Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) NOVAMBRA 2016

Niala tao Amin’ny Fivavahan-diso Izy Ireo

Niala tao Amin’ny Fivavahan-diso Izy Ireo

“Mivoaha avy ao aminy, ry oloko.”APOK. 18:4.

HIRA: 101, 93

1. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no nanantena ho afaka avy ao amin’i Babylona Lehibe, ary inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?

HITANTSIKA tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa lasa babo tao amin’i Babylona Lehibe ireo Kristianina tsy nivadika. Tsy ho babo ao mandrakizay anefa izy ireo. Efa nilaza mantsy Andriamanitra hoe: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko.” (Vakio ny Apokalypsy 18:4.) Tsy hilaza an’izany izy raha tsy afaka hiala ao amin’ny fivavahan-diso akory ny olona. Oviana àry ny mpanompon’i Jehovah no afaka tanteraka avy tao amin’i Babylona Lehibe? Mila mamaly an’ireto fanontaniana ireto aloha isika: Tapa-kevitra ny hanao inona ny Mpianatra ny Baiboly, na dia efa talohan’ny taona 1914 aza? Nazoto nitory ve izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I? Te hanitsy azy ireo ve i Jehovah ka navelany ho babo tao amin’i Babylona Lehibe izy ireo?

“NY NIANJERAN’I BABYLONA”

2. Tapa-kevitra ny hanao inona ny Mpianatra ny Baiboly, na dia efa talohan’ny Ady Lehibe I aza?

2 Taona maro talohan’ny Ady Lehibe I, dia takatry ny Rahalahy Charles Russell sy ny namany fa tsy nampianatra ny marina ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tapa-kevitra àry  izy ireo fa tsy hifandray amin’ny fivavahan-diso mihitsy. Izay fahazoany ny atao hoe tsy mifandray amin’i Babylona Lehibe no nataony. Efa tamin’ny Novambra 1879 Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) no nilaza hoe misy fivavahana milaza fa vadin’i Kristy sady tsy mivadika aminy, nefa manohana ny fitondram-panjakana. Voalaza tao fa izay fivavahana manao an’izany dia anisan’i Babylona Lehibe, ilay antsoin’ny Baiboly hoe mpivaro-tena.Vakio ny Apokalypsy 17:1, 2.

3. Inona no porofo fa nazava tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly hoe tsy tokony hifandray amin’ny fivavahan-diso izy ireo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Fantatr’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika fa tsy hankasitrahan’i Jehovah izy raha mbola manohana ny fivavahan-diso. Maro tamin’izy ireo àry no nanoratra taratasy fialana tany amin’ny fiangonana nisy azy. Namaky an’ilay taratasiny tao am-piangonana mihitsy aza ny sasany. Nisy anefa tsy nahazo nanao an’izany, ka nandefasany taratasy tsirairay ny mpiangona rehetra. Tsy te hifandray tamin’ny fivavahan-diso intsony izy ireo. Raha taona maro talohan’izay izy ireo no nanao an’izany, dia ho novonoina ho faty. Efa tsy dia nanohana ny fivavahana intsony anefa ny Fitondrana tany amin’ny firenena maro, tamin’ny taona 1870 tany ho any. Afaka niresaka momba ny fivavahana àry ny olona tany, sady afaka nanohitra an’izay nolazain’izy ireny. Tsy nahavoasazy intsony izany.

4. Mbola babo tao amin’i Babylona Lehibe ve ny mpanompon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe I? Hazavao.

4 Azon’ireo Mpianatra ny Baiboly fa tsy ampy ny mampahafantatra an’ireo tapaka sy namana ary ny mpiara-mivavaka hoe tsy anisan’ny fivavahan-diso intsony izy ireo. Tiany hampahafantarina an’izao tontolo izao hoe toy ny mpivaro-tena i Babylona Lehibe, satria manohana ny fitondram-panjakana. Nizara taratasy mivalona momba an’izany àry izy ireo. Nisy lahatsoratra nampibaribary ny marina momba ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tao amin’ilay izy. “Ny Nianjeran’i Babylona” no lohatenin’ilay lahatsoratra. Mpianatra ny Baiboly arivo teo ho eo no nazoto nizara azy io, nefa 10 000 000 no voazarany teo anelanelan’ny Desambra 1917 sy ny fiandohan’ny taona 1918. Tezitra be ny mpitondra fivavahana! Tsy natahotra anefa ny Mpianatra ny Baiboly fa nitory foana. Tapa-kevitra izy ireo hoe hankatò an’Andriamanitra satria izy no mpitondra azy ireo. (Asa. 5:29) Hitantsika avy amin’izany fa efa nisy ezaka nataon’izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I mba hialana tao amin’i Babylona Lehibe, ary nanampy ny olona hanao toy izany koa izy ireo.

