Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Aza Manaraka ny Fomba Fisainan’ity Tontolo Ity

Aza Manaraka ny Fomba Fisainan’ity Tontolo Ity

“Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty ... eo amin’ity tontolo ity.”—KOL. 2:8.

HIRA: 38, 31

1. Inona no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ny Kristianina tany Kolosia? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NANORATRA ho an’ny Kristianina tany Kolosia ny apostoly Paoly tamin’izy nigadra tany Roma, tamin’ny taona 60 na 61 tany ho any. Nohazavainy fa tena ilaina ny mahatakatra izay tian’i Jehovah hambara. (Kol. 1:9) Hoy koa izy: “Milaza izany aho mba tsy hisy hamitaka anareo amin’ny hevitra maharesy lahatra. Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kol. 2:4, 8) Nohazavainy koa hoe nahoana no diso ny fomba fisainana sasany, ary nahoana ilay izy no tian’ny olona maro. Mety hahatonga ny olona hihevi-tena ho mahay kokoa na ambony noho ny hafa, ohatra, izy ireny. Tian’i Paoly hampiana àry ny Kristianina tany Kolosia mba tsy hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity sy tsy hanao ratsy.—Kol. 2:16, 17, 23.

2. Nahoana isika no handinika ny sasany amin’ny fomba fisainan’ity tontolo ity?

2 Tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny fomba fisainan’ ity tontolo ity. Hita hatraiza hatraiza izany, na amin’ny tele na Internet, ary na any am-piasana na any am-pianarana. Tsy misy voaro amin’ny fomba fisainan’ity tontolo ity isika. Mety hisy vokany amintsika izany, ka hampihena tsikelikely ny finoantsika. Handinika fomba fisainana dimy àry isika, ary hojerentsika izay azo atao mba tsy hifindra amintsika ilay izy.

ILAINA VE NY MINO AN’ANDRIAMANITRA?

3. Inona no fomba fisainana tian’ny olona maro, ary nahoana?

3 “Tsy voatery mino an’Andriamanitra ianao vao afaka manao ny tsara.” Betsaka, any amin’ny tany maro, ny olona milaza hoe tsy mino an’Andriamanitra izy ary tsy mpivavaka. Tsy nanadihady tsara angamba izy ireny hoe tena misy ve Andriamanitra sa tsia. Mahafinaritra azy ireo fotsiny ilay hoe afaka manao izay tiany izy raha tsy misy Andriamanitra. (Vakio ny Salamo 10:4.) Misy indray mieritreritra hoe hoatran’ny mba manam-pahendrena izy rehefa milaza hoe: “Afaka manao ny tsara foana aho na tsy mino an’Andriamanitra aza.”

4. Ahoana no azo ampisaintsainana ny olona milaza fa tsy nisy namorona izao rehetra izao?

4 Milaza ny olona tsy mino an’Andriamanitra hoe tsy nisy namorona izao rehetra izao. Mitombina ve izany? Mety ho sahiran-tsaina ny olona iray raha ny fanazavan’ny mpahay siansa no dinihiny. Tsy voatery mieritreritra zavatra sarotra be anefa isika. Tsy nisy ho azy, ohatra, ny trano fa nisy nanamboatra. Tsy misy dikany anefa ny trano raha oharina amin’ny sela tsotra indrindra. Mahavita zavatra tsy vitan’ny trano mantsy ny sela. Vitany ny mamorona sela maromaro hoatr’azy. Ahoana no ataony? Tehiriziny ny fanazavana momba azy, dia afindrany amin’ireo sela vaovao foroniny, amin’izay ireo sela ireo afaka mamorona sela vaovao hoatr’azy koa. Iza àry no namorona ny sela ka nahatonga azy ireny hahavita an’izany? Hoy ny Baiboly: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”—Heb. 3:4.

5. Ho vitantsika ve ny hamantatra ny atao hoe tsara raha tsy mino an’Andriamanitra isika? Hazavao.

5 Ho vitantsika tokoa ve ny hamantatra ny atao hoe tsara raha tsy mino an’Andriamanitra isika? Marina fa milaza ny Baiboly hoe na ny olona tsy mino azy aza mety hanao ny tsara. (Rom. 2:14, 15) Mety hanaja sy ho tia ny ray aman-dreniny, ohatra, izy ireny. Ahoana anefa raha tsy manaiky ny olona iray hoe ny Mpamorona no tokony hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy? Ho azo antoka ve fa hanao ny tsara foana izy? (Isaia 33:22) Maro ny olona mandinika tsara ka miaiky fa mila an’Andriamanitra ny olombelona rehefa jerena ny olana lehibe mitranga eran-tany. (Vakio ny Jeremia 10:23.) Tsy tokony hieritreritra mihitsy àry isika hoe ho vitantsika ny hamantatra ny atao hoe tsara, raha tsy mino an’Andriamanitra sy tsy manaraka ny fitsipiny isika.—Sal. 146:3.

