Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

“Vidio ny Fahamarinana ka Aza Amidy”

“Vidio ny Fahamarinana ka Aza Amidy”

“Vidio ny fahamarinana ka aza amidy, ary vidio koa ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahiratan-tsaina.”—OHAB. 23:23.

HIRA: 94, 96

1, 2. a) Inona no sarobidy indrindra amintsika? b) Inona avy no ampahafantarin’i Jehovah antsika? Nahoana izy ireny no sarobidy amintsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

INONA no zavatra sarobidy indrindra anananao? Hanaiky ve ianao raha atakalo zavatra tsy dia misy vidiny ilay izy? Tsy sarotra amintsika mpanompon’i Jehovah ny mamaly an’ireo. Ny fifandraisana amin’i Jehovah no sarobidy indrindra amintsika, ary tsy misy hatakalontsika an’izany mihitsy. Sarobidy amintsika koa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izany mantsy no mahatonga antsika ho afaka hifandray akaiky amin’i Jehovah.—Kol. 1:9, 10.

2 Be dia be ny zavatra ampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra antsika, ao amin’ny Baiboly. Resahiny ao, ohatra, ny toetrany sy ny dikan’ny anarany. Lazainy amintsika koa hoe tena tiany isika, ka nahafoy ny Zanany izy hanavotana antsika. Ampahafantariny antsika koa ny momba ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy izay ihany fa mampanantena izy hoe hiaina any an-danitra ny voahosotra, ary hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny  “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Atoron’i Jehovah antsika koa hoe hoatran’ny ahoana no tokony ho fomba fiainantsika. Tena sarobidy amintsika ireny zavatra ampianarin’ny Mpamorona ireny. Lasa mifandray akaiky aminy mantsy isika rehefa mahafantatra an’ireny, sady lasa misy dikany ny fiainantsika.

3. Mitaky vola amintsika ve i Jehovah ho takalon’ny fahamarinana? Hazavao.

3 Andriamanitra tia manome i Jehovah. Tena tiany ny Zanany, nefa nomeny antsika maimaim-poana. Raha misy mitady ny fahamarinana àry, dia azo antoka hoe hanampy azy hahita an’izany i Jehovah ary tsy hitaky vola. Manaporofo an’izany izay nitranga tamin’i Simona. Nanome vola ho an’ny apostoly Petera izy, satria tiany raha homen’i Petera fahefana hizara fanahy masina koa izy. Nibedy azy anefa i Petera ka nilaza hoe: “Aoka ho fongana miaraka aminao ny farantsa volafotsinao. Heverinao angaha fa azo vidim-bola ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra?” (Asa. 8:18-20) Inona àry no dikan’ilay hoe: “Vidio ny fahamarinana”?

INONA NO DIKAN’NY HOE ‘MIVIDY’ NY FAHAMARINANA?

4. Inona no hianarantsika ato?

4 Vakio ny Ohabolana 23:23. Tsy maintsy miezaka sy vonona hamoy zavatra isika vao hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Milaza ny Ohabolana hoe raha efa ‘nividy’ na nianatra ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mitandrina sao hivarotra azy io indray, izany hoe hiala amin’izy io. Inona àry no dikan’ny hoe ‘mividy’ ny fahamarinana, ary inona no mety hafointsika mba hahazoana azy io? Ho sarobidy kokoa amintsika ny fahamarinana raha haintsika ny valin’ireo. Vao mainka koa isika ho tapa-kevitra ny tsy hiala amin’izy io. Ho hitantsika ato fa tsy matiantoka mihitsy izay ‘mividy’ ny fahamarinana.

5, 6. a) Ahoana no hividianana ny fahamarinana, nefa ilay izy aza maimaim-poana? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no soa ho azontsika raha mividy ny fahamarinana isika?

5 Raha maimaim-poana ve ny zavatra iray, dia midika izany hoe tsy mila mahafoy na inona na inona isika mba hahazoana an’ilay izy? Tsia! Azo adika koa hoe “manao izay hahazoana” ilay teny hebreo nadika hoe ‘mividy’, ao amin’ny Ohabolana 23:23. Samy manana heviny hoe miezaka na mahafoy zavatra mba hahazoana zavatra sarobidy ireo teny ireo. Ahoana, ohatra, raha misy soratra eo amin’ny fivarotana iray hoe: “Maimaim-poana ny Akondro”? Tsy ho tonga ho azy any an-tranontsika mihitsy ireo akondro ireo. Na maimaim-poana aza ilay izy, dia mila mahafoy fotoana isika hankanesana any amin’ilay mpivarotra, dia maka an’ilay akondro. Hoatr’izany koa ny fahamarinana. Na tsy andoavam-bola aza izy io, dia tsy maintsy miezaka isika sady mila mahafoy zavatra mba hahazoana azy.

