Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Miezaka Hitovy Hevitra Amin’i Jehovah ve Ianao?

Miezaka Hitovy Hevitra Amin’i Jehovah ve Ianao?

“Miovà ka havaozy ny sainareo.”—ROM. 12:2.

HIRA: 56, 123

1, 2. Inona no mitranga rehefa mihamatotra isika? Manomeza ohatra.

NAHAZO fanomezana ny ankizikely iray, dia niteny taminy ny dada sy mamany hoe: “Ahoana moa no fiteny?” Dia namaly tsy sazoka ilay zaza hoe: “Misaotra.” Rehefa lehibe anefa izy, dia lasa azony hoe fa maninona izy no asain’ny ray aman-dreniny misaotra. Lasa mankasitraka kokoa ny soa ataon’ny olona aminy izy, sady misaotra avy amin’ny fony.

2 Hoatr’izany koa isika tamin’ny vao nahalala ny fahamarinana. Nianarantsika hoe tena mila mankatò an’izay takin’i Jehovah isika. Rehefa mihamatotra anefa isika, dia lasa azontsika kokoa ny fomba fisainany. Lasa fantatsika, ohatra, hoe inona no tiany sy tsy tiany, ary ahoana no fahitany ny zavatra sasany. Ampifanarahintsika amin’izany avy eo ny safidintsika sy izay ataontsika. Miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah isika amin’izay.

3. Nahoana no sarotra indraindray ny miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah?

3 Mahafinaritra be ny hoe miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah. Sarotra anefa izany indraindray. Tsy lavorary mantsy isika, dia hoatr’izany koa ny fomba fisainantsika. Fantatsika, ohatra, hoe ahoana no hevitr’i Jehovah momba ny fitondran-tena, ny fitiavan-karena, ny asa fitoriana, ny ra, na ny zavatra hafa. Mety  tsy ho azontsika tsara anefa hoe fa maninona no hoatr’izay ny heviny. Inona àry no azontsika atao? Inona no hanampy antsika hitovy hevitra kokoa aminy? Ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’izay ataontsika amin’izao sy amin’ny hoavy?

INONA NO HANAMPY ANAO?

4. Inona no tokony hataontsika raha te ‘hanavao ny saintsika’ isika?

4 Vakio ny Romanina 12:2. Resahin’ny apostoly Paoly ao hoe inona no tokony hatao raha te hitovy hevitra amin’i Jehovah. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe tsy tokony hampiditra ny hevitr’ity tontolo ity ao an-tsaintsika isika, raha tsy te hovolavolainy intsony. Noresahin’i Paoly koa anefa hoe mila ‘manavao ny saintsika’ isika. Ahoana izany? Rehefa mianatra Baiboly isika, dia tokony hiezaka hahazo ny hevitr’i Jehovah sy hisaintsaina azy ireny, ary hiezaka hampitovy ny fomba fisainantsika amin’ny azy.

5. Inona no atao hoe mianatra?

5 Tsy hoe mamakimaky sy manipika valin-teny fotsiny ny hoe mianatra. Isaky ny mianatra isika, dia mila mieritreritra hoe inona no azontsika ianarana momba an’i Jehovah sy ny fomba fisainany ary ny antony anaovany zavatra. Tokony hofantarintsika hoe maninona isika no asainy manao zavatra iray, ary maninona ny zavatra sasany no tsy avelany ataontsika. Mila mieritreritra koa isika hoe inona no fanovana tokony hataontsika eo amin’ny fiainantsika sy ny fomba fisainantsika. Mety tsy ho afaka handinika an’ireo rehetra ireo isika isaky ny mianatra. Tsara anefa ny manokana fotoana hisaintsainana an’izay novakintsika. Maninona, ohatra, raha atokana hisaintsainana ny antsasaky ny fotoana ianaranao?—Sal. 119:97; 1 Tim. 4:15.

6. Inona no mitranga rehefa misaintsaina ny hevitr’i Jehovah isika?

6 Misy zavatra hafakely mitranga, rehefa misaintsaina matetika an’izay voalazan’ny Baiboly isika. ‘Mandinika tsara’ mantsy isika, dia ‘mamantatra’ ny fomba fisainan’i Jehovah, ka resy lahatra hoe tonga lafatra izy io. Manomboka mahazo ny heviny isika avy eo, ary manaiky an’ilay izy mihitsy amin’ny farany. Hoatran’ny hoe ‘nohavaozina ny saintsika’ amin’izay, ary lasa mitovy hevitra tsikelikely amin’i Jehovah isika.