ILAINA VE NY FIVAVAHANA?

6. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny fivavahana?

6 “Afaka ny ho sambatra ianao na tsy anisan’ny fivavahana iray aza.” Olona maro no mieritreritra an’izany, satria mankaleo be ny fivavahana amin-dry zareo sady tsy misy ilana azy. Fivavahana maro koa no mahatonga ny olona tsy ho tia an’Andriamanitra, satria mampianatra hoe misy ny afobe, na manery ny mpivavaka hanome ampahafolon-karena, na manohana mpanao politika. Tsy mahagaga àry raha mihabetsaka ny olona mieritreritra hoe tsy voatery ho anisan’ny fivavahana iray izy vao ho sambatra. Mety hilaza izy ireny hoe: “Te hahafantatra momba an’Andriamanitra aho, fa tsy te ho anisan’ny fivavahana anankiray.”

7. Nahoana ny fivavahana marina no mahasambatra?

 7 Marina tokoa ve fa tsy voatery ho anisan’ny fivavahana iray ianao vao ho sambatra? Azo lazaina hoe sambatra ihany aloha ny olona iray raha tsy anisan’ny fivavahan-diso e! Tsy tena ho sambatra anefa izy raha tsy mifandray tsara amin’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.” (1 Tim. 1:11) Falifaly i Jehovah satria manao izay hahasoa ny hafa foana. Sambatra koa ny mpanompony satria izay hahasoa ny hafa no tena ataon’izy ireo. (Asa. 20:35) Eritrereto, ohatra, hoe manao ahoana ny fianakaviana manaraka ny fivavahana marina. Ampianarina hanaja vady sy hanefa ny voadim-panambadiany ary tsy hanitsakitsa-bady mantsy ny mpivavaka ao. Atoro azy ireo koa izay tokony hatao mba hanampiana ny ankizy hanaja olona sy hahatonga ny fianakaviana hifankatia tsara. Lasa mifandray tsara sy sambatra àry ny fiangonana tsirairay sy ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.—Vakio ny Isaia 65:13, 14.

8. Ahoana no azontsika ampiasana ny Matio 5:3 mba hanazavana hoe inona no tena mahasambatra?

8 Tena ho sambatra àry ve ny olona iray na tsy manompo an’Andriamanitra aza? Ny asany na ny spaoro na ny fialam-boly no mahafinaritra ny olona sasany. Ny hafa indray tia mikarakara fianakaviana na namana. Marina fa mahafinaritra izany. Misy antony lehibe kokoa noho ireo anefa mahatonga antsika ho velona, ary izay no mahasambatra mandrakizay. Tsy hoatran’ny biby isika, fa afaka miezaka ny hahafantatra ny Mpamorona sy hanompo azy. Ho sambatra isika raha manao an’izany, satria efa izay mihitsy no namoronana antsika. (Vakio ny Matio 5:3.) Mahatsiaro ho sambatra sy mahazo fampaherezana, ohatra, isika rehefa miara-mivory mba hanompo an’i Jehovah. (Sal. 133:1) Faly koa isika satria manana rahalahy sy anabavy eran-tany, manao ny tsara, ary manantena hoavy mahafinaritra.

MILA FITSIPIKA MOMBA NY FITONDRAN-TENA VE ISIKA?

9. a) Inona no toe-tsain’ny olona maro? b) Nahoana ny Baiboly no milaza fa tsy tokony hanao firaisana ny olona tsy mpivady?

9 “Tsy tokony horarana tsy hanao firaisana ny olona tsy mpivady.” Mety hisy hilaza hoe: “Aza sarotiny be amin’izany fa ankafizo ny fiainana e!” Ratsy anefa izany satria raran’ny Tenin’Andriamanitra ny fijangajangana. * (Vakio ny 1 Tesalonianina 4:3-8.) Manan-jo hanome lalàna antsika i Jehovah satria izy no namorona antsika. Nilaza izy fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray efa mpivady ihany no mahazo manao firaisana. Manome lalàna antsika izy satria tia antsika. Fantany hoe mahasoa antsika izy ireny raha arahintsika. Mifankatia sy mifanaja ary mahatsiaro ho tsy manana ahiahy ny mpianakavy rehefa mankatò azy ireny. Hosazin’i Jehovah izay mahafantatra ny lalàny nefa minia tsy manaraka azy ireny.—Heb. 13:4.

