Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Novambra 2017

Manaova ny Rariny ary Mamindrà Fo toa An’i Jehovah

Manaova ny Rariny ary Mamindrà Fo toa An’i Jehovah

“Mitsarà araka ny rariny sy ny hitsiny. Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy hifaneho famindram-po.”—ZAK. 7:9.

HIRA: 125, 88

1, 2. a) Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny Lalàn’Andriamanitra? b) Inona no nataon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo?

TENA tian’i Jesosy ny Lalàn’i Mosesy. Tsy mahagaga izany satria avy amin’i Jehovah Rainy izy io, ary tsy misy tian’i Jesosy hoatran’ny Rainy. Efa voalaza mialoha tao amin’ny Salamo 40:8 hoe tena ho tian’i Jesosy ny lalàn’Andriamanitra. Izao no voalaza ao: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” Nasehon’i Jesosy tamin’izay nolazainy sy nataony fa tonga lafatra sy mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra, ary azo antoka fa ho tanteraka.—Mat. 5:17-19.

2 Azo antoka àry fa nalahelo be i Jesosy, rehefa nahita ny nataon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Nitandrina be an’ireo tsipiriany madinika indrindra tamin’ny Lalàna mantsy izy ireo, ka lasa hoatran’ny hoe sarotra be ny nankatò ny Lalàna. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Manome ny ampahafolon’ny anana toy ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo.” Ny olana anefa dia hoe ‘tsy niraharaha izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna’ izy ireo, “dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.” (Mat. 23:23) Niseho ho marina noho ny olon-kafa ny Fariseo. I Jesosy kosa nahazo tsara ny antony nanomezana ny Lalàna. Fantany hoe misy toetran’i  Jehovah misongadina amin’ny didy tsirairay ao amin’ilay izy.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Tsy voatery mankatò ny Lalàn’i Mosesy intsony isika. (Rom. 7:6) Nahoana àry no nataon’i Jehovah ao amin’ny Baiboly io Lalàna io? Tsy hoe tiany hifantoka amin’ny tsipiriany amin’izy io akory isika. Tiany ho azontsika sy harahintsika kosa ny toro lalana iorenan’ny didy ao amin’izy io. Ireo toro lalana ireo mantsy no “mavesa-danja kokoa.” Nahita toro lalana vitsivitsy isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, rehefa nandinika an’izay tokony hataon’ny olona nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana. Manampy antsika hahafantatra kokoa an’i Jehovah sy hanahaka azy koa anefa ny fianarana momba an’ireo tanàna ireo. Mbola handinika momba azy ireo isika ato, ka ho hitantsika fa mamindra fo i Jehovah, sarobidy aminy ny aina, ary tena manao ny rariny izy. Jereo àry izay azonao atao mba hanahafana an’ilay Rainao any an-danitra.—Vakio ny Efesianina 5:1.

BE FAMINDRAM-PO I JEHOVAH REHEFA JERENA NY TOERAN’IREO TANÀNA

4, 5. a) Inona avy no nahatonga an’ireo tanàna fialokalofana ho tsy sarotra naleha? Nahoana izany no tena nanampy an’izay nila nandositra nankany? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany momba an’i Jehovah?

4 Tsy sarotra naleha ireo tanàna enina natao handosirana. Nasain’i Jehovah natao teo amin’ny andaniny iray tamin’ny Reniranon’i Jordana ny telo, ary ny telo teo amin’ny andaniny iray hafa. Amin’izay tsy sahirana izay nila nandositra nankany sady vetivety dia tonga tany. (Nom. 35:11-14) Nokojakojaina tsara koa ny lalana nankany. (Deot. 19:3) Misy boky jiosy milaza fa nasiana famantarana teny amin’ireny lalana ireny mba hanampiana ny Israelita hahita an’ireo tanàna fialokalofana. Tsy voatery nitsoaka tany an-tany hafa àry izy ireo raha nahafaty olona tsy nahy. Mety ho voataona hanompo andriamani-kafa mantsy izy raha nankany an-tany hafa.

5 Mba eritrereto ange e! I Jehovah mihitsy no nandidy hoe vonoina ho faty izay minia mamono olona. Nataony azo antoka anefa hoe afaka ny hahazo famindram-po sy ho voaro izay nahafaty olona tsy nahy. Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly hoe: ‘Tena tsara fanahy Andriamanitra, ka nataony izay rehetra azo natao mba tsy hanahirana ny nankany amin’ireny tanàna ireny.’ Tsy mpitsara masiaka be sy maika hanasazy i Jehovah. “Manankarena famindram-po” izy.—Efes. 2:4.

