Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO ASEHON’IREO FAHITANA MOMBA NY LANITRA?

Fahitana Momba An’ireo Mipetraka any An-danitra

Fahitana Momba An’ireo Mipetraka any An-danitra

Manampy antsika hahita ny any an-danitra ireo fahitana mahavariana ao amin’ny Baiboly. Asaina àry ianao handinika tsara azy ireny. Marina aloha fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny daholo izay asehon’ireo fahitana. Ho hitanao avy amin’izy ireny anefa hoe iza avy no mipetraka any an-danitra, ary inona no ataon’izy ireo ho anao.

JEHOVAH NO FARA TAMPONY

“Nisy seza fiandrianana teo amin’ny toerany tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo amboniny. Tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana an’ilay mipetraka, ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana izay hoatran’ny emeraoda no fahitana azy.”—Apokalypsy 4:2, 3.

“Namirapiratra ny manodidina azy. Nahita zavatra hoatran’ny avana [i Ezekiela], dia avana miseho eny amin’ny rahona rehefa mirotsaka ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah no fahitana an’ilay izy.”—Ezekiela 1:27, 28.

Hitan’ny apostoly Jaona sy Ezekiela mpaminany tamin’ireo fahitana ireo fa be voninahitra i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Zavatra fantatsika tsara no hitan’izy ireo: Vatosoa mamirapiratra, avana, ary seza fiandrianana lehibe. Asehon’izany fa tena tsara sy mahafinaritra ary milamina ny eo anatrehan’i Jehovah.

Mifanaraka tsara amin’ny tenin’ny mpanao salamo izany. Hoy izy: “Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa. Mendrika hatahorana kokoa noho ny andriamanitra rehetra izy. Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena, fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra. Haja amam-boninahitra no eo anatrehany, ary hery sy hatsarana no ao amin’ny toerany masina.”—Salamo 96:4-6.

I Jehovah no Fara Tampony, nefa asainy manatona azy sy mivavaka aminy isika. Manome toky izy fa hihaino antsika. (Salamo 65:2) Tena tia sy miahy antsika izy, ka niaiky ny apostoly Jaona hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.

EO ANILAN’ANDRIAMANITRA I JESOSY

“Feno fanahy masina [i Stefana mpianatr’i Kristy] ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra. Dia hoy izy: ‘Io fa hitako ny lanitra misokatra, ary ny Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.’”—Asan’ny Apostoly 7:55, 56.

Niresaka tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy i Stefana teo. Ireo mihitsy anefa no nampamono an’i Jesosy, taloha kelin’ny nahazoany an’ilay fahitana. Hitan’i Stefana fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka velona ary nomem-boninahitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Nanangana [an’i Jesosy] tamin’ny maty [i Jehovah] sy nametraka azy teo ankavanany any amin’ny faritry ny lanitra, ho ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary ny anarana rehetra nomena, tsy eto amin’ity tontolo ity ihany, fa any amin’ilay ho avy koa.”—Efesianina 1:20, 21.

Manana toerana ambony i Jesosy nefa tena miahy olona, toa an’i Jehovah ihany. Nanasitrana ny marary sy kilemaina izy teto an-tany, ary nanangana ny maty. Nanome ny ainy ho sorona koa izy, satria tena tia an’Andriamanitra sy ny olona. (Efesianina 2:4, 5) Mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra izao i Jesosy. Tsy ho ela izy dia hampihatra ny fahefany ary hitondra fitahiana maro ho an’ny olona mankatò, na aiza izy ireo na aiza.

MANOMPO AN’ANDRIAMANITRA NY ANJELY

“Mbola nijery ihany [i Daniela mpaminany] mandra-pametraka seza fiandrianana, ary nipetraka teo [i Jehovah] Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be. ... Arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.”—Daniela 7:9, 10.

Tsy anjely iray monja no hitan’i Daniela tany an-danitra fa be dia be. Tena nahavariana ilay fahitana! Fanahy mahery sy mahira-tsaina ny anjely, ary be voninahitra. Misy sokajiny izy ireny, toy ny hoe serafima sy kerobima. In-250 mahery ny Baiboly no miresaka momba ny anjely.

