Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 2 2017

Nahazoam-bola be ny fivarotana andevo avy atsy Afrika nankany Amerika

Mbola ho Foana ve ny Fanandevozana?

Mbola ho Foana ve ny Fanandevozana?

Nankany Eoropa i Tania * satria nisy nampanantena fa ho lasa mpanao volo izy. Novonovonoina nandritra ny folo andro anefa izy, sady norahonana hoe hiharan’ny herisetra ny fianakaviany any an-tanànany raha tsy nivaro-tena izy. Nanaiky tsy fidiny izy.

Sarin’ireo andevo babo tany Ejipta fahiny

Nisy vehivavy niandraikitra an’ilay toerana fivarotan-tena niasan’i Tania. Nasain’izy io nandoa 40 000 euros mahery izy, ka nila nanome azy 200 ka hatramin’ny 300 euros isan’alina. * Hoy i Tania: “Matetika aho no te hitsoaka, nefa natahotra sao dia maninomaninona ny fianakaviako. Voafandrika aho.” Hoatr’izany ny fiainan’ny olona efatra tapitrisa eo ho eo, izay lasa toy ny andevo satria ampiasaina hivaro-tena.

Namidin’ny rahalahiny ho andevo ny tovolahy iray atao hoe Josefa, efa ho 4 000 taona lasa izay. Lasa mpiasa tao an-tranon’ny olona ambony iray tao Ejipta izy. Tsara fanahy taminy ny mpampiasa azy tamin’ny voalohany, tsy hoatran’ny an’i Tania. Nendrikendrehin’ny vadin’izy io ho nitady hanolana azy anefa i Josefa, rehefa tsy nanaiky hanao firaisana taminy. Naiditra am-ponja àry izy ary nofatorana gadra vy.Genesisy 39:1-20; Salamo 105:17, 18.

Andevo tamin’ny andro fahiny i Josefa, fa i Tania kosa andevo amin’izao taonjato misy antsika izao. Samy namidy izy ireo. Efa fanao hatry ny ela ny nivarotra olona, ka natao toy ny entam-barotra hahazoam-bola fotsiny ilay olona.

MORA NAHAZOANA ANDEVO NY ADY

Mora tamin’ny firenena maro ny nahazo andevo taorian’ny ady. Voalaza fa nahazo babo 90 000 i Thoutmosis III, mpanjaka ejipsianina, rehefa avy nanafika an’i Kanana indray mandeha monja. Nandevozin’ny Ejipsianina izy ireny, ka nasainy niasa teny amin’ny toeram-pitrandrahana, nanorina tempoly, ary nanamboatra lakandrano.

Nahazoana andevo be dia be koa ny ady, nandritra ny fitondrana romanina. Ny fitadiavana andevo  mihitsy aza indraindray no niteraka ady. Efa ho ny antsasaky ny mponina tao Roma no andevo, tamin’ny taonjato voalohany, araka ny tombana. Tsy nifaditrovana tamin’ireo andevony ny Ejipsianina sy Romanina. Telopolo taona teo ho eo monja, ohatra, ny androm-piainan’ny andevo niasa teny amin’ny toeram-pitrandrahan’ny Romanina.

Tsy nihalefy anefa ny fanandevozana na nandeha aza ny fotoana. Anisan’ny varotra nahazoam-bola be indrindra ny fivarotana andevo avy atsy Afrika nankany Amerika, teo anelanelan’ny taonjato faha-16 sy faha-19. Nanao tatitra ny UNESCO fa ‘tombanana ho 25 ka hatramin’ny 30 tapitrisa ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy nalaina an-keriny mba hamidy.’ Voalaza fa ana hetsiny no maty nandritra an’ilay dia namakivaky ny Oseana Atlantika. Hoy i Olaudah Equiano, andevo tafavoaka velona tamin’ilay dia: “Nahatsiravina ny nahita an’ireo vehivavy nikiakiaka sy ireo niala aina nitaraindraina. Sarotra ninoana ilay izy.”

Indrisy fa mbola tsy navalon’ny lasa ny fanandevozana. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa fa mbola misy 21 tapitrisa eo ho eo ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy andevo. Zara raha mahazo karama izy ireny na tsy mahazo mihitsy. Maro no andevozina any amin’ny toeram-pitrandrahana, orinasa mpanao lamba na biriky, ary trano fivarotan-tena. Misy koa mpiasa an-trano. Voararan’ny lalàna ireo nefa hoatran’ny mbola mitombo.