10. Inona no hanampy ny Kristianina tsy hijangajanga?

10 Atoron’ny Tenin’Andriamanitra antsika izay tokony hataontsika mba tsy hijangajanga mihitsy isika. Mila mifehy ny masontsika isika. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady. Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.” (Mat. 5:28, 29) Midika izany fa tsy tokony hijery sary vetaveta ny Kristianina. Tsy tokony hihaino hira miresaka fijangajangana koa izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Vonoy ireo fironan-dratsy  ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana.” (Kol. 3:5) Mila tandremantsika koa izay eritreretintsika sy resahintsika.—Efes. 5:3-5.

NY ASANTSIKA VE NO TOKONY HO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA AMINTSIKA?

11. Nahoana isika no mety hanao izay rehetra azo atao mba hananana asa tsara?

11 “Ataovy izay hananana asa tsara raha te ho sambatra.” Olona maro no mampirisika antsika hanao izay hananana asa hahatonga antsika halaza na hanan-karena na ho olona ambony. Izany no tanjon’ny olona maro ka mety hifindra amintsika ny toe-tsainy.

12. Tena mahasambatra ve ny manana asa tsara?

12 Tena mahasambatra ve ny manana asa mahatonga anao ho lasa olona ambony na malaza? Tsia. Eritrereto izao: Naniry hahazo fahefana sy halaza i Satana. Azo lazaina hoe tanteraka ny faniriany, nefa izy aza tsy falifaly fa tezitra. (Mat. 4:8, 9; Apok. 12:12) Mety hahafinaritra ihany ny hoe manana asa tsara. Tsy maharitra anefa ny fifaliana azo avy amin’izany. Ny manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra sy hanantena ny hiaina mandrakizay no tena mahafaly foana. Tena tia mifaninana koa ny olona eto amin’ity tontolo ity. Lasa mialona na te hiseho ho mahay noho ny hafa izy ireo vokatr’izany. “Toy ny misambo-drivotra fotsiny” anefa izy ireo.—Mpito. 4:4.

13. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny asa fivelomana? b) Inona no tena nahafaly an’i Paoly, araka ny taratasy nosoratany ho an’ny Tesalonianina?

13 Marina fa mila miasa isika, ary tsy misy maharatsy ny hoe manao asa tiantsika. Tsy ny asa fivelomana anefa no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Mat. 6:24) Tokony hanompo an’i Jehovah sy hampianatra Baiboly ny olona isika. Ho faly be isika raha izany no ataontsika loha laharana. Nahatsapa an’izany i Paoly. Nanana asa tsara izy tamin’izy tao amin’ny Fivavahana Jiosy, ary nifantoka be tamin’izany. Rehefa nampianatra ny tenin’Andriamanitra anefa izy vao tena nahatsiaro ho sambatra. Hitany mantsy hoe nanova ny fiainan’ny olona ny zavatra nampianariny azy. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13, 19, 20.) Tsy misy asa hafa mahafa-po noho izany.

Ho faly ianao raha manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra (Fehintsoratra 12, 13)

 MAHAVAHA NY OLANA ERAN-TANY VE NY OLOMBELONA?

14. Nahoana no tian’ny olona ny mieritreritra hoe ny olona ihany dia efa mahavaha ny olana eran-tany?

14 “Ny olona ihany dia efa mahavaha ny olana eran-tany.” Tian’ny olona maro ny mieritreritra an’izany, satria afaka manao izay tiany izy raha izany, fa tsy mila ny tari-dalan’Andriamanitra. Misy mpanao fanadihadiana milaza fa mihena ny ady, ny heloka bevava, ny aretina, ary ny fahantrana. Hoy ny tatitra iray: “Mihatsara ny fiainana satria tapa-kevitra ny hanatsara an’izao tontolo izao ny olona.” Midika ve izany fa efa manomboka mahavaha ny olana nampijaly azy hatramin’izay ny olombelona? Andeha isika handinika ny zava-misy.

