Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Septambra 2017

Haharitra Mandrakizay ny Tenin’Andriamanitsika

Haharitra Mandrakizay ny Tenin’Andriamanitsika

“Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”​—ISAIA 40:8.

HIRA: 95, 97

1, 2. a) Mety ho nanao ahoana ny fiainana raha tsy nisy ny Baiboly? b) Inona no ilaina raha te handray soa amin’ny Tenin’Andriamanitra isika?

METY ho nanao ahoana re ny fiainantsika raha tsy nisy ny Baiboly e? Tsy ho nahita torohevitra tsara hitondrana ny fiainana andavanandro isika. Tsy ho nahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fiainana ary ny hoavy isika. Tsy ho fantatsika koa hoe inona no nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona fahiny.

2 Soa ihany fa tsy izany no nitranga. Nomen’i Jehovah antsika ny Teniny, dia ny Baiboly, ary nanome toky izy fa haharitra mandrakizay ny zavatra voalaza ao. Niresaka an’ilay Isaia 40:8 ny apostoly Petera ao amin’ny 1 Petera 1:24, 25. (Vakio.) Marina fa tsy ny Baiboly no tena tiany horesahina, nefa azo ampiharina amin’izay voalaza ao io andininy io. Raha tsy amin’ny fiteny azontsika tsara anefa ny Baiboly, dia tsy tena handray soa amin’izy io isika. Efa hatramin’ny ela ny olona tia ny Tenin’Andriamanitra no niaiky an’izany. Nisy olona niezaka mafy nandika sy nizara ny Baiboly nandritra ny taona maro, na dia niatrika olana sy nenjehina aza izy ireo tamin’izany. Nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah ny fanirian’izy ireo. Tian’i Jehovah mantsy “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana  marina tsara ny fahamarinana.”—1 Tim. 2:3, 4.

3. Inona no hodinihintsika ato? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Ho hitantsika ato fa mbola eo foana ny Tenin’Andriamanitra, na dia teo aza ireto zavatra telo ireto: 1) Niova ny fiteny, 2) lasa hafa ny fiteny niombonan’ny olona noho ny fiovana ara-politika, ary 3) nenjehina izay olona nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny hafa. Mahasoa antsika ny mandinika an’izany, satria mahatonga antsika hankasitraka kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Vao mainka koa isika ho tia an’i Jehovah, ilay nanome antsika ny Baiboly.—Mika 4:2; Rom. 15:4.

NIOVA NY FITENY

4. a) Manao ahoana ny fiteny rehefa mandeha ny fotoana? b) Inona no mampiseho fa tsy manavakavaka i Jehovah, ary inona no vokatr’izany aminao?

4 Miova ny fiteny rehefa mandeha ny fotoana. Mety ho lasa hafa tanteraka ny dikan’ny teny na fomba fiteny sasany. Mahafantatra ohatra vitsivitsy manamarina an’izany angamba ianao amin’ny fiteninao. Hoatr’izany koa ny teny hebreo sy grika, izay nanoratana ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly. Tena tsy mitovy amin’ny teny hebreo sy grika nanoratana ny Baiboly ny teny hebreo sy grika ampiasain’ny olona amin’izao. Saika ny olona rehetra mihitsy àry no mila fandikan-teny, mba hahazoana an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Na ireo mahay teny hebreo sy grika aza mila an’izany. Misy mieritreritra hoe mila mianatra teny hebreo sy grika tranainy izy, amin’izay afaka mamaky ny Baiboly amin’ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany. Mety tsy hahasoa azy loatra anefa izany. * Soa ihany fa voadika amin’ny fiteny 3000 latsaka kely izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Hita mihitsy hoe tian’i Jehovah handray soa amin’ny Teniny ‘ny firenena sy foko ary ny olona samy hafa fiteny rehetra.’ (Vakio ny Apokalypsy 14:6.) Tena be fitiavana izy sady tsy manavakavaka, ka vao mainka isika tia azy.—Asa. 10:34.

5. Inona no nampiavaka ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques?

5 Misy vokany amin’ny Baiboly ny fiovan’ny fiteny. Mety tsy ho azon’ny olona intsony ny zavatra voalaza ao rehefa mandeha ny fotoana, na dia mora azo aza ilay izy tamin’ny voalohany. Eritrereto, ohatra, ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Tamin’ny 1611 izy io no navoaka. Anisan’ny Baiboly anglisy be mpampiasa indrindra izy io. Lasa fomba fiteny andavanandro mihitsy aza ny teny anglisy nampiasaina tao. Tsara homarihina anefa fa tsy dia hita ao amin’io Baiboly io ny anaran’Andriamanitra. Andinin-teny vitsivitsy ihany no misy hoe “Jehovah.” Nosoloana hoe “TOMPO” io anarana io any amin’ny ankamaroan’ny andininy nisy azy tao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Ny hoe “TOMPO” koa no ampiasaina ao amin’ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Grika, ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques tatỳ aoriandriana kokoa. Hita amin’izany fa neken’ny mpandika an’io Baiboly io hoe nisy anaran’Andriamanitra tao amin’ny andinin-teny sasany, ao amin’ilay antsoina hoe “Testamenta Vaovao.”

