Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) SEPTAMBRA 2016

Niaro ny Vaovao Tsara teo Anatrehan’ny Manam-pahefana Izy

Niaro ny Vaovao Tsara teo Anatrehan’ny Manam-pahefana Izy

HOY i Jesosy Tompo momba ny Jiosy iray: “Fanaka voafidy ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka.” (Asa. 9:15) Vao lasa Kristianina io Jiosy io tamin’izay, ary nantsoina hoe apostoly Paoly tatỳ aoriana.

Anisan’izany “mpanjaka” noresahin’i Jesosy izany i Néron, mpitondra romanina. Ahoana raha ianao no tsy maintsy niaro ny finoanao teo anatrehany? Natahotra angamba ianao. Ampirisihina hanahaka an’i Paoly anefa ny Kristianina. (1 Kor. 11:1) Azontsika tahafina ny fomba nampiasany ny lalàna, rehefa niaro ny vaovao tsara izy.

Ny Lalàn’i Mosesy no nampiharina teo amin’ny Israely. Izy io no narahin’ny Jiosy tia fivavahana, na taiza na taiza. Tsy voatery nanaraka azy io intsony anefa ny mpanompon’i Jehovah, taorian’ny Pentekosta taona 33. (Asa. 15:28, 29; Gal. 4:9-11) Na izany aza, dia tsy nanaratsy azy io i Paoly sy ny Kristianina hafa. Afaka nitory tamin’ny Jiosy tany amin’ny toerana maro àry izy ireo. (1 Kor. 9:20) Nankany amin’ny synagoga imbetsaka mihitsy aza i Paoly, ka afaka nitory tamin’ireo nahalala ny Andriamanitr’i Abrahama. Afaka nampiasa ny Soratra Hebreo izy rehefa nampisaintsaina azy ireo.—Asa. 9:19, 20; 13:5, 14-16; 14:1; 17:1, 2.

I Jerosalema no nofidin’ireo apostoly ho foibe itarihana ny asa fitoriana, tamin’ny voalohany. Nampianatra tsy tapaka tao amin’ny tempoly izy ireo. (Asa. 1:4; 2:46; 5:20) Nankany Jerosalema i Paoly indraindray, ary tany izy no nogadraina tatỳ aoriana. Nila niakatra fitsarana izy taorian’izay, ka tonga tany Roma.

NAHAY NAMPIASA NY LALÀNA ROMANINA IZY

Ahoana no nety ho fiheveran’ny manam-pahefana romanina ny hafatra notorin’i Paoly? Mba hamaliana an’izany, dia hofantarintsika aloha ny fiheveran’izy ireo ny fivavahana. Tsy noteren’izy ireo hiala tamin’ny fivavahany ny olona hafa firenena tao amin’ny fanjakany, raha tsy hoe natahorana hanakorontana ny fanjakana angaha izany, na hitarika ny olona hanao ratsy.

Tsy voafehifehy be ny Jiosy tao amin’ny Fanjakana Romanina. Hoy ilay boky hoe Ny Zava-nisy Tamin’ ny Fotoana Niforonan’ny Fivavahana Kristianina (anglisy): “Nitana toerana miavaka ny Fivavahana Jiosy, tao amin’ny faritra nanjakan’ny Romanina. ... Afaka nanaraka tsara ny fivavahany ny Jiosy, ary tsy voatery nivavaka tamin’ireo andriamanitry ny Romanina. Afaka nampihatra ny lalàny izy ireo, mba handaminana ny fiaraha-monina nisy azy.” Tsy voatery nanao miaramila koa izy ireo. * Niaro ny Fivavahana Jiosy ny lalàna romanina. Nampiasa azy io àry i Paoly rehefa niaro ny Fivavahana Kristianina teo anatrehan’ny manam-pahefana romanina.

Nanao tetika isan-karazany ny mpanohitra an’i Paoly, amin’izay manenjika azy ny vahoaka sy ny manam-pahefana. (Asa. 13:50; 14:2, 19; 18:12, 13) Nisy nanely tsaho, ohatra, teo amin’ny Jiosy hoe mampirisika ny olona “hiala amin’ny Lalàn’i Mosesy” izy. Inona no ho vokany raha naheno an’izany ny sasany tamin’ireo Jiosy vao lasa Kristianina? Nety ho nihevitra izy ireo hoe tsy nanaja ny fandaharan’Andriamanitra i Paoly. Nety ho nomelohin’ny Fitsarana Avo ho mpivadi-pinoana koa izay lasa Kristianina. Raha izany anefa no nitranga, dia nety ho voasazy izay Jiosy nifandray tamin’ny Kristianina. Tsy ho nahazo nifandrairay tamin’olona intsony izy ireo, sady tsy ho nahazo nitory tao amin’ny tempoly sy ny synagoga. Tian’ireo anti-panahy tao Jerosalema hoporofoin’i Paoly hoe diso ilay tsaho. Nasainy nankany amin’ny tempoly àry izy, mba hanao zavatra tsy nasain’Andriamanitra natao fa azony natao ihany.—Asa. 21:18-27.

Nataon’i Paoly tokoa ilay izy, ka afaka “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” izy. (Fil. 1:7) Nirotaka ny Jiosy tao amin’ny tempoly tatỳ aoriana, ka nitady hamono azy. Nentin’ny mpitari-tafika romanina hogadraina izy avy eo. Efa saika hokaravasina izy no nilaza fa manana zom-pirenena romanina. Nentina tany Kaisaria indray àry izy, satria tany no nisy ny manam-pahefana romanina niandraikitra an’i Jodia. Afaka nitory tamin’ny manam-pahefana i Paoly tany. Tsy dia afaka nanao an’izany ny Kristianina matetika. Lasa nahafantatra tsara kokoa ny fivavahan’izy ireo àry ny olona.