NAZOTO NITORY NANDRITRA NY ADY

5. Ahoana no ahafantarantsika fa nazoto nitory ny mpiara-manompo tamintsika, nandritra ny Ady Lehibe I?

5 Nieritreritra isika taloha hoe tezitra tamin’ny mpanompony i Jehovah, satria tsy nazoto nitory izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I. Nihevitra àry isika hoe izany no nahatonga an’i Jehovah hamela azy ireo ho babo vetivety tao amin’i Babylona Lehibe. Nanazava anefa ireo rahalahy sy anabavy nanompo an’i Jehovah teo anelanelan’ny taona 1914 sy 1918, fa nanao izay rehetra azony natao ny ankamaroan’izy ireo mba hitoriana foana. Betsaka ny porofo manamarina an’izany. Mila fantarintsika tsara kokoa ny tantarantsika sy izay nitranga teo anelanelan’ny taona 1914 sy 1918, amin’izay azontsika tsara ny tena dikan’ilay fahababoana tany Babylona.

6, 7. a) Inona no olana natrehin’ny Mpianatra ny Baiboly nandritra ny Ady Lehibe I? b) Inona no porofo fa be zotom-po ny Mpianatra ny Baiboly?

 6 Nafana fo tamin’ny fitoriana ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny Ady Lehibe I (1914-1918). Tsy mora anefa ny nanao an’izany. Nahoana? Maro ny antony, fa roa ihany no horesahintsika. Voalohany, mbola tsy nianaran’izy ireo hoe ahoana no atao raha Baiboly ihany no ampiasaina rehefa mitory. Nizara boky no tena nataon’ny mpitory tamin’izany, ka ilay boky no navelany hanazava ny fahamarinana tamin’ny olona. Noraran’ny fitondrana anefa ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra (anglisy), teo am-piandohan’ny taona 1918, ka lasa sarotra tamin’ny rahalahy sy anabavy maro ny nitory. Faharoa, nihanaka be ny gripa espaniola tamin’ny taona 1918. Mora nifindra io aretina mampidi-doza io, ka tsy dia afaka nandehandeha loatra ny mpitory. Na teo aza anefa izany sy ny olana hafa, dia niezaka nitory foana araka izay azony natao ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly.

Tena nazoto ireo Mpianatra ny Baiboly! (Fehintsoratra 6, 7)

7 Diniho ange izao e! Vitsy ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny taona 1914. Vitan’izy ireo anefa ny nampiseho an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” tamin’ny olona 9 000 000 mahery. Sary mihetsika sy sary tsy mihetsika nampiarahina tamin’ny feo ilay izy. Sambany vao nisy an’izany! Tantaran’ny olombelona nanomboka tamin’ny famoronana ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona no hita tao amin’ilay izy. Betsaka kokoa ny isan’ny olona nijery azy io tamin’ny taona 1914, raha oharina amin’ny isan’ny mpitory eran-tany amin’izao fotoana izao. Hita tamin’ny tatitra koa fa 809 393 no nanatrika fivoriana tany Etazonia tamin’ny taona 1916, ary lasa 949 444 izany tamin’ny taona 1918. Tena nazoto tokoa ireo Mpianatra ny Baiboly!

8. Ahoana no nanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy nandritra ny Ady Lehibe I?

8 Nisy ezaka mafy natao mba hampaherezana sy hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka an’ireo Mpianatra ny Baiboly rehetra. Nahavita nitory foana àry izy ireo. Anisan’ireo mpitory nazoto tamin’izany i Richard Barber. Hoy izy: “Vitanay ny nanampy mpiandraikitra mpitety faritany vitsivitsy mba hanohy ny asany. Vitanay koa ny namoaka tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana sy ny nandefa azy io tany  Kanada na dia voarara aza izy io tany. Nalefa paositra tany amin’ny mpiara-manompo maromaro ilay boky Ilay Mistery Fantatra fanao am-paosy. Nalain’ny manam-pahefana mantsy ny bokin’izy ireo. Tena faly aho fa izaho no nasaina nandefa an’ilay izy. Nasain’ny Rahalahy Rutherford nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra koa izahay. Tany amin’ny tanàna maromaro tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia ilay izy no natao. Nasainy nandefa mpandahateny mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy koa izahay.”

