Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Antsika ny Fahitana Hitan’i Zakaria

Mahasoa Antsika ny Fahitana Hitan’i Zakaria

‘Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.’—ZAK. 1:3.

HIRA: 89, 86

1-3. a) Nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita tamin’i Zakaria nanomboka naminany? b) Nahoana i Jehovah no niangavy ny vahoakany ‘hiverina aminy’?

NAHITA fahitana mahavariana i Zakaria: Nahita horonam-boky nanidina sy vehivavy iray tao anaty sobika izy. Nahita vehivavy roa nanidina koa izy ary hoatran’ny an’ny vanobe ny elatr’izy ireo. (Zak. 5:1, 7-9) Nahoana izy no nataon’i Jehovah nahita an’izany? Nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita tamin’izany? Inona no soa raisintsika avy amin’ireo fahitana ireo?

2 Faly be ny Israelita tamin’ny 537 T.K. fa nafahan’ny Babylonianina, rehefa avy nandevoziny nandritra ny 70 taona be izao. Nazotozoto erỳ ry zareo nody tany Jerosalema, satria ho afaka hanorina ny tempoly sy hanompo an’i Jehovah ao indray. Nandatsaka ny fototr’ilay tempoly izy ireo tamin’ny 536 T.K. Faly be ny Israelita tamin’izay, dia ‘niantsoantso mafy ka re lavitra be ilay feo.’ (Ezra 3:10-13) Nisy nanohitra anefa ilay fanorenana, tsy ela taorian’izay. Nihanitombo ny olana sy ny zava-tsarotra ka kivy ny Israelita. Tsy notohizan’izy ireo intsony ilay tempoly, fa lasa nanorina ny tranony ry zareo ary namboly. Mbola tsy vita foana ilay tempoly, 16 taona tatỳ aoriana. Nila nampahatsiahivina àry ny vahoakan’i Jehovah hoe mila miverina aminy, fa tsy tokony ho variana hitady izay hahasoa ny tenany. Tian’i Jehovah hanana herim-po izy ireo, ka hanompo azy amin’ny fo manontolo indray.

3 Naniraka an’i Zakaria mpaminany i Jehovah tamin’ny 520 T.K., mba hampahatsiahy ny Israelita hoe inona no tena antony nanafahana azy ireo avy tany Babylona. Mbola tsaroan’i Jehovah foana izy ireo na dia nanadino ny zavatra nataony aza. (Vakio ny Zakaria 1:3, 4.) Nampahatsiahy azy ireo an’izany ny anaran’i Zakaria, izay midika hoe “Nahatadidy i Jehovah.” Nomen’i Jehovah toky ny Israelita hoe hanampy azy ireo hamerina ny fivavahana marina izy. Nampitandrina azy ireo koa anefa izy hoe tsy hekeny ny fivavahan’izy ireo raha tsy ataony amin’ny fo manontolo. Andeha hodinihintsika ny fahitana fahenina sy fahafito hitan’i Zakaria. Ho hitantsika hoe ahoana no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny Israelita ho be zotom-po indray, ary inona no ianarantsika avy amin’izany.

HOSAZIN’I JEHOVAH IZAY MANGALATRA

4. Inona no hitan’i Zakaria tao amin’ilay fahitana fahenina? Nahoana no nisy soratra ambadika sy ambadika ilay horonam-boky? (Jereo ny sary 1 eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Miresaka fahitana hafahafa ny andininy voalohandohany ao amin’ny Zakaria toko faha-⁠5. (Vakio ny Zakaria 5:1, 2.) Nahita horonam-boky nanidina i Zakaria. Efa ho 9 metatra ny halavan’ilay izy, ary 4 metatra sy sasany ny sakany. Nisy soratra tao ambadika sy ambadika, ary tsy nihorongorona ilay izy fa tonga dia azo novakina. Didim-pitsarana no voasoratra tao. (Zak. 5:3) Ny ilany amin’ny horonam-boky ihany anefa matetika no nisy soratra. Azo antoka àry fa tena navesa-danja ny hafatra tao amin’ilay horonam-boky hitan’i Zakaria.

