Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) OKTOBRA 2016

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

 Tena nisy ve izany hoe olona namafy tsimparifary teny an-tanimbarin’olona izany?

Anisan’ireo asa soratra be dia be miresaka tsipiriany momba ny raharaham-pitsarana fahiny izy io

HOY i Jesosy ao amin’ny Matio 13:24-26: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny. Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary teo amin’ny vary, dia lasa. Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary.” Maro ny mpanoratra mieritreritra hoe mba tena nisy olona nahavita an’izany tokoa ve. Hita amin’ny asa soratra momba ny lalàna romanina fahiny hoe tena nisy izany.

Misy diksionera momba ny Baiboly milaza hoe: ‘Araka ny lalàna romanina, dia manao heloka bevava izay mamafy tsimparifary eny amin’ny tanimbolin’olona mba hamaliana faty. Mateti-pitranga izany matoa nanaovana lalàna.’ Namintina ny lalàna romanina sy ny asa soratry ny mpahay lalàna (taona 100-250 tany ho any) i Justinien mpanjaka romanina. Nataony boky (Digeste, frantsay) ilay izy tamin’ny taona 533. Naveriny ao, ohatra, ny zavatra nolazain’i Ulpien, mpahay lalàna, momba ny zava-nitranga iray tamin’ny andron’i Celsus, manam-pahefana romanina tamin’ny taonjato faharoa. Nisy olona namafy tsimparifary teny amin’ny tanimbolin’olona, hono, ka tsy namokatra ilay tanimboly. Resahin’ilay boky hoe inona no navelan’ny lalàna nataon’ny tompon’ilay tanimboly, mba hahazoana onitra na vola tamin’ilay namafy tsimparifary.

Hita amin’izany hoe nisy nahavanon-doza hoatr’izany tokoa ny olona tany amin’ny faritra nanjakan’ny Romanina fahiny. Avy tamin’ny zavatra tena nisy àry ilay fanoharan’i Jesosy.

Inona avy no navelan’ny Fanjakana Romanina niandraiketan’ny manam-pahefana jiosy tany Jodia, tamin’ny taonjato voalohany?

NY ROMANINA no nifehy an’i Jodia tamin’ny taonjato voalohany. Governora iray miaraka amin’ny miaramilany no solontenan’ny fitondrana romanina. Ny nanangona hetra ho an’i Roma sy ny nitandro filaminana no tena nataony. Niezaka nampitsahatra an’izay fanao mifanohitra amin’ny lalàna koa anefa ny Romanina, sady nanasazy an’izay olona nahatonga korontana. Ny manam-pahefana jiosy teo an-toerana kosa matetika no navelan’izy ireo hiandraikitra ny tao Jodia tamin’ny andavanandro.

Fivorian’ny Fitsarana Avo Jiosy

Ny Fitsarana Avo Jiosy no fitsarana tampony ho an’ny vahoaka jiosy. Izy io koa no niandraikitra ny resaka lalàna jiosy. Nisy fitsarana ambany kokoa anefa eran’i Jodia. Azo antoka fa izy ireny no nitsara ny ankamaroan’ny olona niakatra fitsarana, na ady madio ilay izy na ady heloka. Tsy niditra tamin’izany ny Romanina. Izy ireo ihany anefa matetika no namono ny mpanao heloka bevava, fa tsy navelany hanao an’izany ny fitsarana jiosy. I Stefana ihany no tsy hoatr’izany, fa ny Fitsarana Avo Jiosy no nitsara azy sy nitora-bato azy.Asa. 6:8-15; 7:54-60.

Betsaka àry ny zavatra nananan’ny Fitsarana Avo Jiosy fahefana. Nilaza anefa ny manam-pahaizana atao hoe Emil Schürer fa “voafetra ihany ny fahefan’izy ireo. Afaka nisalovana mantsy ny manam-pahefana romanina na rahoviana na rahoviana, ary tsy nangataka hevitra tamin’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo. Nanao an’izany izy ireo rehefa nisy zavatra nahiahiny hoe hisy vokany ratsy amin’ny fitondrana.” Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny andron’ilay mpitari-tafika atao hoe Klaodio Lysia. Nasainy nosamborina ny apostoly Paoly, izay olom-pirenena romanina.—Asa. 23:26-30.