Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly​—Ankamamina sy Rarana

Ny Baiboly​—Ankamamina sy Rarana

Ny Baiboly​—Ankamamina sy Rarana

“Iriko ho voadika amin’ny fiteny rehetra ireo boky masina”, hoy ny nosoratan’i Didier Érasme, manam-pahaizana holandey noderaina, tamin’ny taonjato faha-16.

NY HAHAFAHAN’NY olon-drehetra hamaky sy hahatakatra ny Soratra Masina no vetsovetsom-po lehibe indrindra nananan’i Érasme. Nanda mafy izany hevitra izany anefa ireo mpanohitra ny Baiboly. Raha ny marina, dia toerana nampidi-doza loatra ho an’izay rehetra liana tamin’izay noraketin’ny Baiboly, i Eoropa, tamin’izany fotoana izany. Eny, izany no izy na dia liana kely fotsiny tamin’izay noraketin’ny Baiboly aza ilay olona. Tany Angletera, dia nolanin’ny antenimiera ny lalàna iray, izay nandidy toy izao: “Na iza na iza mamaky ny Soratra Masina amin’ny teny anglisy dia tokony hesorina aminy ny taniny, ny fananany, ny entany, sy ny ainy (...) ary raha mbola mikiry ihany izy, na miverina mamaky indray rehefa avy navela heloka, dia tokony hahantona izy aloha noho ny nivadihany tamin’ny mpanjaka, ary, avy eo, dia hodorana noho ny nihatahany tamin’Andriamanitra.”

Tany amin’ny kontinanta eoropeanina, dia nataon’ny Inquisition Katolika haza lambo tsy nisy indrafo ny sekta “heretika”, toy ny Vaudois frantsay, izay nenjehiny manokana noho ny fahazaran’izy ireo nitory teny “avy tao amin’ny filazantsara sy ny epistily ary ny soratra masina hafa (...) satria voarara tanteraka ho an’ny lahika ny fitoriana sy ny famelabelarana ny soratra masina”. Nisy lehilahy sy vehivavy tsy hita isa niaritra fampijalijaliana faran’izay mafy sy namoy ny ainy, noho ny fitiavan’izy ireo ny Baiboly. Nety ho niharan’ny sazy faran’izay henjana izy ireo tamin’ny nanaovana tsianjery fotsiny ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo na ny Didy Folo, sy tamin’ny nampianarana izany an’ireo zanany.

Mbola velona hatrany tao am-pon’ireo Anglisy maro be niondrana an-tsambo mba hanjanaka an’i Amerika Avaratra, izany fifikirana tamin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Tany Amerika fahiny, “dia nifamatotra akaiky dia akaiky ny vakiteny sy ny fivavahana, ka nahatonga kolontsaina iray niorina tanteraka tamin’ny fahalalana tsara ny Baiboly”, hoy ilay boky hoe A History of Private Life—Passions of the Renaissance. Raha ny marina, dia nampirisika toy izao ny toriteny iray natonta tany Boston tamin’ny 1767: “Mazotoa mamaky ny soratra masina. Tsy maintsy mamaky toko iray avy ao amin’ny Baibolinao ianao, isa-maraina sy isan-kariva.”

Araka ny voalazan’ny Barna Research Group (Fikambanana mpanao fikarohana) any Ventura, any Kalifornia, dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny Amerikanina no manana Baiboly telo amin’ny antsalany. Asehon’ny fandinihana vao haingana iray anefa fa na dia mbola tena asiana hasiny foana aza ny Baiboly any, “dia efa navalon’ny lasa ny fanokanana fotoana hamakiana azy, sy hianarana azy, ary hampiharana azy”. Tsy manana afa-tsy fahalalana ambangovangony ny amin’izay raketin’izy io, ny ankamaroany. Nanamarika toy izao ny mpanoratra an-gazety iray: “Mahalana no hiheverana fa mety mbola hisy akony lehibe eo amin’ireo olana sy fanahiana misy ankehitriny [ny Baiboly].”

Ny fitosaky ny fisainana tsy ara-pivavahana

Inoan’ny besinimaro fa ny fahakingan-tsaina sy ny fiaraha-miasan’ny olombelona fotsiny dia ahafahantsika mahomby eo amin’ny fiainana. Heverina ho iray amin’ireo boky maro momba ireo hevitra ara-pivavahana sy zavatra niainan’olona, ny Baiboly, fa tsy boky mirakitra zava-misy sy araka ny marina.

Koa ahoana àry no iatrehan’ny ankamaroan’ny olona ireo fanapahan-kevitra sarotra sy manahiran-tsaina kokoa hatrany eo amin’ny fiainana? Miasa tsy misy zavatra ara-panahy izy ireo, tsy misy toromarika sy toro lalana ara-pitondran-tena na ara-pivavahana mafy orina. Tonga sahala amin’ny sambo tsy misy familiana izy ireo, “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”.​—Efesiana 4:14.

Koa tsy maintsy manontany àry isika hoe: Boky ara-pivavahana hafa iray fotsiny ve ny Baiboly? Sa kosa tena Tenin’Andriamanitra izy io, ary mirakitra fanazavana azo ampiharina sy tena ilaina? (2 Timoty 3:16, 17). Mendrika ny hodinihintsika ve ny Baiboly? Hivaofy ireo fanontaniana ireo ilay lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Didier Érasme

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ilay boky hoe Deutsche Kulturgeschichte

[Sary, pejy 4]

Nenjehina manokana ireo Vaudois noho ny nitoriany ny Soratra Masina

[Sary nahazoan-dalana]

Stichting Atlas van Stolk, Rotterdam