Tsy tokony hangalatra mihitsy ny Kristianina (Fehintsoratra 5-7)

5, 6. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny halatra rehetra?

5 Vakio ny Zakaria 5:3, 4. Hampamoahin’i Jehovah daholo ny olona rehetra, indrindra fa ny mpanompony satria mitondra ny anarany. Tia an’i Jehovah ny mpanompony, ary fantatr’izy ireo fa ‘manala baraka ny anarany’ izay mangalatra, na inona na inona angalariny. (Ohab. 30:8, 9) Mety hisy hieritreritra hoe tsy maninona ny mangalatra amin’ny toe-javatra sasany. Manao tsinontsinona an’i Jehovah sy ny lalàny anefa izay mangalatra, na inona na inona antony anaovany an’izany. Ny faniriany no zava-dehibe kokoa aminy noho i Jehovah sy ny anarany.

6 Mariho fa milaza ny Zakaria 5:3, 4 hoe: ‘Hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra ny ozona, dia hitoetra ao an-tranony ka handrava an’ilay trano.’ Midika izany hoe na hiafina sy hihidy aman-trano tahaka ny inona aza ny olona manao ratsy, dia hitan’i Jehovah foana. Tsy misy mahasakana azy tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’izy ireny. Raha misy mpanompony manao ratsy, dia vitan’i Jehovah foana ny mampibaribary an’izany. Mety ho vitan’ny olona mangalatra ny manafina ny ataony amin’ny polisy, amin’ny mpampiasa azy, amin’ny anti-panahy, na amin’ny ray aman-dreniny. Tsy azony afenina an’i Jehovah anefa izany, ary i Jehovah mihitsy no milaza fa hampiharihary an’izany. (Heb. 4:13) Miezaka manao ny marina “amin’ny zava-drehetra” àry ny vahoakan’i Jehovah, ka faly isika miaraka amin’izy ireo.—Heb. 13:18.

7. Inona no tokony hataontsika mba tsy hihatra amintsika ny ozona, izany hoe ny didim-pitsaran’i Jehovah?

7 Tsy mangalatra mihitsy isika satria halan’i Jehovah ny halatra rehetra. Faly isika mankatò ny fitsipiny sy tsy manala baraka ny anarany amin’izay rehetra ataontsika. Tsy ho ringana isika amin’izay rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo minia mandika ny lalàny i Jehovah.

EFAO “ISAN’ANDRO” NY VOADY NATAONAO

8-10. a) Inona no atao hoe mianiana? b) Inona no nampanantenain’i Zedekia Mpanjaka nefa tsy notanterahiny?

8 Nisy fampitandremana ho an’ireo ‘mianiana lainga amin’ny anaran’i Jehovah’ koa tao amin’ilay horonam-boky nanidina. (Zak. 5:4) Ny hoe mianiana dia midika hoe manamafy fa marina ny zavatra iray, na mampanantena fa hanao na tsy hanao zavatra iray.

9 Tena zava-dehibe ny fianianana atao amin’ny anaran’i Jehovah. Manaporofo an’izany izay nitranga tamin’i Zedekia, mpanjaka farany tany Jerosalema. Nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah izy hoe hanaiky ho eo ambany fahefan’ny mpanjakan’i Babylona foana. Tsy nitana ny teniny anefa izy. Izao àry no nolazain’i Jehovah: “Raha mbola velona koa aho, ... dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nanao [an’i Zedekia] ho mpanjaka, no hahafatesan’ilay nanao tsinontsinona ny fianianany sy nivadika tamin’ny fifanekena nataony. Eny, any Babylona no hahafatesany.”—Ezek. 17:16.

