Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 36

Vaovao Tsara ny Hara-magedona!

Vaovao Tsara ny Hara-magedona!

‘Nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ny Hara-magedona ireo.’—APOK. 16:16.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Nahoana no vaovao tsara ny Hara-magedona? b) Inona no hodinihintsika ato?

RAHA vao maheno hoe “Hara-magedona” ny olona, dia ady niokleary sy tontolo iainana simba tanteraka no tonga ao an-tsainy. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Resahina ao fa vaovao tsara ny Hara-magedona ary tokony hahafaly izy io. (Apok. 1:3) Tsy handringana antsika olombelona mantsy ilay ady Hara-magedona, fa hanavotra antsika.

2 Fa maninona io ady io no lazaina fa hanavotra antsika? Satria handrava ny fitondran’olombelona izy io, sady handringana ny ratsy fanahy ary hiaro ny olo-marina. Hanavotra ny olombelona koa izy io satria hiaro ny tany tsy ho potika. (Apok. 11:18) Handinika fanontaniana efatra isika mba hahazoantsika tsara an’ireo: Inona no atao hoe Hara-magedona? Inona no hitranga alohan’izy io? Ahoana no hatao mba ho voavonjy amin’ny Hara-magedona? Ary inona no azontsika atao mba tsy hivadika amin’izao Hara-magedona efa akaiky izao?

INONA NO ATAO HOE HARA-MAGEDONA?

3. a) Inona no dikan’ilay teny hoe “Hara-magedona”? b) Araka ny Apokalypsy 16:14, 16, nahoana no tsy toerana ara-bakiteny ny Hara-magedona?

3 Vakio ny Apokalypsy 16:14, 16. Indray mandeha ihany no hita ao amin’ny Soratra Masina ny hoe “Hara-magedona”, ary avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Tendrombohitr’i Megido” izy io. Tanàna tany Israely taloha io Megido io. (Josoa 17:11) Tsy toerana ara-bakiteny anefa ilay hoe Hara-magedona. Fa inona izy io? Hiangona hanohitra an’i Jehovah ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, dia izay no atao hoe Hara-magedona. (Apok. 16:14) Hisy ady hitranga avy hatrany aorian’izany, ary manondro an’io ady io koa ilay hoe “Hara-magedona”,  ato amin’ity lahatsoratra ity. Fa maninona no tsy toerana ara-bakiteny ilay hoe Hara-magedona? Voalohany, satria tsy tena misy ilay tendrombohitr’i Megido. Faharoa, kely loatra ilay faritra manodidina an’i Megido, ka tsy ho antonona ao mihitsy ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” sy ny tafik’izy ireo ary ny fitaovam-piadiany. Fahatelo, miparitaka eran-tany ny vahoakan’i Jehovah fa tsy amin’ny toerana iray. Hanafika azy ireo anefa ny mpanjakan’ny tany rehefa hanomboka ny ady Hara-magedona.

4. Nahoana no avy amin’ilay toerana hoe Megido no nakan’i Jehovah ny anaran’ilay ady lehibe farany?

4 Nahoana no avy amin’ilay toerana hoe Megido no nakan’i Jehovah ny anaran’ilay ady lehibe farany? Be dia be ny ady natao tao Megido sy teo amin’ny Lohasahan’i Jezirela teo akaiky teo. Nandray anjara mivantana tamin’ireny ady ireny i Jehovah indraindray. “Teo amoron’ny ranon’i Megido”, ohatra, izy no nanampy an’i Baraka Mpitsara, mba handresy ny tafika kananita notarihin’i Sisera. Nisaotra an’i Jehovah i Baraka sy Debora mpaminanivavy noho izy nanao fahagagana mba handresen’izy ireo. Nihira ry zareo hoe: “Avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, ... nopaohin’ny riakan’i Kisona ireny.”—Mpits. 5:19-21.

5. Inona no mampiavaka ny ady Hara-magedona amin’ilay ady nataon-dry Baraka?

5 Izao no namaranan’i Baraka sy Debora an’ilay hira: “Ho faty toy izany koa anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô! Fa izay tia anao kosa ho tahaka ny masoandro mibaliaka.” (Mpits. 5:31) Hoatr’izany koa no hitranga amin’ny Hara-magedona. Ho faty ny fahavalon’Andriamanitra fa ho voavonjy izay tia azy. Misy mampiavaka an’ilay ady Hara-magedona anefa. Tsy hiady ny vahoakan’Andriamanitra amin’io. Tsy hanana fitaovam-piadiana akory aza izy ireo! Hiezaka ho tony sy hatoky an’i Jehovah izy ireo, ka izany no hanome hery sy tanjaka azy ireo.—Isaia 30:15; Apok. 19:11-15.

