Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 19

Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah Rehefa Misy Zava-dratsy Mitranga

Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah Rehefa Misy Zava-dratsy Mitranga

“Tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao. Tsy misy olon-dratsy hiara-mitoetra aminao, na rahoviana na rahoviana.”—SAL. 5:4.

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

HO HITANAO ATO *

1-3. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny faharatsiana, araka ny Salamo 5:4-6? b) Nahoana ny fametavetana ankizy no mifanohitra amin’ny “lalàn’i Kristy”?

HALAN’I Jehovah ny faharatsiana rehetra. (Vakio ny Salamo 5:4-6.) Azo antoka àry fa halany ny fametavetana ankizy. Tena ratsy sady maharikoriko mantsy izany. Manahaka an’i Jehovah isika Vavolombelony, ka mankahala ny fametavetana ankizy koa. Tsy milefitra amin’izany isika eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Rom. 12:9; Heb. 12:15, 16.

2 Nianarantsika teo aloha ny atao hoe “lalàn’i Kristy”, izany hoe izay rehetra nampianariny na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony. (Gal. 6:2) Hitantsika koa hoe miorina amin’ny fitiavana sy mampirisika ny olona hanao ny rariny io lalàna io. Manaraka azy io ny tena Kristianina, ka manao izay hahatonga ny ankizy hahatsapa hoe voaro sy tena tiana. Mifanohitra tanteraka amin’ny “lalàn’i Kristy” àry ny fametavetana ankizy. Tia tena sy manao ny tsy rariny mantsy ny olona manao an’izany, ka mahatonga ny ankizy hieritreritra hoe tsy misy mpiaro izy sady tsy misy mpitia.

3 Mampalahelo fa hita maneran-tany io olana io, ary misy amin’ny mpanompon’i Jehovah aza nisy nametaveta. Nahoana? Satria be dia be “ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka”, ary mety hanao izay hahatonga azy ho anisan’ny fiangonana ny sasany amin’izy ireny. (2 Tim. 3:13) Misy koa nanompo an’i Jehovah ihany, nefa nanaiky ho resin’ny fanirian-dratsy ka nametaveta ankizy. Andao àry hodinihintsika hoe nahoana izany no fahotana tena lehibe. Hojerentsika koa hoe inona no ataon’ny anti-panahy rehefa misy nanao zavatra tena ratsy, ohatra hoe nametaveta ankizy, ary  ahoana no azon’ny ray aman-dreny iarovana ny zanany. *

FAHOTANA TENA MAHATSIRAVINA

4-5. Nahoana no manota amin’ilay ankizy izay mametaveta azy?

4 Misy vokany maharitra ny fametavetana ankizy. Tsy ilay ankizy ihany anefa no mizaka ny vokatr’izany fa izay rehetra tia azy koa, izany hoe ny fianakaviany sy ny mpiara-manompo. Fahotana tena mahatsiravina àry izy io.

5 Manota amin’ilay ankizy izay mametaveta azy. Manota izay mampijaly ny hafa sy mandratra ny fihetseham-pony. Izany mihitsy anefa no ataon’ny mpametaveta, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Tena manimba an’ilay ankizy izy, satria manararaotra ny fatokisany ka lasa tsy mahatsiaro ho voaro intsony ilay ankizy. Tsy maintsy arovana mba tsy ho tratran’ireny mpanao ratsy ireny ny ankizy. Mila ampaherezina sy ampiana koa izay efa tratran’izany.—1 Tes. 5:14.

6-7. Nahoana no manota amin’ny fiangonana sy ny manam-pahefana izay mametaveta ankizy?

6 Manota amin’ny fiangonana izay mametaveta ankizy. Ho afa-baraka ny fiangonana raha mametaveta ankizy ny olona iray ao aminy. (Mat. 5:16; 1 Pet. 2:12) Tsy fiangonana iray ihany anefa no ho afa-baraka, fa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mihitsy. Tena tsy rariny izany satria efa ‘miady mafy hiaro ny finoana’ ireo Vavolombelona tsy mivadika an-tapitrisany eran-tany. (Joda 3) Tsy avelantsika hijanona ho anisan’ny fiangonana àry izay mpanao ratsy tsy mibebaka sy manimba ny lazan’ny fiangonana.

