Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Novambra 2016

Nantsoina Hiala Tamin’ny Maizina Isika

Nantsoina Hiala Tamin’ny Maizina Isika

“Niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga [i Jehovah].”1 PET. 2:9.

HIRA: 116, 102

1. Inona no nitranga rehefa nanafika an’i Jerosalema ny Babylonianina?

NANAFIKA an’i Jerosalema i Nebokadnezara II, mpanjaka babylonianina, tamin’ny taona 607 T.K. Nitondra miaramila be dia be izy tamin’izay, ary betsaka ny olona maty. Hoy ny Baiboly: “Namono ny zatovon’izy ireo tamin’ny sabatra tao amin’ny toerana masina [izy]. Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny osa. ... Dia nodorany ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Nodoran’izy ireo koa ny tilikambo fonenana rehetra teo aminy, mbamin’ny zava-tsarobidiny rehetra.”—2 Tan. 36:17, 19.

2. Inona no efa nampitandreman’i Jehovah, ary inona no hanjo ny Jiosy rehefa tanteraka ny teniny?

2 Tsy tokony ho gaga ny mponin’i Jerosalema rehefa nisy nanafika. Efa an-taonany maro mantsy ny mpaminanin’i Jehovah no nampitandrina azy ireo hoe raha tsy miova izy ireo fa mandika ny Lalàn’i Jehovah foana, dia hanafika azy ireo ny Babylonianina. Ho fatin’ny sabatra ny maro amin’izy ireo, ary ho lasa babo any Babylona mandra-pahafatiny kosa ny hafa. (Jer. 15:2) Hojerentsika àry hoe nanao ahoana ny fiainan’ireo lasa babo. Efa nisy zavatra mitovitovy amin’izany ve nanjo ny Kristianina? Raha nisy, dia oviana?

 NY FIAINAN’IREO BABO

3. Nahoana ireo babo tany Babylona no tsy nitovy tamin’ireo Israelita andevo tany Ejipta?

3 Tanteraka ny tenin’ireo mpaminany. Efa nilaza tamin’i Jeremia i Jehovah hoe tokony ho vonona hiatrika ny fiainana any Babylona ireo ho lasa babo any, ary hiezaka ho faly amin’izay zava-misy any. Hoy izy: “Manorena trano [any Babylona] ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy. ... Dia katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo. Mivavaha amin’i Jehovah ho an’ilay tanàna, satria raha miadana io dia hiadana koa ianareo.” (Jer. 29:5, 7) Azo lazaina hoe nilamina ny fiainan’izay nankatò an’i Jehovah, na dia tany Babylona aza izy ireo. Nahazo nandamina ny raharahany manokana izy ireo, ary nahazo nivezivezy tao amin’ilay tany mihitsy aza. Toerana fanaovana raharaham-barotra koa tany Babylona. Hita tamin’ny fikarohana natao tany ambanin’ny tany fa maro ny Jiosy lasa nahay nanao raharaham-barotra sy asa tanana. Lasa nanan-karena mihitsy aza ny sasany. Tsy nijaly be àry ireo babo tany Babylona, raha oharina amin’ireo Israelita andevo tany Ejipta taonjato maro talohan’izay.Vakio ny Eksodosy 2:23-25.

4. Iza no lasa babo, ankoatra an’ireo Israelita tsy nankatò? Nahoana ny Jiosy no tsy afaka nanompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy?

4 Nanana an’izay nilainy ny Jiosy babo tany Babylona, saingy tsy tena afaka nanompo an’i Jehovah. Tsy nisy tempoly sy alitara intsony mantsy, ka tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy ny mpisorona. Lasa babo sy nijaly toy ny hafa rehetra ihany na dia ireo Jiosy tsy nivadika tamin’i Jehovah aza. Nanao izay azony natao anefa izy ireo mba hanarahana ny Lalàny. Anisan’izany i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Tsy nety nihinana ny sakafo tsy azon’ny Jiosy nohanina izy ireo. Nivavaka tsy tapaka koa i Daniela. (Dan. 1:8; 6:10) Mpanompo sampy anefa ny Babylonianina, ka tsy afaka nankatò ny zava-drehetra voalazan’ny Lalàna ny Jiosy tsy nivadika.