10 Nanantena i Jehovah hoe hanatanteraka ny fianianana nataony tamin’ny anarany i Zedekia Mpanjaka. (2 Tan. 36:13) Tsy izany anefa no nataony. Nangataka an’i Ejipta izy mba hanampy azy ho afaka amin’ny fifehezan’i Babylona. Tsy nahavita nanampy azy akory anefa i Ejipta.—Ezek. 17:11-15, 17, 18.

11, 12. a) Inona no voady lehibe indrindra nataontsika? b) Raha efa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

11 Henoin’i Jehovah koa ny zavatra ampanantenaintsika, ary tena zava-dehibe aminy izany. Tsy maintsy mitana ny tenintsika àry isika raha te hampifaly azy. (Sal. 76:11) Ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena ho an’i Jehovah no lehibe indrindra. Nampanantena isika tamin’izay hoe hanompo azy foana na inona na inona mitranga.

12 Ahoana àry no ampisehoantsika fa mitana ny tenintsika isika? Miatrika fitsapana foana isika, ary mety ho kely ilay izy na lehibe. Ny fomba iatrehantsika azy ireny no ahitana raha manefa ny voady nataontsika tamin’i Jehovah isika isan’andro na tsia. (Sal. 61:8) Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy olona miadaladala aminao any am-piasana na any am-pianarana? “Ho finaritra” amin’ny lalàn’i Jehovah ve ianao ka tsy hanaiky hadaladalainy? (Ohab. 23:26) Raha ianao irery koa no manompo an’i Jehovah ao aminareo, dia mangataka aminy ve ianao mba hanana toetra tsara foana na dia tsy misy miezaka manao an’izany aza ry zareo? Misaotra an’i Jehovah ve ianao isan’andro noho izy tia anao sy mitari-dalana anao? Manokana fotoana hamakiana Baiboly ve ianao isan’andro? Tsy izany rehetra izany ve no nampanantenainao an’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena ho azy? Asehontsika hoe tia an’i Jehovah sy tena nanokan-tena ho azy isika, raha mankatò azy sy manompo azy amin’ny fo manontolo. Tsy fombafomba fotsiny amintsika ny fanompoana azy, fa fomba fiaina mihitsy. Handray soa isika raha manatanteraka ny voady nataontsika tamin’i Jehovah, satria ho azo antoka ny hoavintsika.—Deot. 10:12, 13.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahitana fahenina hitan’i Zakaria?

13 Nianarantsika avy tamin’ilay fahitana fahenina hitan’i Zakaria àry fa raha tia an’i Jehovah isika, dia tsy hangalatra mihitsy ary tsy hivadika amin’ny tenintsika. Hitantsika koa fa na dia nanao fahadisoana aza ny Israelita, dia nitana ny teniny foana i Jehovah ka tsy nanadino azy ireo. Fantany mantsy hoe nijaly ry zareo satria be dia be ny fahavalony. Nanome modely ho antsika i Jehovah rehefa nitana ny teniny. Afaka matoky isika hoe hanampy antsika hanao toy izany koa izy. Manampy antsika, ohatra, ny fampanantenany hoe tsy ho ela dia hofoanany ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Manamafy an’izany ilay fahitana fahafito hitan’i Zakaria.

NATAO ANY AMIN’NY “TOERANA TOKONY HISY AZY” NY FAHARATSIANA

14, 15. a) Inona no hitan’i Zakaria tamin’ilay fahitana fahafito? (Jereo ny sary 2 eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Iza ilay vehivavy tao anaty sobika, ary nahoana izy no nohidiana tao anatin’ilay izy?

14 Nasain’ilay anjely nijery zavatra hafa i Zakaria rehefa avy nahita an’ilay horonam-boky nanidina. Nahita sobika famarana nantsoina hoe “efaha” izy. (Vakio ny Zakaria 5:5-8.) Antonontonony ny hangezan’ilay sobika, ary nisy sarony “firamainty boribory” ilay izy. Rehefa ningaina ilay sarony, dia nahita “vehivavy iray nipetraka tao” i Zakaria. Nohazavain’ilay anjely taminy avy eo hoe iza ilay vehivavy. Hoy izy: “Io no Faharatsiana.” Azo antoka fa nihoron-koditra i Zakaria nahita an’ilay vehivavy nandady saika hivoaka avy tao anatin’ilay sobika. Tonga dia natosik’ilay anjely niverina anefa izy, ary nosaronany tamin’ilay sarony mavesatra be ilay sobika. Inona no dikan’izany?