6. Tia namindra fo hoatran’i Jehovah ve ny Fariseo? Hazavao.

6 Tsy tia namindra fo kosa ny Fariseo. Milaza ny boky jiosy sasany fa intelo ihany ry zareo no namindra fo raha nisy nanao fahadisoana taminy ka namerina an’ilay izy. Nilaza fanoharana mampiseho ny toe-tsain’izy ireo i Jesosy. Hoy izy: ‘Nisy Fariseo nivavaka hoe:  “Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba toy ny olon-kafa rehetra izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpanitsakitsa-bady, na toa an’itsy mpamory hetra itsy akory aza.”’ Nisy mpamory hetra iray nanetry tena sy nitalaho famindram-po tamin’Andriamanitra mantsy tsy lavitra teo. Nasehon’i Jesosy hoe “nanao tsinontsinona” ny olona ny Fariseo, ka tsy tia namindra fo.—Lioka 18:9-14.

Mora amin’ny olona ve ny mangataka famelan-keloka aminao? Miezaha ho mora iresahana (Fehintsoratra 4-8)

7, 8. a) Inona no hataonao raha mamindra fo hoatran’i Jehovah ianao? b) Nahoana isika no tsy maintsy manetry tena raha te hahavita hamela heloka?

7 Tahafo i Jehovah fa aza manahaka ny Fariseo. Miezaha hangoraka sy hamindra fo. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Ahoana no azonao anaovana an’izany? Ataovy mora amin’ny hafa ny mangataka famelan-keloka aminao. (Lioka 17:3, 4) Eritrereto àry hoe: ‘Mora mamela heloka ve aho, na dia imbetsaka aza ny olona no manafintohina ahy? Raha nisy olona nampahatezitra na nampalahelo ahy, tsy andriko ve izay hihavanana aminy indray?’

8 Mila manetry tena isika raha te hahavita hamela heloka. Tsy nahavita an’izany ny Fariseo satria nihevitra ny hafa ho ambany. Isika Kristianina kosa tsy maintsy manetry tena ka mihevitra ny hafa ho ambony noho isika, ary vonona hamela ny helony. (Fil. 2:3) Hanahaka an’i Jehovah àry ve ianao ka hanetry tena? Raha manetry tena ianao, dia ho mora kokoa amin’ny olona ny hangataka famelan-keloka aminao, ary ho mora kokoa aminao ny hamela ny helony. Miezaha ho mailaka hamindra fo sy tsy ho mora tezitra.—Mpito. 7:8, 9.

HAJAO NY AINA DIA “TSY HO MELOKA HO NANDATSA-DRA IANAO”

9. Inona no nataon’i Jehovah mba ho azon’ny Israelita tsara fa masina ny ain’olombelona?

9 Niaro ny Israelita mba tsy ho meloka ho nandatsa-dra ny tanàna fialokalofana. Anisan’ny antony lehibe indrindra nanokanana an’ireo tanàna ireo izany. (Deot. 19:10) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny aina, ary halany ny famonoana olona tsy manan-tsiny. (Ohab. 6:16, 17) Masina sy manao ny rariny izy ka raha nisy nahafaty olona, dia tsy azony avela amin’izao izany, na dia tsy fanahy iniana aza ilay izy. Marina fa namindrana fo izay nahafaty olona tsy nahy. Tsy maintsy nanazava an’izay nitranga tany amin’ny anti-panahy anefa izy. Rehefa hitan’izy ireo hoe tena tsy nanao fanahy iniana izy, izay izy vao afaka nijanona tao amin’ny tanàna fialokalofana, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. Mety ho voatery nijanona tao nandritra ny andro sisa niainany izy. Nisy vokany be àry ilay izy, ka nazava tsara tamin’ny Israelita rehetra hoe masina ny ain’olombelona. Mety hampidi-doza ny hafa ny zavatra ataon’izy ireo na tsy ataony, ka nila nitandrina ry zareo raha te hanome voninahitra an’ilay Mpanome aina.

10. Araka ny nolazain’i Jesosy, ahoana no ahitana fa tsy nanaja ny aina ny mpanora-dalàna sy Fariseo?

10 Tsy hoatran’i Jehovah ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Tsy sarobidy tamin’izy ireo ny ain’ny olona. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ary ianareo tsy niditra nefa izay handeha hiditra nosakananareo!” (Lioka 11:52) Tokony ho nanazava ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary nanampy ny olona hahazo fiainana  mandrakizay. Tsy izany anefa no nataony. Nosakanany indray aza ny olona tsy hanara-dia an’i Jesosy, ilay “Mpitarika Lehibe Indrindra.” (Asa. 3:15) Mety ho ringana mandrakizay ny olona vokatr’izany. Tsy niraharaha ny ain’ny olona àry ny mpanora-dalàna sy Fariseo, satria nanambony tena sy tia tena. Tena ratsy fanahy sy tsy nanam-pitiavana izy ireo.

