Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

1918: Zato Taona Lasa Izay

1918: Zato Taona Lasa Izay

Ireto no teny voalohany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1918: “Hanao ahoana re ny taona 1918 e?” Nafotaka ny Ady Lehibe I tany Eoropa tamin’izany. Toa nisy fanantenana ihany anefa ho an’ny Mpianatra ny Baiboly sy ny olon-kafa, rehefa jerena izay nitranga teo am-piandohan’io taona io.

TE HAMPISY FANDRIAMPAHALEMANA

Niresaka hevitra 14 teo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena i Woodrow Wilson, prezidàn’i Etazonia, tamin’ny 8 Janoary 1918. Nilaza izy hoe tena ilaina ny manaraka an’ireo, amin’izay “hihavana foana” ireo firenena ary “tsy hisy tombo sy hala” amin’izay fifanekena hatao. Nilaza koa izy hoe mila ahena ny fitaovam-piadiana, ary tokony hiara-midinika ireo firenena, dia hatao fantatry ny vahoaka izay tapak’izy ireo. Ilaina koa, hoy izy, ny manangana “fikambanam-pirenena”, ary izay hahasoa “ny firenena rehetra” no tokony hotsinjovin’izy io. Narahina ireo heviny ireo rehefa nanangana ny Fikambanam-pirenena sy nanao ny Fifaneken’i Versailles, ka nifarana ny Ady Lehibe I.

RESY NY MPANENJIKA

Nanantena zavatra tsara ny Mpianatra ny Baiboly, na dia nisy korontana be aza tamin’ny 1917. * Nahavelom-bolo azy ireo mantsy ny zava-nitranga tamin’ny fivoriana isan-taona fanaon’ny fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly.

Tamin’ny 5 Janoary 1918 no natao ilay fivoriana. Nanatrika teo koa ny lehilahy maromaro efa noroahina hiala ny Betela. Nanana andraikitra lehibe tao amin’ny fandaminana ry zareo taloha, ary nitady hitantana azy io. I Richard Barber, mpiandraikitra mpitety faritany, no nanao ny vavaka voalohany. Rehefa vita ny tatitra momba ny zava-bita nandritra ny taona 1917, dia nofidina hoe iza indray no hitantana ny fikambanana. I Joseph Rutherford sy rahalahy enina hafa no natolotry ny Rahalahy Barber hofidina. Nanolotra lehilahy fito koa ny mpisolovava iray niray petsapetsa tamin’ny mpanohitra. Anisan’ny natolony ireo lehilahy efa voaroaka tao amin’ny Betela. Resy anefa ry zareo! Ny Rahalahy Rutherford sy ireo rahalahy enina tsy nivadika no be mpifidy indrindra.

Maro tamin’ireo rahalahy nanatrika an’iny fivoriana iny no nilaza hoe: “Mbola tsy nisy fivoriambe nahafinaritra hoatr’izany!” Semban-drahona anefa ny fifalian’izy ireo.

ILAY MISTERY FANTATRA

Nizara boky hoe Ilay Mistery Fantatra nandritra ny volana maromaro ny Mpianatra ny Baiboly. Tian’ny olona tso-po ilay boky satria niresaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Nitantara momba ny mpivady iray namaky azy io i E. Crist, mpiandraikitra mpitety faritany tany Kanada. Nilaza izy hoe tao anatin’ny iray volana mahery kely izy mivady dia efa resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana. Hoy koa izy: “Efa samy nanokan-tena ho an’i Jehovah izy roa, ary mandroso be.”

