Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

‘Tia Amin’ny Atao sy ny Fahamarinana’ ve Ianao?

‘Tia Amin’ny Atao sy ny Fahamarinana’ ve Ianao?

“Aoka isika ... tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.”—1 JAONA 3:18.

HIRA: 106, 100

1. Inona no fitiavana tsara indrindra, ary nahoana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

AVY amin’i Jehovah ny fitiavana. (1 Jaona 4:7) Ny fitiavana agape no tsara indrindra amin’ny fitiavana. Manaraka ny toro lalan’i Jehovah ny olona maneho azy io. Mety hiraiki-po amin’ilay olona tiany izy. Milaza anefa ny boky iray fa tsy fantatra hoe manana fitiavana agape ny olona iray, raha tsy asehony amin’ny ataony izany. Tia manao soa izy ary tsy manantena valiny. Lasa mahafinaritra antsika kokoa ny fiainana sady faly sy afa-po isika, rehefa maneho an’io fitiavana io, na misy maneho azy io amintsika.

2, 3. Inona no porofo fa tena tia antsika olombelona i Jehovah?

2 Mbola tsy namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah dia efa nasehony hoe tiany ny olombelona. Namorona ny tany izy mba hipetrahan’izy ireo mandrakizay. Tiany hankafy ny fiainana koa izy ireo, fa tsy hoe ho velona fotsiny. Tsy nisy tombony azony tamin’izany, fa izay hahasambatra azy ireo no nataony. Nataony afaka nanantena ny hiaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa teto an-tany koa ny taranak’izy mivady.

3 Inona anefa no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia nataony izay hanavotana  ny taranak’izy ireo. (Gen. 3:15; 1 Jaona 4:10) Natoky izy fa tsy maintsy ho tia azy ny sasany amin’izy ireo. Nilaza izy hoe hisy olona hanao sorona ny ainy mba hanavotana ny olombelona. Vao nampanantena an’izany i Jehovah dia toy ny hoe efa tanteraka ilay izy. Nahafoy ny Zanany lahitokana ho antsika izy, 4 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Jaona 3:16) Tena mankasitraka an’i Jehovah isika satria tena tia antsika izy!

4. Inona no porofo fa afaka maneho fitiavana isika na dia tsy lavorary aza?

4 Noforonin’i Jehovah araka ny endriny isika, ka afaka maneho fitiavana sady tsy manantena valiny. Sarotra izany indraindray satria nandova ota isika. Mbola afaka maneho fitiavana ihany anefa isika na dia tsy lavorary aza. Nasehon’i Abela, ohatra, fa tia an’Andriamanitra izy, ka nataony fanatitra ho azy izay tsara indrindra nananany. (Gen. 4:3, 4) I Noa indray tia ny mpiara-belona taminy, dia nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’izy ireo. Nanao an’izany nandritra ny taona maro izy, na tsy nisy nihaino aza. (2 Pet. 2:5) Tena tia an’Andriamanitra koa i Abrahama, ka na inona na inona tao am-pony, dia nankatò izy rehefa nasainy nanao sorona an’i Isaka zanany. (Jak. 2:21) Te haneho fitiavana toa azy ireo koa isika, na dia sarotra aza ny manao an’izany.

INONA NO ATAO HOE TENA FITIAVANA?

5. Ahoana no ampisehoantsika hoe tena manam-pitiavana isika?

5 Tsy “tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny” ny olona tena manam-pitiavana, fa tia “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.” (1 Jaona 3:18) Tsy mety ve izany ny milaza amin’ny olona hoe tiantsika izy? Azo atao tsara izany, saingy tsy ampy. (1 Tes. 4:18) Mila manao zavatra koa isika indraindray mba hampisehoana ny fitiavantsika. Raha tsy manana sakafo na akanjo, ohatra, ny mpiara-manompo amintsika, dia tsy ampy ny milaza hoe: “Mirary soa e!” (Jak. 2:15, 16) Ary ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika isika? Tsy hivavaka fotsiny isika mba hihabetsaka ny mpitory, fa isika mihitsy no hazoto hitory.—Mat. 9:38.

6, 7. a) Inona no atao hoe “fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy”? b) Milazà ohatra mampiseho ny atao hoe mody manam-pitiavana.