Tsy olona efa niaina tetỳ an-tany no lasa anjely. Efa ela be talohan’ny olombelona mantsy izy ireny no noforonin’Andriamanitra. Hitany ny nanorenana ny tany, ka nihoby avokoa izy ireo.—Joba 38:4-7.

Mandray anjara amin’ny asa lehibe indrindra atao etỳ an-tany izao ny anjely, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Anisan’ny fanompoany an’Andriamanitra izany, araka ny asehon’ny fahitana azon’ny apostoly Jaona. Hoy izy: “Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apokalypsy 14:6) Tsy miresaka mivantana amin’ny olona intsony izao ny anjely. Tena manampy an’ireo mpitory hahita an’izay olona tso-po anefa izy ireo.

MAMITAKA OLONA AN-TAPITRISANY I SATANA

“Nisy ady nipoaka tany an-danitra: I Mikaela [Jesosy Kristy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”—Apokalypsy 12:7-9.

Tsy hoe nilamina foana akory ny tany an-danitra. Nikomy tamin’i Jehovah mantsy ny anjely iray, taoriana kelin’ny namoronana ny olona, satria te hotompoina. Lasa nantsoina hoe Satana na “Mpanohitra” àry izy. Nisy anjely hafa niandany taminy koa tatỳ aoriana, ka lasa demonia. Faran’izay ratsy toetra izy ireo, ka manohitra mafy an’i Jehovah sady mitaona ny ankamaroan’ny olona handa ny tari-dalan’ilay Andriamanitra be fitiavana.

Ratsy saina sy lozabe i Satana sy ny demoniany. Fahavalon’ny olona izy ireo, ary anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fijaliana eran-tany. Novonoin’i Satana, ohatra, ny biby fiompy sy ny mpanompon’ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Joba. Avy aminy koa ilay “rivotra mahery” nampianjera ny trano nisy azy folo mianadahy zanak’i Joba. Maty daholo àry izy ireo. Avy eo dia nasian’i Satana “vay mampanaintaina be i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.”—Joba 1:7-19; 2:7.

Haringana tsy ho ela anefa i Satana. Natsipy tetỳ amin’ny manodidina ny tany izy, ka fantany fa “fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12) Ho ratsy fiafara izy, ary vaovao tsara tokoa izany!

IREO OLONA AVY ETO AN-TANY

“Ny ranao [ran’i Jesosy] no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:9, 10.

Toa an’i Jesosy, dia hatsangana amin’ny maty ny olona sasany mba hiaina any an-danitra. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny tsy nivadika: “Handeha hanomana toerana ho anareo aho. ... Ho avy indray [aho] ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”—Jaona 14:2, 3.

Hiara-manjaka amin’i Jesosy ny olona sasany, matoa mankany an-danitra. Hifehy ny tany manontolo izy ireo, ka hitondra fitahiana ho an’ny mponina eto. Ilay Fanjakana hotantanan’izy ireo no nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany ho tonga, tao amin’ilay vavaka modely hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Matio 6:9, 10.

INONA NO HATAON’IREO HO ANY AN-DANITRA?

“Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana [ny apostoly Jaona], nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’”—Apokalypsy 21:3, 4.

Resahin’io fahitana io ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hotarihin’i Jesosy sy ireo olona natsangana ho any an-danitra. Hamarana ny fitondran’i Satana io fanjakana io, ary hanova ny tany ho paradisa. Tsy hisy intsony ny fanaintainana sy ny alahelo, ary na ny fahafatesana aza.

Hanao ahoana kosa ireo olona an’arivony tapitrisa efa maty, nefa tsy ho any an-danitra? Hovelomina indray izy ireo, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Lioka 23:43.

Asehon’ireo fahitana ireo fa tena mitady izay hahasoa antsika i Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy zanany, ny anjely tsy mivadika, ary ireo olona novidina avy teto an-tany. Raha te hahalala bebe kokoa momba izay hataon’izy ireo ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na midira ao amin’ny tranonkalanay www.jw.org/mg ary alaivo ao ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?