6 Vakio ny Isaia 55:1-3. Manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe mividy ny fahamarinana koa ireo tenin’i Jehovah ireo. Ohariny amin’ny rano sy ronono ary divay izay lazainy. Hoatran’ny rano madio sy mangatsiatsiaka, ohatra, izany satria mamelombelona antsika. Ny ronono indray manampy ny ankizy hitombo sy hihamatanjaka. Hoatr’izany koa izay lazain’i Jehovah, satria mampitombo sy manatanjaka ny finoantsika. Ary nahoana no hoatran’ny divay izay lazainy? Mahatonga antsika ho falifaly ny divay. (Sal. 104:15) Ampirisihin’i Jehovah ‘hividy divay’ àry isika, izany hoe ampirisihiny hankatò izay lazainy, amin’izay ho falifaly. (Sal. 19:8) Tena mahafinaritra ny fomba ilazan’ny Baiboly ny soa azon’ireo mianatra sy mankatò izay lazain’i  Jehovah! Rehefa miezaka manao an’izany isika, dia hoatran’ny hoe mandoa ny vidin’ny fahamarinana. Andao isika izao hijery zavatra dimy mety hafointsika amin’izany.

INONA NO NAFOINAO MBA HIVIDIANANA NY FAHAMARINANA?

7, 8. a) Nahoana isika no mila mahafoy fotoana raha te hividy ny fahamarinana? b) Inona no nafoin’i Mariko mba hianarana ny fahamarinana, ary inona no vokatr’izany?

7 Fotoana. Mila mahafoy fotoana ny olona iray raha te hividy ny fahamarinana. Mila fotoana mantsy izy rehefa hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia avy eo hamaky Baiboly sy ireo boky sy gazety, hianatra samirery, ary hanomana sy hanatrika fivoriana. Tsy maintsy ajanony izay zavatra tsy dia lehibe, mba hahitana fotoana hanaovana an’ireo. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Hoatran’ny ahoana àry ny fotoana ilaintsika, raha te hahalala an’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly isika? Miankina amin’ny tsirairay izany, satria tsy mitovy ny fiainan’ny olona. Tsy ho tapitra mihitsy anefa ny zavatra azo ianarana momba an’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny asany. (Rom. 11:33) Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana voalohany indrindra hoe hoatran’ny voninkazo ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe mahazo voninkazo iray isika isaky ny mahalala zava-baovao iray. Izao no voalaza ao: “Tsy ho nanisy voninkazo be dia be i Jehovah, raha iray dia ampy. Aza mianina amin’ny voninkazo iray fotsiny àry. Manangòna be dia be, dia mitadiava foana.” Eritrereto hoe: ‘Mba firy izay ny voninkazo efa nangoniko?’ Mbola hianatra momba an’i Jehovah isika, na dia rehefa hiaina mandrakizay aza. Mila mampiasa tsara ny fotoanantsika anefa aloha isika izao, mba hianarana zavatra betsaka araka izay azo atao. Izany no nataon’ny tovovavy japoney atao hoe Mariko. *

8 Nandeha nianatra tany New York, any Etazonia, izy. Nisy mpisava lalana nitory taminy indray mandeha. Efa nanana ny fivavahany i Mariko, nefa nanaiky hianatra Baiboly ihany. Tiany be ny zavatra nianarany, dia nangataka hianatra indroa isan-kerinandro izy. Tonga dia nivory koa izy, na dia tery be aza ny fotoanany. Sady nianatra mantsy izy no niasa tapa-potoana. Najanony ny fialam-boly sasany fanaony, amin’izay izy manam-potoana kokoa hianarana Baiboly. Nandroso haingana be izy vokatr’izany. Tsy ampy herintaona akory izy dia natao batisa. Nanomboka nanao mpisava lalana izy enim-bolana taorian’izay, ary mbola mpisava lalana izy izao.

9, 10. a) Ahoana no fiheverantsika ny vola sy harena rehefa mahalala ny fahamarinana isika? b) Inona no nafoin’ny anabavy iray? Nanenenany ve ilay izy?