6 Nilaza ny apostoly Jaona hoe tsy maintsy tia “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana” isika. Tsy tokony hisy fihatsarambelatsihy àry ny fitiavantsika. (Rom. 12:9; 2 Kor. 6:6) Mihatsaravelatsihy isika raha mody manam-pitiavana, nefa tsy izany akory no ao am-pontsika. Tsy tena fitiavana izany, fa sarintsariny fotsiny sady tsy misy dikany.

7 Jereo, ohatra, ny nataon’i Satana tamin’i Eva, tany Edena. Hoatran’ny hoe nitady izay hahasoa an’i Eva izy raha jerena ny zavatra nolazainy. (Gen. 3:4, 5) Hita amin’ny zavatra nataony anefa fa nihatsaravelatsihy izy sady tia tena. Hoatr’izany koa i Ahitofela, naman’i Davida Mpanjaka. Tsy tena tia an’i Davida izy matoa namadika azy mba hahazoana tombony. (2 Sam. 15:31) Ary ahoana ny amin’izao androntsika izao? Manao “teny malefaka sy teny fiderana” ny mpivadi-pinoana sy ny olon-kafa te hampisara-bazana ny fiangonana. (Rom. 16:17, 18) Hoatran’ny hoe maneho fitiavana izy ireny amin’izany, nefa izay hahasoa azy fotsiny no tadiaviny.

8. Inona no tokony hoeritreretintsika?

8 Mahamenatra ny hoe mody manam-pitiavana. Mamitaka olona mantsy izay manao an’izany. Ny olona anefa no azo fitahina, fa tsy i Jehovah. Nilaza i Jesosy fa hosazina “faran’izay mafy” izay manao hoatran’ny mpihatsaravelatsihy. (Mat. 24:51) Marina fa tsy misy mpanompon’i Jehovah te hihatsaravelatsihy. Ilaina anefa ny mieritreritra hoe: ‘Tena tia amin’ny foko manontolo ve aho sa mitady tombony na mamitaka?’ Andeha isika handinika zavatra sivy azo atao mba hanehoana  “fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy.”

‘TIA AMIN’NY ATAO SY NY FAHAMARINANA’

9. Inona no tokony hataontsika raha tena manam-pitiavana isika?

9 Mifalia amin’izay ataonao, na dia tsy voamariky ny olona aza ilay izy. Tokony ho vonona hanao zavatra “ao amin’ny miafina” ho an’ny mpiara-manompo amintsika isika, izany hoe hanao soa ho azy ireo na dia tsy misy mahamarika aza izany. (Vakio ny Matio 6:1-4.) Tsy hoatr’izany no nataon’i Ananiasy sy Safira. Tiany ho fantatr’olona ny fanomezana nataony. Nandainga koa ry zareo rehefa nilaza ny tena habetsahan’ilay izy. Loza no vokany satria nihatsaravelatsihy izy mivady. (Asa. 5:1-10) Ahoana àry no ampisehoantsika fa tena tia an’ireo mpiara-manompo amintsika isika? Tokony hahafinaritra antsika ny manao soa ho azy ireo, ary tsy hanantena isika hoe hahazo teny fiderana na hoe hankalazaina be ilay zavatra nataontsika. Modely ho antsika ireo rahalahy manampy ny Filan-kevi-pitantanana mba hamoaka sakafo ara-panahy. Tsy mirehareha amin’ny zava-bitany izy ireo, ary tsy ampahafantariny ny tetikasa niasany.

10. Ahoana no ampisehoantsika hoe manome voninahitra ny hafa isika?

10 ‘Aoka ianao ho loha laharana raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra.’ (Vakio ny Romanina 12:10.) Nanome modely i Jesosy rehefa nanolo-tena hanao raharaha faran’izay ambany. (Jaona 13:3-5, 12-15) Mila miezaka mafy isika mba hanetry tena toa azy ka hanome voninahitra ny hafa. Na ny apostoly aza nila nanao an’izany. Rehefa nahazo fanahy masina izy ireo vao tena nahafantatra hoe ahoana no hanahafana an’i Jesosy. (Jaona 13:7) Manome voninahitra ny hafa isika, raha tsy mihevi-tena ho ambony satria hoe nahita fianarana kokoa, na manamanana kokoa, na manana tombontsoam-panompoana manokana. (Rom. 12:3) Tsy hialona koa isika rehefa misy olona mahazo teny fiderana. Hiara-hifaly aminy kosa isika, na dia mieritreritra aza hoe mba mendrika ny hoderaina koa isika satria nandray anjara tamin’ilay zavatra natao.