Resahin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-24 ny nitsarana an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa, governora tao Jodia. Efa nandre momba ny zavatra inoan’ny Kristianina io governora io. Nilaza ny Jiosy fa nandika ny lalàna romanina i Paoly tamin’ireto zavatra telo ireto: Nampirisika ny Jiosy hikomy amin’ny fanjakana, nitarika sekta mampidi-doza, ary nitady hanazimbazimba ny tempoly izay narovan’ny Romanina. (Asa. 24:5, 6) Nety ho nomelohina ho faty i Paoly noho ireo fiampangana ireo.

Mahasoa antsika ny mandinika an’izay nataon’i Paoly. Tony sy nanaja olona foana izy. Niresaka momba ny Lalàna sy ny Mpaminany izy, ka nilaza fa zony ny manompo ‘ny Andriamanitry ny razany.’ Nanana an’izany zo izany ny Jiosy araka ny lalàna romanina. (Asa. 24:14) Afaka niresaka momba ny finoany sy niaro azy io teo anatrehan’i Porsio Festosy, governora nandimby an’i Feliksa, i Paoly tatỳ aoriana, ary avy eo teo anatrehan’i Heroda Agripa Mpanjaka.

Tian’i Paoly ho ara-drariny tsara ny fitsarana azy, ka hoy izy: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (Asa. 25:11) I Kaisara mantsy no manam-pahefana ambony indrindra tamin’izany.

NOTSARAINA TEO ANATREHAN’I KAISARA IZY

Hoy ny anjely iray tamin’i Paoly, tatỳ aoriana: “Tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao.” (Asa. 27:24) Nilaza i Néron tamin’izy vao nanjaka fa tsy ny raharaha rehetra no hotsarainy. Olon-kafa matetika no nasainy nitsara, nandritra an’ireo valo taona voalohany nanjakany. Milaza ilay boky hoe Ny Fiainan’i Masindahy Paoly sy Ireo Epistiliny (anglisy), fa rehefa nanaiky hitsara raharaha iray i Néron, dia tao amin’ny lapany ilay fitsarana no natao. Nisy mpanolo-tsaina maromaro za-draharaha sy to teny nanampy azy.

Tsy resahin’ny Baiboly raha i Néron mihitsy no nitsara an’i Paoly, na hoe olon-kafa no nasainy  nanao an’izany ary avy eo nanao tatitra tany aminy. Na ahoana na ahoana anefa, dia azo antoka fa nohazavain’i Paoly taminy hoe nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny Jiosy izy, ary nampirisika ny olona rehetra hanaja ny fitondrana. (Rom. 13:1-7; Tit. 3:1, 2) Nanafaka an’i Paoly ny fitsaran’i Kaisara. Midika izany fa nahomby izy tamin’izy niaro ny vaovao tsara teo anatrehan’ny manam-pahefana.—Fil. 2:24; Filem. 22.

ASAINA MIARO NY VAOVAO TSARA KOA ISIKA

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” (Mat. 10:18) Voninahitra lehibe ny misolo tena an’i Jesosy. Mety handresy eny amin’ny fitsarana isika, rehefa manao izay ‘hahamafy orina ny vaovao tsara araka ny lalàna.’ Na inona na inona anefa fanapahan-kevitra raisin’ny olona tsy lavorary, dia i Jehovah no manome antsika zo hitory ny vaovao tsara. Ny Fanjakany ihany no afaka mamarana tanteraka ny fanenjehana sy ny tsy rariny.—Mpito. 8:9; Jer. 10:23.

Afaka manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa miaro ny finoantsika. Tokony ho tony sy hilaza ny marina ary hiezaka handresy lahatra toa an’i Paoly isika. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tsy mila ‘mieritreritra mialoha izay fiarovan-tena holazainy izy ireo, satria izy hanome azy ireo vava sy fahendrena izay tsy hain’ny fahavalo rehetra resena na toherina.’—Lioka 21:14, 15; 2 Tim. 3:12; 1 Pet. 3:15.

Mety ho afaka hitory amin’ny mpanjaka sy governora ary manam-pahefana hafa ny Kristianina rehefa miaro ny finoany. Matetika mantsy no sarotra ny mihaona amin’izy ireny sy mitory aminy. Nanome rariny antsika ny fitsarana tany amin’ny tany sasany. Nanatsara ny lalàna any izany, ka voaro ny zon’ny olona hifidy ny fivavahany sy haneho ny heviny. Na tsy izany aza anefa no mitranga, dia faly i Jehovah rehefa be herim-po ny mpanompony amin’ireny fotoana ireny.

Mahazo voninahitra i Jehovah rehefa miaro ny finoantsika isika

^ feh. 8 Hoy ilay mpanoratra atao hoe James Parkes: ‘Nanan-jo hanaraka ny fombafombany ny Jiosy. Tsy hoe nanao zavatra miavaka be anefa ny Romanina rehefa namela ny Jiosy hanao an’izany. Navelan’izy ireo hahaleo tena foana mantsy ny mponina tany amin’ireo faritra samy hafa nanjakany, raha mbola azony natao.’