7 Manota amin’ny manam-pahefana izay mametaveta ankizy. Tsy maintsy ‘manaiky ny manam-pahefana’ ny Kristianina. (Rom. 13:1) Manaiky azy ireo isika raha mankatò ny lalàna eo amin’ny tany misy antsika. Manota amin’ny manam-pahefana àry ny olona iray anisan’ny fiangonana raha mandika lalàna, ohatra hoe mametaveta ankizy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 25:8.) Marina fa tsy nomena fahefana hanasazy an’izay nandika ny lalàn’ny taniny ny anti-panahy. Tsy miaro ny mpametaveta ankizy amin’izay sazy tokony hihatra aminy araka ny lalàna anefa izy ireo. (Rom. 13:4) Mizaka ny vokatr’izay nafafiny ny olona nanota.—Gal. 6:7.

8. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fahotana atao amin’ny olon-kafa?

8 Manota amin’Andriamanitra izay mametaveta ankizy, ary izany no tena ratsy. (2 Sam. 12:13) Izay manota amin’ny olon-kafa dia manota amin’i Jehovah. Milaza, ohatra, ny Lalàna nomeny ny Israelita hoe “tsy mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah” ny olona iray, raha manambaka ny namany. (Lev. 6:2-4) Izany mihitsy anefa no ataon’izay mametaveta ankizy. Manambaka na mamitaka mantsy izy. Matoky azy ilay ankizy nefa hararaotiny, ka lasa tsy mahatsiaro ho voaro intsony. Noho izany, dia tsy mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah ny olona iray eo anivon’ny fiangonana, raha mametaveta ankizy. Tena manala baraka ny anaran’i Jehovah koa izy. Fahotana amin’Andriamanitra àry ny fametavetana ankizy sady maharikoriko.

9. Inona no fanazavana efa nomen’ny fandaminana? Nahoana no dinihina matetika ny toromarika handaminana ny raharaha momba ny fametavetana ankizy?

9 Betsaka ny fanazavana ara-baiboly efa navoakan’ny fandaminan’i Jehovah momba ny fametavetana ankizy. Anisan’izany ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Noresahina tao, ohatra, hoe inona no  azon’ny olona nisy nametaveta atao mba hizakana ny ratram-pony. Nohazavaina tao koa ny fomba anampiana sy ampaherezana azy ireny, ary izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany. Nahazo fampiofanana koa ny anti-panahy mba hahalalany izay tokony hatao rehefa misy nametaveta ankizy. Nomena toromarika amin’ny an-tsipiriany miorina amin’ny Baiboly izy ireo. Mamerina mandinika matetika an’ireny toromarika ireny ny fandaminana, ary manitsy an’izany indraindray. Nahoana? Amin’izay azo antoka hoe mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy ny fomba ikarakarana an’ireny raharaha ireny.

INONA NO ATAON’NY ANTI-PANAHY REHEFA MISY NANAO FAHOTANA LEHIBE?

10-12. a) Inona no ataon’ny anti-panahy an-tsaina rehefa misy nanao fahotana lehibe? Inona avy no eritreretin’izy ireo? b) Inona no iezahan’ny anti-panahy hatao, araka ny Jakoba 5:14, 15?

10 Rehefa misy nanao fahotana lehibe, dia ataon’ny anti-panahy an-tsaina foana hoe tokony hanaraka ny lalàn’i Kristy izy ireo, ka hampiseho fitiavana amin’ny andian’ondry sady hanao izay lazain’Andriamanitra hoe rariny sy hitsiny. Misy zavatra maromaro mila eritreretin’izy ireo tsara àry, rehefa mitranga izany. Ny hanome voninahitra an’i Jehovah sy hiaro ny lazany no zava-dehibe indrindra eritreretin’ny anti-panahy. (Lev. 22:31, 32; Mat. 6:9) Eritreretin’izy ireo koa hoe ahoana no hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy mba hifandray tsara amin’i Jehovah foana, ary ahoana no hampaherezana an’izay mijaly vokatry ny nataon’ilay olona nanota.