11. a) Inona no porofo fa nihevitra ny aina ho sarobidy toa an’i Jehovah i Paoly? b) Inona no hanampy antsika hazoto hanompo toa an’i Paoly?

11 Inona no hanampy antsika hanahaka an’i Jehovah fa tsy hanahaka ny mpanora-dalàna sy Fariseo? Tadidio fa sarobidy ny aina ka hajao. Nanao an’izany ny apostoly Paoly, ka nitory tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao. Afaka nilaza àry izy hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:26, 27.) Tsy adidy fotsiny ny fitoriana tamin’i Paoly. Tsy noho izy tsy te henjehin’ny eritreriny koa no nahatonga azy hanao an’izany. Tena tia olona izy ary sarobidy taminy ny ain’izy ireo. (1 Kor. 9:19-23) Tokony ho hoatr’izany koa isika, ka hihevitra ny aina ho sarobidy toa an’i Jehovah. Tiany hibebaka ny olona rehetra ka tsy ho ringana. (2 Pet. 3:9) Izany koa ve no fanirianao? Miezaha àry hamindra fo, dia hazoto hanompo kokoa ianao sady hahita fifaliana kokoa amin’izany.

12. Nahoana no zava-dehibe amin’ny mpanompon’i Jehovah ny aro loza?

12 Tokony ho zava-dehibe amintsika koa ny aro loza, raha manahaka an’i Jehovah isika. Tsy maintsy mitandrina isika rehefa mitondra fiara sy rehefa miasa. Tokony hitandrina tsara foana isika, na rehefa manorina sy mikojakoja ny trano ivoriantsika, na rehefa mitondra fiara mankany amin’ireny toerana ireny. Tsy mety ny hoe tsy miraharaha fahasalamana sy izay loza mety hitranga, satria te hamita asa be dia be, na te hanenjika fotoana, na te hitsitsy vola. Ataon’i Jehovah araka ny tokony ho izy foana izay ataony, ary tokony hanahaka azy isika. Ny anti-panahy no tena tokony hihevitra ny aro loza ho zava-dehibe, anisan’izany ny fiarovana ny tenany sy izay miara-miasa aminy. (Ohab. 22:3) Araho àry ny tenin’ny anti-panahy raha mampahatsiahy anao fitsipika sy toromarika momba ny aro loza izy. (Gal. 6:1) Manahafa an’i Jehovah ka hevero ho sarobidy ny aina, dia “tsy ho meloka ho nandatsa-dra ianao.”

“IREO DIDY IREO” ARAHINA REHEFA MITSARA

13, 14. Inona no nataon’ny anti-panahy tany Israely raha nanao ny rariny toa an’i Jehovah izy ireo?

13 Nasain’i Jehovah nanao ny rariny toa azy ny anti-panahy teo amin’ny Israely. Rehefa nisy namono olona, dia nila nanamarina an’izay tena nitranga aloha izy ireo. Tsy maintsy nodinihin’izy ireo tsara koa ny antony nahatonga an’ilay olona hanao an’ilay izy sy ny toetrany ary ny heloka efa vitany. Taorian’izay izy ireo vao tokony hanapa-kevitra raha hamindrana fo izy na tsia. Nila namantatra koa izy ireo hoe sao dia nankahala an’ilay olona novonoiny izy ary efa te hamono azy mihitsy. (Vakio ny Nomery 35:20-24.) Raha nisy vavolombelona ilay izy, dia vavolombelona roa, fara fahakeliny, vao afaka niampanga olona ho nanao fanahy iniana namono olona.—Nom. 35:30.

14 Rehefa avy nandinika an’izay tena nitranga ny anti-panahy, dia nila nieritreritra momba an’ilay olona, fa tsy nifantoka tamin’izay nataony fotsiny. Nila nahay namantatra ny zavatra hafa tsy tonga dia niharihary izy ireo. Tena nila fanahy masina koa izy ireo, mba hahay handinika tsara sy hamindra fo ary hanao ny rariny toa an’i Jehovah.—Eks. 34:6, 7.