5. Inona no nampanantenain’i Jehovah ny vahoakany, ary nahoana no tena mahagaga hoe tanteraka ilay izy?

5 Toa tsy ho afaka hanompo tsara an’i Jehovah araka ny sitrapony intsony ny Israelita. Tsy nanafaka an’izay olona nataony babo mihitsy mantsy i Babylona. Efa nampanantena anefa i Jehovah Andriamanitra fa hanafaka ny vahoakany, ary nanafaka azy ireo tokoa izy. Tanteraka foana izay lazainy.Isaia 55:11.

EFA BABO KOA VE NY KRISTIANINA?

6, 7. Nahoana no mila ahitsy ny fomba fihevitsika?

6 Efa nisy zavatra mitovitovy amin’ny nanjo an’ireo Jiosy lasa babo ve nanjo ny Kristianina? An-taonany maro ity gazety ity no nilaza fa babo tao amin’i Babylona Lehibe ny mpanompon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1918, ary nafahana izy ireo tamin’ny 1919. Mila ahitsy anefa izany fomba fihevitsika izany, ka hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny antony.

7 Ny fivavahan-diso rehetra no antsoina hoe Babylona Lehibe. Raha nandevozin’izy io àry ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1918, dia tokony ho nanaraka ny fanaony. Rehefa jerena anefa ny tantara, dia efa taona maromaro talohan’ny Ady Lehibe I izy ireo no niala tamin’ny fivavahan-diso. Marina fa nenjehina ny voahosotra tamin’izany. Ny fitondram-panjakana anefa no tena nanenjika azy ireo, fa tsy ny fivavahan-diso. Tsy tena azo lazaina hoe babo  tao amin’i Babylona Lehibe àry ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny 1918.

OVIANA NY KRISTIANINA NO BABO TAO AMIN’I BABYLONA LEHIBE?

8. Inona no nitranga rehefa maty ireo apostoly? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Nisy olona an’arivony lasa Kristianina nahazo ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Lasa “firazanana voafidy” izy ireo, sady lasa “mpisorona no mpanjaka.” Lasa “firenena masina” sy “olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana” koa izy ireo. (Vakio ny 1 Petera 2:9, 10.) Tena niaro ny fiangonana ny apostoly, tamin’izy ireo mbola velona. Nisy lehilahy maromaro nampianatra hevi-diso anefa tatỳ aoriana, indrindra rehefa maty ireo apostoly. Te ‘hitaona ny mpianatra hanaraka azy’ mantsy izy ireo. (Asa. 20:30; 2 Tes. 2:6-8) Mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana ny ankamaroan’izy ireo, ary lasa eveka tatỳ aoriana. Lasa nisy àry ny mpitondra fivavahana, nefa i Jesosy efa nilaza tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Mat. 23:8) Tena tian’izy ireo ny fampianaran’ireo filozofa atao hoe Aristote sy Platon. Lasa nampianatra hevi-diso àry izy ireo, fa tsy nampianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra intsony.

9. Ahoana no nahatonga an’ireo Kristianina nivadi-pinoana hiara-hiasa akaiky tamin’ny Fanjakana Romanina, ary inona no vokany?