15. Inona no manaporofo fa miatrika olana lehibe ny olombelona?

15 Ady: Nisy 60 tapitrisa teo ho eo na mihoatra an’izany no maty tamin’ny Ady Lehibe I sy II. Mbola misy ady foana koa hatramin’izao. Olona maro no tsy maintsy nandao ny tranony noho ny ady na ny fanenjehana. Tafakatra ho 65 tapitrisa teo ho eo ny isan’izy ireo hatramin’ny 2015. Nisy 12 400 000 teo ho eo no tratran’izany, tamin’ny 2015 fotsiny. Heloka bevava: Marina fa misy karazana heloka bevava mihatsy misy intsony any amin’ny tany sasany. Mampahatahotra anefa fa mihabetsaka ny karazany hafa, toy ny herisetra ao an-tokantrano, ny fampihorohoroana, ary ny heloka bevava atao amin’ny alalan’ny Internet. Manginy fotsiny ny kolikoly fahita eran-tany. Hita amin’izany fa tsy vitan’ny olombelona ny manafoana ny heloka bevava. Aretina: Marina fa nahita fomba hiadiana amin’ny aretina sasany ny olona. Araka ny tatitra iray tamin’ny 2013 anefa, dia sivy tapitrisa isan-taona no maty satria narary fo, na tapaka lalan-dra, na voan’ny aretin’ny taovam-pisefoana na diabeta. Latsaky ny 60 taona ireo olona maty ireo. Fahantrana: Milaza ny Banky Iraisam-pirenena fa 280 tapitrisa ny olona mahantra faraidiny tany Afrika tamin’ny 1990, nefa lasa 330 tapitrisa izany tamin’ny 2012.

16. a) Nahoana no tsy misy mahavaha ny olana mahazo ny olombelona afa-tsy ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no fitahiana hoentin’ilay Fanjakana, araka ny Isaia sy ny Salamo?

16 Tia tena ny mpitondra sy ny olona mifehy ny tontolon’ny varotra. Tsy vitan’izy ireo àry ny manafoana ny ady, ny heloka bevava, ny aretina, ary ny fahantrana. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavita an’izany. Eritrereto ny zavatra hataon’i Jehovah. Hofoanan’ny Fanjakany ny tena fototry ny ady, anisan’izany ny fitiavan-tena, ny kolikoly, ny fanindrahindrana tanindrazana, ny fivavahan-diso, ary i Satana. (Sal. 46:8, 9) Hofoanany koa ny heloka bevava. Olona an-tapitrisany no efa ampianarin’ny Fanjakan’Andriamanitra hifankatia sy hifampatoky. Tsy misy fitondrana mahavita an’izany. (Isaia 11:9) Hataon’i Jehovah tsy misy intsony ny aretina, ka ho salama tsara ny vahoakany. (Isaia 35:5, 6) Hofoanany ny fahantrana, ary hataony manana an’izay ilainy ny olona rehetra. Hataony koa izay hahatonga azy ireo hifandray tsara aminy. Sarobidy noho ny harena izany.—Sal. 72:12, 13.

‘FANTARO IZAY TOKONY HAVALINAREO’

17. Inona no hanampy anao tsy hanaraka ny fomba fisainan’ity tontolo ity?

17 Inona no tokony hataonao raha misy fomba fisainana be mpitia nefa mifanohitra amin’ny zavatra ianaranao? Fantaro izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Resaho amin’ny rahalahy na anabavy matotra koa ilay izy. Diniho hoe nahoana no tian’ny olona ilay fomba fisainana, nahoana no diso ilay izy, ary inona no azonao atao mba tsy hanarahana an’ilay izy. Tsy hanana ny fomba fisainan’ity tontolo ity isika, raha mampihatra ny torohevitr’i Paoly hoe: ‘Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona eny ivelany. Fantaro izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.’—Kol. 4:5, 6.

^ feh. 9 Tsy anisan’ny Baiboly ny Jaona 7:53–8:11 tamin’izy io vao nosoratana. Nisy nanampy an’ireo andininy ireo ny Baiboly sasany tatỳ aoriana. Rehefa mamaky an’ireo ny olona sasany, dia lasa mieritreritra hoe ny olona tsy manota ihany no afaka manameloka an’izay manitsakitsa-bady. Izao anefa no lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita: “Raha misy lehilahy tratra manao firaisana amim-behivavy vadin’olona, dia miaraka vonoina ho faty izy roa.”—Deot. 22:22.