Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Miezaha Hilaza ny Marina

Miezaha Hilaza ny Marina

“Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.” —ZAK. 8:16.

HIRA: 56, 124

1, 2. Inona no mampidi-doza indrindra, ary iza no nahatonga an’izany?

MANAMORA fiainana ny zavatra sasany noforonin’ny olombelona, anisan’izany ny jiro sy ny aotomobilina ary ny telefaonina. Misy indray anefa mampidi-doza, ohatra hoe ny sigara sy ny basy ary ny baomba ataomika. Tsy ireo anefa no mampidi-doza indrindra. Fa inona? Ny lainga. Efa nisy talohan’ireo rehetra ireo izy io. Mandainga ny olona raha milaza zavatra efa fantany hoe diso mba hamitahana ny hafa. Iza no nandainga voalohany? I Satana Devoly. Nilaza i Jesosy Kristy hoe ‘ny Devoly no rain’ny lainga.’ (Vakio ny Jaona 8:44.) Oviana izy no nanomboka nandainga?

2 Efa an’arivony taona lasa izay. Tao amin’ny zaridainan’i Edena ilay izy no nitranga. Nankafy ny fiainana tao amin’io Paradisa noforonin’i Jehovah io i Adama sy Eva. Noraran’i Jehovah ry zareo mba tsy hihinana tamin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Nilaza koa izy hoe ho faty izy ireo raha tsy mankatò an’izany. Fantatr’i Satana tsara izany. Nampiasa bibilava anefa izy mba hilazana tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.” Io ilay lainga voalohany. Hoy koa izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Gen. 2:15-17; 3:1-5.

3. Nahoana isika no milaza hoe tena ratsy saina i Satana, ary inona no vokatry ny laingany?

 3 Tena ratsy saina i Satana. Nampirisihiny hihinana an’ilay voankazo mantsy i Eva, nefa efa fantany hoe ho faty i Eva raha mino ny teniny ka mihinana an’ilay izy. Izany mihitsy anefa no nitranga. Tsy nankatò ny didin’i Jehovah izy mivady dia maty tatỳ aoriana. (Gen. 3:6; 5:5) Tsy vitan’izany fa “niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.” Lasa ‘manjaka’ izy io, ka maty ny olona na dia “tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama aza.” (Rom. 5:12, 14) Lasa tsy lavorary intsony koa isika. Tokony hiaina mandrakizay isika, nefa lasa 70 taona na 80 taona sisa no velona “raha tena matanjaka.” Na mahatratra an’izany aza ny olona iray, dia matetika no “feno zava-tsarotra sy fijaliana” ny fiainany. (Sal. 90:10) I Satana sy ny laingany no nahatonga an’izany rehetra izany! Tsy izany mihitsy anefa no nirin’i Jehovah ho antsika.

4. a) Inona avy ny fanontaniana mila eritreretintsika? b) Olona hoatran’ny ahoana ihany no ataon’i Jehovah namana, araka ny Salamo 15:1, 2?

4 Nilaza i Jesosy fa “tsy nifikitra tamin’ny marina” i Satana, “satria tsy ao aminy ny marina.” (Jaona 8:44) Tsy niova i Satana fa mbola mandainga foana, ary “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Apok. 12:9) Tsy te ho voafitany anefa isika. Mila mandinika an’ireto àry isika: Ahoana no amitahan’i Satana ny olona? Nahoana ny olona no mandainga? Ary ahoana no ampisehoantsika hoe manao ny marina sy “milaza ny marina” foana isika? Izany mantsy no tokony hataontsika raha te ho naman’i Jehovah foana isika, fa tsy ho lasa hoatran’i Adama sy Eva.—Vakio ny Salamo 15:1, 2.

AHOANA NO AMITAHAN’I SATANA NY OLONA?

