Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Amin’ny Firy Izao?

Amin’ny Firy Izao?

INONA no hataonao raha te hahalala ianao hoe amin’ny firy izao? Mijery famantaranandro angamba ianao. Ary raha ianao indray no anontanian’ny olona hoe: ‘Amin’ny firy izao?’, dia ahoana no havalinao azy?

Samy hafa ny fomba hamalian’ny olona, arakaraka ny tany na ny faritra misy azy. Andao hatao hoe amin’ny iray ora sy sasany tolakandro izao. Mety hiteny ianao hoe: ‘Amin’ny iray sy sasany izao.’ Ny any an-tany hafa indray mety hiteny hoe amin’ny 1.30 (amin’ny iray sy telopolo), na amin’ny 13.30 (amin’ny telo ambin’ny folo sy telopolo). Misy aza miteny hoe: ‘Amin’ny roa latsaka antsasany’, izany hoe antsasak’adiny sisa dia amin’ny roa.

Ary hoatran’ny ahoana no fomba nilazan’ny Israelita fotoana? Nisy fomba maromaro nanaovan’izy ireo an’izany. Misy resaka hoe “maraina” sy “mitataovovonana” ary “takariva”, ohatra, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Gen. 8:11; 19:27; Deot. 28:29) Voafaritra kokoa anefa indraindray ny fomba nilazana fotoana.

Nisy olona niambina ny tanàna tamin’izany, indrindra tamin’ny alina. Nozaraina telo ny alina, ary nantsoina hoe fotoam-piambenana izany. (Sal. 63:6) Miresaka momba ny “fotoam-piambenana teo antenatenan’ny alina”, ohatra, ny Mpitsara 7:19. Lasa nanaraka ny nataon’ny Grika sy ny Romanina ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, ka nozarainy efatra ny alina dia lasa nisy fotoam-piambenana efatra.

Miresaka matetika momba an’ireo fotoam-piambenana ireo ny Filazantsara. Nandeha teo amin’ny rano sy nanatona an’ilay sambo nisy ny mpianany, ohatra, i Jesosy “tamin’ny fiambenana fahefatra.” (Mat. 14:25) Hoy koa i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray: “Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina.”—Mat. 24:43.

Niresaka an’ireo fotoam-piambenana efatra i Jesosy tamin’izy niteny tamin’ny mpianany hoe: “Koa miambena hatrany àry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina.” (Mar. 13:35) Tamin’ny “takariva” ny fiambenana voalohany. Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny sivy alina teo ho eo izy io. Tamin’ny sivy alina teo ho eo ka hatramin’ny misasakalina kosa ny faharoa. Ilay fahatelo indray tamin’ny “maneno akoho”, izany hoe nanomboka tamin’ny misasakalina ary nifarana tamin’ny telo maraina teo ho eo. Tamin’io fiambenana fahatelo io angamba no nisy akoho naneno, ny alina nisamborana an’i Jesosy. (Mar. 14:72) “Vao maraina” kosa ilay fahefatra farany, ary nanomboka tamin’ny telo maraina teo ho eo ka hatramin’ny fiposahan’ny masoandro.

Tena nanana ny fomba nilazany ny fotoana àry ny olona taloha, na dia tsy nanana famantaranandro aza.