9 Neken’i Constantin ho ara-dalàna ny fivavahan’ireo Kristianina nivadi-pinoana ireo, tamin’ny taona 313. Izy no mpitondra romanina tamin’izany, ary mpanompo sampy izy. Lasa niara-niasa akaiky ny Eglizy sy ny Fitondrana nanomboka tamin’izay. Nivory niaraka tamin’ny mpitondra fivavahana, ohatra, i Constantin indray mandeha. Tany Nicée ilay izy no natao. Rehefa vita ilay fivoriana, dia nasainy natao sesitany ilay mompera atao hoe Arius satria tsy nety nanaiky hoe Andriamanitra i Jesosy. Nantsoina hoe Fivavahana Katolika tatỳ aoriana ny fivavahan’ireo Kristianina nivadi-pinoana. Izy io no lasa fivavaham-panjakana tany Roma, tamin’ny fotoana nanjakan’i Théodose I (taona 379-395). Milaza ny mpahay tantara fa tamin’izany ireo Romanina mpanompo sampy no lasa “Kristianina.” Raha ny marina anefa, dia ireo Kristianina nivadi-pinoana no nanaraka ny fampianaran’ny mpanompo sampy, ka lasa anisan’i Babylona Lehibe. Nisy voahosotra vitsivitsy nanao izay azony natao mba hanompoana an’i Jehovah. Noharin’i Jesosy tamin’ny vary izy ireo. Tsy nisy nihaino anefa izy ireo rehefa nitory. (Vakio ny Matio 13:24, 25, 37-39.) Toy ny hoe babo tany Babylona àry ny Kristianina tamin’izany.

10. Nahoana ny olona sasany no lasa tsy nanaiky ny fampianaran’ny fivavahana?

10 Be dia be anefa ny olona afaka namaky Baiboly tamin’ny teny grika na latinina, nandritra ny taona maro taorian’i Kristy. Azon’izy ireo nampitahaina tamin’izay voalaza tao àry ny fampianaran’ny fivavahana. Nisy olona nahita hoe tsy nifanaraka tamin’izay novakiny tao amin’ny Baiboly ny fampianarana sasany, ka tsy nekeny intsony ilay izy. Tsy afaka naneho ny heviny anefa izy ireo, satria nampidi-doza izany ary nety ho namoizany ny ainy mihitsy aza.

11. Inona no nahatonga ny mpitondra fivavahana ho lasa masi-mandidy tamin’ny Baiboly?

11 Lasa vitsy kely sisa no nahay an’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly, rehefa nandeha ny fotoana. Nisy olona niezaka nandika azy io tamin’ny fiteny hain’ny olona rehetra, nefa nosakanan’ny mpitondra  fivavahana. Ry zareo sy ny olona sasany nahita fianarana ihany àry no afaka namaky Baiboly. Ny mpitondra fivavahana sasany anefa tsy nahay namaky teny sy nanoratra tsara akory. Voasazy mafy izay tsy nanaiky ny fampianaran’ny eglizy. Tsy maintsy niafina ireo Kristianina voahosotra tsy nivadika rehefa nivory. Nisy aza tsy afaka nivory mihitsy. Nitovy tamin’izay nanjo an’ireo mpisorona babo tany Babylona ny nanjo an’ireo voahosotra, izay sady “mpisorona no mpanjaka.” Tsy afaka nanao ny asany araka ny tokony ho izy ry zareo. Voageja mafy tao amin’i Babylona Lehibe tokoa ny olona!

NIHANISAVA NY HAIZINA

12, 13. Inona ireo zavatra roa nitranga nahatonga an’i Babylona Lehibe tsy hanana fahefana firy intsony?

12 Nisy fanantenana ihany anefa hoe hisava ny haizina, ka ho afaka hanompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy indray ny tena Kristianina. Nisy zava-dehibe roa nitranga mantsy. Voalohany, lasa nisy milina fanaovana pirinty tamin’ny taona 1450 tany ho any. Nadika tanana ny Baiboly talohan’izay, ka asa be mihitsy vao nahavita iray. Folo volana ny mpanao dika soratra matihanina vao nahavita Baiboly iray. Hodi-biby koa no nanoratana tamin’izany nefa lafo be ilay izy. Tsy dia nisy àry ny Baiboly sady lafo be. Tsotra kokoa anefa ny nampiasa milina fanontam-pirinty sy taratasy. Nahavita pejy 1300 isan’andro ny mpanao pirinty efa za-draharaha.