5. Ahoana no amitahan’i Satana ny olona?

5 Tsy voatery ho voafitak’i Satana isika. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly fa “fantatsika ny teti-dratsiny.” (2 Kor. 2:11) Fantatsika hoe i Satana no mpitondra an’ity tontolo ity. Izy, ohatra, no mifehy ny fivavahan-diso. Izy koa no mifehy ny politika, ka tsy mahagaga raha feno tsy marina sy fandikan-dalàna izy io. Mbola i Satana koa no mifehy ny resaka varotra, ka mahatonga ny olona tsy hieritreritra afa-tsy vola. (1 Jaona 5:19) Tsy mahagaga àry raha mandainga ny olona manana toerana ambony, satria ampirisihin’i Satana sy ny demonia. (1 Tim. 4:1, 2) Izany mihitsy no ataon’ny mpivarotra sasany. Manao dokam-barotra mamitaka izy ireny mba hahalafo ny entany, nefa efa fantany hoe misy vokany ratsy ilay zavatra amidiny. Ny hafa indray mampirisika ny olona hiombona antoka aminy amin’ny asa anankiray, nefa fitahiny fotsiny ilay olona dia lasany ny volany.

6, 7. a) Nahoana no tena ratsy rehefa ny mpitondra fivavahana no mandainga? b) Inona, ohatra, ny lainga lazain’ny mpitondra fivavahana?

6 Mandainga koa ny mpitondra fivavahana satria mampianatra zavatra diso, ary izany no tena ratsy. Raha mino an’izay ampianariny mantsy ny olona ka manao zavatra halan’Andriamanitra, dia ho simba ny hoaviny. Mety tsy ho afaka hiaina mandrakizay izy. (Hosea 4:9) Fantatr’i Jesosy hoe namitaka hoatr’izany ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Sahy niteny azy ireo àry izy hoe: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hampiova finoana olona iray, ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny Gehena”, izany hoe ny fandringanana mandrakizay. (Mat. 23:15, f.a.p.) Tsy nitsitsitsitsy mihitsy i Jesosy nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary mpamono olona izy.’—Jaona 8:44.

7 Be dia be ny mpitondra fivavahana amin’izao. Misy, ohatra, antsoina hoe pasitera, na mompera, na raby. Hoatran’ny nataon’ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy ihany no ataon’izy ireny. ‘Manakalo ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lainga’  izy ireny, fa tsy mampianatra ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Rom. 1:18, 25) Ampianariny, ohatra, hoe “rehefa voavonjy indray mandeha dia ho voavonjy mandrakizay.” Lazainy hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mankany amin’ny afobe ny mpanao ratsy. Eken’Andriamanitra koa, hono, na miaraka aza ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, sady tsy mampaninona azy raha mivady ry zareo.

8. Inona no lainga holazain’ireo mpanao politika atsy ho atsy? Tokony hino an’izany ve isika?

8 Mandainga koa ny mpanao politika mba hamitahana olona. Mbola hilaza lainga be tsy misy hoatr’izany ry zareo amin’ny hoavy. Hilaza ry zareo hoe nahavita nampisy “fandriampahalemana sy filaminana.” Amin’izay mihitsy anefa no ho ringana tampoka ry zareo. Aza mba minomino an’izay holazain’izy ireo mihitsy àry! Efa amoron-tevana mantsy ity tontolo ity, na dia mody hataony hoe milamina aza. ‘Fantatsika tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.’—1 Tes. 5:1-4.

NAHOANA NY OLONA NO MANDAINGA?

9, 10. a) Maninona ny olona no mandainga, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no tokony hotadidintsika momba an’i Jehovah?

9 Lasa fanaon’ny olona izao ny mandainga, ary tsy izay manana toerana ambony ihany no manao an’izany. “Efa zatra mandainga loatra ny olona”, hoy ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Isika no Mandainga?” Mandainga ny olona matetika satria te hiaro tena na misy zavatra tadiaviny. Tsy tiany hisy hahalala angamba hoe nanao fahadisoana izy na nandika lalàna. Mety ho te hahazo vola na tombontsoa hafa koa izy. Hoy ihany ilay lahatsoratra: “Efa tranon-dainga mihitsy ny olona sasany. Mandainga izy amin’ny zavatra lehibe, mainka moa fa amin-javatra tsy misy dikany. Andaingany daholo na ny mpiara-miasa aminy, na ny namany, na ny fianakaviany, na ny olona tsy fantany.”

