Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Oktobra 2016

Miezaha Hanana “Fahendrena” Foana

Miezaha Hanana “Fahendrena” Foana

NISY ankizilahikely nahantra, hono, tao amin’ny tanàna iray. Nihomehezan’ny olona izy satria noheverin’izy ireo hoe votsa saina. Isaky ny nisy naman-dry zareo tonga tao amin’ilay tanàna, dia nananihany azy ry zareo. Maka vola madinika roa ry zareo: Ny iray volafotsy sady ngezabe, dia ny iray volamena fa kelikely nefa avo roa heny ny vidiny raha oharina amin’ny vidin’ilay volafotsy. Milaza amin’ilay ankizilahy ry zareo hoe: “Alaivo izay tian’ialahy.” Ilay volafotsy no alainy, dia lasa izy mandositra.

Nisy rangahy nanontany azy hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha hoe lafo kokoa ilay volamena noho ilay volafotsy?” Nitsiky ilay ankizilahy sady namaly hoe: “Fantatro ka!” Dia hoy ilay rangahy: “Ka maninona no ilay volafotsy no alain’ialahy? Tsy aleo ilay volamena, amin’izay mahazo vola kokoa?” Namaly indray izy hoe: “Fa raha ilay volamena no alaiko, dia tsy hisy hananihany an’ahy intsony. Efa volafotsy be dia be ange izao no azoko e!” Tena misaina ilay ankizilahikely, ary tokony ho hoatr’izany ny olon-dehibe.

Manana fahendrena ny olona hoatr’izany. Hoy ny Ohabolana 3:21, 23: “Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina. ... Amin’izay dia tsy hanana ahiahy ianao rehefa mandeha amin’ny lalanao, ary ny tongotrao tsy mba ho tafintohina.” Ho voaro àry isika raha mahalala ny atao hoe “fahendrena” sy mahay mampiasa azy io. Miaro ny ‘tongotsika tsy ho tafintohina’ izy io, izany hoe misakana antsika tsy hanao zavatra manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

INONA NO ATAO HOE FAHENDRENA?

Tsy mitovy amin’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ny fahendrena. Mahalala zavatra ny olona manana fahalalana. Ny olona manana fahiratan-tsaina indray mahatakatra hoe inona no ifandraisan’ny zavatra fantany. Ny olona manana fahendrena kosa mahay mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina mba hanaovana zavatra tsara.

Eritrereto, ohatra, hoe voavakin’ny olona iray vetivety sady azony tsara ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Voavaliny tsara daholo koa ny fanontaniana, rehefa mianatra izy. Tonga mivory izy sady manome valin-teny mihitsy. Hita hoe mandroso tsara izy. Midika ve anefa izany hoe manana fahendrena izy? Tsy voatery. Mety ho kinga saina be fotsiny izy. Azo lazaina hoe hendry anefa izy rehefa ampihariny ny zavatra ianarany. Mampiasa ny fahalalany sy ny fahiratan-tsainy mantsy izy amin’izay mba hanaovana zavatra tsara. Vao mainka ho hita hoe manana fahendrena izy raha misy vokany tsara ny fanapahan-keviny. Ho hita hoe nieritreritra tsara izy talohan’izay.

Niresaka lehilahy roa samy nanao trano i Jesosy, tao amin’ny fanoharana iray. (Mat. 7:24-27) “Malina” ny iray satria noeritreretiny mialoha izay mety hitranga, ka teo ambony vatolampy izy no nanao trano. Nahatsinjo lavitra sy nahay nanapa-kevitra izy. Tsy nieritreritra izy hoe ho mora kokoa sy ho haingana kokoa ny manao trano eo ambony fasika. Hendry izy ka nieritreritra hoe inona no ho vokatry ny ataony any aoriana any. Tsy nirodana àry ny tranony rehefa nisy tafio-drivotra. Ary isika? Inona no hanampy antsika hanana fahendrena foana?

AHOANA NO AHAZOANA FAHENDRENA?

Voalohany, hoy ny Mika 6:9: “Hatahotra ny anaranao [anaran’Andriamanitra] ny olona manam-pahendrena.”  Raha matahotra ny anaran’i Jehovah isika, dia hanaja azy sy hanaja an’izay rehetra mifandray amin’ny anarany, anisan’izany ny fitsipiny. Mila mahafantatra ny fomba fisainany anefa aloha isika. Hatoky azy sy hiezaka hanahaka azy isika amin’izay, ka hahavita zavatra tsara. Rehefa misy zavatra tiantsika hatao koa, dia hoeritreretintsika izay ho vokatr’ilay izy amin’ny fifandraisantsika aminy ary hanaraka ny fitsipiny isika. Hanana fahendrena isika raha manao an’ireo.

Faharoa, hoy ny Ohabolana 18:1: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” Mety tsy hifandray amin’i Jehovah sy ny vahoakany intsony isika raha tsy mitandrina. Tsy tokony hitokantokana isika fa hiaraka amin’izay matahotra ny anaran’Andriamanitra sy mankatò ny fitsipiny. Mila mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana isika raha azo atao, ka hiaraka foana amin’ny fiangonana. Mila manokatra ny saintsika sy ny fontsika isika rehefa any, ka havelantsika hanohina ny fontsika ny zavatra rentsika.

Farany, mila mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika, amin’izay ho akaiky kokoa azy. (Ohab. 3:5, 6) Ilaina koa ny manokatra ny saintsika sy ny fontsika rehefa mamaky ny Baiboly sy ireo boky avoakan’ny fandaminana. Hahalala ny mety ho vokatry ny zavatra ataontsika isika amin’izay, ka hahay hanapa-kevitra. Tokony ho vonona  handray ny torohevitr’ireo rahalahy matotra koa isika. (Ohab. 19:20) Tsy manohitra an’izay rehetra “mety ho hevitra feno fahendrena” isika raha manao an’izany, ka vao mainka hanana fahendrena.