15. Inona no mampiseho fa tsy nitovy tamin’ny an’ny Fariseo ny fiheveran’i Jesosy ny mpanota?

15 Ny Fariseo indray nifantoka tamin’izay ratsy vitan’ilay olona, fa tsy mba nieritreritra ny tena toetrany. Nahita an’i Jesosy nisakafo tao an-tranon’i Matio izy ireo indray mandeha, dia nanontaniany ny mpianany hoe: “Fa nahoana ny mpampianatra anareo no miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” Nilaza i Jesosy hoe: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary. Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’ Fa tsy tonga hiantso ny marina  aho, fa ny mpanota.” (Mat. 9:9-13) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy mampaninona ny manao fahotana lehibe. Anisan’ny hafatra lehibe notoriny aza ny hoe mila mibebaka izay nanota. (Mat. 4:17) Fantany kosa hoe te hiova ny sasany tamin’ireo “mpamory hetra sy mpanota” ireo. Tsy ny hisakafo fotsiny no nahatongavan’izy ireo tao amin’i Matio. Maro tamin’izy ireny no te ho lasa “mpanara-dia an’i Jesosy.” (Mar. 2:15) Mampalahelo fa tsy hoatr’izany no fahitan’ny ankamaroan’ny Fariseo an’ireny olona ireny. Tsy nanao ny rariny sy namindra fo toa an’Andriamanitra izy ireo. Nantsoiny hoe “mpanota” ny olona, ka toy ny hoe tsy nisy nantenaina intsony ny amin’izy ireo.

16. Inona no mila fantarin’ny komity mpitsara?

16 Tsy maintsy miezaka koa ny anti-panahy ankehitriny mba ho “tia rariny” toa an’i Jehovah. (Sal. 37:28) Mila ‘mamotopototra sy manadihady tsara’ izy ireo mba hahafantarana raha nanota tokoa ny Kristianina iray. Raha nanota izy, dia mila manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo rehefa mandamina an’ilay raharaha. (Deot. 13:12-14) Raha anisan’ny komity mpitsara izy ireo, dia tsy maintsy mandinika tsara hoe mibebaka ve ilay olona nanao fahotana lehibe sa tsia. Tsy tonga dia miharihary foana mantsy izany. Mila fantarina koa ny toe-pon’ilay olona sy ny fiheverany an’ilay fahotana. (Apok. 3:3) Tsy maintsy mibebaka ny olona nanota, izay vao azo amindrana fo. *

17, 18. Inona no hanampy ny anti-panahy hahita hoe tena mibebaka ny olona iray? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

17 Tsy mahay mamantatra ny ao am-po ny anti-panahy, tsy hoatran’i Jehovah sy Jesosy. Raha anti-panahy àry ianao, inona no hanampy anao hamantatra raha tena mibebaka ny olona iray? Voalohany, mivavaha mba hanana fahendrena sy hahay hanavaka. (1 Mpanj. 3:9) Faharoa, diniho ny Tenin’Andriamanitra sy ny boky avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana mba hahaizanao manavaka ny “alahelon’izao tontolo izao” sy ny “alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra”, izany hoe ny tena fibebahana. (2 Kor. 7:10, 11) Fantaro izay lazain’ny Baiboly momba ny olona nibebaka sy ny olona tsy nibebaka. Diniho hoe inona no tsapan’izy ireo sy noeritreretiny ary nataony.

18 Fahatelo, eritrereto ny momba an’ilay olona. Inona daholo no namolavola azy, ohatra hoe ny fianakaviany, ny zavatra niainany, sy ny toy izany? Inona no mety ho nahatonga azy hanao an’ilay fahotana? Inona no olana atrehiny na zavatra hafa manahirana azy? Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy, lohan’ny fiangonana: “Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.” (Isaia 11:3, 4) Ry anti-panahy, i Jesosy no nanendry anareo hikarakara ny fiangonana. Matokia àry fa hanampy anareo izy, ka ho vitanareo ny hanao ny rariny sy hamindra fo toa azy rehefa mitsara ianareo. (Mat. 18:18-20) Tsy mankasitraka ny anti-panahy ve isika noho izy ireo miezaka mafy manahaka an’i Jesosy? Tena faly isika fa miezaka manao ny rariny sy mamindra fo izy ireo.

19. Inona no tianao hampiharina amin’ireo lesona nianarantsika tato?

19 Ny Lalàn’i Mosesy no “fototry ny fahalalana sy ny fahamarinana.” (Rom. 2:20) Manampy antsika hahalala an’i Jehovah sy ny toro lalany izy io. Rehefa nandinika momba an’ireo tanàna fialokalofana, ohatra, isika dia nahita hoe inona no tokony hataon’ny anti-panahy raha te ‘hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny’ izy. Nianarantsika koa hoe ahoana no ifanehoana “hatsaram-panahy feno fitiavana” sy “famindram-po.” (Zak. 7:9) Marina fa tsy voatery mankatò ny Lalàn’i Mosesy isika. Tsy miova anefa i Jehovah, fa mbola zava-dehibe aminy ny fanaovana ny rariny sy ny famindram-po. Natao araka ny endriny isika ka afaka manahaka azy. Afaka mialoka aminy koa isika. Tena voninahitra lehibe ny manompo azy!

^ feh. 16 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2006, pejy 30.