6. Nahoana no tena tiantsika ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

6 Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa tsy fampiasa intsony ny teny sasany ao amin’ilay Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Hoatr’izany koa ny Baiboly amin’ny fiteny hafa nadika taloha kokoa. Tena faly àry isika manana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny  Tontolo Vaovao, satria teny fampiasa amin’izao no hita ao. Misy amin’ny fiteny 150 mahery io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy, ka afaka mahazo azy ny ankamaroan’ny olona. Manohina ny fo ny tenin’Andriamanitra voalaza ao, satria mazava sy mora azo ny fehezanteny ampiasaina. (Sal. 119:97) Naverina ao amin’ny toerana tokony hisy azy koa ny anaran’Andriamanitra, ary izay no tena mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

LASA HAFA NY FITENY NIOMBONANA

7, 8. a) Nahoana ny Jiosy maro no lasa tsy nahazo ny Soratra Hebreo? b) Inona ilay hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo?

7 Niova indraindray ny fiteny niombonan’ny olona noho ny fiovana ara-politika. Nataon’i Jehovah foana anefa izay hisian’ny Baiboly amin’ny fiteny azon’ny olona. Jiosy, ohatra, no nanoratra ny Soratra Hebreo, izany hoe ny boky 39 voalohany ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny teny hebreo na aramianina no nanoratan’izy ireo an’ilay izy. Izy ireo mantsy no voalohany indrindra “nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.” (Rom. 3:1, 2) Maro anefa ny Jiosy tsy nahazo teny hebreo intsony, nanomboka tamin’ny taona 200 tany ho any. Nandresy tanàna be dia be mantsy i Aleksandra Lehibe, dia lasa nitatra ny Fanjakana Grika. (Dan. 8:5-7, 20, 21) Ny teny grika àry no lasa fiteny niombonan’ny ankamaroan’ny vahoakany. Be dia be koa ny Jiosy nipetraka tany amin’ny faritra nanjakany, dia maro tamin’izy ireo no lasa niteny grika. Lasa sarotra tamin’izy ireo àry ny nahazo ny Baiboly tamin’ny teny hebreo. Inona no vahaolana?

8 Nadika tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo. Tamin’ny taona 250 T.K. tany ho any no voadika ny boky dimy voalohany tamin’izy io, ary tamin’ny taona 100 T.K. tany ho any no vita ny ambiny. Nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izy rehetra mitambatra. Tamin’izay vao nadika tamin’ny fiteny hafa ny Soratra Hebreo manontolo.

9. a) Inona no vokany rehefa lasa nisy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ny fandikan-teny hafa? b) Inona no andinin-teny tianao indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo?

9 Lasa afaka namaky ny Soratra Hebreo ny Jiosy sy ny olon-kafa niteny grika, rehefa nisy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo. Eritrereto ny hafalian’izy ireo rehefa naheno na namaky ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fiteniny! Nadika tamin’ny fiteny hafa niombonan’ny olona koa tatỳ aoriana ny ampahany sasany amin’ny Baiboly, ohatra hoe tamin’ny teny syriàka sy gôtika ary latinina. Azo antoka fa lasa tian’ny olona ny Tenin’Andriamanitra rehefa afaka namaky azy io tamin’ny fiteny azony tsara izy ireo. Mety ho nanana andinin-teny tiany indrindra mihitsy aza izy ireo, hoatr’antsika amin’izao ihany. (Vakio ny Salamo 119:162-165.) Mbola eo foana àry ny Tenin’Andriamanitra, na dia niova aza ny fiteny niombonan’ny olona.

TSY NAVELA NADIKA NY BAIBOLY

10. Nahoana no tsy nahalala an’izay voalazan’ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i John Wycliffe?

10 Nanao izay azony natao ny manam-pahefana sasany mba tsy ho afaka hamaky Baiboly ny olona. Tsy nanaiky lembenana mihitsy anefa ny olona natahotra an’Andriamanitra. Anisan’izany i John Wycliffe, izay nipetraka tany Angletera tamin’ny 1300 tany ho any. Resy lahatra izy hoe tokony ho afaka hamaky ny Tenin’Andriamanitra daholo ny olona. Tsy nahalala an’izay voalazan’ny Baiboly mihitsy ny ankamaroan’ny olona tany Angletera tamin’izany. Baiboly nadika tanana mantsy no nisy, dia tena lafo be ny nanamboatra azy, ka tsy nanam-bola  hividianana an’ilay izy ny ankamaroan’ny olona. Vitsy koa ny olona nahay namaky teny. Mety ho naheno andinin-teny ihany ny sasany rehefa niangona. Azo antoka anefa hoe tsy nisy azony ilay izy, satria ny Baiboly Vulgate tamin’ny teny latinina no nampiasaina tany am-piangonana. Fiteny tranainy be anefa ny teny latinina tamin’izany, ary efa tsy fampiasan’ny olona andavanandro intsony. Inona àry no nataon’i Jehovah mba ho azon’ny olona ny hevitra sarobidy ao amin’ny Teniny?—Ohab. 2:1-5.