11 Raha anisan’ny fiangonana ilay olona nanota, dia eritreretin’ny anti-panahy koa hoe ahoana no hanampiana azy hifandray tsara amin’i Jehovah indray, raha mbola azo atao izany. (Vakio ny Jakoba 5:14, 15.) Efa tsy mifandray tsara amin’i Jehovah intsony ny Kristianina iray matoa resin’ny fanirian-dratsy ka nanao fahotana lehibe. Marary ara-panahy àry izy. * Azo oharina amin’ny dokotera ny anti-panahy, ka miezaka “hanasitrana ilay marary.” (Ilay olona nanota no tiana horesahina amin’izany eto.) Afaka manampy azy hihavana amin’i Jehovah indray ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly omen’izy ireo. Raha tena mibebaka ihany anefa ilay olona, vao ho afaka hihavana amin’i Jehovah indray.—Asa. 3:19; 2 Kor. 2:5-10.

12 Manana andraikitra lehibe àry ny anti-panahy. Tena tian’izy ireo ny andian’ondry satria nasain’Andriamanitra nokarakarainy. (1 Pet. 5:1-3) Tian’izy ireo hahatsapa ho voaro ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Manao zavatra haingana àry izy ireo raha vao maheno hoe nisy olona nanao fahotana lehibe, ohatra hoe nametaveta ankizy. Inona no ataon’izy ireo? Andao hodinihintsika ny valin’ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny  fehintsoratra faha-13 sy  faha-15 ary  faha-17.

13-14. Mitatitra any amin’ny manam-pahefana ve ny anti-panahy rehefa misy olona voalaza ho nametaveta ankizy? Hazavao.

 13 Ahoana no ataon’ny anti-panahy, raha milaza ny lalàna hoe tsy maintsy ampahafantarina ny manam-pahefana rehefa misy olona voalaza ho nametaveta ankizy? Raha mitaky an’izany ny lalàna, dia mankatò izy ireo. (Rom. 13:1) Tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ireny lalàna mahakasika ny fanaovana tatitra momba ny fametavetana ireny. (Asa. 5:28, 29) Rehefa henon’ny anti-panahy àry hoe nisy olona voalaza ho nametaveta ankizy, dia manontany ny biraon’ny sampana avy hatrany izy ireo hoe ahoana no hatao mba hitaterana an’ilay zava-nitranga araka ny takin’ny lalàna.

14 Rehefa miresaka amin’ilay ankizy sy ny ray aman-dreniny ary ny olon-kafa mahafantatra  an’ilay zava-nitranga ny anti-panahy, dia mampahatsiahy azy ireo hoe manan-jo hitatitra any amin’ny manam-pahefana izy ireo. Ahoana anefa raha anisan’ny fiangonana ilay olona nametaveta ankizy, ary lasa fantatry ny fiaraha-monina ilay izy? Tokony hieritreritra ve ilay Kristianina nitatitra tany amin’ny manam-pahefana hoe nanala baraka ny anaran’Andriamanitra izy? Tsy izany mihitsy. Ilay olona nanao ratsy no nanala baraka ny anaran’Andriamanitra.

15-16. a) Araka ny 1 Timoty 5:19, inona no tokony hataon’ny anti-panahy alohan’ny hananganana komity mpitsara? Nahoana? b) Ahoana no ataon’ny anti-panahy raha voalaza ho nametaveta ankizy ny olona iray anisan’ny fiangonana?

 15 Nahoana ny anti-panahy no mila vavolombelona roa, fara fahakeliny, mba hanaporofoana fa nanao fahotana lehibe tokoa ny olona iray? Satria izany no lazain’ny Baiboly hoe rariny. Raha voampanga ho nanao fahotana lehibe ny olona iray nefa izy tsy miaiky an’izany, dia mila vavolombelona roa izay vao afaka manangana komity mpitsara ny anti-panahy. (Deot. 19:15; Mat. 18:16; vakio ny 1 Timoty 5:19.) Midika ve izany fa mila vavolombelona roa koa vao azo atao ny mitatitra any amin’ny manam-pahefana hoe nisy olona voalaza ho nametaveta ankizy? Tsia. Heloka bevava ilay izy, ka tsy mila vavolombelona roa ny anti-panahy na ny olon-kafa vao hanao tatitra any amin’ny manam-pahefana.