11. Nahoana no tokony ho vokatry ny fo ny teny fiderana lazaintsika?

11 Milazà teny fiderana vokatry ny fo. Tokony ho mailaka hidera ny hafa isika satria mampahery izany. (Efes. 4:29) Tokony ho vokatry ny fo anefa ilay izy. Lasa mandoka olona isika raha tsy izany, na mety tsy ho sahy hanoro hevitra azy rehefa ilaina izany. (Ohab. 29:5) Tsy mety koa ny midera olona nefa avy eo manakiana azy rehefa tsy eo izy. Mihatsaravelatsihy izay manao an’izany. Modely ho antsika ny apostoly Paoly, satria nilaza teny fiderana avy amin’ny fo izy. Nidera ny Kristianina tany Korinto izy, ohatra, noho ny zavatra tsara nataon’izy ireo. (1 Kor. 11:2) Sahy nanoro hevitra azy ireo koa anefa izy rehefa tsy nety ny nataony, ary nohazavainy tsara tamin’izy ireo ny antony.—1 Kor. 11:20-22.

Manam-pitiavana sy tsara fanahy isika, raha manampy ny mpiara-manompo sahirana (Fehintsoratra 12)

12. Inona no hataontsika raha tena manam-pitiavana isika?

12 Miezaha ho tia mandray vahiny. Nanome didy i Jehovah hoe tokony halala-tanana amin’ny mpiara-manompo amintsika isika. (Vakio ny 1 Jaona 3:17.) Tsy mety anefa raha noho isika te hahazo tombontsoa no antony anaovantsika an’izany. Eritrereto àry izao: ‘Ny namako akaiky sy izay eritreretiko ho ambonimbony ao amin’ny fiangonana ihany ve no asaiko any an-tranoko, na ny olona eritreretiko hoe mety ho afaka hanao zavatra ho ahy koa? Miezaka ve aho mba halala-tanana amin’ireo rahalahy sy anabavy tsy fantatro tsara, na ireo tsy afaka ny hamaly ny soa ataoko aminy?’ (Lioka 14:12-14) Mety hisy mpiara-manompo lasa sahirana noho izy tsy nieritreritra tsara, na mety ho nanasa olona isika dia tsy mba nisaotra akory izy avy eo. Ahoana no hataontsika  amin’izay? Hoy ny 1 Petera 4:9: “Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany, tsy misy fimenomenonana.” Ho sambatra ianao raha mampihatra an’izany, satria manome amin’ny fo madio fa tsy manantena valiny.—Asa. 20:35.

13. a) Nahoana no sarotra indraindray ny manampy an’ireo malemy? b) Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo malemy?

13 Ampio ireo malemy. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14) Tena manam-pitiavana isika raha manao an’izany. Maro amin’ireo malemy no lasa manana finoana matanjaka indray. Ny hafa kosa mila fanampiana maharitra, ka mila manam-paharetana aminy isika. Azontsika atao, ohatra, ny miresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly mba hampaherezana azy, na manasa azy hiara-hanompo amintsika, na maka fotoana hihainoana azy fotsiny. Tsara koa ny mitadidy fa samy manana ny lafiny mampahatanjaka azy sy mampahalemy azy ny tsirairay, ka tsy misy olona tokony hosokajina hoe “malemy” na “matanjaka.” Na ny apostoly Paoly aza niaiky hoe nanana fahalemena. (2 Kor. 12:9, 10) Samy mila fanampiana sy fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo daholo àry isika.