MISY VOKANY AMIN’NY ATAONAO IZAY ERITRERETINAO

7, 8. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny vola sy harena? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no ho zava-dehibe indrindra amintsika, raha miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah isika?

7 Rehefa mieritreritra isika, dia tsy hoe mampiasa saina dia ampy. Tokony hisy vokany amin’izay ataontsika koa izany. (Mar. 7:21-23; Jak. 2:17) Andao isika hijery ohatra vitsivitsy mba hahazoantsika tsara an’izany. Hita ao amin’ny Filazantsara, ohatra, hoe ahoana no fahitan’i Jehovah ny vola sy harena. Mpivady tsy dia nanam-bola no nofidiny hitaiza ny Zanany. (Lev. 12:8; Lioka 2:24) “Tao amin’ny fihinanam-bilona” i Jesosy no nampandrin’i Maria tamin’izy teraka. “Tsy nisy toerana ho azy ireo intsony [mantsy] tany amin’ny efitranom-bahiny.” (Lioka 2:7) Afaka nitady toerana tsara kokoa hahaterahan’ny Zanany i Jehovah. Vitany izany ary mety ho nahita hevitra be dia be mihitsy izy. Ny tena zava-dehibe tamin’i Jehovah anefa dia hoe olona hanao loha laharana ny fanompoana azy no hitaiza ny Zanany.

8 Hitantsika amin’io tantara io ny hevitr’i Jehovah momba ny vola sy harena. Misy ray aman-dreny miezaka be mba hanome ny tsara indrindra ho an’ny zanany, na dia lasa sorona amin’izany aza ny fifandraisan’ilay  zanany amin’i Jehovah. Ahoana anefa no hevitr’i Jehovah? Ny fifandraisantsika aminy no tiany ho zava-dehibe indrindra amintsika. Mitovy hevitra aminy ve ianao? Hita amin’izay ataonao ve izany?—Vakio ny Hebreo 13:5.

9, 10. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny hoe manafintohina? Ahoana no ampisehoantsika hoe mitovy hevitra aminy isika?

9 Ahoana indray no fahitan’i Jehovah ny hoe manafintohina, izany hoe mahatonga ny olona hanota na tsy hanompo azy intsony? Hoy i Jesosy: “Na iza na iza ... mametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny iray amin’ireny madinika mino ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony, ka hatsipy any an-dranomasina.” (Mar. 9:42) Tena faran’izay ratsy no fahitan’i Jesosy ny hoe manafintohina olona. Fantatsika hoe mitovy toetra amin’i Jehovah izy. Azo antoka àry hoe tena tsy tian’i Jehovah koa rehefa misy olona tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa fa manafintohina azy ireny.—Jaona 14:9.

10 Mitovy hevitra amin’i Jehovah sy Jesosy ve ianao? Tena tsy tianao koa ve ny manafintohina olona? Hita amin’izay ataonao ve izany? Mety hisy karazan’akanjo na taovolo tianao be, ohatra. Ahoana anefa raha mety hahasorena ny olona sasany ao amin’ny fiangonana ilay izy, na mety hanaitaitra ny faniriany? Tia an’ireo rahalahy sy anabavy ve ianao, ka hampandefitra an’izay tianao?—1 Tim. 2:9, 10.

11, 12. Nahoana isika no ho voaro raha mankahala an’izay halan’i Jehovah sy mifehy tena?

11 Eritrereto koa hoe mankahala ny ratsy i Jehovah. (Isaia 61:8) Mampirisika antsika hankahala an’izany koa izy, na dia fantany aza hoe tsy lavorary isika ka mora voasarika hanao ratsy. (Vakio ny Salamo 97:10.) Hahavita hitovy hevitra amin’i Jehovah sy hifehy tena tsy hanao ratsy anefa isika, raha misaintsaina hoe maninona izy no mankahala ny ratsy.

12 Rehefa miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah isika ka mankahala ny ratsy, dia lasa fantatsika hoe ratsy ny fanao sasany na dia tsy resahin’ny Baiboly aza ilay izy. Misy karazana dihy vetaveta lasa malaza be, ohatra, amin’izao. Misy milaza hoe tsy mampaninona io dihy io, satria tsy misy manao firaisana amin’ilay izy. * Izany ve anefa no hevitr’i Jehovah? Tadidio fa mankahala ny ratsy rehetra izy, na inona izany na inona. Tokony hiezaka hifehy tena sy hankahala an’izay halan’i Jehovah àry isika, amin’izay tsy hanao ratsy mihitsy.—Rom. 12:9.