16 Ahoana àry no ataon’ny anti-panahy raha voalaza ho nametaveta ankizy ny olona iray anisan’ny fiangonana? Mitatitra an’ilay izy any amin’ny manam-pahefana aloha ry zareo, ary ataony mifanaraka amin’izay takin’ny lalàna izany. Manadihady an’izay nitranga izy ireo aorian’izay, ary manaraka an’izay voalazan’ny Baiboly mba hamantarana raha ilaina ny manangana komity mpitsara. Raha tsy miaiky ilay olona hoe nametaveta ankizy, dia amin’izay ny anti-panahy no mihaino an’ireo vavolombelona. Afaka manangana komity mpitsara izy ireo raha misy olona roa, fara fahakeliny, manamarina an’ilay fiampangana. * Ilay niampanga no vavolombelona voalohany, izany hoe mety ho ilay ankizy na olona nahita an’ilay zava-nitranga. Ny vavolombelona faharoa indray, dia olona afaka manaporofo fa nametaveta an’ilay ankizy io olona io na efa nametaveta ankizy hafa. Mety ho ankizy hafa efa nataony an’izany koa no vavolombelona faharoa. Ary ahoana raha tsy misy afa-tsy vavolombelona iray? Na dia tsy ampy aza ny vavolombelona, dia miaiky ny anti-panahy hoe mety ho nisy nanao fahotana lehibe tao ary miaritra ny voka-dratsin’izany ny olona sasany ka malahelo be. Manohy manampy sy mampahery an’ireny olona ireny àry ny anti-panahy. Mailo foana koa izy ireo ka manao izay azo atao mba hiarovana ny fiangonana amin’ilay olona mety ho nanao ratsy.—Asa. 20:28.

17-18. Hazavao ny ataon’ny komity mpitsara.

 17 Inona no ataon’ny komity mpitsara? Ilay teny hoe “mpitsara” akory tsy midika hoe ny anti-panahy no hanapa-kevitra raha tokony hosazin’ny manam-pahefana ilay olona nametaveta ankizy satria nandika lalàna. Tsy miditra amin’ny fomba ampiharana ny lalàna ry zareo. Ny manam-pahefana no avelany hikarakara ny resaka heloka bevava. (Rom. 13:2-4; Tit. 3:1) Mitsara kosa ny anti-panahy, izany hoe mamantatra raha mbola azo avela ho anisan’ny fiangonana ilay olona na tsia.

18 Ny lafiny ara-panahy no dinihin’ny anti-panahy rehefa manangana komity mpitsara izy ireo. Mampiasa ny Baiboly izy ireo mba hamantarana raha mibebaka ilay olona nametaveta ankizy na tsia. Raha tsy mibebaka izy, dia horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana, ary hampahafantarina ny fiangonana izany. (1 Kor. 5:11-13) Raha mibebaka kosa izy, dia  mbola ho anisan’ny fiangonana ihany. Hampahafantarin’ny anti-panahy azy anefa hoe mety tsy hahazo tombontsoam-panompoana na andraikitra eo anivon’ny fiangonana intsony izy. Mba hiarovana ny ankizy eo anivon’ny fiangonana, dia mety hiresaka mitokana amin’izay ray aman-dreny manana zanaka tsy ampy taona ny anti-panahy, ka hampirisika azy ireo mba ho mailo rehefa eny akaikin’ny zanany ilay olona nametaveta ankizy. Hitandrina anefa ny anti-panahy mba tsy hilaza hoe iza no nisy nametaveta.

AHOANA NO HIAROVANAO NY ZANAKAO?

Ray aman-dreny mampianatra ny zanany momba ny firaisana, satria te hiaro azy ireo mba tsy hisy hametaveta. Mampiasa ny fanazavana efa navoakan’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo, ary izay sahaza ny taonan’ny zanany no resahiny. (Jereo ny fehintsoratra 19-22)

19-22. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

19 Andraikitr’iza ny miaro ny ankizy? Milaza ny Baiboly hoe “lova avy amin’i Jehovah” ny zanaka, izany hoe fanomezan’Andriamanitra ho anareo ray aman-dreny. * (Sal. 127:3) Andraikitrareo àry ny miaro an’io lova io. Ahoana no hiarovanareo ny zanakareo mba tsy hisy hametaveta?