10 Inona no vokatr’ireny lainga rehetra ireny? Lasa tsy mifampatoky intsony ny olona, dia simba ny fihavanana. Eritrereto, ohatra, hoe manaja tsara ny vadiny ny lehilahy iray, nefa mampirafy ilay vehivavy dia mandainga mba tsy ho tratra. Tena mandratra fo izany! Eritrereto koa hoe miseho ho tsara fanahy be amin’ny vady aman-janany ny lehilahy iray rehefa eny imason’olona, nefa ao an-trano izy mampijaly an-dry zareo. Tokony hotadidintsika anefa hoe ny olona no voafitak’izany fa tsy i Jehovah. “Mihanjahanja sy miharihary” eo imasony daholo mantsy “ny zava-drehetra.”—Heb. 4:13.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Ananiasy sy Safira? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 Resahin’ny Baiboly hoe nampirisihin’i Satana handainga tamin’Andriamanitra i Ananiasy sy Safira. Nitetika ny hamitaka ny apostoly izy mivady tamin’izay. Nivarotra ampahany tamin’ny taniny ry zareo, dia nomeny tamin’ny vola azony ny apostoly. Nolazainy fa ilay vola rehetra no nomeny, nefa nisy notazoniny raha ny marina. Niseho ho malala-tanana be teo anatrehan’ny fiangonana fotsiny izy mivady. Hitan’i Jehovah anefa ny nataony dia nosaziny ry zareo.—Asa. 5:1-10.

12. Inona no hanjo an’izay mpandainga rehetra tsy mety mibebaka? Nahoana?

12 Halan’i Jehovah ny lainga. Haringany any amin’ny “farihy afo” i Satana sy izay mpandainga rehetra tsy mety mibebaka hoatr’azy. (Apok. 20:10; 21:8; Sal. 5:6) Nahoana? Satria maharikoriko an’i Jehovah izany. Maharikoriko azy hoatran’ny filalaovana ody sy ny fijangajangana sy ny famonoana olona ary ny fanompoan-tsampy mihitsy ny lainga.—Apok. 22:15.

13. Inona no fantatsika momba an’i Jehovah, ary mahatonga antsika hanao inona izany?

13 Fantatsika hoe “tsy mba olona Andriamanitra ka handainga.” Tsy mahay mandainga mihitsy izy. (Nom. 23:19; Heb. 6:18)  Halany koa “ny lela fandainga.” (Ohab. 6:16, 17) Tsy maintsy manao an’izay takiny isika raha te hampifaly azy. Izany no mahatonga antsika ‘tsy hifandainga.’—Kol. 3:9.

“MILAZA NY MARINA” ISIKA

14. a) Inona no tsy mampitovy antsika amin’ny olona ao amin’ny fivavahan-diso? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny Lioka 6:45?

14 Tsy mitovy amin’ny olona ao amin’ny fivavahan-diso ny tena Kristianina. “Milaza ny marina” mantsy isika. (Vakio ny Zakaria 8:16, 17.) Hoy i Paoly: “Mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, ... amin’ny teny marina.” (2 Kor. 6:4, 7) Hoy koa i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Raha tapa-kevitra ao am-pony àry ny olona iray hoe hanao ny marina foana, dia tsy handainga mihitsy izy. Hilaza ny marina foana izy na amin-javatra tsy misy dikany aza, mainka moa fa amin’ny zavatra lehibe. Hanao an’izany izy na amin’ny mpiara-miasa aminy, na amin’ny namany, na amin’ny fianakaviany, na amin’ny olona tsy fantany. Hijery ohatra vitsivitsy izao isika mba hahitana hoe ahoana izany hoe manao ny marina foana.

Inona no hitanao hoe tsy mety amin’ny ataon’io anabavy io? (Fehintsoratra 15, 16)

15. a) Nahoana no ratsy foana ny manao ditra any ambadimbadika any? b) Inona no azon’ny tanora atao mba tsy ho voatarika haditra? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

