Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 37

Afaka Matoky An’ireo Rahalahinao Ianao

Afaka Matoky An’ireo Rahalahinao Ianao

“Ny fitiavana ... mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra.”​—1 KOR. 13:4, 7.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika no tsy gaga raha be dia be no tsy matoky olona amin’izao?

 TSY hitan’ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana intsony hoe iza no azo itokisana. Diso fanantenana foana mantsy ry zareo, noho ny ataon’ny mpanao raharaham-barotra sy ny mpanao politika ary ny mpitondra fivavahana. Lasa tsy atokisany hatramin’ny namany sy ny mpiara-monina aminy, ary na ny fianakaviany aza. Tsy mahagaga antsika izany! Efa nilaza mantsy ny Baiboly hoe: “Amin’ny andro farany, ... ny olona ... ho mora mivadika, ... ho mpanendrikendrika, ... ho mpamadika.” Lasa manahaka ny andriamanitr’izao tontolo izao ry zareo, nefa izy io tsy azo itokisana mihitsy.​—2 Tim. 3:1-4; 2 Kor. 4:4.

2. a) Iza avy no azontsika atokisana tanteraka? b) Inona no mety hampisalasala ny sasany amintsika?

2 Kristianina anefa isika ka fantatsika fa azontsika atokisana tanteraka i Jehovah. (Jer. 17:7, 8) Resy lahatra isika hoe tia antsika izy sady ‘tsy hahafoy [ny namany] mihitsy.’ (Sal. 9:10) Afaka matoky an’i Kristy Jesosy koa isika satria nanome ny ainy ho antsika izy. (1 Pet. 3:18) Tsy izay ihany fa isika mihitsy no mahita hoe azo itokisana ny tari-dalan’ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Noho izany, dia afaka matoky tanteraka an’i Jehovah sy Jesosy ary ny Baiboly isika. Ary ahoana ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana? Azo itokisana foana ve ry zareo? Raha izany, dia nahoana isika no afaka matoky an-dry zareo?

MILA NY RAHALAHY SY ANABAVY ISIKA

Manana rahalahy sy anabavy azo itokisana ianao eran-tany, ary tia an’i Jehovah hoatr’anao ry zareo (Fehintsoratra 3)

3. Inona ny tombontsoa miavaka anananao? (Marka 10:29, 30)

3 Nofidin’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviambeny maneran-tany ianao. Tombontsoa be izany sady tena mahasoa! (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Eritrereto ange e! Manana rahalahy sy anabavy ianao eran-tany. Tia an’i Jehovah hoatr’anao ry zareo, ary manao izay tratry ny heriny mba hanarahana ny fitsipiny. Marina hoe tsy mitovy fiteny sy kolontsaina ary fomba fiakanjo ianareo, nefa mifandray am-po na dia sambany vao mihaona aza. Tiantsika ny miaraka amin’ny mpiara-manompo, indrindra rehefa midera sy manompo an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.​—Sal. 133:1.

4. Maninona isika no mila ny rahalahy sy anabavintsika?

4 Amin’izao indrindra isika sy ny rahalahy sy anabavy no mila miray saina. Fa maninona? Satria ry zareo indraindray no manampy antsika rehefa misy manavesatra antsika. (Rom. 15:1; Gal. 6:2) Ny mpiara-manompo koa no mandrisika antsika hazoto amin’ny fanompoana sy hinamana amin’i Jehovah foana. (1 Tes. 5:11; Heb. 10:23-25) Mba ahoana no tsapanao hoatr’izay raha tsy teo ny fiangonana? Ry zareo mantsy no miaro sy manampy antsika tsy ho resin’ny fahavalo iombonantsika, izany hoe i Satana Devoly sy ity tontolo ratsy ity. Tsy ho ela koa dia hanafika ny mpanompon’Andriamanitra i Satana sy izay eo ambany fahefany. Ho faly be isika amin’izay satria manohana antsika ny rahalahy sy anabavintsika!

5. Maninona no sarotra amin’ny olona sasany ny matoky ny rahalahy sy anabaviny?

5 Sarotra amin’ny Kristianina sasany kosa ny matoky ny rahalahy sy anabaviny. Fa maninona? Angamba nisy mpiara-manompo nitokisany nefa namadika azy, na tsy nitana ny teniny. Na mety ho nisy olona ao amin’ny fiangonana nilaza na nanao zavatra nandratra ny fony. Lasa sarotra ny matoky ny hafa rehefa misy hoatr’izany. Inona àry no hanampy antsika hatoky ny mpiara-manompo?