6. Ahoana no handresen’Andriamanitra ny fahavalony amin’ny Hara-magedona?

6 Ahoana no handresen’Andriamanitra ny fahavalony amin’ny Hara-magedona? Mety hampiasa fomba samihafa izy, ohatra hoe horohoron-tany sy havandra ary tselatra. (Joba 38:22, 23; Ezek. 38:19-22) Mety hataony koa izay hahatonga ny fahavalony hifamono. (2 Tan. 20:17, 22, 23) Mety hampiasa anjely koa izy mba handringanana ny ratsy fanahy. (Isaia 37:36) Na inona na inona anefa fomba hampiasain’Andriamanitra, dia tsy maintsy handresy izy. Ho ringana daholo ny fahavalony, ary ho voavonjy daholo ny olo-marina.—Ohab. 3:25, 26.

INONA NO HITRANGA ALOHAN’NY HARA-MAGEDONA?

7-8. a) Araka ny 1 Tesalonianina 5:1-6, inona ilay filazana hafakely hataon’ny mpitondra fanjakana? b) Nahoana no mampidi-doza io lainga io?

7 Aorian’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana” no hanomboka “ny andron’i Jehovah.” (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:1-6.) Ny “fahoriana lehibe” ilay “andron’i Jehovah” resahina ao amin’ny 1 Tesalonianina 5:2. (Apok. 7:14) Ahoana no hahalalantsika hoe efa hanomboka ny fahoriana lehibe? Milaza ny Baiboly hoe hisy filazana hafakely alohan’izay, ary izy io no ho famantarana hoe hanomboka ny fahoriana lehibe.

8 Tsy inona izany fa ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Nahoana ny mpitondra fanjakana no hilaza an’izany? Handray anjara amin’izany koa ve ny mpitondra fivavahana? Angamba. Na ahoana na ahoana anefa, dia lainga avy amin’ny demonia io antsoantso io, ary ho loza be ny vokany! Ho voafitaka mantsy ny olona ka hieritreritra hoe milamina tsara ny zava-drehetra. Amin’izay  mihitsy anefa no hanomboka ilay fahoriana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. “Hanjo azy [ireo] avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza.” Hanao ahoana ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika amin’izay? Mety ho taitra ihany izy ireo satria tampoka be no hanombohan’ny andron’i Jehovah. Ho vonona hiatrika an’izany anefa izy ireo.

9. Tonga dia horinganin’i Jehovah indray mandeha ve ny tontolon’i Satana? Hazavao.

9 Tsy tonga dia horinganin’i Jehovah indray mandeha hoatran’ny tamin’ny andron’i Noa ny tontolon’i Satana. Horinganiny aloha ny ampahany iray amin’izy io, izay izy vao handringana ny ambiny. I Babylona Lehibe no horinganiny voalohany, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. Amin’ny Hara-magedona kosa izy no handringana ny sisa tavela amin’ny tontolon’i Satana, izany hoe ny tontolo ara-politika sy ara-barotra ary ara-tafika. Hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ireo zava-mitranga ireo.

10. Nahoana i Jehovah no handringana an’i Babylona Lehibe, araka ny Apokalypsy 17:1, 6 sy ny 18:24?

10 “Ny fitsarana an’ilay mpivaro-tena lehibe.” (Vakio ny Apokalypsy 17:1, 6; 18:24.) Nampianatra lainga momba an’Andriamanitra i Babylona Lehibe, ka nanala baraka ny anarany. Hoatran’ny hoe nivaro-tena koa izy, satria nanao fifanekena tamin’ireo mpitondra. Manararaotra ny fahefany izy mba hampijaliana an’ireo mpivavaka ao aminy sy hakana ny volan’izy ireo. Namono olona be dia be koa izy, anisan’izany ny mpanompon’Andriamanitra sasany. (Apok. 19:2) Ahoana no handravan’i Jehovah an’i Babylona Lehibe?