Vao avy namaky an’ilay boky ny lehilahy iray, dia tonga dia notantarainy tamin’ny namany izay novakiny. “Nandona be ny fony”, hono, ilay izy. Hoy izy: “Nandeha teny amin’ny Third Avenue aho indray mandeha, dia nisy zavatra nilatsaka teo amin’ny  soroko. Noheveriko fa biriky ilay izy. Hay ilay boky hoe ‘Ilay Mistery Fantatra’! Nentiko nody ilay izy dia novakiko hatramin’ny farany. ... Henoko tatỳ aoriana hoe mpitondra fivavahana no nanipy an’ilay izy avy teny am-baravarankeliny, satria tezitra be izy. ... Mino aho fa iny boky natsipiny iny no nahasoa olona betsaka kokoa noho ny toriteniny na ny zavatra hafa nataony hatramin’izay. ... Lasa midera an’Andriamanitra izao izahay, ary ny hatezeran’ilay mpitondra fivavahana no nahatonga an’izany.”

Tsy io mpitondra fivavahana io ihany anefa no tsy tia an’ilay boky. Noraran’ny fanjakana kanadianina koa izy io tamin’ny 12 Febroary 1918. Nolazain’izy ireo hoe mitarika ny olona hikomy sy tsy handeha hiady ilay izy. Nanao hoatr’izany koa ny fitondrana tany Etazonia taoriana kelin’izay. Naniraka olona ho any amin’ny Betela sy ho any amin’ireo biraon’ny fandaminana tany New York sy Pennsylvanie ary Kalifornia ny fanjakana. Te hitady porofo hiampangana an’ireo niandraikitra ny fandaminana mantsy ry zareo. Nolazain’ny Minisiteran’ny Fitsarana Amerikanina hoe mampirisika ny olona tsy handeha hiady ilay boky, ka mandika lalàna. Namoaka didy àry ry zareo tamin’ny 14 Martsa 1918 hoe voarara ny manao pirinty sy mizara an’ilay boky.

NOGADRAINA RY ZAREO

Nahazo alalana hisambotra an’i Giovanni DeCecca, George Fisher, Alexander Macmillan, Robert Martin, Frederick Robison, Joseph Rutherford, William Van Amburgh, ary Clayton Woodworth ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny 7 Mey 1918. Nampangaina ry zareo hoe ‘tsy manara-dalàna fa manao fanahy iniana mitarika ny tafika an-tanety sy an-dranomasina, mba hikomy sy tsy hanao ny asany ary hamadika tanindrazana.’ Nanomboka tamin’ny 3 Jona 1918 ny fitsarana an-dry zareo. Efa nampoizina anefa hoe ho voaheloka ry zareo. Nahoana?

Lalàna natao “hiadiana amin’izay mampiely hevitra” hanoherana ny fanjakana no nolazaina hoe tsy narahin’izy valo mirahalahy. Nilaza ny minisitry ny fitsarana hoe “tena mandaitra” io lalàna io. Efa saika novana izy io, mba hiarovana an’izay mampiely “hevitra marina noho ny antony tsara.” Tsy neken’ny Antenimiera anefa izany tamin’ny 16 Mey 1918. Noresahina be nandritra ny adihevitra tao amin’ny Antenimiera ilay boky Mistery Fantatra. Voalaza ao amin’ny antontan-taratasin-dry zareo hoe tena mampidi-doza ny fanjakana io boky io. Izao koa no voalaza ao: “Manaratsy ny ady ataontsika fotsiny izy io, dia lasa mino an’izany ny miaramila. Na ny olon-tsotra aza lasa tsy mety hanao miaramila.”

Voaheloka ho nahavita an’ireo zava-dratsy rehetra niampangana azy izy valo mirahalahy, tamin’ny 20 Jona 1918. Nivoaka ny ampitson’iny ny didim-pitsarana. Hoy ilay mpitsara: “Mampidi-doza kokoa noho ny fanafihan’ny andiana miaramila alemà ny hevitra aelin’ireo voampanga ireo. ... Tokony hosazina mafy izy ireo.” Voaheloka higadra 10 ka hatramin’ny 20 taona ireo rahalahy ireo. Nalefa tany amin’ny fonjan’i Atlanta, any Géorgie, ry zareo tapa-bolana taorian’izay.

 MBOLA NITORY FOANA

Nenjehina mafy ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Nanadihady be momba ny asan-dry zareo ny Birao Federaly Momba ny Famotorana (FBI), ka nahangona taratasy be dia be momba azy ireo. Hita ao amin’ireny taratasy ireny hoe nazoto nitory foana ireo rahalahy.

