Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miorena Tsara Hatrany toy ny Mahita Ilay Tsy Hita!

Miorena Tsara Hatrany toy ny Mahita Ilay Tsy Hita!

Miorena Tsara Hatrany toy ny Mahita Ilay Tsy Hita!

“Naharitra toy ny mahita Izay tsy hita [i Mosesy]”.​​—HEBREO 11:27.

1. Inona no teny nahagaga nataon’i Jesosy momba an’Andriamanitra, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra?

I JEHOVAH no ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izao no navaliny, rehefa nangataka hahita ny voninahiny i Mosesy: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.” (Eksodosy 33:20) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18) Na i Jesosy Kristy fony tetỳ an-tany aza dia tsy nahita an’Andriamanitra. Hoy anefa izy, tamin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Matio 5:8) Inona no tiany holazaina?

2. Nahoana isika no tsy afaka mahita maso an’Andriamanitra?

2 Milaza ny Soratra Masina fa Fanahy tsy hita maso i Jehovah. (Jaona 4:24; Kolosiana 1:15; 1 Timoty 1:17) Koa tsy nilaza akory i Jesosy hoe afaka mahita maso an’i Jehovah isika olombelona. Marina fa hahita an’i Jehovah Andriamanitra any an-danitra ny Kristianina voahosotra, rehefa mitsangana amin’ny maty, ka lasa zavaboary ara-panahy. Afaka ‘mahita’ an’Andriamanitra koa anefa ny olona “madio am-po” manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Ahoana no hetezan’izany?

3. Ahoana no ahafahan’ny olombelona mahafantatra ny toetran’Andriamanitra sasany?

3 Manjary mahafantatra an’i Jehovah isika, rehefa mandinika tsara ny zavatra noforoniny. Amin’izay isika dia mety ho talanjona noho ny heriny ary hanaiky fa izy no Andriamanitra Mpamorona. (Hebreo 11:3; Apokalypsy 4:11) Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Ny fombany [ny an’Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo”. (Romana 1:20) Ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe mahita an’Andriamanitra àry, dia hoe mahafantatra ny toetran’i Jehovah sasany. Fahitana ara-panahy izany, ary miorina amin’ny fahalalana marina sy hita amin’ny ‘mason’ny saina’. (Efesiana 1:18) Mampiharihary zavatra maro momba an’Andriamanitra koa ny teny sy ny asan’i Jesosy. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. (Jaona 14:9) Nampiseho tsara ny toetran’i Jehovah i Jesosy, hany ka afaka mahita na mahafantatra ny toetran’Andriamanitra sasany isika, rehefa mahafantatra ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany.

Ilaina ny fitiavana zavatra ara-panahy

4. Inona no mampiseho fa tsy tia zavatra ara-panahy ny olona maro?

4 Vitsy mihitsy ankehitriny ny olona manam-pinoana sy tena tia zavatra ara-panahy. “Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”, hoy i Paoly. (2 Tesaloniana 3:2) Maro no revo mitady izay hahasoa ny tenany ary tsy mino an’Andriamanitra. Ratsy fitondran-tena izy ireo, ary tsy tia zavatra ara-panahy, hany ka tsy mahita an’Andriamanitra amin’ny mason’ny saina, araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona hoe: “Izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra”. (3 Jaona 11) Asehon’izy ireo amin’ny ataony hoe heveriny fa tsy mahita azy Andriamanitra, satria tsy hitan’ny masony. (Ezekiela 9:9) Manao tsinontsinona ny zavatra ara-panahy izy ireo, ka tsy afaka mahazo “ny fahalalana an’Andriamanitra”. (Ohabolana 2:5) Mety àry ny tenin’i Paoly hoe: “Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany”.​—1 Korintiana 2:14.

5. Inona no tsapan’ny olona araka ny fanahy?

5 Raha olona araka ny fanahy anefa isika, dia ho tsapantsika foana fa na dia tsy mitsingoloka ny toetrantsika aza i Jehovah, dia fantany rehefa natosiky ny eritreritra na ny fanirian-dratsy isika. Tena “eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa”. (Ohabolana 5:21) Raha sendra manota isika, dia ho voatosika hibebaka sy hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah, satria tiantsika izy ary tsy ta hampalahelo azy isika.​—Salamo 78:41; 130:3.

Inona no hampiorina tsara antsika?

6. Inona no dikan’ny hoe miorina tsara?

6 Na tsy mahita an’i Jehovah aza isika, dia aoka isika hitadidy foana fa mahita antsika izy. Hiorina tsara isika, izany hoe tsy hivadika aminy mihitsy na inona na inona mitranga, raha sady mitadidy fa misy izy no matoky fa eo akaikin’izay rehetra miantso azy izy. (Salamo 145:18) Afaka ny hitovy amin’i Mosesy isika. Izao no nolazain’i Paoly momba azy: “Finoana no nandaovany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.”​—Hebreo 11:27.

