Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 6 2016

 TANTARAM-PIAINANA

Nandray ny Fahamarinana Aho na dia Bory Tanana Aza

Nandray ny Fahamarinana Aho na dia Bory Tanana Aza

Mamikitra amin-javatra ny olona rehefa mitady hianjera. Izaho kosa tsy afaka manao an’izany satria bory tanana. Tsy maintsy notapahina ny tanako tamin’izaho fito taona mba hamonjena ny aiko.

Teraka tamin’ny 1960 aho. Vao 17 taona i Neny tamin’izay, ary efa nandao anay i Dada. Niara-nipetraka tamin’i Dadabe sy Bebe tany Burg izahay. Tanàna kely tao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina taloha, na Alemaina Atsinanana, izy io. Betsaka ny olona tsy nino an’Andriamanitra, anisan’izany ny fianakaviako. Tsy niraharaha an’izany Andriamanitra izany izahay.

Tian’i Dadabe ny nanao zavatra niaraka tamiko. Nasainy nanatsofa rantsankazo teny ambony hazo, ohatra, aho. Nahafinaritra ahy izany tamin’ny mbola kely. Sambatra erỳ aho ary tsy nanana ahiahy.

NIHARAN-DOZA

Nisy loza nahatsiravina nitranga, tamin’izaho fito taona. Vao niditra kilasy faharoa aho tamin’izay. Nianika andrin-jiro vy aho teny an-dalana hody, ka main’ny herinaratra rehefa tafakatra valo metatra. Tonga aho dia torana, ary tany amin’ny hopitaly vao nahatsiaro tena. Efa tsy nahatsapa na inona na inona intsony ny tanako tamin’izay. May be izy roa ka nahatsiravina ny nijery azy. Tsy maintsy notapahina àry izy ireo mba tsy hidiran’ny mikraoba ny rako. Mbola kely aho tamin’izany, ka tsy tena takatro ny fiantraikan’ilay izy teo amin’ny fiainako. I Neny sy Bebe ary Dadabe kosa kivy be.

Niverina nianatra aho rehefa nivoaka hopitaly. Nihomehezan’ny ankizy aho, natositosiny, notoratorahany zavatra, satria tsy afaka niaro tena. Naneso sy nanambany ahy koa ry zareo, ka nalahelo be aho. Nalefa tany amin’ny sekoly kilasimandry ho an’ny sembana tany Birkenwerder aho tamin’ny farany. Lavitra be anefa ilay sekoly, ka tsy afaka nitsidika ahy ry Neny. Isaky ny fialan-tsasatra ihany izahay vao mba nihaona. Izany no fiainako nandritra ny folo taona. Tsy nihalehibe teo anilan’i Neny sy Bebe ary Dadabe aho.

NIHALEHIBE NA DIA TSY NISY TANANA AZA

Nianatra nampiasa ny tongotro aho, mba hanaovan-javatra. Lasa haiko hatramin’ny mitazona sotro sy forosety amin’ny tongotra rehefa misakafo. Ny tongotro koa no ampiasaiko rehefa miborosy nify sy mibango volo. Ireo mihitsy aza no ataoko manao fihetsehana rehefa miresaka amin’olona aho. Ny tongotro no lasa solon’ny tanako.

 Lasa tia namaky tantara noforonina momba ny siansa aho rehefa lehibebe. Indraindray aho nanonofinofy hoe nanana tanana arifomba afaka nanao ny zava-drehetra. Lasa nifoka sigara koa aho tamin’izaho 14 taona. Nieritreritra aho hoe hanampy ahy hatoky tena sy hitovy amin’ny rehetra izany. Tiako haseho hoe: ‘Izaho koa ange mahavita an’izany e! Efa lehibe ny olona matoa mifoka, na bory tanana izy na tsia.’

Niezaka ho be atao aho, dia niditra tamin’ny fikambanana ara-tsosialy. Anisan’izany ny fikambanan’ny tanora sosialista alemà, izay notohanan’ny fitondrana. Nanana andraikitra tao aho. Niditra tamin’ny fikambanan’ny mpankafy hira koa aho, nanao poezia, ary nanao spaoro ho an’ny sembana. Nisy fiofanana nataoko, dia avy eo aho niasa tao amin’ny orinasa iray tao an-tanànanay. Nampiasa solon-tanana matetika aho tatỳ aoriana, satria mba te ho hoatran’ny olon-drehetra.

NAHITA NY FAHAMARINANA

Nanatona ahy ny lehilahy iray, indray andro, tamin’izaho niandry lamasinina handeha hiasa. Nanontany ahy izy hoe: ‘Mino ve ianao fa mbola afaka mamerina ny tananao roa Andriamanitra?’ Tsy nahita havaly aho. Tiako aloha ny hanan-tanana indray e! Fa toa nofinofy izany. Efa resy lahatra aho hoe tsy misy izany Andriamanitra izany. Nitsoatsoaka an’io rangahy io foana aho nanomboka teo.

Nanasa ahy ho any amin’ny fianakaviany ny mpiara-miasa tamiko, tatỳ aoriana. Niara-nisotro kafe izahay ary niresaka momba an’Andriamanitra, na i Jehovah, ny ray aman-dreniny. Teo aho vao nahalala hoe manana anarana Andriamanitra. (Salamo 83:18) Niteny anakampo anefa aho hoe: ‘Tsy misy izany Andriamanitra izany, na iza ny anarany na iza. Hoporofoiko amin’ireto olona ireto hoe diso ry zareo.’ Nanaiky hiresaka tamin’izy ireo momba ny Baiboly aho, satria natoky hoe marina ny ahy. Tsy vitako anefa ny nanaporofo hoe tsy misy Andriamanitra.