An-tapitrisany no mbola andevozina ankehitriny

TE HO AFAKA

Nampijalina be ireo andevo, ka maro taminy no niady mafy mba ho lasa olona afaka. Nikomy tamin’i Roma ilay gladiatera atao hoe Spartacus sy ny andevo iray hetsy teo ho eo, tamin’ny taona 73 Talohan’i Kristy, saingy tsy nahomby. Nikomy tamin’ireo mpampiasa azy koa ny andevo tany Hispaniola, nosy any amin’ny Ranomasina Karaiba, taloha kelin’ny 1800. Tena nampijalina mantsy izy ireo rehefa niasa teny amin’ny toeram-pambolena fary. Niteraka ady an-trano naharitra 13 taona ilay fikomiana, ary nahatonga an’i Haïti ho lasa firenena mahaleo tena tamin’ny 1804.

Ny nialan’ny Israelita tao Ejipta anefa no tena niavaka indrindra teo amin’ny tantara. Firenena iray manontolo, izay nety ho nisy olona telo tapitrisa, no afaka tamin’ny fanandevozana ejipsianina. Tena mendrika an’izany izy ireo. Milaza mantsy ny Baiboly fa niharan’izao “karazam-panandevozana rehetra izao” izy ireo, “teo ambany fitondrana jadona.” (Eksodosy 1:11-14) Nasain’ny Farao novonoina mihitsy aza ny zaza vao teraka mba tsy hitombo isa ny Israelita.—Eksodosy 1:8-22.

 Miavaka ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, satria Andriamanitra mihitsy no nanampy azy ireo. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Fantatro tsara ny fijaliany. Hidina aho hanafaka azy.” (Eksodosy 3:7, 8) Mbola mankalaza ny Paska isan-taona ny Jiosy hatramin’izao, mba hahatsiarovana an’io fotoana io.Eksodosy 12:14.

MBOLA HO FOANA NY FANANDEVOZANA

Milaza ny Baiboly hoe “tsy misy tsy fahamarinana ao amin’i Jehovah Andriamanitsika” ary tsy miova izy. (2 Tantara 19:7; Malakia 3:6) Nirahin’Andriamanitra i Jesosy mba “hitory fanafahana amin’ny babo” ary “hanafaka sy handefa ny ory.” (Lioka 4:18) Midika ve izany fa hanafaka ny andevo rehetra izy? Tsia. Nirahina kosa izy mba hanafaka ny olona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Hoy izy tatỳ aoriana: “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Mbola manafaka ny olona amin’ny fomba samihafa ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy, na dia hatramin’izao aza.—Jereo ilay efajoro hoe “ Afaka Tamin’ny Fanandevozana Karazany Hafa.”

Tsy mitovy ny fomba nanampian’Andriamanitra an’i Josefa sy Tania mba ho afaka amin’ny fanandevozana. Ho hitanao ao amin’ny Genesisy toko faha-39 ka hatramin’ny faha-41 fa miavaka ny tantaran’i Josefa. Nanao ahoana kosa ny an’i Tania?

Voaroaka tany amin’ilay firenena eoropeanina nipetrahany i Tania, ary nankany Espaina. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany ary nanomboka nianatra Baiboly. Tapa-kevitra ny hanova ny fiainany izy ka niova asa. Noreseny lahatra koa ilay vehivavy nampiasa azy taloha mba hampihena ny trosa aloany isam-bolana. Niantso azy io vehivavy io indray andro. Nofoanany ny trosan’i Tania ary nangata-pamelana izy. Fa nahoana? Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Hoy i Tania: “Manafaka antsika amin’ny fomba mahagaga ny fahamarinana.”

Nalahelo be i Jehovah rehefa nahita an’ireo andevo israelita nampijalina tany Ejipta. Azo antoka fa malahelo be koa izy mahita ny tsy rariny misy ankehitriny. Marina fa misy zavatra mila ovana be eo amin’ny fiaraha-monina vao ho foana ny fanandevozana rehetra. Mampanantena anefa Andriamanitra fa hanao an’izany izy. ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’2 Petera 3:13.

^ feh. 2 Novana ny anarana.

^ feh. 3 Nitentina 56 000 000 ariary ny trosany tamin’izany, ka nila nanome 280 000 ka hatramin’ny 420 000 ariary isan’alina izy.