11. Iza ilay “bibidia mena midorehitra”, ary ahoana no hampiasan’Andriamanitra azy?

11 Hampiasa an’ilay “bibidia mena midorehitra” manana “tandroka folo” i Jehovah, mba handringanana an’ilay “mpivaro-tena lehibe.” Ny Firenena Mikambana io bibidia io. Ireo tandroka folo indray dia ny fitondram-panjakana manohana an’io fikambanana io. Rehefa tonga ny fotoana nofidin’Andriamanitra, dia hivadika  amin’i Babylona Lehibe ireo fitondram-panjakana ireo sy ny Firenena Mikambana. “Handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy” izy ireo, izany hoe haka ny harenany sy hampibaribary fa tena ratsy fanahy izy. (Apok. 17:3, 16) Ho gaga izay nanohana azy satria vetivety kely izy dia ho ringana, toy ny hoe “ao anatin’ny iray andro monja.” Izy rahateo efa ela no nirehareha hoe: “Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho ary tsy mpitondratena, ka tsy halahelo mihitsy.”—Apok. 18:7, 8.

12. Inona no tsy havelan’i Jehovah hataon’ireo firenena, ary nahoana?

12 Tsy havelan’i Jehovah horinganin’ireo firenena ny vahoakany. Mitondra ny anarany mantsy izy ireo, ary mirehareha ny amin’izany. Nankatò ny didiny koa izy ireo ka nivoaka avy tao Babylona Lehibe, ary niezaka mafy mba hanampy ny hafa hanao hoatr’izany. (Asa. 15:16, 17; Apok. 18:4) Tsy hanjo azy ireo àry “ny loza hanjo azy.” Mbola hila finoana matanjaka anefa izy ireo mba hiatrehana an’izay hitranga aorian’izay.

Na aiza na aiza misy ny mpanompon’i Jehovah, dia hatoky azy izy ireo rehefa hanafika i Goga (Fehintsoratra 13) *

13. a) Iza i Goga? b) Araka ny Ezekiela 38:2, 8, 9, rahoviana no hanomboka ny ady Hara-magedona?

13 Hanafika i Goga. (Vakio ny Ezekiela 38:2, 8, 9.) Rehefa rava tsy misy miangana intsony ny fivavahan-diso, dia ny vahoakan’i Jehovah sisa no ho tavela. Hoatran’ny hazo tokana mbola tafajoro taorian’ny tafio-drivotra lehibe ry zareo amin’izay. Mazava ho azy fa ho romotra i Satana! Hanampatra ny hatezerany àry izy ka hampiasa ‘fanambarana maloto avy amin’ny fanahy’, izany hoe hevi-diso avy amin’ny demonia, ka hahatonga ny firenena maromaro hitambatra hanafika ny mpanompon’i Jehovah. (Apok. 16:13, 14) Ireo firenena ireo no antsoina hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga.” Hanomboka ny ady Hara-magedona raha vao manafika ny vahoakan’i Jehovah izy ireo.—Apok. 16:16.

14. Ho tonga saina amin’ny inona i Goga?

14 Hatoky ny ‘sandry nofony’ i Goga, izany hoe ny tafiny. (2 Tan. 32:8) Isika kosa hatoky an’i Jehovah Andriamanitsika. Hoatran’ny hoe hadalana izany amin’ireo firenena, satria na  ireo andriamanitr’i Babylona Lehibe aza tsy nahavonjy azy tamin’ilay “bibidia” sy ireo “tandroka folo.” (Apok. 17:16) Hieritreritra àry i Goga fa tsy hisy dikany aminy ny handresy antsika! Ho avy hanafika ny vahoakan’i Jehovah hoatran’ny “rahona mandrakotra ny tany” izy. (Ezek. 38:16) Vetivety anefa dia ho tonga saina i Goga hoe voafandrika izy. Ho hitany tsara hoe miady amin’i Jehovah izy, hoatran’ny nataon’i Farao teo amin’ny Ranomasina Mena.—Eks. 14:1-4; Ezek. 38:3, 4, 18, 21-23.

15. Inona no hataon’i Kristy ka hahatonga azy handresy tanteraka?

15 Hiaro ny vahoakan’Andriamanitra i Kristy sy ny tafiny any an-danitra, ary handringana an’i Goga sy ny vahoakany. (Apok. 19:11, 14, 15) Ary hatao ahoana i Satana? Izy mantsy no lehibe indrindra amin’ny fahavalon’i Jehovah, sady nampiely lainga ka nahatonga an’ireo firenena hanafika ny vahoakany. Hatsipin’i Jesosy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany ary tsy hafahana avy ao raha tsy afaka arivo taona.—Apok. 20:1-3.

INONA NO TOKONY HATAO MBA HO VOAVONJY?

16. a) Ahoana no ampisehoantsika hoe mahalala an’Andriamanitra isika? b) Nahoana no tena ilaina ny hoe fantatr’Andriamanitra rehefa tonga ny Hara-magedona?