Tian’i John Wycliffe sy ny namany hanana ny Tenin’Andriamanitra ny olon-drehetra. Izany koa ve no fanirianao? (Fehintsoratra 11)

11. Inona no vokany rehefa nivoaka ny Baibolin’i Wycliffe?

11 Nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy i Wycliffe sy ny namany, ary vita ilay izy tamin’ny 1382. Lasa nantsoina hoe Baibolin’i Wycliffe izy io. Vetivety dia lasa tia be an’io Baiboly io ny antokon’olona atao hoe Lollards. Mpanara-dia an’i Wycliffe ry zareo. Tian’izy ireo ho azon’ny olon-tsotra sy hanohina ny fony ny Tenin’Andriamanitra, ka nandeha an-tongotra nitety tanàna eran’i Angletera izy ireo mba hitory azy io. Matetika no namakiany andinin-teny avy ao amin’ilay Baibolin’i Wycliffe izay olona hitany, ary avy eo nomeny ampahany nadika tanana tamin’ilay Baiboly. Nisy vokany tsara ny ezaka nataon’izy ireo, satria lasa liana tamin’ny Tenin’Andriamanitra indray ny olona.

12. Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana?

12 Lasa nankahala an’i Wycliffe sy ny Baiboliny ary ny mpanara-dia azy anefa ny mpitondra fivavahana. Nenjehiny ireo mpanara-dia azy, ary nokarohiny hatraiza hatraiza ny Baibolin’i Wycliffe dia nopotehiny izay hitany. Na dia efa maty aza i Wycliffe, dia mbola nolazain’izy ireo hoe fahavalon’ny Eglizy. Te hanasazy azy izy ireo, saingy izy aza moa efa maty. Nofongarin’izy ireo àry ny taolany dia nodorany, ary natsipiny tany amin’ny reniranon’i Swift ny lavenony. Tsy nahasakana ny olona tsy hamaky sy hahazo izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny Eglizy. Nanomboka nandika sy nanao pirinty ny Baiboly ny olona maro tany Eoropa sy tany an-tany hafa, taorian’izay. Nadikan’izy ireo tamin’ny fiteny azon’ny olona maro ilay izy.

“ILAY MAMPIANATRA ANAO MBA HAHITANAO SOA”

13. Inona no atokisantsika, ary inona no vokatr’izany amintsika?

13 Andriamanitra no nampanoratra ny  Baiboly. Tsy hoatr’izany kosa ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, na ny Baibolin’i Wycliffe, na ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, na ny fandikan-teny hafa. Rehefa mandinika ny tantaran’izy ireny anefa isika dia lasa matoky fa maharitra ny Tenin’i Jehovah, araka ny efa nampanantenainy. Vao mainka àry isika resy lahatra fa hotanterahin’i Jehovah daholo koa ny zavatra hafa nampanantenainy.—Jos. 23:14.

14. Nahoana no lasa tia kokoa an’i Jehovah isika rehefa misaintsaina ny tantaran’ny Baiboly?

14 Vao mainka lasa tia an’i Jehovah koa isika rehefa mandinika ny tantaran’ny Baiboly, ka mahita hoe narovany izy io. * Nahoana tokoa moa i Jehovah no nanome ny Teniny? Ary nahoana izy no nanome toky fa haharitra izy io? Satria tia antsika izy, ary te hampianatra antsika mba hahitantsika soa. (Vakio ny Isaia 48:17, 18.) Tokony ho tia azy koa àry isika ka hitandrina ny didiny.—1 Jaona 4:19; 5:3.

15. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

15 Ara-dalàna raha te handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, satria tena ankasitrahantsika izy io. Inona àry no hanampy antsika ho tia mamaky Baiboly sy handray soa betsaka avy amin’izany? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona itoriantsika hankasitraka ny Baiboly? Inona no tokony hataon’ny rahalahy manana anjara amin’ny fivoriana mba hifanaraka foana amin’izay lazain’ny Soratra Masina ny zavatra ampianariny? Handinika an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 4 Jereo ilay hoe “Tena Ilaina ve ny Mianatra Teny Hebreo sy Grika?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2009.

^ feh. 14 Jereo ilay hoe “ Tongava Mitsidika E!