HATOKY AN’IREO RAHALAHY ISIKA RAHA TIA AZY

6. Nahoana ny fitiavana no manampy antsika hatoky ny hafa? (1 Korintianina 13:4-8)

6 Mila tiantsika aloha ny olona iray vao hatoky azy isika. Miresaka fomba maromaro isehoan’ny fitiavana ny Korintianina Voalohany toko faha-​13. Manampy antsika izany mba hatoky ny olon-kafa na hatoky azy indray. (Vakio ny 1 Korintianina 13:4-8.) Milaza, ohatra, ny andininy faha-​4 hoe: “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy.” Manam-paharetana amintsika i Jehovah, na dia rehefa manota aminy aza isika. Tsy maintsy manam-paharetana amin’ny rahalahy sy anabavy koa àry isika, raha milaza na manao zavatra mahasosotra na mandratra ny fontsika ry zareo. Milaza koa ny andininy faha-​5 hoe: “[Ny fitiavana] tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo.” Tsy tokony ‘hitana lolompo’ àry isika ka hoe hitadidy foana an’izay diso nataon’ny rahalahy na anabavy iray, dia avy eo hampahatsiahy azy an’iny any aoriana any. Milaza koa ny Mpitoriteny 7:9 fa tsy tokony ho “mora tezitra” isika. Tsy aleo ve mampihatra ny Efesianina 4:26 hoe: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo”?

7. Nahoana ny toro lalana ao amin’ny Matio 7:1-5 no hanampy antsika hatoky ny mpiara-manompo?

7 Mbola misy azontsika atao mba hahatonga antsika hatoky ny mpiara-manompo. Mila ampitovintsika amin’ny an’i Jehovah ny fomba fahitantsika an-dry zareo. Tia an-dry zareo izy sady tsy manao lisitra an’izay fahotana nataony. Tsy tokony hanao an’izany koa isika. (Sal. 130:3) Aleo tsy mifantoka amin’ny fahadisoany, fa miezaka mijery ny toetra tsarany sy mieritreritra an’izay tsara mety ho vitany. (Vakio ny Matio 7:1-5.) Tsy miahiahy an-dry zareo isika satria ny fitiavana “mino ny zava-drehetra.” (1 Kor. 13:7) Tsy midika akory izany hoe tian’i Jehovah hatoky an-jambany ny olon-kafa isika. Tiany hatoky an-dry zareo kosa isika, satria ry zareo efa nampiseho hoe azo itokisana. *

8. Inona no azonao atao mba hatoky kokoa ny mpiara-manompo ianao?

8 Hoatran’ny fanajana ihany ny fatokisana. Tsy mandeha ho azy ilay izy sady mitaky fotoana. Inona àry no azonao atao mba hatoky kokoa ny mpiara-manompo ianao? Miezaha hahafantatra tsara an-dry zareo. Miresaha aminy rehefa any am-pivoriana, dia miaraha manompo aminy. Miezaha hanam-paharetana aminy, dia avelao izy hanaporofo aminao hoe azo itokisana izy. Mety hofidifidinao amin’ny voalohany izay horesahinao amin’ny olona mbola tsy fantatrao tsara. Rehefa mihamifandray anefa ianareo, dia mety ho mora kokoa aminao ny hamboraka ny fihetseham-ponao aminy. (Lioka 16:10) Fa ahoana raha nivadika taminao ny rahalahy na anabavy iray natokisanao? Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy afaka ny ho mpinamana intsony ianareo, fa avelao aloha handeha ny fotoana. Tandremo koa sao lasa tsy matoky ny mpiara-manompo hafa intsony. Andao àry isika izao handinika ny modelin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika taloha. Mbola natoky ny olon-kafa foana ry zareo, na dia nisy nandiso fanantenana azy aza.

MIANARA AVY AMIN’NY OLONA NATOKY NY HAFA FOANA

Natoky ny lamina napetrak’i Jehovah foana i Hana, na dia nitsaratsara azy aza i Ely tamin’ny voalohany (Fehintsoratra 9)

9. a) Inona no porofo fa natoky ny lamina napetrak’i Jehovah foana i Hana, na dia nanao fahadisoana aza ny solontenany sasany? b) Inona no ianaranao avy amin’i Hana momba ny hoe matoky ny lamina apetrak’i Jehovah? (Jereo ny sary.)