9 Vola sy harena. Mety hamoy asa be karama koa isika. “Nandao ny haratony”, ohatra, i Petera sy Andrea rehefa nasain’i Jesosy ho lasa “mpanarato olona.” (Mat. 4:18-20) Tsy midika izany hoe rehefa mianatra ny fahamarinana ianao, dia tsy maintsy miala amin’ny asanao. Adidintsika mantsy ny mamelona ny fianakaviantsika. (1 Tim. 5:8) Rehefa mianatra Baiboly anefa ianao, dia tsy hoatran’ny taloha intsony ny fiheveranao ny vola sy harena. Lasa fantatrao hoe inona no tena zava-dehibe. Hoy i Jesosy: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany ... Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra.” (Mat. 6:19, 20) Izany no nataon’ny tovovavy atao hoe Maria.

10 Mbola kely izy dia efa tia nilalao golfa. Nihanahay izy rehefa teny amin’ny lise, ka nahazo vatsim-pianarana hidirana teny  amin’ny oniversite. Te ho lasa mpanao golfa matihanina izy, amin’izay hahazo vola be. Nianatra Baiboly izy tatỳ aoriana, dia tiany be ny zavatra nianarany. Faly be izy fa nanampy azy hiova ny fahamarinana. Hoy izy: “Niezaka nanaraka an’izay voalazan’ny Baiboly aho, dia nanova ny fomba fisainako sy ny fomba fiainako. Lasa sambatra kokoa aho rehefa nanao an’izany.” Fantany anefa fa ho sarotra ny hoe sady hanompo an’i Jehovah no hifantoka amin’ny golfa. (Mat. 6:24) Tsy te ho lasa mpanao golfa matihanina intsony àry izy, sady tsy niezaka ny hahazo vola be sy halaza intsony. Mpisava lalana izy izao, ary mahatsiaro ho sambatra be satria nividy ny fahamarinana. Nilaza koa izy hoe tena misy dikany ny fiainany.

11. Inona no mety hataon’ny olona sasany rehefa mividy ny fahamarinana isika?

11 Fifandraisana amin’ny olon-kafa. Nivavaka ho an’ny mpianany i Jesosy hoe: “Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Azo adika koa hoe “atokano” ilay teny hoe “hamasino.” Lasa voatokana na tafasaraka amin’ity tontolo ity isika rehefa nanaiky ny fahamarinana. Mety tsy hifandray tsara amintsika intsony àry ny namantsika na ny havantsika, satria mampihatra an’izay nianarantsika isika. Miova ny fahitan-dry zareo antsika, satria tsy manao ny fanaony intsony isika ary tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny zava-dehibe amintsika. Marina hoe te hihavana tsara amin-dry zareo foana isika. Mety hihatakataka amintsika anefa ry zareo ary mety hanohitra ny zavatra inoantsika mihitsy. Tsy mahagaga izany satria i Jesosy efa niteny hoe: “Ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Mat. 10:36) Nanome toky antsika koa anefa izy hoe mihoatra lavitra noho izay nafointsika ny valisoa ho azontsika.—Vakio ny Marka 10:28-30.

12. Inona no nafoin’i Aaron mba hividianana ny fahamarinana?

12 Jiosy i Aaron ary mpandraharaha izy. Efa hatramin’ny mbola kely izy no nampianarina hoe tsy azo tononina ny anaran’Andriamanitra. Tena te hahalala ny marina anefa izy. Nisy Vavolombelona nanoro azy hoe rehefa ampiana zanatsoratra ny renisoratra efatra amin’ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo, dia manome hoe “Jehovah.” Faly be izy ka tonga dia nankany amin’ny toeram-pivavahan-dry zareo, ary noresahiny tamin’ny mpitondra fivavahana tao ilay izy. Nieritreritra izy hoe ho faly be koa ry zareo. Nororan-dry zareo anefa izy sady noroahiny. Na ny fianakaviany aza tsy faly taminy. Nianatra ny fahamarinana foana anefa izy dia lasa Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny. Mety hiova hoatr’izany koa ny fifandraisantsika amin’ny havantsika, na mety hamoy toerana ambony isika. Vonona amin’izany anefa isika mba hividianana ny fahamarinana.

13, 14. Inona no fiovana tokony hataontsika mba hividianana ny fahamarinana? Manomeza ohatra.