15 Tanora angamba ianao, dia tianao raha tsy avakavahan’ny tanora hafa. Aza manao hoatran’ny ataon’ny ankizy sasany anefa. Tsy te hailiky ny namany ry zareo, dia lasa manao ditra any ambadimbadika any. Miseho ho hendry erỳ ry zareo rehefa miaraka amin’ny fianakaviany sy ny mpiara-manompo. Hoatran’ny olona hafa mihitsy anefa izy, rehefa any amin’ny tranonkala fifaneraserana na miaraka amin’ny ankizy tsy manompo an’i Jehovah. Miteny ratsy izy, manao akanjo tsy maotina, mihaino hira misy tonony ratsy, mamon-toaka, mifoka rongony, mampiaraka nefa manafina, na manao zava-dratsy hafa. Mamitaka ny ray aman-dreniny sy ny mpiara-manompo izy amin’izany, sady mamitaka an’i Jehovah. (Sal. 26:4, 5) Fantatr’i Jehovah anefa rehefa ‘manaja azy an-tendro-molotra fotsiny isika, fa ny fontsika lavitra azy.’ (Mar. 7:6) Tsara kokoa ny manaraka ny voalazan’ny Ohabolana 23:17 hoe: “Aoka ny fonao tsy hitsiriritra ny mpanota, fa matahora foana an’i Jehovah.” *

16. Inona no tokony hataontsika rehefa mameno taratasy fangatahana ho mpanompo manontolo andro?

16 Te hanao mpisava lalana maharitra angamba ianao, na te hanao fanompoana  manontolo andro manokana, ohatra hoe Betelita. Mila mameno taratasy fangatahana ianao raha te hanao an’izany. Tena tokony hilaza ny marina ianao, rehefa mamaly an’ireo fanontaniana rehetra momba ny fahasalamanao sy ny fialam-bolinao ary ny fitondran-tenanao. (Heb. 13:18) Ahoana raha nanao zavatra halan’i Jehovah ianao na nanao zavatra hafa tsy mampandry ny eritreritrao, nefa tsy noresahinao tamin’ny anti-panahy ilay izy? Miresaha amin-dry zareo, dia hilamina ny feon’ny fieritreretanao rehefa manompo an’i Jehovah ianao.—Rom. 9:1; Gal. 6:1.

17. Inona no tokony hataontsika rehefa manontany antsika momba ny mpiara-manompo ny mpanenjika?

17 Ahoana raha voarara ny asantsika, dia samborin’ny manam-pahefana ianao ary anontaniany momba ny mpiara-manompo? Holazainao daholo ve izay fantatrao? Inona no nataon’i Jesosy rehefa nanadihady azy ny governora romanina? Nisy fotoana izy tsy niteny tsy nivolana. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana”, dia izay no narahiny. (Mpito. 3:1, 7; Mat. 27:11-14) Aleo mangina rehefa hoatr’ireny, amin’izay isika tsy mampidi-doza an’ireo mpiara-manompo.—Ohab. 10:19; 11:12.

Rahoviana ianao no tokony hangina, ary rahoviana no tokony hilaza ny marina rehetra? (Fehintsoratra 17, 18)

18. Inona no tokony hataontsika rehefa anontanian’ny anti-panahy momba ny mpiara-manompo isika?

18 Ahoana indray raha misy mpiara-manompo fantatrao hoe nanao fahotana lehibe? Mety hanontany anao momba an’ilay izy ny anti-panahy. Tokony hanao izay hampahadio ny fiangonana foana mantsy ry zareo. Inona no hataonao amin’izay? Ahoana raha havanao na namanao be ilay olona? Hoy ny Baiboly: “Izay milaza zavatra azo antoka dia hanambara ny marina.” (Ohab. 12:17; 21:28) Andraikitrao àry ny milaza ny marina rehetra amin’ny anti-panahy. Aza misy afenina mihitsy ary aza misy amboamboarina. Manan-jo hahalala ny tena marina ry zareo, amin’izay izy afaka mitady an’izay fomba tsara indrindra hanampiana an’ilay olona mba hihavana amin’i Jehovah indray.—Jak. 5:14, 15.

19. Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Fantatr’i Davida fa avy any am-po ilay hoe manao ny marina. Hoy mantsy izy rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Mahafinaritra anao ny fahamarinana vokatry ny fo.” (Sal. 51:6) Manaiky an’izany ny tena Kristianina, ka “milaza ny marina” foana. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa miavaka koa isika, satria mampianatra ny marina rehefa manompo.

^ feh. 15 Jereo ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, ao amin’ny toko faha-15 hoe “Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataona Haditra?” sy ny toko faha-16 hoe “Tokony Hitsotra ve Aho hoe Maditra?