NILA NAHITSY IZY IREO

9. a) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no nila nahitsy teo anelanelan’ny taona 1914 sy 1919? b) Inona no tsy tokony hoeritreretintsika na dia nila nahitsy aza izy ireo?

9 Tsy hoe nifanaraka tamin’ny Baiboly daholo ny zavatra nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, teo anelanelan’ny taona 1914 sy 1919. Tsy azony tsara indraindray ny atao hoe manaiky ny manam-pahefana. (Rom. 13:1) Nisy tamin’izy ireo àry nanohana ny ady. Rehefa namoaka didy, ohatra, ny filohan’i Etazonia hoe hatokana ho andro hivavahana ho an’ny fandriampahalemana ny 30 Mey 1918, dia nilaza Ny Tilikambo Fiambenana hoe tokony hankatò an’izany ny Mpianatra ny Baiboly. Nanome vola hanohanana ny ady koa ny sasany. Nisy vitsivitsy aza nanao miaramila, ka nandeha tany an’ady sy nitondra fitaovam-piadiana. Marina fa nila nahitsy ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe izany no nahatonga azy ireo ho babo tao amin’i Babylona Lehibe. Efa ho tafasaraka tanteraka tamin’izy io aza ry zareo nandritra ny Ady Lehibe I. Fantatr’izy ireo mantsy hoe tsy tokony hifandray amin’ny fivavahan-diso izy ireo.Vakio ny Lioka 12:47, 48.

10. Tapa-kevitra ny tsy hanao inona ny Mpianatra ny Baiboly, noho izy ireo nanaja ny aina?

10 Marina fa tsy hoatr’antsika ny Mpianatra ny Baiboly satria tsy nahazo tsara ny atao hoe tsy anisan’izao tontolo izao. Fantatr’izy ireo anefa hoe mandrara antsika tsy hamono olona ny Baiboly. Tsy nety nampiasa ny fitaovam-piadiany mba hamonoana olona àry ireo rahalahy vitsivitsy nanao miaramila, nandritra ny Ady Lehibe I. Nalefa teny aloha indrindra, noho izany, ny sasany taminy rehefa tany an’ady, amin’izay izy maty.

11. Inona no nataon’ny manam-pahefana rehefa tsy nety nampiasa fitaovam-piadiana ny Mpianatra ny Baiboly?

11 Niezaka tsy handray anjara tamin’ny ady ny Mpianatra ny Baiboly, na dia tsy tonga lafatra aza ny zavatra nataon’izy ireo. Tezitra anefa ny Devoly, ka nitetika ny “hanisy ratsy” azy ireo ‘tamin’ny alalan’ny lalàna.’ (Sal. 94:20) Niresaka tamin’ny Rahalahy Rutherford sy Van Amburgh i James Bell, jeneralin’ny tafika amerikanina. Nilaza izy fa te hanao lalàna vaovao ny Minisiteran’ny Fitsarana Amerikanina, amin’izay azo melohina ho faty izay tsy mety mampiasa fitaovam-piadiana rehefa any an’ady. Ny Mpianatra ny Baiboly no tena tiany horesahina. Nalefa tany amin’ny Antenimieram-pirenena, hono, ilay lalàna fa tsy lany. Tezitra be ilay jeneraly avy eo sady niteny hoe: “Tsy lany ilay lalàna satria tsy neken’i Wilson [Prezidàn’i Etazonia]. Efa fantatray anefa ny hanaovana anareo, ary tena hataonay ilay izy!”

12, 13. a) Nahoana ny Rahalahy Rutherford sy ny namany no voaheloka higadra ela be? b) Lasa tsy te hankatò an’i Jehovah intsony ve izy ireo? Hazavao.

