Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Miezaha ho Tsara Fanahy Hoatran’i Jehovah

Miezaha ho Tsara Fanahy Hoatran’i Jehovah

“Sambatra izay miahy ny mahantra.”​—SAL. 41:1.

HIRA: 130, 107

1. Ahoana no ahitana hoe tena mifankatia ny mpanompon’i Jehovah?

HOATRAN’NY fianakaviana iray isika mpanompon’i Jehovah ary tena mifankatia. (1 Jaona 4:16, 21) Marina fa mahavita zavatra miavaka be ho an’ireo rahalahy sy anabavy isika indraindray. Ireo zavatra madinika ataontsika ho azy ireo anefa matetika no tena ahitana hoe tiantsika izy ireo, ohatra hoe rehefa milaza teny mampahery. Miezaka ny ho tsara fanahy amin’izy ireo koa isika. Manahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika rehefa manao an’izany.—Efes. 5:1.

2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe be fitiavana hoatran’ny Rainy izy?

2 Tena nanahaka ny Rainy i Jesosy. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. ... Malemy fanahy sy manetry tena [mantsy] aho.” (Mat. 11:28, 29) Ho faly amintsika i Jehovah raha manahaka an’i Jesosy isika ka “miahy” ny olona, izany hoe miezaka ny ho tsara fanahy amin’izy ireny. Tena ho sambatra koa isika raha manao an’izany. (Sal. 41:1) Ahoana àry no azontsika ampisehoana hoe tsara fanahy amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo ary ny olona itoriantsika isika? Izany no hodinihintsika ato.

 TSARA FANAHY AMIN’NY FIANAKAVIANA

3. Inona no tokony hataon’ny lehilahy, raha tsara fanahy amin’ny vadiny izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Tokony ho modely ny lehilahy manambady, ka ho tsara fanahy amin’ny fianakaviany. (Efes. 5:25; 6:4) Hoy ny Baiboly: “Aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana.” Ny hoe “araka ny fahalalana” dia midika fa tokony hiezaka hahafantatra an’izay mahazo ny vadiny ilay lehilahy ary hangoraka azy. (1 Pet. 3:7) Tsy afaka ny ho tsara fanahy izy raha tsy izany. Fantany, ohatra, hoe betsaka no tsy itovizan’izy mivady, nefa tsy mihevitra azy ho ambany izy. (Gen. 2:18) Zava-dehibe aminy ny fihetseham-pon’ny vadiny, ka hajainy tsara izy. Hoy ny vehivavy iray any Kanada momba ny vadiny: “Tsy manamaivana ny fihetseham-poko izy. Tsy ny vadiko mihitsy no hiteny hoe: ‘Dia maninona anefa izany e?’ Mihaino tsara koa izy rehefa miresaka aho. Ahitsiny aho rehefa diso hevitra, nefa tsara fanahy foana izy rehefa manao an’izany.”

4. Inona no tsy tokony hataon’ny lehilahy, raha tsara fanahy amin’ny vadiny izy?

4 Inona koa no azon’ny lehilahy iray atao raha te ho tsara fanahy izy, ka tsy handratra ny fon’ny vadiny? Mila mitandrina izy rehefa mifandray amin’ny vehivavy hafa. Tsy taratara na miadaladala amin’ny vehivavy hafa, ohatra, izy. Tsy manao an’izany izy rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana. Tsy mijery sary vetaveta amin’ny Internet koa izy. (Joba 31:1) Tsy mivadika amin’ny vadiny mihitsy àry izy, satria tiany ny vadiny sady tiany koa i Jehovah ary mankahala ny ratsy izy.—Vakio ny Salamo 19:14; 97:10.

5. Inona no hataon’ny vehivavy, raha tsara fanahy amin’ny vadiny izy?

5 I Jesosy Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ary be fitiavana izy. Raha manahaka an’i Jesosy ny lehilahy, dia ho mora kokoa amin’ny vadiny ny “hanaja fatratra” azy. (Efes. 5:22-25, 33) Raha manaja ny vadiny kosa ny vehivavy, dia ho tsara fanahy aminy sady hiezaka hahazo an’izay manjo azy. Hanao an’izany izy, ohatra, rehefa mila manokana fotoana bebe kokoa ilay lehilahy mba hanaovana ny asan’ny fiangonana, na rehefa misy olana mampiady saina azy. Hoy ny rahalahy iray any Grande-Bretagne: “Tonga dia hitan’ny vadiko indraindray hoe misy zavatra mampiady saina ahy. Dia miezaka mamantatra an’izay any am-poko izy, ka manaraka ny voalazan’ny Ohabolana 20:5. Tsy mampaninona azy na dia mila miandry fotoana mety tsara aza izy vao afaka manao an’izany. Dia lazaiko azy ilay izy raha azoko tantaraina.”