16 Ahoana no hatao mba ho voavonjy amin’ny Hara-magedona? Mila mampiseho isika hoe “mahalala an’Andriamanitra” sy “mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tes. 1:7-9) Tokony hanao an’izany isika na efa ela na vao haingana no tao amin’ny fahamarinana. “Mahalala an’Andriamanitra” isika raha mahafantatra an’izay tiany sy tsy tiany ary ny fitsipiny. Asehontsika hoe mahalala azy isika raha tia sy mankatò azy ary manompo azy irery ihany. (1 Jaona 2:3-5; 5:3) Ho “fantatr’Andriamanitra” isika raha mampiseho eo amin’ny fiainantsika hoe mahalala azy. Voninahitra lehibe izany, ary izany no hahavoavonjy antsika amin’ny Hara-magedona! (1 Kor. 8:3) Nahoana? Satria raha fantatr’Andriamanitra isika dia midika izany hoe ankasitrahany.

17. Inona no dikan’ny hoe “mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika”?

17 Anisan’ny “vaovao tsara momba an’i Jesosy  Tompontsika” ny fahamarinana rehetra nampianariny ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mankatò an’io vaovao tsara io isika rehefa mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly, ohatra hoe manao loha laharana ny fanompoana sy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra ary mitory momba ny Fanjakany. (Mat. 6:33; 24:14) Mankatò an’ilay vaovao tsara koa isika rehefa manohana an’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy, mba hahavitany ny andraikitra lehibe nomena azy.—Mat. 25:31-40.

18. Nahoana ny voahosotra no ho afaka hamaly ny soa natao taminy?

18 Tsy ho ela dia ho afaka hamaly ny soa nataon’ny “ondry hafa” tamin’izy ireo ny voahosotra. (Jaona 10:16) Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Hakarina any an-danitra daholo izay voahosotra mbola eto an-tany, alohan’ny ady Hara-magedona, ka ho lasa fanahy tsy mety maty. Ho lasa anisan’ilay tafika any an-danitra daholo àry ireo 144 000, ka handringana an’i Goga sy hiaro ny “vahoaka be.” (Apok. 2:26, 27; 7:9, 10) Tena ho faly ny vahoaka be hoe nanohana ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, tamin-dry zareo mbola tetỳ an-tany.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HIVADIKA MIHITSY?

19-20. Inona no azontsika atao mba tsy hivadika mihitsy, na dia miatrika olana aza isika amin’izao?

19 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah miatrika olana amin’izao andro farany izao. Afaka ny ho faly anefa isika rehefa miaritra azy ireny. (Jak. 1:2-4) Tena manampy ny vavaka vokatry ny fo. (Lioka 21:36) Tsy ampy anefa izany fa mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra koa isika isan’andro, sady misaintsaina an’izay ianarantsika. Azo ianarana, ohatra, ireo faminaniana ho tanteraka tsy ho ela. (Sal. 77:12) Raha manao an’ireo isika sady mazoto manompo, dia hatanjaka foana ny finoantsika sy ny fanantenantsika.

20 Tsy ho faly be ve ianao rehefa rava i Babylona Lehibe ary vita ny Hara-magedona? Vao mainka ho faly aza ianao satria nohamarinina tanteraka ny anaran’Andriamanitra sy ny zony hitondra. (Ezek. 38:23) Vaovao tsara àry ve ny Hara-magedona? Izany mihitsy! Vaovao tsara izy io ho an’izay mahalala an’Andriamanitra sy mankatò ny Zanany ary miaritra hatramin’ny farany.—Mat. 24:13.

HIRA 143 Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa

^ feh. 5 Efa ela ny vahoakan’i Jehovah no niandry ny Hara-magedona. Fa inona no atao hoe Hara-magedona? Inona no hitranga alohan’izy io? Ary inona no azontsika atao mba tsy hivadika amin’izao farany efa manakaiky izao? Handinika an’ireo isika ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 71 SARY: Hampahatahotra be ny zavatra hitranga manodidina antsika. Isika kosa 1) mbola hitory foana raha mbola azo atao, 2) mbola hianatra Baiboly foana, ary 3) mbola hatoky foana hoe hiaro antsika Andriamanitra.

^ feh. 85 SARY: Polisy te hiditra an-keriny ao an-tranon’ny fianakaviana iray manompo an’i Jehovah. Matoky ilay fianakaviana hoe mahafantatra an’izay mitranga i Jesosy sy ny anjely.