Tsy nanana fahefana firy intsony i Babylona Lehibe, rehefa nisy ny milina fanaovana pirinty ary nisy olona be herim-po nandika ny Baiboly (Fehintsoratra 12, 13)

13 Faharoa, nisy lehilahy vitsivitsy be herim-po nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny hain’ny olona rehetra, tamin’ny taona 1500 tany ho any. Maro no nanao an’izany na dia fantany aza hoe mety hovonoina izy  raha tratra. Nihorohoro àry ny mpitondra fivavahana, satria nihevitra hoe hampidi-doza an-dry zareo izany. Lasa afaka namaky Baiboly mantsy ny olona tia an’Andriamanitra, ka nanontany hoe: ‘Aiza ao amin’ny Baiboly no misy hoe afofandiovana, na hoe tsy maintsy mandoa vola vao mahazo lamesa rehefa misy maty? Aiza koa no misy resaka papa sy kardinaly?’ Avy amin’ny fampianaran’i Aristote sy Platon ny sasany tamin’ny zavatra nampianarin’ny eglizy. Mpanompo sampy ireo filozofa ireo sady velona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Tezitra be ireo mpitondra fivavahana, satria tsy tokony hiahiahy azy ireo, hono, ny olona. Nolazainy fa mpivadi-pinoana àry izay tsy nanaiky ny fampianaran’ny eglizy, ka nomelohiny ho faty. Ny eglizy no namoaka didy hoe voaheloka ho faty ilay olona, ary ny Fanjakana no namono azy. Tsy tian’ny mpitondra fivavahana hamaky Baiboly intsony sy hanadihady azy mantsy ny olona. Nanaiky lembenana ny ankamaroany. Nisy vitsivitsy ihany anefa tsy nanaiky hampitahorin’i Babylona Lehibe. Efa nanomboka nahalala ny fahamarinana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ka mbola te hahalala misimisy kokoa. Kely sisa izy ireo dia ho afaka ao amin’ny fivavahan-diso.

14. a) Inona no nataon’ireo olona te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly? b) Inona no nataon’ny Rahalahy Russell mba hahitana ny fahamarinana?

14 Tsy tian’ny olona maro hoe ny mpitondra fivavahana no hilaza an’izay tokony hinoany. Te hamaky Baiboly sy hianatra azy io koa izy ireo, sady te hifampiresaka ny zavatra nianarany. Nandositra tany amin’izay tany nahafahany nanao an’izany àry izy ireo, ohatra hoe tany Etazonia. Tany i Charles Russell sy ny namany vitsivitsy no nanomboka nandalina ny Baiboly, tamin’ny taona 1870 tany ho any. Lasa nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly izy ireo. Tian’ny Rahalahy Russell ho fantatra tamin’ny voalohany hoe iza no fivavahana mampianatra ny marina. Nandinika tsara ny fampianaran’ireo fivavahana samy hafa àry izy, mba hahitana raha mifanaraka amin’ny Baiboly ilay izy. Na ny fampianaran’ny fivavahana tsy kristianina aza nataony an’izany. Hitany hoe tsy nisy tena nanaraka tsara an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireny. Niresaka tamin’ny mpitondra fivavahana maromaro izy, indray mandeha. Nanantena izy hoe hanaiky ny fahamarinana hitan’izy sy ny namany tao amin’ny Baiboly izy ireo, ka hampita an’izany amin’ny mpivavaka ao aminy. Tsy nahaliana azy ireo anefa izany. Tonga saina àry ny Mpianatra ny Baiboly hoe tsy tokony hifandray amin’ny olona tsy mety miala amin’ny fivavahan-diso izy ireo.Vakio ny 2 Korintianina 6:14.

15. a) Oviana ny Kristianina no lasa babo tao amin’i Babylona Lehibe? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

15 Hitantsika tato àry fa lasa babo tao amin’i Babylona Lehibe ny tena Kristianina, taoriana kelin’ny nahafatesan’ny apostoly farany. Inona koa anefa no porofo fa efa niala tao amin’i Babylona Lehibe ny voahosotra, taona maromaro talohan’ny 1914? Tezitra tamin’ny mpanompony ve i Jehovah satria tsy dia nazoto nitory izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I? Nisy mpiara-manompo tamintsika ve nandray anjara tamin’ny ady, ka lasa tsy nankasitrahan’i Jehovah? Oviana ny Kristianina no tsy babo tao amin’ny fivavahan-diso intsony? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.