niaiky fa tsy mitondra fahasambarana maharitra ny fitokisana amin’ny fananana ara-nofo. (Mpitoriteny 5:11-14) Mety ho very noho ny banky bankirompitra na ny fisondrotan’ny vidim-piainana ny vola. Mety ho ravan’ny rivo-doza ny trano sy tany. Eny, fa na dia mety hanolo ny ampahan’ireo fananana potika aza ireo mpanao fiantohana, dia tsy afaka manonitra ny fahavoazana ara-pihetseham-po izy ireo. Mety hafoy ao anatin’ny indray mipy maso ny petra-bola sy fanekem-bola rehefa mitotongana tampoka ny toe-karena. Ary mety tsy haharitra na dia ny asa tsara karama aza.

Ahoana àry no ahafahantsika mihazona ny vola eo amin’ny toerana tokony hisy azy? Inona no toerana tokony hotanan’ny vola na ny fananana eo amin’ny fiainantsika? Diniho akaiky kokoa ilay raharaha mba hahitanao ny fomba ahafahanao manana zavatra tena misy vidiny tokoa, dia “ny tena fiainana”.

[Sary, pejy 4]

Tsy mitondra fahasambarana maharitra ny fananana ara-nofo