6. Inona no azontsika rehetra atao mba hampirisihana ny ankizy ho tsara fanahy? Inona no ho vokatr’izany?

6 Raha hitan’ny ankizy hoe samy miezaka hifanaja sy ho tsara fanahy ny ray aman-dreniny, dia hanao hoatr’izany koa izy ireo. Ny ray aman-dreny no tena tokony hampianatra ny zanany mba ho tsara fanahy. Azon’izy ireo tenenina ny zanany, ohatra, hoe tsy mety ny mihazakazaka rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Rehefa misy manasa koa ry zareo, dia azony atoro ny zanany hoe ny olon-dehibe aloha no maka sakafo vao ny ankizy. Afaka manampy ny ray aman-dreny daholo anefa isika ao amin’ny fiangonana. Inona, ohatra, no azontsika atao rehefa tsara fanahy ny ankizy, ka mitsangana mba hanome toerana ho an’ny olon-dehibe? Tokony hoderaintsika izy. Ho faly izy amin’izay, dia ho tadidiny foana hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asa. 20:35.

TSARA FANAHY AMIN’NY MPIARA-MANOMPO

7. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray marenina, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 ‘Nentin’ny olona teo amin’i Jesosy ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela’, tamin’izy tany Dekapolisy. (Mar. 7:31-35) ‘Nentin’i Jesosy nankany amin’ny toerana mitokana’ ilay lehilahy avy eo. Tany izy no nositraniny fa tsy teo imason’ny olona. Nahoana? Satria  fantany angamba hoe tsy hahazo aina ilay lehilahy raha vao be olona be eo. Marina fa tsy mahavita fahagagana hoatran’i Jesosy isika. Tokony hihevitra ny fihetseham-pon’ny mpiara-manompo sy izay ilainy anefa isika, sady vitantsika izany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Heb. 10:24) Azon’i Jesosy tsara ny tany am-pon’ilay lehilahy marenina, dia tsara fanahy taminy izy. Azontsika tahafina tsara ny nataony.

8, 9. Inona no azontsika anampiana an’ireo zokiolona sy marary? Manomeza ohatra.

8 Miezaha ho tsara fanahy amin’ny zokiolona sy ny kilemaina ary ny marary. Miavaka ny fiangonana kristianina satria mifankatia fa tsy hoe satria mahavita zavatra be. (Jaona 13:34, 35) Tiantsika, ohatra, ireo mpiara-manompo be taona sy kilemaina ary marary, dia manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanampiana azy ireo hahavita hivory sy hitory. Ampiantsika foana izy ireo, na dia fantatsika aza hoe kely fotsiny no ho vitany. (Mat. 13:23) Tsy afaka mandeha ny rahalahy atao hoe Michael fa mampiasa seza mikorisa. Tena faly anefa izy satria manampy azy ny fianakaviany sy ny andia-mpitory misy azy. Hoy izy: “Manampy ahy daholo ry zareo, dia mahavita mivory aho matetika sady afaka mitory foana. Tiako be ilay manao fampirantiana!”