9 Efa diso fanantenana tamin’ny nataon’ny rahalahy iray manana andraikitra ve ianao? Raha izany, dia mahasoa anao ny tantaran’i Hana. I Ely no mpisoronabe tamin’izany, ary izy no nitarika ny fanompoana an’i Jehovah tany Israely. Tsy ohatra tsara anefa ny fianakaviany. Ny zanany lahy izao nanana andraikitra, nefa nanao zavatra nahatsiravina foana sady naloto fitondran-tena. Zara raha nanitsy an-dry zareo anefa ny dadany. Na izany aza, dia tsy tonga dia nesorin’i Jehovah tamin’ny andraikiny i Ely. Dia ahoana no nataon’i Hana? Mbola nanaraka ny lamina napetrak’Andriamanitra izy, fa tsy hoe nanda tsy hanompo any amin’ny tranolay masina raha mbola i Ely no mpisoronabe ao. Rehefa nahita an’i Hana nivavaka tamin’alahelo be i Ely dia nitsaratsara azy hoe mamo izy. Tsy mba nanadihady izy, fa tonga dia nanakiana an’io vehivavy tototry ny fijaliana io. (1 Sam. 1:12-16) Na teo aza izany, dia nitana ny voady nataony ihany i Hana hoe raha manan-janakalahy izy, dia hoentiny any amin’ny tranolay masina ilay zaza ary i Ely no hiandraikitra azy any. (1 Sam. 1:11) Fa mbola nila nalamina ve ilay olana momba ny zanak’i Ely? Ie, ary nanao zavatra i Jehovah tamin’ny fotoana mety. (1 Sam. 4:17) Nandritra an’izay fotoana izay izy no namaly soa an’i Hana, ka nanome azy an’i Samoela.​—1 Sam. 1:17-20.

10. Ahoana no nampisehoan’i Davida hoe mbola natoky ny olon-kafa izy, na dia nisy nivadika taminy aza?

10 Efa nisy fotoana ve ianao nahatsiaro hoe nivadihan’ny namanao akaiky? Raha izany, dia eritrereto ny nanjo an’i Davida Mpanjaka. Anisan’ny namany i Ahitofela. Niandany tamin’i Absaloma zanak’i Davida anefa io namany io, rehefa nitady hanongana an-drainy tsy ho mpanjaka i Absaloma. Tena nangidy tamin’i Davida izany! Samy namadika azy mantsy na ny zanany na ilay lehilahy noheveriny ho namana. Tsy hoe lasa tsy natoky olona anefa izy vokatr’izany. Mbola natoky an’i Hosay, ohatra, izy. Tsy nanaiky hiandany tamin’ireo mpikomy mantsy io namany tsy nivadika io, ary tsy diso i Davida natoky azy. Hita tamin’ny nataon’i Hosay hoe tena namana izy, ka nanao vivery ny ainy mihitsy mba hanampiana an’i Davida.​—2 Sam. 17:1-16.

11. Ahoana no nampisehoan’ny iray tamin’ny mpanompon’i Nabala hoe natoky an’i Abigaila izy?

11 Eritrereto koa ny modely nomen’ny iray tamin’ny mpanompon’i Nabala. Tsara fanahy i Davida sy ny namany, dia niaro ny mpanompon’ilay Israelita nantsoina hoe Nabala. Nanan-karena be io lehilahy io. Nangataka sakafo kely izay mba voatsirambin’ny tanana taminy i Davida tatỳ aoriana, mba homena ho an’ny namany. Tsy nanaiky hanome anefa izy. Tezitra be i Davida tamin’izay, dia nanapa-kevitra hoe hovonoiny daholo ny lehilahy tao amin’ny ankohonan’i Nabala. Nisy mpanompo iray nitantara an’ilay zava-nitranga tamin’i Abigaila vadin’i Nabala. Anisan’ny ankohonan’i Nabala io mpanompo io, ka hainy hoe niankinan’ny ainy izay hataon’i Abigaila. Tsy nitsoaka izy, fa natoky hoe ho vitan’i Abigaila ny handamina an’ilay olana. Nalaza ho malina mantsy io vehivavy io. Hita tamin’izay nitranga fa tsy niantehitra tamin’ny hazo boboka ilay mpanompo! Nanangona ny herim-pony i Abigaila, dia nandresy lahatra an’i Davida mba tsy hamaly faty. (1 Sam. 25:2-35) Natoky izy hoe hisaina tsara i Davida.