12 Notanterahin’ireo manam-pahefana tokoa ny teniny. Nosamborina ireo rahalahy valo solontenan’ny Fikambanana  Tilikambo Fiambenana, anisan’izany ny Rahalahy Rutherford sy Van Amburgh. Hoy ny mpitsara rehefa namoaka ny didim-pitsarana momba azy ireo: “Mampidi-doza kokoa noho ny fanafihan’ny andiana miaramila alemà ny fitoriana ataon’ireo lehilahy ireo. ... Nanao tsinontsinona ny manam-pahefana sy ny sampana mpitsikilo ao amin’ny tafika izy ireo, ary tsy vitan’izany fa nanaratsy ny mpitondra fivavahana rehetra koa. Tokony hosazina mafy izy ireo.” (Finoana Mandroso, anglisy, nosoratan’i A. Macmillan, p. 99) Mafy tokoa ny sazy nomena azy ireo, satria voaheloka higadra ela be tany amin’ny fonjan’i Atlanta, any Géorgie, izy ireo. Rehefa tapitra anefa ny ady, dia nafahana izy ireo ary nofoanana ny fiampangana azy ireo.

13 Tapa-kevitra ny hankatò ny Tenin’Andriamanitra, araka izay fahazoany azy, ireo rahalahy valo ireo na dia tany am-ponja aza. Izao no nosoratany tany amin’ny filohan’i Etazonia, tamin’izy ireo nangataka ny hafahana: “Voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny sitrapon’ny Tompo, hoe: ‘Aza mamono olona.’ Tsy hankasitrahan’ny Tompo intsony àry ka horinganiny izay Mpianatra ny Baiboly nanokan-tena ho azy nefa minia mandika ny didiny. Izany no mahatonga ny Mpianatra ny Baiboly tsy hanao fanahy iniana hamono olona.” Tena be herim-po tokoa ry zareo! Hita hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy izy ireo.

AFAKA TAO AMIN’I BABYLONA LEHIBE

14. Inona no nitranga nanomboka tamin’ny taona 1914 ka hatramin’ny fiandohan’ny taona 1919?

14 Milaza ny Malakia fa hodiovina ny “taranak’i Levy”, izany hoe ireo voahosotra. (Vakio ny Malakia 3:1-3.) Tamin’ny taona 1914 ka hatramin’ny fiandohan’ny taona 1919 izany no nitranga. Nandinika an’ireo voahosotra nanompo tao amin’ny tempoly ara-panahy i Jehovah, “ilay tena Tompo.” Niaraka taminy koa i Jesosy, “ilay iraky ny fifanekena.” Nanitsy sy nanadio azy ireo i Jehovah, ka lasa vonona hanao asa fanampiny izy ireo. Nanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy tamin’ny taona 1919, mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. (Mat. 24:45) Afaka avy tao amin’i Babylona Lehibe àry ny vahoakan’i Jehovah. Lasa mihamazava amin’izy ireo nanomboka tamin’izay ny sitrapon’i Jehovah, ary vao mainka izy ireo tia azy. Tena mankasitraka an’i Jehovah izy ireo satria nampiany! [1]

15. Ahoana no ampisehoantsika fa faly isika satria tsy ao amin’i Babylona Lehibe intsony?

15 Tena faly isika fa tsy ao amin’i Babylona Lehibe intsony! Diso tetika tokoa i Satana satria tsy nahavita namongotra ny tena Fivavahana Kristianina. Mila mitadidy anefa isika hoe misy antony matoa isika nafahan’i Jehovah. (2 Kor. 6:1) Be dia be ny olona tena mitady an’Andriamanitra nefa mbola any amin’ny fivavahan-diso. Mila atorontsika azy ireny hoe ahoana no hialana any. Aoka àry isika hanahaka an’ireo rahalahy sy anabavy taloha, ka hanao izay rehetra azo atao mba hanampiana ny olona ho afaka avy ao amin’i Babylona Lehibe.

^ [1] (fehintsoratra 14) Betsaka ny mampitovy an’izay nanjo an’ireo Jiosy babo 70 taona tany Babylona sy izay nanjo an’ireo Kristianina taorian’ny fivadiham-pinoana. Tsy azo lazaina hoe faminaniana momba an’izay hanjo ny Kristianina anefa ny nanjo an’ireo Jiosy. Ny faharetan’ny fotoana nahababo azy ireo fotsiny, ohatra, dia efa tsy mitovy. Tsy tokony hanantena àry isika hoe hifanitsy amin’ny an-tsipiriany ny nanjo an’ireo Jiosy babo sy ny nanjo an’ireo voahosotra talohan’ny 1919.