Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 6 2016

Lefèvre d’Étaples: Tiany Hahalala ny Baiboly ny Sarambabem-bahoaka

Lefèvre d’Étaples: Tiany Hahalala ny Baiboly ny Sarambabem-bahoaka

ALAHADY maraina tamin’izay. Tsy nampoizin’ny mpiangona tao Meaux, tanàna kely any akaikin’i Paris, ny zavatra reny. Novakina tamin’ny fiteniny mantsy ny Filazantsara, izany hoe tamin’ny teny frantsay fa tsy tamin’ny teny latinina. Taoriana kelin’ny 1520 izany no nitranga.

I Lefèvre d’Étaples no nandika an’ilay Filazantsara tamin’ny teny frantsay. Izao no nosoratany tamin’ny namany akaiky, tatỳ aoriana: “Tsy ho azonao an-tsaina mihitsy ny fomba anampian’Andriamanitra ny olon-tsotra mba hahazo izay lazain’ny Teniny.”

Tsy neken’ny Eglizy Katolika sy ny teolojianina tao Paris, tamin’izany, ny handikana ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny besinimaro. Inona àry no nahatonga an’i Lefèvre handika ny Baiboly tamin’ny teny frantsay? Ary ahoana no nanampiany ny sarambabem-bahoaka hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra?

NIEZAKA HAHAZO NY TENA DIKAN’NY SORATRA MASINA IZY

Nikaroka momba an’ireo asa soratra grika sy latinina fahiny i Lefèvre, ary naveriny tamin’ny laoniny ny hevitra tao anatiny. Taorian’izay izy vao lasa mpandika Baiboly. Voamariny fa be diso ny asa soratra fahiny, satria nadika vilana nandritra ny taonjato maro. Te hahazo izay tena tian’izy ireny holazaina izy, ka nanomboka nandalina ny Vulgate latinina, izay Baiboly fampiasan’ny Eglizy Katolika.

Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Lefèvre ka nanatsoaka hevitra fa ‘ny fianarana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ihany no tena mahasambatra.’ Tsy nianatra momba ny filozofia intsony àry izy fa nifofotra nandika Baiboly.

Nisy dimy ny dikan-tenin’ny bokin’ny Salamo tamin’ny teny latinina. Namoaka boky * nahafahana nampitaha an’ireo dikan-teny ireo i Lefèvre, tamin’ny 1509. Navoakany tao koa ny fanitsiana nataony tamin’ny Vulgate. Tsy nanao toy ny teolojianina tamin’izany izy, fa niezaka nitady teny tsotra sy fampiasan’ny olona rehefa nandika andinin-teny. Nisy vokany be tamin’ny mpitondra fanavaozana sy ny manam-pahaizana hafa momba ny Baiboly io fomba fiasany io.—Jereo ilay efajoro hoe “ Nisy Vokany Tamin’i Martin Luther ny Asan’i Lefèvre.”

Tabilao ahitana ny anaram-boninahitr’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Lefèvre, 1513

Katolika hatramin’ny mbola kely i Lefèvre. Resy lahatra izy hoe hisy fanavaozana ao amin’ny Eglizy, raha ampianarina tsara ny Soratra Masina ny sarambabem-bahoaka. Mbola tamin’ny teny latinina anefa ny ankamaroan’ny Soratra Masina tamin’izany. Ahoana àry no hanampiana ny sarambabem-bahoaka?

BAIBOLY HO AN’NY REHETRA

Tena tian’i Lefèvre hanana Baiboly amin’ny fiteniny ny olon-drehetra, raha jerena ny sasin-tenin’ilay Filazantsara nadikany

Tena tian’i Lefèvre ny Tenin’Andriamanitra, ka tapa-kevitra hanao izay ho afany izy mba ho  maro be ny olona hanana azy io. Nadikany tamin’ny teny frantsay àry ny Filazantsara. Navoakany tamin’ny boky roa fanao am-paosy izany, tamin’ny Jona 1523. Antsasaky ny vidin’ny Baiboly mahazatra ny vidin’izy io ka takatry ny mahantra.

Tonga dia be mpitia ilay izy. Tena te hamaky ny tenin’i Jesosy tamin’ny fiteniny ny olona, ka volana vitsivitsy fotsiny dia efa lany ireo boky 1200 natao pirinty voalohany.

SAHY NIARO NY BAIBOLY IZY

Nilaza i Lefèvre ao amin’ny sasin-tenin’ilay Filazantsara nadikany tamin’ny teny frantsay fa ny tanjony dia ny “hahalalan’ny mpiangona tsotra ny fahamarinana ao, toa an’ireo manana ny Filazantsara amin’ny teny latinina ihany.” Nahoana anefa izy no naniry mafy hanampy ny sarambabem-bahoaka hahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly?