Nanoratra toy izao ho an’ny FBI, ohatra, ny lehiben’ny paositra tany Orlando, any Floride: “Mitory eran’ny tanàna [ny Mpianatra ny Baiboly]. Mitety trano ry zareo, dia amin’ny alina ry zareo no tena manao an’izany. ... Hoatran’ny hoe manao izay hahasorena ny olona mihitsy ry zareo satria mbola mitory foana.”

Nanao tatitra momba an’i Frederick Franz koa ny kolonely iray tao amin’ny Minisitera Miandraikitra ny Ady. Hoy izy: “Tena mazoto mivarotra an’ilay boky ‘Mistery Fantatra’ i F. Franz. An’arivony no lafony.” Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Rahalahy Franz tatỳ aoriana.

Nenjehina mafy koa i Charles Fekel. Nosamborin’ny manam-pahefana izy satria nizara an’ilay boky. Nigadra iray volana tany Baltimore, any Maryland, izy ary narahi-maso ny taratasy voarainy sy nalefany. Nopetahina anarana hoe “fahavalo avy any Aotrisy” izy tany. Tsy natahotra nitory tamin’ireo namotopototra azy izy. Tsaroany ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 9:16 hoe: ‘Lozako raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!’ Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa izy tatỳ aoriana.

Tsy hoe nazoto nitory fotsiny ireo Mpianatra ny Baiboly, fa nanangona sonia koa mba hamoahana an’ireo rahalahy nigadra tany Atlanta. Nitantara i Anna Gardner hoe: “Tsy lany atao mihitsy izahay! Rehefa nigadra ireo rahalahy, dia lasa izahay nitety trano nanangona sonia. Nahazo sonia be dia be izahay! Nolazainay tamin’ny olona hoe tena Kristianina izy valo mirahalahy ary tsy rariny ny nanagadrana azy.”

FIVORIAMBE

Nasiana fivoriambe matetitetika kokoa tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny, mba hampaherezana ny mpiara-manompo. Izao no voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana: ‘Nisy 40 mahery ny fivoriambe natao tamin’ity taona ity. Tsara be foana ny tatitra voaray momba azy ireny. Natao tao anatin’ny roa na telo volana ny fivoriambe rehetra taloha, fa izao lasa misy foana isam-bolana.’

Mbola betsaka ny olona tso-po nanaiky ny vaovao tsara. Nisy 1200 teo ho eo, ohatra, ny mpanatrika tamin’ny fivoriambe iray tany Cleveland, any Ohio. Nisy 42 no natao batisa, anisan’izany ny ankizilahikely iray. Tena tia an’i Jehovah izy sady faly be hoe nanokan-tena ho azy. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana hoe “ho menatra ny olon-dehibe eto amin’ity tontolo ity raha nahita azy.”

HANAO AHOANA NY HOAVY?

Efa akaiky hifarana ny taona 1918 tamin’izay. Namidy ny sasany tamin’ny tranon’ny fandaminana tany Brooklyn, ary nafindra tany Pittsburgh, any Pennsylvanie, ny foibe. Mbola nigadra koa ireo mpiandraikitra, nefa hisy fivoriana fanao isan-taona indray ny 4 Janoary 1919. Tsy fantatr’ireo Mpianatra ny Baiboly mihitsy àry hoe inona no havoakan’ny ampitso.

Nanohy ny asany foana anefa ry zareo. Tsy nisalasala ny rahalahy sy anabavintsika hoe hilamina ny zava-drehetra, ka izao no nataony andinin-teny ho an’ny taona 1919: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” (Isaia 54:17) Natoky izy ireo hoe mbola hivadika ny rasa, ka vao mainka hatanjaka ny finoan’izy ireo. Hahazo hery ry zareo amin’izay hamitana ny asa be niandry azy.

^ feh. 6 Jereo ilay hoe “Zato Taona Lasa Izay: 1917”, ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017, pejy 172-176.