15 Hitantsika amin’io fahitana fahafito io fa tsy handefitra mihitsy i Jehovah raha misy manao ratsy eo anivon’ny fiangonana. Hataony izay tsy hielezan’ilay zava-dratsy ary hesoriny haingana ilay izy. (1 Kor. 5:13) Manaporofo an’izany ny nataon’ilay anjely. Nosaronany haingana tamin’ilay sarony mavesatra be ilay sobika.

Tsy navelan’i Jehovah ho voaloto mihitsy ny fivavahana aminy (Fehintsoratra 16-18)

16. a) Natao inona ilay sobika? (Jereo ny sary 3 eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nentin’ireo vehivavy nanana elatra nankaiza ilay sobika?

16 Nisy vehivavy roa niseho taorian’izay. Nanana elatra matanjaka be hoatran’ny an’ny vanobe izy ireo. (Vakio ny Zakaria 5:9-11.) Tsy mba hoatr’ilay vehivavy tao anaty sobika izy ireo. Nanidina mafy izy ireo ary nentiny ilay sobika misy ny “Faharatsiana.” Naterin’izy ireo tany amin’ny “tany Sinara” na Babylona ilay izy. Nahoana?

17, 18. a) Nahoana no mety tsara raha nalefa tany Babylona ny “Faharatsiana”? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

17 Azo antoka fa azon’ny Israelita tamin’ny andron’i Zakaria hoe nahoana no mety tsara raha nentina tany Babylona ny “Faharatsiana.” Fantatr’izy ireo tsara mantsy fa nanjaka tany ny fanaovan-dratsy. Ratsy fitondran-tena be sy nanompo sampy ny ankamaroan’ny olona, ka nila niady mafy ny Israelita isan’andro mba tsy ho voataonan’izy ireo. Azo antoka àry fa maivamaivana erỳ izy ireo rehefa nahalala an’io fahitana io. Nanome toky azy ireo mantsy ilay izy hoe tsy havelan’i Jehovah ho voaloto ny fivavahana aminy.

18 Nampahatsiahy an’ireo Israelita ny andraikiny koa io fahitana io. Tokony hataon’izy ireo madio foana ny fivavahana amin’i Jehovah. Tsy tokony havela hisy faharatsiana mihitsy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Tia antsika i Jehovah sady te hiaro antsika, ka notaominy ho anisan’ny fandaminany isika. Andraikitsika àry ny miaro azy io mba hadio foana. Tsy tokony hisy faharatsiana mihitsy ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH IZAY MANAO NY TSARA

19. Inona no ianarantsika avy amin’ireo fahitana hitan’i Zakaria?

19 Hitantsika amin’ilay fahitana fahenina sy fahafito hitan’i Zakaria fa tsy havelan’i Jehovah hisy foana ny faharatsiana. Fampitandremana ho an’izay manao ratsy nefa tsy mety miova izany. Hitantsika koa hoe tsy maintsy mankahala ny ratsy isika. Manome toky antsika ireo fahitana ireo hoe hiaro sy hitahy antsika i Jehovah fa tsy hanozona antsika, raha miezaka mafy mampifaly azy isika. Sarotra ny hoe manao ny tsara foana eto amin’ity tontolo feno faharatsiana ity. Afaka matoky anefa isika fa ho vitantsika izany satria hampian’i Jehovah isika. Afaka matoky koa isika hoe hanjaka ny fivavahana marina indray andro any. Nahoana? Ahoana no ahalalantsika hoe hiaro ny fandaminany i Jehovah mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.