Lasa niova hevitra tsikelikely aho, rehefa nandinika an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izahay. Maro amin’izy ireny no efa tanteraka, na dia nosoratana an-jatony na an’arivony taona mialoha aza. Nampitahainay tamin’ny zava-mitranga eran-tany ny faminaniana ao amin’ny Matio toko faha-24 sy ny Lioka toko faha-21 ary ny 2 Timoty toko faha-3. Manampy ny dokotera hamantatra ny aretin’ny marary ny soritr’aretina maromaro mitambatra. Toy izany koa, fa lasa fantatro avy amin’ireny fisehoan-javatra resahin’ny faminaniana ireny hoe miaina amin’ny “andro farany” isika. * Gaga be aho. Ny masoko mihitsy no mahita hoe tanteraka izy ireny.

Niaiky aho hoe nahita ny fahamarinana. Nanomboka nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary niala tamin’ny sigara na dia efa folo taona mahery aza aho no mpifoka be. Herintaona teo ho eo aho no nianatra  Baiboly. Natao batisa an-tsokosoko tao anaty kovetabe fandroana aho, tamin’ny 27 Aprily 1986. Mbola voarara mantsy ny asan’ny Vavolombelona tany Alemaina Atsinanana tamin’izany.

MANAMPY OLON-KAFA

Vitsivitsy izahay tamin’izany no niara-nivory noho ilay fandrarana, ka tsy nahalala Vavolombelona firy aho. Tsy nampoiziko anefa fa navelan’ny fanjakana nankany Alemaina Andrefana aho. Tsy voarara ny asantsika tany. Tamin’izay aho vao nanatrika fivoriambe ara-baiboly ka nahita rahalahy sy anabavy an’arivony. Tena fotoana niavaka iny!

Tsy voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa rava ny Rindrin’i Berlin. Afaka nanompo an’i Jehovah an-kalalahana izahay. Te hitory bebe kokoa aho, nefa natahotra ny hiresaka tamin’olona tsy fantatro. Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny mantsy aho, noho izaho bory tanana sy efa nipetraka ela tany amin’ny toerana fitaizana sembana. Niezaka anefa aho tamin’ny 1992 mba hitory adiny 60 nandritra ny iray volana. Faly be aho fa vitako ilay izy, ka notohizako foana nandritra ny telo taona teo ho eo.

Tadidiko foana ilay andinin-teny hoe: “Iza no malemy ka tsy malemy aho?” (2 Korintianina 11:29) Mbola miasa tsara ny saiko ary afaka miteny aho, na dia sembana aza. Manao izay fara heriko àry aho mba hanampiana ny hafa. Bory tanana aho, dia azoko tsara ny mahazo ny olona kilemaina. Takatro tsara ny fihetseham-pony, rehefa misy zavatra tena tiany hatao nefa tsy vitany. Te hampahery ny olona toy izany aho. Faly aho fa afaka manampy azy ireo.

Mahafaly ahy ny mitory ny vaovao tsara amin’ny hafa

MANAMPY AHY I JEHOVAH ISAN’ANDRO

Kivy ihany anefa aho indraindray, satria mba te ho toy ny olon-drehetra. Vitako ihany ny ankamaroan’ny zavatra fanaon’ny olona andavanandro, saingy mila miezaka be aho sady mandany fotoana sy hery be vao mahavita an’ilay izy. Izao foana ny teny filamatro: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Manome hery ahy i Jehovah isan’andro, mba hahavitako ny zavatra fanao andavanandro. Tsapako hoe nanampy ahy foana izy, dia vonona hanompo azy foana aho.

Nomen’i Jehovah fianakaviana aho. Izany mantsy no nahory ahy nandritra ny fahazazako sy ny fahatanorako. Elke no anaran’ny vadiko, ary be fitiavana sy mangoraka izy. Lasa manana rahalahy sy anabavy koa aho eran-tany, dia ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany.

Miaraka amin’i Elke vadiko

Mampahery ahy ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hisy Paradisa. Homeny tanana vaovao aho amin’izay, satria hataony “vaovao ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 21:5) Azoko tsara io fampanantenana io, rehefa misaintsaina ny zavatra nataon’i Jesosy tetỳ an-tany aho. Nisy nanapaka, ohatra, ny sofin’ny lehilahy iray, ary ny iray hafa maty tanana, nefa vetivety fotsiny ny nanasitranany azy ireo. (Matio 12:13; Lioka 22:50, 51) Ny fampanantenan’i Jehovah sy ireo fahagagana nataon’i Jesosy no manampy ahy hatoky fa kely sisa aho dia hanan-tanana indray.

Ilay izaho afaka nahalala an’i Jehovah Andriamanitra anefa no fitahiana lehibe indrindra azoko. Lasa raiko sy namako izy, ary mpampionona sy mpampahery ahy. Miaiky toa an’i Davida Mpanjaka aho hoe: “I Jehovah no heriko ... Nanampy ahy izy ka faly ny foko.” (Salamo 28:7) Noraisiko ho ahy io fahamarinana io na dia bory tanana aza aho, ary tiako hotadidina mandritra ny androm-piainako.

^ feh. 17 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 9 hoe “‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo jerena ao amin’ny Internet, ao amin’ny www.jw.org/mg.