7, 8. Nahoana i Mosesy no sahy nanatona an’i Farao?

7 Rehefa nirahin’Andriamanitra hanafaka ny Isiraelita tsy ho andevon’ny Ejipsianina i Mosesy, dia nifanatrika matetika tamin’i Farao masiaka be tao amin’ny lapa feno olona ambony teo amin’ny fivavahana sy ny tafika. Azo inoana fa nisy sampy nilahatra nanaraka ny rindrina. Na tsy hita maso aza anefa i Jehovah, dia tena nisy tamin’i Mosesy, fa tsy maty toy ny andriamanitr’i Ejipta nasehon’ireo sampiny. Tsy mahagaga raha tsy natahotra an’i Farao i Mosesy!

8 Nahoana i Mosesy no sahy niverimberina nankany amin’i Farao? “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”, hoy ny Soratra Masina. (Nomery 12:3) Miharihary fa natanjaka ara-panahy i Mosesy ary natoky tanteraka fa nomba azy Andriamanitra, ka izany no nanome hery azy hisoloana tena ‘an’Ilay tsy hita’, teo anatrehan’ilay mpanjaka ratsy fanahin’i Ejipta. Maneho finoana an’ilay Andriamanitra tsy hita maso ny olona ‘mahita’ azy. Amin’ny fomba ahoana avy?

9. Inona no fomba iray ahafahantsika miorina tsara hatrany?

9 Ny fomba iray anehoana finoana sy ahafahana miorina tsara hatrany toy ny mahita Ilay tsy hita, dia ny fahasahiana mitory foana na enjehina aza. Nampitandrina ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako”. (Lioka 21:17) Nilazany koa izy ireo hoe: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. (Jaona 15:20) Raha vao maty i Jesosy, dia nenjehina tokoa ireo mpanara-dia azy, ka norahonana sy nosamborina ary nokapohina. (Asan’ny Apostoly 4:1-3, 18-21; 5:17, 18, 40) Sahy nitory ny vaovao tsara foana ny apostoly sy ny mpianatr’i Jesosy, na dia nisy fanenjehana be aza.​—Asan’ny Apostoly 4:29-31.

10. Nahoana no manampy antsika amin’ny fanompoana, ny fatokiana fa miahy sy miaro antsika i Jehovah?

10 Toa an’i Mosesy, dia tsy natahotra an’ireo fahavalo maro be hita maso ny mpanara-dia an’i Jesosy voalohany. Natoky an’Andriamanitra izy ireo, ka afaka niaritra fanenjehana mafy. Tena niorina tsara hatrany toy ny nahita Ilay tsy hita izy ireo. Mahazo herim-po isika ary tsy matahotra ny mitory ilay Fanjakana, rehefa mitadidy hatrany fa miahy sy miaro antsika i Jehovah. “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 29:25) Noho izany, dia tsy mampihemotra antsika ny tahotra fanenjehana, ary tsy mahamenatra antsika ny fanompoantsika. Atosiky ny finoantsika isika hitory amin’ny mpiara-monina sy ny mpiara-miasa ary ny mpiara-mianatra sy ny hafa.​—Romana 1:14-16.

Mitarika ny vahoakany Ilay tsy hita maso

11. Araka an’i Petera sy i Joda, inona no nataon’ny olona sasany tsy tia zavatra ara-panahy, nefa nifanerasera tamin’ny kongregasiona kristianina?

11 Ny finoana dia manampy antsika hanaiky fa i Jehovah no mitarika ny fandaminany etỳ an-tany. Noho izany, dia tsy hanakiana lava ireo manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona isika. Nampitandrina ny apostoly Petera sy i Joda, rahalahin’i Jesosy, fa nisy olona tsy tia zavatra ara-panahy mihitsy, ka niteny ratsy an’ireo mpitari-dalana ny Kristianina. (2 Petera 2:9-12; Joda 8) Ho niteny toy izany teo anatrehan’i Jehovah ve ireo mpanakiana ireo, raha nahita maso azy? Tsy izany mihitsy! Tsy hita maso anefa Andriamanitra, ka tsy noheverin’ireny lehilahy araka ny nofo ireny fa hampamoaka azy ireo.

12. Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin’ireo mpitari-dalana antsika ao amin’ny kongregasiona?