NAHOANA NO MILA FAHENDRENA NY FIANAKAVIANA?

Afaka miaro ny fianakaviana ny fahendrena. Ampirisihin’ny Baiboly mba “hanaja fatratra” ny vadiny, ohatra, ny vehivavy. (Efes. 5:33) Inona anefa no tokony hataon’ny lehilahy raha tiany hanaja fatratra azy ny vadiny? Ahoana raha tereny hanaja azy ilay vehivavy, na izy masiaka aminy? Mety ho mody hanaja azy izy rehefa eo imasony, satria tsy te hiady aminy. Tsy hanao an’izany anefa ilay vehivavy rehefa tsy eo izy. Mila mandinika àry ilay lehilahy hoe inona no tokony hataony, amin’izay ny vadiny manaja azy foana. Tena hanaja azy foana ny vadiny raha maneho ny vokatry ny fanahy izy, ohatra hoe fitiavana sy hatsaram-panahy. Tokony hanaja ny vadiny foana anefa ny vehivavy kristianina, na mendrika an’izany ilay vadiny na tsia.—Gal. 5:22, 23.

Milaza koa ny Baiboly hoe tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy. (Efes. 5:28, 33) Ahoana anefa raha tsy te hampahatezitra ny vadiny ny vehivavy iray, ka manafina zavatra tokony ho fantany? Azo lazaina hoe manam-pahendrena ve izy? Dia ahoana raha fantatry ny vadiny ilay izy? Vao mainka ve ilay vadiny ho tia azy? Tsy azo inoana izany. Ahoana kosa raha mitady fotoana mety tsara izy, dia miresaka an’ilay izy moramora amin’ny vadiny? Azo antoka fa ho faly ilay vadiny hoe tsy manafinafina izy fa mitsotra ny marina, ka vao mainka izy ho tiany.

Miankina amin’ny fomba hananaranao ny zanakao no hahatonga anareo hifampiresaka tsara foana na tsia

Ny ankizy indray tokony hankatò ray aman-dreny, ary tokony hanarina araka ny fitsipik’i Jehovah. (Efes. 6:1, 4) Midika ve izany hoe mila manao fitsipika be dia be ny ray aman-dreny? Marina fa mila manao fitsipika izy ireo, ary mampahafantatra ny zanany hoe inona no sazy raha maditra izy. Tokony hampianariny azy koa anefa hoe nahoana izy no tokony hankatò. Manana fahendrena ny ray aman-dreny raha manao an’izany.

Ahoana, ohatra, raha misy zaza iray maniratsira ny dadany na ny mamany? Mety ho menatra izy na tsy hiteny intsony, raha tonga dia masiaka be aminy na manafay mafy azy ny ray aman-dreniny. Mety hitana lolompo koa anefa izy, ka tsy hiraiki-po amin’izy ireo intsony.

Hanana fahendrena ny ray aman-dreny raha misaintsaina hoe ahoana no hananarany ny zanany, ary inona no ho vokatr’ilay izy any aoriana any. Tsy tokony ho maika hanafay fotsiny izy satria hoe mahatsiaro ho afa-baraka. Mila miresaka mitokana amin’ilay zanany angamba izy, ary hiezaka ho tony sy ho tsara fanahy. Hohazavainy hoe tian’i Jehovah hanaja ny ray aman-dreniny ny ankizy satria mahasoa azy foana izany. Ho fantany amin’izay fa rehefa manaja ny ray aman-dreniny izy, dia manome voninahitra an’i Jehovah. (Efes. 6:2, 3) Mety hanohina ny fon’ny zanany ny ray aman-dreny raha manao an’izany. Ho tsapany hoe tena tiana izy ka vao mainka izy hanaja azy ireo. Ho sahy hiresaka amin’izy ireo izy any aoriana any, rehefa misy zavatra mampiasa ny sainy.

Tsy manitsy ny zanany kosa ny olona sasany, satria matahotra sao hampalahelo azy. Raha tsy ahitsy anefa ilay ankizy, hanao ahoana izy rehefa lehibe? Hatahotra an’i Jehovah ve? Hanaiky ve izy hoe mahasoa ny mankatò ny fitsipiny? Hanokatra ny fony sy ny sainy ve izy mba handray ny fampianaran’i Jehovah? Sa izy ho lasa tsy te hifandray aminy?—Ohab. 13:1; 29:21.

Efa nieritreritra tsara ny mpanao sokitra mahay izay vao miasa, fa tsy tonga dia manao izay tiany fotsiny ary manantena hahavita zavatra tsara. Tsy tonga dia mety ho azy koa ny fitaizana, fa mila miezaka hanana fahendrena aloha ny ray aman-dreny. Mila mianatra sy mampihatra ny fitsipik’i Jehovah izy ireo, ka hatahotra ny anarany. Mila mifandray amin’i Jehovah koa izy ireo ary miaraka amin’ny fandaminany. Ho afaka hanampy ny fianakaviany izy ireo amin’izay.

Mila manapa-kevitra isika isan’andro, ary mety hisy vokany any aoriana izany. Aza maimaika hanapa-kevitra àry fa mandiniha tsara aloha. Saintsaino tsara ny mety ho vokatr’ilay izy any aoriana any. Mangataha tari-dalana amin’i Jehovah, ary ampiasao ny fahendrena omeny anao. Hanana fahendrena foana isika amin’izay, ka ho voaro ny aintsika.—Ohab. 3:21, 22.