Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 2 2017

Hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo ho tafavoaka velona amin’ny andro farany

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

“Andro farany” ve izao iainantsika izao?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Hita hoe “andro farany” izao iainantsika izao, rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-misy.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Hampiavaka ny andro farany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mandringana.Matio 24:3, 7; Lioka 21:11.

  • Tsy hiraharaha an’Andriamanitra sy ho ratsy fitondran-tena koa ny olona amin’ny andro farany.2 Timoty 3:2-5.

Hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona?

Misy milaza fa ... tapitra ny andro farany rehefa potika ny tany ary ringana daholo ny olona. Misy indray mieritreritra hoe mbola hihatsara ny fiainana. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”Salamo 37:29.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?