12 Marina fa tsy lavorary ny olona ao amin’ny kongregasiona. Manao fahadisoana ny anti-panahy, ka mety hisy vokany eo amintsika izany indraindray. Ampiasain’i Jehovah mba hiandry ny ondriny anefa ireny lehilahy ireny. (1 Petera 5:1, 2) Takatry ny lehilahy sy vehivavy araka ny fanahy fa fomba iray itarihan’i Jehovah ny vahoakany izany. Tsy tokony hanakiana na hitaraina lava momba ny fitarihan’Andriamanitra àry isika Kristianina, fa tokony hanaja izany kosa. Rehefa mankatò an’ireo mpitari-dalana antsika isika, dia mampiseho fa mahita an’Ilay tsy hita maso.​—Hebreo 13:17.

Mihevitra an’Andriamanitra ho Mpampianatra Lehibe

13, 14. Inona no tokony hataonao raha mihevitra an’i Jehovah ho ilay Mpampianatra Lehibe ianao?

13 Misy lafin-javatra hafa ilana fahitana ara-panahy koa. Naminany i Isaia hoe: “Ny masonao hahita ny mpampianatra anao”. (Isaia 30:20) Ilaina ny finoana mba hanekena fa i Jehovah no mampianatra antsika amin’ny alalan’ny fandaminany etỳ an-tany. (Matio 24:45-47) Tsy ampy anefa ny fahazarana tsara mianatra Baiboly sy ny famonjena fivoriana tsy tapaka, raha mihevitra an’Andriamanitra ho Mpampianatra Lehibe antsika isika. Ilaina ny mampiasa amin’ny fomba feno ny fandaharana ara-panahy rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika. Ilaintsika, ohatra, ny manaraka akaiky kokoa ny tari-dalana omen’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy, mba tsy hivily lalana ara-panahy isika.​—Hebreo 2:1.

14 Tsy maintsy miezaka mafy isika indraindray mba handray soa feno avy amin’ny sakafo ara-panahy. Mety hovakintsika maimaika fotsiny, ohatra, ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly, rehefa tsy azontsika tsara. Mety hodinganintsika fotsiny ny lahatsoratra sasany ao amin’Ny Tilikambo na Mifohaza!, satria tsy mahaliana antsika loatra ny zavatra resahiny. Na mety hamela ny saintsika hiriorio isika any am-pivoriana. Hifantoka hatrany anefa isika, raha mieritreritra tsara ireo hevitra velabelarina. Rehefa mankasitraka amin’ny fo manontolo ny fampianarana ara-panahy omena antsika isika, dia manaiky an’i Jehovah ho Mpampianatra Lehibe antsika.

Tsy maintsy hampamoahina isika

15. Inona no nataon’ny sasany, ka nampiseho fa noheveriny fa tsy nahita azy i Jehovah?

15 Amin’izao “andro farany” feno faharatsiana izao indrindra no tena ilaina ny finoana an’Ilay tsy hita maso. (Daniela 12:4) Maro no manao ny tsy marina sy maloto fitondran-tena. Mazava ho azy fa fahendrena ny mitadidy fa mandinika izay ataontsika i Jehovah, na dia tsy mahita antsika aza ny olon-kafa. Misy manadino izany, ka mety hanao zavatra tsy araka ny Soratra Masina rehefa tsy hitan’ny hafa. Tsy nahatohitra ny fakam-panahy, ohatra, ny sasany, ka nijery sary vetaveta tamin’ny Internet na televiziona na tamin’ny zavatra hafa. Koa satria mety tsy hisy hahita ny fanaovan-javatra toy izany, dia nanao fitondran-tena ratsy ny sasany, toy ny hoe tsy afaka nahita izay nataony koa i Jehovah.

16. Inona no tokony hanampy antsika hanaraka ireo fitsipika ambony avy amin’i Jehovah?

16 Tsara ny mitadidy izao tenin’i Paoly izao: “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”. (Romana 14:12) Ilaintsika foana ny mitadidy fa isaky ny manota isika, dia manota amin’i Jehovah. Tokony hanampy antsika hanaraka ireo fitsipiny ambony sy tsy haloto fitondran-tena ny fahafantarana izany. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika”. (Hebreo 4:13) Marina fa tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’i Jehovah isika, nefa azo antoka fa ny fitiavantsika azy no tena mahatonga antsika hanao ny sitrapony sy hanaraka ny fitsipiny marina. Aoka àry isika hitandrina tsara rehefa mifidy fialam-boly sy rehefa mifandray amin’ny tsy lahy na tsy vavy toa antsika.

17. Ahoana no fomba andinihan’i Jehovah antsika?

17 Tena mandinika antsika i Jehovah, nefa tsy midika izany hoe miandry antsika hanao fahadisoana izy mba hanasaziana antsika. Feno fitiavana kosa izy rehefa mandinika antsika, toy ny ray ta hanome valisoa ny zanany mankatò. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa mahafaly ny Raintsika any an-danitra ny finoantsika, ary koa fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy! (Hebreo 11:6) Enga anie isika hatoky tanteraka an’i Jehovah sy ‘hanompo Azy amin’ny fo rehetra’.​—1 Tantara 28:9.