ERITRERETO DIENY IZAO IZAY HATAONAO

13. Nahoana isika no mila mamantatra mialoha ny hevitr’i Jehovah, raha te hanapa-kevitra tsara?

13 Mila mamantatra ny hevitr’i Jehovah isika rehefa mianatra, ka mieritreritra mialoha an’izay mety hitranga amintsika. Hanampy antsika hanapa-kevitra tsara izany any aoriana any. Raha mitranga tokoa mantsy ilay izy ka mila manapa-kevitra avy hatrany isika, dia ho efa fantatsika izay tokony hatao. (Ohab. 22:3) Handinika ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isika izao.

14. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Josefa?

14 Tonga dia nanda i Josefa rehefa nanasa azy hanao firaisana ny vadin’i Potifara. Hita amin’izany hoe efa nieritreritra momba ny fahitan’i Jehovah ny fanambadiana izy, ary fantany fa tsy tian’i Jehovah ny hoe  manitsakitsa-bady. (Vakio ny Genesisy 39:8, 9.) Nitovy hevitra tamin’i Jehovah koa izy, raha jerena ny navaliny an’ilay vadin’i Potifara. Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Ary ianao? Ahoana raha misy mpiara-miasa manadaladala anao, na andefasan’ny olona hafatra vetaveta amin’ny telefaonina ianao? * Tsara ny mieritreritra mialoha hoe ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo. Mila miezaka hitovy hevitra aminy koa ianao, sady manapa-kevitra hoe inona no hataonao raha mitranga ny zavatra hoatr’izany. Ho mora kokoa aminao amin’izay ny tsy hivadika amin’i Jehovah.

15. Inona no azontsika atao raha te hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah hoatran’ireo Hebreo telo lahy isika?

15 Eritrereto koa ireo Hebreo telo lahy atao hoe Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nasaina niankohoka teo anoloan’ilay sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka ry zareo, nefa tsy nanaiky mihitsy. Hentitra tsara koa ry zareo tamin-dry zareo namaly ny mpanjaka. Hita amin’izany fa efa noeritreretin-dry zareo mialoha izay tokony hatao mba tsy hivadihana amin’i Jehovah. (Eks. 20:4, 5; Dan. 3:4-6, 12, 16-18) Ary ianao? Ahoana raha asain’ny mpampiasa manome vola hanaovana fety mifandray amin’ny fivavahan-diso ianao? Aza miandry hoe efa mitranga ny zavatra hoatr’izany vao hitady ny hevitr’i Jehovah. Dieny izao dia efa eritrereto izany. Rehefa tena mitranga ilay izy amin’izay, dia tsy ho sarotra aminao ny hahalala izay tokony hatao sy izay holazaina, hoatran’ireo Hebreo telo lahy.

Efa nanao fikarohana ve ianao, dia nameno an’ireo taratasy momba ny fitsaboana tianao harahina, ary niresaka tamin’ny dokoteranao? (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana isika no tokony hahazo tsara ny hevitr’i Jehovah dieny mbola tsy mila fitsaboana maika?

16 Mety harary mafy na haratra be isika, ka hila fitsaboana maika. Hahavita hanapa-kevitra tsara anefa isika, raha eritreretintsika mialoha izay tokony hatao mba tsy hivadihana amin’i Jehovah. Marina hoe tsy hanaiky hampidiran-dra mihitsy isika, na ra manontolo izany, na ny taharo fototry ny ra. (Asa. 15:28, 29) Anjarantsika tsirairay anefa ny misafidy raha hanaiky fomba fitsaboana sasany ampiasana ny rantsika isika  na tsia. Mila mandinika ny toro lalan’ny Baiboly isika mba hahalalana ny hevitr’i Jehovah. Tsy mety raha any amin’ny hopitaly isika vao hanao an’izany. Mety ho efa mijaly be mantsy isika amin’izay, sady hoteren’ny olona hanapa-kevitra haingana. Izao àry isika no tokony hanao fikarohana, sy hameno an’ireo taratasy momba ny fitsaboana tiantsika harahina, ary hiresaka amin’ny dokoterantsika. *

17-19. Nahoana isika no tokony hiezaka hahalala ny hevitr’i Jehovah dieny izao? Manomeza ohatra.

17 Hojerentsika farany ny nataon’i Jesosy rehefa niteny taminy i Petera hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô!” Tonga dia namaly i Jesosy tamin’izay. Azo antoka hoe efa nieritreritra be momba an’izay tian’i Jehovah hataony izy talohan’io. Tsy maintsy ho efa noeritreretiny koa izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fiainany etỳ an-tany sy ny fahafatesany. Nanampy azy izany, ka vao mainka izy tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah sy vonona hamoy ny ainy.—Vakio ny Matio 16:21-23.