20 Voalohany, miezaha hahafantatra momba ny fametavetana ankizy. Fantaro, ohatra, hoe olona hoatran’ny ahoana no manao an’izany, ary ahoana no fomba amitahany ny ankizy. Miezaha koa ho mailo rehefa misy toe-javatra na olona mampiahiahy. (Ohab. 22:3; 24:3) Tadidio fa amin’ny ankapobeny, dia olona efa fantatr’ilay ankizy sy atokisany no mametaveta azy.

21 Faharoa, miezaha hifampiresaka tsara amin’ny zanakao. (Deot. 6:6, 7) Midika izany hoe mila mihaino azy tsara ianao. (Jak. 1:19) Tadidio fa matetika ny ankizy no tsy sahy miteny hoe nisy nametaveta. Matahotra angamba izy sao tsy hisy hino azy, na izy norahonan’ilay mpametaveta mba tsy hitantara an’izay nitranga. Ahoana raha mahimahina ianao hoe hafahafa ny zanakao? Anontanio moramora izy mba hahatonga azy hiresaka. Manàna faharetana avy eo rehefa mihaino azy.

22 Fahatelo, ampianaro ny zanakao. Resaho momba ny firaisana izy, ary izay sahaza ny taonany hazavaina aminy. Ampianaro azy izay tokony hatao na holazaina, raha misy olona mitady hikasikasika azy any amin’izay tsy tokony hokasihina. Efa namoaka fanazavana mba hanampiana anao hiaro ny zanakao ny fandaminan’i Jehovah, dia ampiasao izy ireny.—Jereo ilay hoe “ Mianara ary Ampianaro koa ny Zanakao.”

23. Ahoana no fiheverantsika ny fametavetana ankizy, ary inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Fahotana lehibe sady faran’izay maharikoriko ny fametavetana ankizy amintsika Vavolombelon’i Jehovah. Manaraka ny lalàn’i Kristy isika, ka avelantsika hizaka ny vokatry ny fahotany ny mpametaveta ankizy, fa tsy arovantsika amin’izany. Ahoana anefa no hanampiantsika an’izay nisy nametaveta? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

^ feh. 5 Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no hiarovana ny ankizy mba tsy hisy hametaveta. Hianarantsika ato koa izay ataon’ny anti-panahy mba hiarovana ny fiangonana, sy izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany.

^ feh. 3 FANAZAVANA: Mametaveta ankizy ny olona iray raha mampiasa an’ilay ankizy mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany hanao firaisana. Anisan’izany ny fanaovana firaisana aminy, ny fanaovana firaisana amin’ny vava na lava-pitombenana, ny filalaovana ny filahiana na ny fivaviana, ny fanafosafoana ny nono na ny fitombenana, ary ny fanao mamoafady hafa. Tsara homarihina fa raha nisy nametaveta ny ankizy iray, dia midika izany hoe nohararaotina sy nampijalina izy ary nisy nandratra ny fihetseham-pony. Tsy izy mihitsy akory no diso. Ankizivavy matetika no misy mametaveta, kanefa betsaka koa ny ankizilahy tratran’izany. Lehilahy ny ankamaroan’ny mpametaveta ankizy, nefa misy vehivavy manao an’izany koa.

^ feh. 11 Raha nanao fahotana lehibe ny olona iray satria marary ara-panahy, dia tsy azony atao fialan-tsiny izany. Tompon’andraikitra amin’ny safidiny sy izay zava-dratsy nataony izy, ary hotsarain’i Jehovah amin’izany.—Rom. 14:12.

^ feh. 16 Rehefa hiresaka amin’ilay voampanga ny anti-panahy, dia tsy hasain’izy ireo hanatrika eo mihitsy ilay ankizy. Ny rainy, na ny reniny, na olon-dehibe hafa atokisany no hiresaka amin’ny anti-panahy an’izay nitranga. Mety ho vao mainka hijaly mantsy izy, raha mbola asaina manatrika eo.

^ feh. 19 Tsy zanaka naterany no tezain’ny olona sasany. Natao ho an’ireny olona ireny koa ny torohevitra omena ny ray aman-dreny ato.