14. Tokony ho vonona hanao inona isika mba hitandroana fihavanana?

14 Miezaha hihavana amin’ny hafa. Tokony hanao izay rehetra azo atao isika mba hihavanana amin’ny mpiara-manompo amintsika. Mila manao an’izany isika, na dia mieritreritra aza isika hoe nanao ny tsy rariny tamintsika izy, na diso fandray an’izay nataontsika na nolazaintsika. (Vakio ny Romanina 12:17, 18.) Raha nampahatezitra na nampalahelo olona ianao, dia azonao atao ny miala tsiny mba hitandroana fihavanana. Tokony ho vokatry ny fo anefa ilay fialan-tsiny. Tsy dia tsara, ohatra, ny miteny hoe: “Azafady raha nalahelo ianao.” Aleo miteny hoe: “Azafady fa nampalahelo anao ny zavatra nolazaiko.” Miaiky mantsy ianao amin’izay hoe diso. Tena mila mihavana tsara koa ny mpivady. Tsy mety raha mody mifankatia izy ireo rehefa eny imason’olona, nefa avy eo rehefa izy roa irery dia mifampimonjomonjo, na mifanao teny maharary, na mifampikasi-tanana mihitsy aza.

15. Ahoana no ampisehoantsika hoe tena mamela heloka isika?

15 Mahaiza mamela heloka. Ny hoe mamela heloka dia hoe mamindra fo amin’izay olona nanao zavatra nahasosotra antsika ary tsy tezitra aminy intsony. Tokony hamela azy isika na dia tsy fantany aza hoe nampalahelo antsika ny nataony. “Hifampizaka amim-pitiavana” isika, ary “hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.” (Efes. 4:2, 3) Tsy tokony ‘hitana lolompo’ isika, izany hoe tsy tokony hoeritreretintsika intsony ny zavatra nataon’ilay olona. (1 Kor. 13:4, 5) Tena mamela heloka isika raha manao an’izany. Ho simba kosa ny fihavanantsika amin’ilay olona sy amin’i Jehovah raha mitana  lolompo isika. (Mat. 6:14, 15) Mamela an’ilay olona amin’ny fo manontolo koa isika, raha mivavaka ho azy.—Lioka 6:27, 28.

16. Inona no tokony hataontsika rehefa mahazo andraikitra na tombontsoam-panompoana?

16 Ampandefero ny tombontsoanao. Rehefa mahazo andraikitra na tombontsoam-panompoana isika, dia tokony hanararaotra an’izany mba hanehoana fitiavana. Miezaha ‘hitady izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenanao.’ (1 Kor. 10:24) Tonga alohan’ny olona rehetra, ohatra, ny mpikarakara ny mpanatrika amin’ny fivoriambe. Maro amin’izy ireny no tsy manararaotra an’izany mba hakana ny toerana tsara indrindra ho azy sy ny fianakaviany. Aleony mipetraka any amin’izay faritra asaina iandraiketany, na dia tsy tena tsara aza ilay toerana. Mampandefitra ny tombontsoany izy ireo amin’izany, ka hita hoe tsy tia tena fa tena tia ny mpiara-manompo aminy. Ahoana no azonao anahafana azy ireny?

17. Inona no tokony hataon’izay nanao fahotana lehibe, raha tena manam-pitiavana izy?

17 Resaho ny anti-panahy raha nanota ianao ary aza mamerina an’ilay izy intsony. Misy Kristianina sasany nanao fahotana lehibe, nefa manafina an’ilay izy. Tsy te ho afa-baraka angamba izy na tsy te handiso fanantenana olona. (Ohab. 28:13) Tsy manam-pitiavana anefa izay manao an’izany. Tsy izy irery mantsy no mizaka ny voka-dratsin’ny nataony, fa ny olon-kafa koa. Mety tsy hiasa amin’ny fiangonana intsony ny fanahy masin’i Jehovah, ka tsy hisy fiadanana intsony ao. (Efes. 4:30) Raha tena manam-pitiavana àry isika, dia hiresaka amin’ny anti-panahy raha nanao fahotana lehibe. Ho afaka hanampy antsika izy ireo amin’izay.—Jak. 5:14, 15.

18. Ahoana no ahalalantsika fa tena zava-dehibe ny fitiavana?

18 Ny fitiavana no toetra tsara indrindra. (1 Kor. 13:13) Izy io no ahafantarana hoe mpanara-dia an’i Jesosy ny olona iray sady manahaka an’i Jehovah, ilay niavian’ny fitiavana. (Efes. 5:1, 2) Nilaza i Paoly hoe: ‘Tsinontsinona aho, raha tsy manam-pitiavana.’ (1 Kor. 13:2) Enga anie àry isika “tsy ho tia amin’ny teny” fotsiny, fa “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana” koa.