Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 6 2016

 MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO ASEHON’IREO FAHITANA MOMBA NY LANITRA?

Iza avy no Mipetraka any An-danitra?

Iza avy no Mipetraka any An-danitra?

‘Mba hoatran’ny ahoana ny any an-danitra any, ary iza no mipetraka any?’ Efa ela be ny olona no nanombantombana momba izany. Ao ny milaza fa any no misy ny fanahin’ireo razana, izay tsy maintsy omem-boninahitra. Misy indray mihevitra hoe toeram-pahasambarana ny lanitra, ary any no misy ny anjely sy ny olona tsara fanahy efa maty. Ny hafa kosa mino fa any no fonenan’ireo andriamanitra an-jatony tapitrisa.

Maro no milaza fa tsy misy mahalala an’izay any an-danitra any, satria mbola tsy nisy nahita ny tany. Diso hevitra anefa izy ireo. Efa tany an-danitra i Jesosy Kristy talohan’ny nankanesany tetỳ. Hoy izy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” Ny zavatra hitan’ny masony mihitsy àry no noresahin’i Jesosy, rehefa nilaza tamin’ny apostoliny izy hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro.”—Jaona 6:38; 14:2.

Andriamanitra no Rain’i Jesosy. Jehovah no anarany, ary any an-danitra ny ‘tranony.’ (Salamo 83:18) Izy sy Jesosy Kristy àry no tena mahalala ny any. Nanome fahitana an’ireo olona nanam-pinoana fahiny anefa izy mianaka, mba hahalalantsika momba ny lanitra.

Hiresaka momba ny fahitana maromaro resahin’ny Baiboly ny lahatsoratra manaraka. Tadidio anefa fa tsy azo tsapain-tanana na hita maso izay asehon’ireny fahitana ireny. Tsy nataon’Andriamanitra saro-takarina koa izy ireny, mba tsy hoe ny anjely ihany no mahazo ny tiana haseho ao, fa isika olombelona koa. Amin’izay, dia ho fantatsika hoe iza no mipetraka ao amin’ireo “fonenana maro” any an-danitra.