Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Manangasanga ve ny Firaisan-tsaina Ara-pivavahana?

Efa Manangasanga ve ny Firaisan-tsaina Ara-pivavahana?

Efa Manangasanga ve ny Firaisan-tsaina Ara-pivavahana?

“Vavolombelona manatri-maso ny andro lehibe iray eo amin’ny tantaran’ireo fiangonantsika isika”, hoy i Christian Krause, prezidàn’ny Federasiona Maneran-tanin’ny Loteranina. Mitovy amin’izany koa fa ny Papa Jean-Paul II dia niresaka ny amin’ny “fotoan-dehibe iray eo amin’ilay lalan-tsarotra mitondra ho amin’ny fanorenana indray ny firaisan-tsaina tanteraka eo anivon’ny Kristianina”.

Ny nahatonga azy ireo hanao ireo fanambarana natao tamin-kafanam-po ireo dia ny fanaovan-tsonia ny Fanambarana Iombonana Ofisialy iray tamin’ny 31 Oktobra 1999, tao Augsbourg, any Alemaina, ho fanamafisana ilay Fanambarana Iombonana Momba ny Foto-pampianarana ny Amin’ny Fanamarinana. Voafidy tsara ny fotoana sy ny toerana nanaovana ilay izy. Voalaza fa tamin’ny 31 Oktobra 1517 i Martin Luther no namantsika ireo petra-keviny 95 teo amin’ny varavaran’ilay fiangonan’ny trano mimanda tao Wittenberg, ka tamin’izany dia nanomboka ny Fanavaozana Protestanta. Mazava ho azy fa tao Augsbourg, tamin’ny 1530, no namoahan’ny Loteranina ny foto-pinoany, dia ny Fanekem-pinoan’i Augsbourg, izay nolavin’ny Fiangonana Katolika, ka nitarika ho amin’ilay fisarahan’ny Protestantisma sy ny Katolisisma, izay tsy azo nampihavanina.

Ho dingana lehibe amin’ny fandresena ny fisaraham-bazan’ny fiangonana, araka ny ilazana azy, ve ilay Fanambarana Iombonana? Tsy ny ankolafiny rehetra anefa no nijery ny lafy tsaran-javatra. Teolojianina protestanta 250 mahery no nanao sonia ny fangatahana iray nanohitra ilay fanaovan-tsonia, ka nampitandrina sao hanjary ho eo ambanin’ny fifehezan’ny Eglizy Katolika izy ireo. Tezitra koa ny Protestanta, rehefa nilaza ny Eglizy Katolika fa hisy indolzansy manokana ho an’ny taona 2000, nefa izany indrindra ilay fanao tena nanafaingana ilay fisarahana, tokony ho 500 taona lasa izay. Koa satria samy mbola manan-kery ny Fanekem-pinoan’i Augsbourg sy ny fitsipahan’ny Katolika, tamin’ny alalan’ny Konsilin’i Trente, dia tsy azo antoka velively ny hisian’ny firaisan-tsaina.

Lehibe lavitra noho izay fanarenana mety hoentin’ilay fanaovan-tsonia fanambarana iombonana, ny fisaratsarahana sy ny tsy fifanarahan-kevitra eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Ankoatra izany, dia miankina amin’ny zavatra inoana miorina mafy amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ny firaisan-tsaina eo amin’ny finoana. (Efesiana 4:3-6). Tsy avy amin’ny fitadiavana marimaritra iraisana ny tena firaisan-tsaina, fa avy amin’ny fianarana sy ny fanaovana izay takin’Andriamanitra amintsika. “Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.”​—Mika 4:5.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

© Ralph Orlowski/REUTERS/Archive Photos