13 Eritreri-dratsy sy fitondran-tena ratsy. Tokony ho vonona hanova ny fomba fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika isika, rehefa mahalala ny fahamarinana sy miezaka hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Hoy i Petera: ‘Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo. Aoka ho masina ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.’ (1 Pet. 1:14, 15) Ratsy fitondran-tena ny olona tany Korinto, ka nila niova be mba hankasitrahan’Andriamanitra. (1 Kor. 6:9-11) Be dia be koa amin’izao ny olona miala amin’ny fanao ratsy, satria te hanaraka ny fahamarinana. Hoy i Petera: “Ampy izay ny fotoana lasa nanaovanareo ny sitrapon’izao tontolo  izao, fony ianareo niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny, sy ny filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy araka ny lalàna.”—1 Pet. 4:3.

14 Efa an-taonany maro i Devynn sy Jasmine no mamo lava. Mpanao kaonty tena mahay i Devynn. Tsy nateza tamin’ny asany anefa izy satria nisotro toaka foana. I Jasmine indray nalaza ho mpiady aman’olona. Nihaona tamina mpivady misionera izy indray mandeha, tamin’izy mamo. Nanasa azy hianatra Baiboly izy mivady ary tonga tany an-tranon-dry zareo, herinandro taorian’izay. Mamo anefa i Devynn sy Jasmine tamin’io. Tsy nampoizin’izy ireo hoe ho avy ireo misionera, satria noheveriny hoe tsy niraharaha azy ireo akory. Rehefa niverina ireo misionera tatỳ aoriana, dia efa vonona tsara izy roa. Vao nanomboka nianatra ry zareo, dia nazoto be sady tonga dia nampihatra an’izay nianarany. Tsy ampy telo volana izy mivady dia afaka tamin’ny toaka. Nisora-panambadiana koa ry zareo tatỳ aoriana. Be dia be no lasa nianatra Baiboly tao an-tanànan-dry zareo, satria nalaza be hoe niova izy mivady.

15. Inona no mety ho sarotra be amin’ny olona sasany, ary nahoana?

15 Fombafomba tsy tian’i Jehovah. Tsy manaraka fombafomba tsy tian’i Jehovah isika, rehefa mahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly. Mora amin’ny olona sasany izany, fa mafy be amin’ny hafa. Sarotra aminy ilay izy, satria izy matahotra ny havany na ny namany na ny mpiara-miasa aminy. Sarotiny be amin’ny fombafomba sasany mantsy ny olona matetika, indrindra raha natao hanajana ny havany efa maty ilay izy. (Deot. 14:1) Inona àry no hanampy antsika hahavita hiala amin’ireny fombafomba ireny? Mila mandray lesona avy amin’izay nataon’ny olon-kafa isika. Diniho, ohatra, ny nataon’ireo Kristianina be herim-po tany Efesosy.

16. Inona no nataon’ny olona sasany tany Efesosy mba hividianana ny fahamarinana?

16 Betsaka ny mpanao mazia tany Efesosy. Tsy maintsy niala tamin’izany ry zareo rehefa lasa Kristianina. Inona no nataony? Hoy ny Baiboly: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina. Koa niroborobo be àry ny tenin’i Jehovah, sady tena nahery.” (Asa. 19:19, 20) Nahafoy ny bokiny ireo Kristianina tsy nivadika ireo, na dia lafo be aza ilay izy. Tena notahin’i Jehovah ry zareo vokatr’izany.

17. a) Inona avy no mety hafointsika mba hividianana ny fahamarinana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Ary ianao? Inona no nafoinao? Samy nahafoy zavatra isika rehetra mba hividianana ny fahamarinana. Nahafoy fotoana daholo, ohatra, isika. Nisy koa afaka nanao zavatra mba ho lasa mpanankarena, nefa tsy nanao an’izany. Ny hafa indray lasa nihatakatahan’ny havany na ny namany. Be dia be koa no tsy maintsy nanova ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany, ary niala tamin’ny fombafomba tsy tian’i Jehovah. Na inona na inona anefa nafointsika mba hahazoana ny fahamarinana, dia tsy matiantoka mihitsy isika. Izy io mantsy no manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah, ary tsy misy sarobidy noho izany. Mahagaga anefa hoe amidin’ny olona sasany ny fahamarinana, na dia be dia be aza ny soa azo avy amin’izy io. Fa nahoana? Inona no hanampy antsika tsy hanaonao foana hoatr’izany? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.