Fantany tsara hoe nisy vokany ratsy teo amin’ny Eglizy Katolika ny fampianaran’olombelona sy ny filozofia. (Marka 7:7; Kolosianina 2:8) Niaiky izy hoe tonga ny fotoana “hanambarana eran-tany” izay tena resahin’ny Filazantsara, “amin’izay ny olona tsy ho voafitaky ny fampianaran’olombelona intsony.”

Niezahan’i Lefèvre naharihary koa fa diso hevitra ireo nanohitra ny handikana ny Baiboly tamin’ny teny frantsay. Hoy izy: “Ahoana moa no  hahafahany hampianatra [ny olona] hankatò ny didin’i Jesosy Kristy rehetra, nefa ny olon-tsotra aza tsy avelany hahita sy hamaky ny Filazantsara amin’ny fiteniny?”—Romanina 10:14.

Tsy mahagaga raha nitady hanakantsakana ny asan’i Lefèvre ny teolojianina tany amin’ny Oniversiten’i Paris. Noraran’izy ireo ny fandikana Baiboly sy ny fanazavana ny hevitra ao amin’izy io, tamin’ny Aogositra 1523. “Manimba ny Eglizy”, hono, izany. Soa ihany fa teo i François I, mpanjaka frantsay, fa raha tsy izany dia efa voaheloka ho mpivadi-pinoana i Lefèvre.

VITANY IHANY ILAY ASA

Nandika Baiboly foana i Lefèvre, na dia niadian-kevitra be aza ny zavatra nataony. Namoaka ny Salamo tamin’ny teny frantsay izy tamin’ny 1524, rehefa voadikany ny Soratra Grika (na Testamenta Vaovao). Tiany “hazoto kokoa hivavaka sy hivavaka amin’ny fo” mantsy ny mpino.

Nofakafakain’ireo teolojianina tao amin’ny Oniversiten’i Paris avy hatrany ny asa soratr’i Lefèvre. Tsy ela dia namoaka didy izy ireo hoe hodorana imasom-bahoaka ilay Soratra Grika nadikany. Nilaza koa izy ireo hoe “manohana ny fivadiham-pinoan’i Luther” ny asa soratr’i Lefèvre hafa. Nampanantsoin’ireo teolojianina izy mba hanazava ny heviny. Naleony anefa nimpirimpirina ary nandeha nitsoaka tany Strasbourg izy. Mbola nandika Baiboly izy tany fa niafina. Nisy nihevitra hoe kanosa i Lefèvre matoa nimpirimpirina sy nitsoaka. Nino anefa izy fa izany no fomba tsara indrindra hamaliana an’ireo tsy nankasitraka ny fahamarinana ara-baiboly, izay toy ny “perla” sarobidy.—Matio 7:6.

Nasain’ny Mpanjaka François I hampianatra an’i Charles, zanany lahy efa-taona, i Lefèvre, herintaona latsaka taorian’ny nandosirany. Nanam-potoana betsaka hamitana ny fandikana ny Baiboly àry izy. Neken’ny Mpanjaka Charles Faha-5 atao pirinty tany Belzika, izany hoe tany ivelan’i Frantsa, ilay Baiboly manontolo tamin’ny 1530. *

TSY TANTERAKA NY FANIRIANY

Nanantena foana i Lefèvre hoe tsy ny hevitr’olombelona intsony no hampianarin’ny Eglizy, fa izay tena resahin’ny Soratra Masina. Tena nino izy fa “zo sady adidin’ny Kristianina tsirairay ny mamaky sy mianatra samirery ny Baiboly.” Izany no nahatonga azy hanao izay ho afany mba hananan’ny olon-drehetra azy io. Marina aloha hoe tsy tanteraka ilay fanavaozana nantenainy. Tsy azo lavina anefa fa nanampy ny sarambabem-bahoaka hahalala ny Baiboly izy.

^ feh. 8 Natao tao anaty tsanganana iray avy ny dikan-teny tsirairay. Misy tabilao ahitana ny anaram-boninahitr’Andriamanitra ao amin’io boky io. Hita ao koa ny Litera Efatra amin’ny teny hebreo manondro ny anaran’Andriamanitra.

^ feh. 21 Namoaka dikan-tenin’ny Baiboly i Olivétan (Frantsay), tamin’ny 1535. Ny sora-tanana tany am-boalohany no niaingany. Ny asan’i Lefèvre no tena nampiasainy rehefa nandika ny Soratra Grika izy.

Fanampim-panazavana

Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly?

Tokony hiavaka ny Baiboly raha Andriamanitra no nampanoratra azy.