9 Misy rahalahy sy anabavy be taona, na marary, na kilemaina any amin’ny Betela maro. Tsara fanahy amin-dry zareo ny mpiandraikitra ao amin’ny Betela, dia manampy an-dry zareo hitory an-taratasy sy hitory an-telefaonina. I Bill, ohatra, 86 taona ary mitory an-taratasy amin’ny olona any lavitra be. Hoy izy: “Faly be izahay hoe afaka mitory an-taratasy.” Izao indray no nolazain’i Nancy, izay efa ho 90 taona: “Tsy hoe mameno valopy fotsiny aho rehefa mitory an-taratasy. Hoatran’ny fitoriana rehetra io! Ny olona ange mila mahalala ny fahamarinana e!” Hoy koa i Ethel, izay teraka tamin’ny 1921: “Manaintaina be foana aho. Efa izay mihitsy no iainako isan’andro. Sahirana aho indraindray na dia miakanjo fotsiny aza.” Tena tiany anefa ny mitory an-telefaonina. Manana fiverenana mitsidika vitsivitsy mahafinaritra koa izy. I Barbara indray 85 taona. Hoy izy: “Mafy be amiko ny mandeha mitory, amin’ilay izaho tsy salama. Soa ihany anefa fa misy an’ilay fitoriana an-telefaonina, dia mba afaka mitory aho. Tena misaotra an’i Jehovah aho!” Nahavita nitory 1 228 ora ny zokiolona maromaro tao amin’io Betela io, tao anatin’ny herintaona latsaka. Taratasy miisa 6 265 no nosoratan’izy ireo. Nanao antso an-telefaonina 2 000 mahery koa izy ireo, ary nizara boky sy gazety 6 315. Tena tiantsika ireo zokiolona ireo, ary azo antoka hoe faly be i Jehovah mahita ny ezaka ataony.—Ohab. 27:11.

10. Inona no azontsika atao mba handray soa faran’izay betsaka amin’ny fivoriana ny rahalahy sy anabavintsika?

10 Mihevera ny hafa rehefa any am-pivoriana. Raha manao an’izany isika, dia handray soa faran’izay betsaka amin’ny fivoriana ireo rahalahy sy anabavintsika. Ahoana anefa no ampisehoantsika hoe mihevitra azy ireo isika? Mila tonga ara-potoana, ohatra, isika mba tsy hanelingelina azy ireo. Marina hoe misy zavatra tsy ampoizina indraindray, dia mety ho tara isika. Raha tara lava anefa isika, dia tokony hieritreritra hoe inona no vokatr’izany amin’ny olon-kafa, ary inona no azontsika iezahana. Tadidio hoe i Jehovah sy ny Zanany ange no manasa antsika e! (Mat. 18:20) Tena tokony hohajaintsika ry zareo.

11. Nahoana ireo manana anjara no mila mankatò an’izay voalazan’ny 1 Korintianina 14:40?

11 Milaza ny 1 Korintianina 14:40 hoe: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” Hankatò an’izany isika raha mihevitra ny hafa. Tsy tokony hihoatra ny fotoana nomena azy, ohatra, ireo rahalahy manana anjara. Tsy hoe mihevitra an’izay hanao ny anjara manaraka fotsiny izy amin’izany, fa mihevitra ny mpanatrika rehetra koa. Mody lavitra mantsy ny mpiara-manompo sasany,  dia mbola handeha bisy na handeha an-tongotra mihitsy. Ny an’ny sasany indray tsy manompo an’i Jehovah ny vadiny, ary efa tsy mahandry izay hodiany.

12. Nahoana ny anti-panahy no mendrika ny hohajaina sy hotiavina? (Jereo ilay hoe “ Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ireo Manana Andraikitra.”)

12 Miasa mafy sy mazoto mitory ny anti-panahy, ka mendrika ny hohajaina sy hotiavina. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12, 13.) Azo antoka fa mankasitraka an’izay rehetra ataon’izy ireo ianao. Ahoana no azonao ampisehoana an’izany? Miezaha hankatò azy ireo sy hiara-miasa aminy, ary ataovy amin’ny fo izany. Miaro antsika foana mantsy izy ireo, “toy ny olona mbola hatao ampamoaka.”​—Heb. 13:7, 17.

TSARA FANAHY AMIN’NY OLONA ITORIANA

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

13 Naminany momba an’i Jesosy i Isaia. Izao no nolazainy: “Tsy hotapahiny ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy.” (Isaia 42:3) Tena tia olona i Jesosy, dia nangoraka azy ireny. Toy ny bararata folaka na lahin-jiro efa ho faty ny olona sasany tamin’ny androny, satria nijaly sy kivy. Azon’i Jesosy tsara ny tany am-pon’ireny olona ireny, ka tsara fanahy sy nanam-paharetana tamin’izy ireny izy. Na ny ankizy aza te hiaraka taminy. (Mar. 10:14) Marina fa tsy hoatran’i Jesosy isika. Tsy mahay mampianatra be hoatr’azy isika, ary tsy mahalala ny any am-pon’ny olona. Na izany aza, dia tokony ho tsara fanahy amin’ny olona itoriantsika isika. Azontsika atao, ohatra, ny mitandrina amin’ny fomba firesatsika, mifidy tsara ny fotoana hahatongavantsika any amin-dry zareo, ary tsy mijanona ela be.