12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe natoky ny mpianany izy na dia nanao fahadisoana aza ry zareo?

12 Natoky ny mpianany i Jesosy na dia nanao fahadisoana aza ry zareo. (Jaona 15:15, 16) Ahoana, ohatra, no nataony rehefa nangataka toerana manokana tao amin’ilay Fanjakana i Jakoba sy Jaona? Tsy nieritreritra izy hoe ratsy ny antony anompoan-dry zareo an’i Jehovah, na hoe nesoriny tsy ho apostoly intsony ry zareo. (Mar. 10:35-40) Nandao an’i Jesosy koa ny mpianany rehetra, tamin’ilay alina nisamborana azy. (Mat. 26:56) Mbola natoky an-dry zareo foana anefa izy. Fantany tsara hoe tsy lavorary ny mpianany, nefa “tiany hatramin’ny farany izy ireo.” (Jaona 13:1) Mbola nanankinany andraikitra lehibe mihitsy aza ny apostoly 11 tsy nivadika, rehefa natsangana tamin’ny maty izy. Ry zareo mantsy no nasainy nitarika an’ilay asa fanaovana mpianatra sy nikarakara ny ondriny sarobidy. (Mat. 28:19, 20; Jaona 21:15-17) Tsy diso mihitsy izy natoky an’ireo lehilahy tsy lavorary ireo! Tsy nivadika mantsy izy rehetra mandra-pahatapitry ny fanompoan’izy ireo teto an-tany. Ohatra tsara ho antsika àry i Hana, Davida, ilay mpanompon’i Nabala, Abigaila, ary Jesosy! Samy natoky olombelona tsy lavorary mantsy ry zareo.

MIANARA MATOKY AZY IREO INDRAY

13. Maninona no mety ho sarotra ny matoky olona?

13 Efa nisy fotoana ve ianao nilaza tsiambaratelo tamina rahalahy iray, nefa avy eo izy nitantara an’izany tamin’ny olon-kafa? Tena mandratra fo izany! Nilaza tsiambaratelo tamin’ny anti-panahy ny anabavy iray, indray mandeha. Inona anefa no nitranga ny ampitson’iny? Niantso an’ilay anabavy ny vadin’io anti-panahy io mba hampahery azy. Hita tamin’ny resaka nataony hoe nahafantatra an’ilay tsiambaratelo nolazaina tamin’ilay anti-panahy izy. Tsy mahagaga àry raha lasa sarotra tamin’ilay anabavy ny natoky an’io anti-panahy io. Soa ihany anefa fa nangataka fanampiana ilay anabavy. Niresaka tamina anti-panahy hafa izy, dia izy io no nanampy azy hatoky ny anti-panahy rehetra indray.

14. Inona no nanampy ny rahalahy iray hatoky ny anti-panahy indray?

14 Efa ela ny rahalahy iray no tsy nifankahazo tamin’ny anti-panahy roa. Tsy natokitoky an-dry zareo izy. Nieritreritra ny zavatra nolazain’ny rahalahy iray tena nohajainy anefa izy. Izao no notenenin’io rahalahy io: “I Satana no fahavalontsika, fa tsy ny mpiara-manompo.” Tsotra ilay fehezanteny nefa tena manohina ny fo. Nisaintsaina an’io teny io foana izy, dia nivavaka momba an’izany. Nahavita nihavana tamin’ireo anti-panahy roa ireo ihany izy tatỳ aoriana.