18 Tian’i Jehovah hinamana aminy isika amin’izao andro izao, sady tiany hanao izay fara herintsika amin’ny asa fitoriana. (Mat. 6:33; 28:19, 20; Jak. 4:8) Mety hitaona antsika tsy hifantoka amin’izany anefa ny olona sasany, ary mieritreritra izy hoe manampy antsika. Ahoana, ohatra, raha miteny aminao ny mpampiasa anao hoe homeny asa tsara kokoa ianao dia ho be karama be? Fantatrao anefa hoe tsy ho afaka hivory sy hitory ianao raha manaiky. Ahoana indray raha mpianatra ianao ary afaka manohy fianarana, saingy any amin’ny toerana lavitry ny ray aman-dreninao? Rehefa mila manapa-kevitra ve ianao vao hikaroka sy hivavaka ary hanontany ny fianakavianao sy ny anti-panahy? Maninona raha izao dia efa mikaroka hoe inona no hevitr’i Jehovah sady miezaka hitovy hevitra aminy? Raha izao ianao dia efa manao an’izany, dia tsy hanintona anao akory ireo zavatra ireo rehefa tena mitranga. Tonga dia ho fantatrao izay tokony hatao, satria efa nanapa-kevitra ianao hoe ny fanompoana an’i Jehovah no hataonao loha laharana.

19 Mahalala zavatra hafa mety hitranga tampoka hoatr’izany koa angamba ianao. Tsy ho voaresaka eto daholo izy ireny. Raha mandinika tsara ny hevitr’i Jehovah anefa ianao rehefa mianatra samirery, dia hiverina ao an-tsainao izany rehefa ilaina ka hahay hanapa-kevitra ianao. Isaky ny mianatra àry ianao, dia aza hadinoina mihitsy ny mamantatra ny hevitr’i Jehovah sy miezaka hitovy hevitra aminy. Eritrereto koa hoe inona no tokony ho vokatr’izany amin’izay ataonao izao sy amin’ny hoavy.

MIANKINA AMIN’IZANY NY HOAVINAO

20, 21. a) Misy fetrany ve ny fahafahana hananantsika any amin’ny tontolo vaovao? Hazavao. b) Inona no azontsika atao raha te ho faly isika dieny izao?

20 Efa tsy andrintsika ny tontolo vaovao. Manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny ankamaroantsika. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra amin’izay, ary tsy hijaly hoatran’ny amin’izao intsony isika. Mbola hanana fahafahana koa isika, ka ho afaka hisafidy izay tiantsika sy mahafinaritra antsika.

21 Hisy fetrany ihany anefa izany fahafahana izany. Mbola hanaraka ny hevitr’i Jehovah sy ny lalàny foana ny mpandefitra, rehefa hamantatra ny tsara sy ny ratsy. Tena hiadana isika vokatr’izany, ary ho faly be. (Sal. 37:11) Efa afaka ny ho faly anefa isika dieny izao, raha miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah.

^ feh. 12 Lap dancing no anaran’ilay dihy, ary karamaina ilay mpandihy amin’ilay izy. Zara raha miakanjo izy, dia manao fihetsika hoatran’ny hoe manao firaisana eo ampofoan’ny olona iray mipetraka. Mety ho azo raisina ho fijangajangana ilay izy, arakaraka izay nitranga. Raha izay ilay izy, dia tokony hananganana komity mpitsara. Tokony hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy izay Kristianina nandray anjara tamin’izany dihy izany.—Jak. 5:14, 15.

^ feh. 14 Tsy voatery ho SMS ilay izy, fa mety ho sarin’olona miboridana na video vetaveta koa. Mety ho azo ananganana komity mpitsara izany, arakaraka izay zava-nitranga. Nomelohin’ny manam-pahefana ho toy ny mpametaveta mihitsy ny ankizy tsy ampy taona sasany, satria nandefa hafatra vetaveta. Raha mila fanazavana fanampiny, dia vakio ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Hafatra Vetaveta?” (Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA.) Azonao jerena koa ilay hoe “Ampitandremo ny Zanakao Amin’ny Hafatra Vetaveta”, ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2013, pejy 4-5.

^ feh. 16 Misy toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao ao amin’ny bokintsika. Jereo, ohatra, ilay boky hoe Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 215-218.