18. Inona no toky omen’ny Soratra Masina antsika, noho i Jehovah mandinika antsika sy manamarika ny tsy fivadihantsika?

18 Hoy ny Ohabolana 15:3: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” Mijery ny ratsy fanahy tokoa Andriamanitra, ka mamaly ny ratsy ataon’izy ireo. Azo antoka anefa fa manamarika ny tsy fivadihantsika i Jehovah, raha anisan’ny “tsara fanahy” isika. Manatanjaka finoana tokoa ny mahafantatra fa ‘tsy foana ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo’ sady ‘tsy hanadino ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany’, Ilay tsy hita maso.​—1 Korintiana 15:58; Hebreo 6:10.

Asao handinika antsika i Jehovah

19. Inona no anisan’ny soa azo noho ny finoana matanjaka an’i Jehovah?

19 Sarobidy amin’i Jehovah isika, satria mpanompony tsy mivadika. (Matio 10:29-31) Na tsy hita maso aza izy, dia afaka mahatsapa isika fa tena misy izy, ary afaka mankamamy ny fihavanana sarobidy aminy isika. Tena hahasoa antsika ny mihevitra ny Raintsika any an-danitra toy izany. Manampy antsika hadio fo sy eritreritra eo anatrehan’i Jehovah ny finoana matanjaka. Misakana antsika tsy hanana fiainana roa sosona koa ny finoana tsy mihatsaravelatsihy. (1 Timoty 1:5, 18, 19) Ho fianarana sy fampaherezana ho an’ny hafa ny finoantsika mafy an’Andriamanitra. (1 Timoty 4:12) Manampy antsika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izany finoana izany, ka hampifaly ny fony.​—Ohabolana 27:11.

20, 21. a) Nahoana isika no tokony haniry harahin’i Jehovah maso? b) Ahoana no azontsika ampiharana ny Salamo 139:23, 24?

20 Raha tena hendry isika, dia ho faly arahin’i Jehovah maso. Tsy vitan’ny hoe tiantsika hahita antsika izy, fa irintsika koa ny handinihany amin’ny an-tsipiriany ny eritreritsika sy ny ataontsika. Tsara ny ivavahantsika amin’i Jehovah, ka hanasantsika azy handinika antsika sy hijery raha misy toetra tsy mety ao amintsika. Azo antoka fa afaka manampy antsika handamina ny zava-manahirana antsika sy hanitsy izay tsy mety izy. Mety ny nihiran’i Davida mpanao salamo hoe: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.”​—Salamo 139:23, 24.

21 Nitalaho tamin’i Jehovah i Davida mba handinika azy, ka hijery raha nisy ‘lalana nampahory’ tao aminy. Moa ve tsy mitovy aminy isika, ka maniry fatratra ny handinihan’Andriamanitra ny fontsika, mba hijerena raha misy antony manosika tsy mety ao? Aoka àry isika hangataka amim-pinoana an’i Jehovah mba handinika antsika. Ahoana anefa raha mitebiteby isika, satria nanao fahadisoana na nisy nampalahelo antsika? Raha izany no izy, dia tokony hivavaka hatrany amin’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana, isika, ka hanaraka ny tari-dalan’ny fanahiny masina sy ny torohevitry ny Teniny. Afaka matoky isika fa hanampy antsika izy mba hananantsika fitondran-tena izay hitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.​—Salamo 40:11-13.

22. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona foana isika?

22 Hanome antsika ny fiainana mandrakizay tokoa i Jehovah, raha manao izay takiny isika. Mazava ho azy fa tsy maintsy manaiky ny heriny sy ny fahefany isika, toa an’i Paoly izay nanoratra hoe: “Ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.” (1 Timoty 1:17) Enga anie isika koa hanaja foana an’i Jehovah amin’ny fontsika, ka ho tapa-kevitra mafy ny hiorina tsara hatrany toy ny mahita Ilay tsy hita, na inona na inona mitranga.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahafahan’ny olona mahita an’Andriamanitra?

• Raha tena misy amintsika i Jehovah, inona no hataontsika rehefa enjehina isika?

• Inona no tokony hataonao raha mihevitra an’i Jehovah ho Mpampianatra Lehibe antsika ianao?

• Nahoana isika no tokony haniry ny hodinihin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Tsy natahotra an’i Farao i Mosesy, ka nampiseho fa toy ny nahita an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy hita maso

[Sary, pejy 21]

Aoka isika tsy hanadino mihitsy fa hitan’i Jehovah izay ataontsika

[Sary, pejy 23]

Mazoto mikaroka ny fahalalana an’Andriamanitra isika, satria mihevitra azy ho Mpampianatra Lehibe antsika