15. Maninona no mila fotoana isika vao hatoky ny mpiara-manompo indray? Manomeza ohatra.

15 Nisy fotoana ve nesorina taminao ny tombontsoanao tao amin’ny fiangonana? Tsy mora aloha izany e! Vavolombelona tsy nivadika tany Alemaina Nazia, ohatra, i Grete sy ny mamany, talohan’ny Ady Lehibe II. Voarara ny asantsika tany tamin’izany. I Grete no mpanao kopia Ny Tilikambo Fiambenana ary tiany be izany. Rehefa fantatr’ireo rahalahy anefa hoe nanohitra ny dadany, dia nesorin-dry zareo taminy izany tombontsoa izany. Natahotra mantsy ry zareo sao hitatitra any amin’ny mpanohitra ny dadan’i Grete. Tsy vitan’izay anefa fa tsy nomen’ireo rahalahy gazety koa izy sy ny mamany nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nanaiky hiresaka tamin’izy mianaka koa ry zareo rehefa nihaona teny an-dalana. Izany ve dia tsy hampalahelo? Tena nandratra ny fon’i Grete izany! Elaela, hono, izy vao nahavita namela an’ireny rahalahy ireny sy natoky an-dry zareo indray. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia niaiky izy hoe tsy maintsy ho efa namela an-dry zareo i Jehovah, dia tokony hanao hoatr’izany koa izy. *

“I Satana no fahavalontsika, fa tsy ny mpiara-manompo”

16. Maninona isika no tsy maintsy miezaka mafy mba hianatra hatoky ny rahalahy sy anabavy?

16 Raha efa nisy mpiara-manompo nandratra mafy ny fonao hoatr’izany koa, dia miezaha mba hatoky ny rahalahy sy anabavy indray. Marina hoe mila fotoana izany, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataonao. Andao hatao hoe marary kibo ianao satria nihinana sakafo tsy mahasalama. Azo antoka fa hitandrina kokoa an’izay hohaninao ianao aorian’izay. Indray mandeha narary kibo ve anefa ianao, dia tsy hisakafo intsony mihitsy? Mazava ho azy fa tsia! Hoatr’izany koa, fa tsy hoe raha nisy olona iray nandiso fanantenana antsika, dia ny rahalahy sy anabavy rehetra no tsy atokisantsika intsony. Fantatsika mantsy hoe tsy lavorary ry zareo. Ho sambatra kokoa isika rehefa miezaka matoky an-dry zareo indray, sady hahavita hifantoka kokoa amin’izay azontsika atao mba hifampatoky ny ao amin’ny fiangonana.

17. Nahoana no tena ilaina ny mifampatoky, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Mahalana vao misy olona mifampatoky eto amin’ny tontolon’i Satana. Afaka matoky ny rahalahy sy anabavy anefa isika satria isika mifankatia. Mahatonga antsika ho faly sy hiray saina izany dieny izao, ary hiaro antsika rehefa miatrika ny mafy isika atsy ho atsy. Ahoana anefa raha diso fanantenana ianao satria namadika anao ny olona nitokisanao? Miezaha hitovy fomba fijery amin’i Jehovah momba an’ilay izy, dia ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly. Ataovy koa izay hahatonga anao ho tia be ny mpiara-manompo, ary mianara avy amin’ny ohatra ao amin’ny Baiboly. Ho sitrana ihany ny ratram-ponao rehefa mandeha ny fotoana, ka ho vitanao ny hatoky ny mpiara-manompo indray. Hahazo namana be dia be “mifikitra noho ny rahalahy” ianao rehefa manao an’izany. (Ohab. 18:24) Tsy mandeha ila anefa ilay hoe mifampatoky. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azontsika atao mba ho mendrika ny hatokisan’ny hafa isika.

HIRA 99 Vavolombelona Maro

^ Mila matoky ny rahalahy sy anabavintsika isika. Tsy mora foana anefa izany satria indraindray ry zareo mandiso fanantenana antsika. Handinika toro lalan’ny Baiboly sasany isika ato, dia hiresaka modely azontsika saintsainina. Hanampy antsika izany mba hatoky ny mpiara-manompo, na hatoky an-dry zareo indray raha nandiso fanantenana antsika ry zareo.

^ Mampitandrina ny Baiboly hoe tsy mendrika ny hatokisantsika ny olona sasany ao amin’ny fiangonana. (Joda 4) Mety hisy rahalahy sandoka mantsy hampianatra “zavatra diso” mba hamitahana ny olon-kafa. (Asa. 20:30) Mahalana ihany anefa izany. Mifidy ny tsy hatoky na hihaino olona hoatr’izany isika.

^ Miresaka tsipiriany momba ny tantaran’i Grete ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1974 (frantsay), p. 130-131.