14. Nahoana isika no tokony hitandrina amin’ny fomba firesatsika?

14 Tandremo ny fomba firesakao. Be dia be ny  olona ‘ampahorina sy aparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry’ amin’izao. (Mat. 9:36) Mijaly izy ireny satria tsy misy antra sy tsy manao ny marina ny ankamaroan’ny mpandraharaha sy mpanao politika ary mpitondra fivavahana. Lasa tsy matoky an’iza na iza ireny olona ireny sady very fanantenana. Tokony ho hita amin’izay lazaintsika sy ny feontsika àry hoe tsara fanahy sy mangoraka isika. Marina fa be dia be ny olona mihaino ny hafatra torintsika, satria mahay Baiboly isika sady mahay manazava hevitra. Mihaino antsika koa anefa izy ireny, satria tsara fanahy aminy isika sady mitady izay hahasoa azy.

15. Inona no azontsika atao mba hampisehoana hoe tsara fanahy amin’ny olona itoriantsika isika?

15 Be dia be ny azontsika atao mba hampisehoana hoe tsara fanahy amin’ny olona itoriantsika isika. Tena ilaina, ohatra, ny mametraka fanontaniana. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja olona foana anefa isika rehefa manao an’izany. Saro-kenatra sady tsy dia be teny ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny faritanin’ny mpisava lalana iray. Nitandrina àry izy mba tsy hametraka fanontaniana mety hahatonga ny olona tsy hahazo aina. Raha fantany hoe mety tsy ho voavalin’ny olona ilay izy, na mety ho diso ny valin-tenin’ny olona, dia naleony tsy nanontany. Tsy nanontany, ohatra, izy hoe: ‘Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?’ na koa hoe: ‘Hainao ve hoe inona izany Fanjakan’Andriamanitra izany?’ Naleony kosa nilaza hoe: “Hitako tao amin’ny Baiboly hoe manana anarana Andriamanitra, dia mba tiako horesahina aminao ilay izy. Tsy maninona?” Tsy voatery hanao hoatr’izany isika, satria tsy mitovy na ny olona na ny kolontsaina. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja olona foana anefa isika. Hahavita an’izany isika raha mahafantatra tsara ny olona ao amin’ny faritanintsika.

16, 17. a) Rahoviana isika no tokony hitory, raha te ho tsara fanahy amin’ny olona itoriantsika? b) Tokony hijanona ela be ve isika rehefa mitory? Hazavao.

16 Fidio tsara ny fotoana hahatongavanao any amin’ny olona. Tsy ampoizin-dry zareo matetika hoe ho tonga hitory any aminy isika. Tokony hojerentsika tsara àry hoe rahoviana ry zareo no mazoto hiresaka. (Mat. 7:12) Tia matory maraina angamba ny olona ao amin’ny faritaninareo rehefa faran’ny herinandro. Maninona àry raha mitory eny an-dalana aloha, izay vao mitory isan-trano? Afaka mitory eny amin’ny toerana be olona koa angamba ianao, ohatra hoe manao fampirantiana. Azonao atao koa ny miverina mitsidika an’izay olona fantatrao hoe efa afaka miresaka.

17 Aza mijanona ela be. Be atao ny olona, ka tsara raha fohy ny resatsika, indrindra amin’ny voalohany. Aleo miresaka vetivety fotsiny toy izay mijanona ela loatra. (1 Kor. 9:20-23) Raha sahirana be ny olona na tery be ny fotoanany ka ataontsika fohy ny resaka, dia mety ho vonona hihaino antsika indray izy amin’ny manaraka. Tokony hanana ny vokatry ny fanahy àry isika rehefa mitory. Tena “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika amin’izay. Mety ho isika mihitsy aza no hampiasain’i Jehovah mba hahatonga ny olona hianatra Baiboly.—1 Kor. 3:6, 7, 9.

18. Inona no soa ho azontsika raha tsara fanahy isika?

18 Andao àry isika hiezaka mafy mba ho tsara fanahy amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo ary ny olona itoriantsika. Be dia be ny soa ho azontsika amin’izany dieny izao sy amin’ny hoavy. Hoy ny Salamo 41:1, 2: “Sambatra izay miahy ny mahantra, fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory. ... Hambara ho sambatra izy eto an-tany.”